ahoana no fiasan’ andriamanitra? - ny...

40
J. Kœchlin Imprimé en France Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex Ahoana no fiasan’ Andriamanitra ?

Upload: others

Post on 08-Jul-2020

6 views

Category:

Documents


1 download

TRANSCRIPT

Page 1: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

J. Kœchlin

Imprimé en France

Bibles et Publications Chrétiennes30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex

Ahoana no fiasan’Andriamanitra?

Page 2: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Fizahan-takila >

ISBN : 978-2-87907-352-1

Comment Dieu travaille ?

Page 3: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Fampidirana 7

Drafitry ny episitily :

TOKO 1 – 3. 20Tena ilaina ny asan’Andriamanitra 9

TOKO 3. 21 – 5. 11Izay nataon’Andriamanitra ho antsika 15

TOKO 5. 12 – 7Izay ataon’Andriamanitra ao anatintsika 18

TOKO 8Izay ataon’Andriamanitra amintsika 25

TOKO 9 – 11Izay nataon’Andriamanitra ho an’nyIsiraely sy ny Jentilisa 31

TOKO 12 – 15Izay ataon’Andriamanitra amin’nyalalantsika 33

TOKO 16Fahombiazan’ny asan’Andriamanitra 38

3

Page 4: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe
Page 5: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

7

11.. Romana 1. Ú, ∞, Úƒ, ÚÌ •• 22.. Romana 1. Ú¬ •• 33.. Romana 14. ‡†

FFaammppiiddiirraannaa

Lohahevitra maromaro no velabelarina aoamin’ny episitily nosoratana ho an’ny Romana.Ny amin’ny filazantsara (na ny Vaovao Mahafaly)no velabelariny voalohany : miverina inefatra ioteny hoe filazantsara io ao amin’ny tokovoalohany 1. Fanambaràna ny famonjena noandraisana ny hevitry ny hoe filazantsara,amin’ny ankapobeny. Io no ilay tebokaiantombohan’ny fiainana kristiana. Eo amin’nyand. Úƒ no ilazan’i Paoly fa nanambara izanyfilazantsara izany tamina mpino maro izy : porofoizany fa tsy mijanona fotsiny amin’ny famonjenany fanahy ny filazantsara fa mihoatra izany. Aoaminy no ahitana ny fihevitr’Andriamanitrarehetra, izay ambarany amin’ny olona ; ao aminyno ahatarafana ny drafitrasan’Andriamanitra hoan’ny olona.

Ny amin’ny fahamarinan’Andriamanitra nolohahevitra faharoa 2 iompanan’ny episitily :mampiseho ny fahamarinany sy manolotra izanyho an’ny olona, aorian’ny fanekeny ny filànaizany, Andriamanitra.

Ny amin’ny asan’Andriamanitra nolohahevitra fahatelo 3. Hitantsika taratra ato

Page 6: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

anatin’ity episitily ity Andriamanitra miasa.Atombony amin’ny fanilihana ny asan’olombelona izany ary dia miasa izy :

ho antsika (hatreo amin’ny toko 5. ÚÚ),ao anatintsika (manomboka eo amin’ny toko

5. Ú‡)amin’ny alalantsika (manomboka eo amin’ny

toko 12).Ny endrika isehoan’izany asan’Andriamanitra

izany, araka ny iresahan’ny episitily azy, nohojerentsika eto.

8

Page 7: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

TOKO 1 – 3. 20

Tena ilaina ny asan’Andriamanitra

Raha mbola mitoky amin’ny tenany ihany nyolona dia tsy mbola vonona ny hitokyamin’Andriamanitra izy izay, tsy mbola vononany hamela Azy hiasa. Ilaina, noho izany, nyfanesorana azy amin’io fitokisan-tena io.

Izany fitaomana ny olona hiala amin’nyfitokisan-tena izany, fa hitoky kosa amin’Andriamanitra, no hitantsika ao amin’ny bokin’iIsaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitrahatrany am-boalohany ny hoe : « Mitsahara fa azamitoky amin’olona, fa fofonaina foana no eo am-bavorony, ka hatao zinona izy » 4. Rehefavoambarany izany vao nampidirina, arymiandalana, Ilay Iray izay nirahin’Andriamanitra :ho amin’ny Isiraely vahoakany aloha, hofahazavana ho an’ny Jentilisa aorian’izany, ary hofamonjena hatramin’ny faran’ny tany 5. Toy izanykoa no ambara ao amin’ny Eksodosy. Asehoamintsika ho nandevozina tany Egypta aloha nyIsiraely ary tsy nahita lalan-kivoahanatamin’izany, mba hahafahana mahita ny asanataon’Andriamanitra taminy taty aoriana.

9

44.. Isaia 2. ‡‡ •• 55.. Isaia 49. Ì

Page 8: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

10

66.. Eksodosy 40. Ò∂

Nanafaka azy Izy, ary mbola nanao zavatramihoatra izany : nataony ho vahoakany izy ireo,vahoaka mpivavaka aminy, ary teo anivon’izy ireono nanorenany ny tabernakely 6.

Toy izany tsy misy hafa koa ny ambaratongaanehoana ny fiasan’Andriamanitra eo amin’nyolona, hita taratra ato amin’ny episitily ho an’nyRomana :

Ambara amintsika aloha ny toerana mahonenamisy ny olona, izay asehony amin’ny endrika teloao amin’ny toko 1 – 3 :

Voalohany, asiany teny ny amin’ireo Jentilisa.Mipetraka mandrakariva ny fanontaniana nyamin’izay hataon’Andriamanitra amin’ireo olonatsy mba nandre ny filazantsara. Ny andininyfaha-20 amin’ny toko voalohany no mamaly fa nyolon-drehetra no samy nanamafy fo ka nandà nyherin’Andriamanitra, na efa hita taratra taoamin’ireo voary noarìny aza izany herin’Andriamanitra izany. Koa satria tsy mba nahaynisaotra sy nanome voninahitra an’Andriamanitra ny olona, dia nohamaizinin’nyfanompoan-tsampy sy ny fahamaizinan-tsainaizy. Fitanisana mahavaky fo tokoa no hitantsikaeo amin’ny fiafaran’ity toko ity !

Page 9: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

11

77.. Isaia 1. ƒ-Ì •• 88.. Romana 12. ∞

Ny faharanitan-tsainy, ny fandrosoan’nytekinika, siantifika : izany no itsaran’ny olona nytenany. Tsy mba izany kosa ny an’Andriamanitra.Ny fo amam-pisainany no itsaran’Andriamanitrany olona. Izany indrindra no ilazan’ny SoratraMasina manao hoe : « henika aretina avokoa nyloha (ny fisainana) rehetra, ary marary ny forehetra. Hatramin’ny faladia (ny fandeha) kahatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary » 7.

Marina tokoa fa tsy hoe ny olona rehetra no hotonga amin’ireo zavatra ratsy loatra voatanisa eoamin’ny toko voalohany ireo. Saingy, voatondroeo amin’ny fiafaran’io fanambaràna io kosa nyfisian’ireo : « mankasitraka ny manao izany ». Tsymampaninona intsony ny manota, tsyankahalaina 8 intsony ny ota, ary tsy vitan’izany fazary lasa ahitam-pahafinaretana mihitsy nyfanaovana azy.

Eo amin’ny toko faharoa no ahitantsika nyendrika faharoa isehoan’io toerana mahonenamisy ny olona io. Eto no ahitantsika an’ireoolon’ny fandrosoana, maharaka ny sivilizasionasy ny kolontsaina : ireo filôzôfa, sy ireo manam-pahaizana isan-tsokajiny, dia ireo izaymampianatra ny olona ny tokony hataony sy nytsy tokony hataony. Porofoin’izy ireo fa manana

Page 10: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

12

99.. Romana 2. 15 •• 1100.. Galatiana 2. 15

an’ilay antsoina hoe fieritreretana nyolombelona. Manameloka ny tenany anefa izy eoam-pahitana ny fahadisoana ataon’ireomanodidina azy, noho izy ireo milaza ho mahaymanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria tsapany fana ny tenany aza mba latsaka ihany koa amin’nyfahadisoana ataon’ny besinimaro. Tsy mana -marina ny olombelona mihitsy ny fieritreretanyfa mainka manameloka azy aza 9.

Ny endrika fahatelo farany kosa milazalaza nyamin’ny Jiosy. Izy ireo no ilay sokajin’olonanahazo tombon-dahiny manokana. Manana nylalàn’Andriamanitra izy ireo, ary mananafifandraisana ara-dalàna amin’Andriamanitra.Mahalala ny sitrapon’Andriamanitra izy,mahalala izay takin’Andriamanitra aminy, kanefaminia mandika izany. Mihevitra mandrakariva nytenany ho « tsy mba mpanota avy amin’nyJentilisa » 10 ireo Jiosy. Mainka nanameloka azyanefa ilay tombon-dahiny azony. Manondroaminy ny zavatra andrasan’Andriamanitra aminymantsy ny lalàna. Tsy ho vitany na oviana naoviana anefa ny hanoa izany lalàna izany.Voafaoka ao anatin’ity sokajy fahatelo ity ireorehetra manana eo am-pelatanany ny Baiboly,

Page 11: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

kanefa tsy tena miaina izany fa kristianasarintsariny fotsiny.

Hita ihany koa ao amin’ny Salamo 19 ireoendrika telo nanambaràn’Andriamanitra nytenany tamin’ny olombelona ireo, na tsymanaraka ny filaharana toy ny nahitantsika azyteto aza :

amin’ny alalan’ny fahariana (and. Ú – Ì)amin’ny alalan’ny teny (and. ¬ – ÚÚ)amin’ny alalan’ny fieritreretana (and. Ú‡-Ú∂)Miteny ao amin’ireo voary noarìny Andria -

manitra, eny fa na ho an’ireo olona tsy mandremivantana ny filazantsara aza.

Ao amin’ny toko faha-3 no ahitantsika nyfehin-kevitra : eo ambany fangejan’ny ota avokoany olombelona rehetra, « tsy misy marina na diairay akory aza » (and. Ú†), « tsy misy izaymahafantatra » (and. ÚÚ), « tsy misy manao nytsara na dia iray akory aza » (and. Ú‡). Tsoa-kevitramasiaka loatra ve izany hoy ianao ? Ny olonamahatsapa ny toerana misy azy toy izany noilain’Andriamanitra – ary tsy maintsy ilaintsikakoa – hilaza amintsika ny tena fahamarinana. Eoamin’ny and. ‡Ò no mivoaka ny teny farany hofehin’ny zavatra rehetra : « Samy efa nanota izyrehetra ka tsy manana ny voninahitra avyamin’Andriamanitra ».

13

Page 12: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Navoitran’Andriamanitra aloha ny toeranamisy ny olombelona, mialoha ny nanolorany azyny fahasoavany. Tsy maintsy arodana aloha nytrano haolo mbola miorina eo amin’ny tanykasaina hanorenana trano, mialoha ny hirosoanaamin’ny asa fanorenana ! Voambaran’ny SoratraMasina mazava tsara ny efa fahalovan’ny olona.Tsy maintsy miaiky izany aloha isika vao afaka nyhiroso amin’ny dingana manaraka.

14

Page 13: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

TOKO 3. 21 – 5. 11

Izay nataon’Andriamanitra ho antsika

Aorian’izany fehin-kevitra mampalahelo mitarikaantsika ho amin’ny fahakiviana izany, moa tsymahavelom-bolo ve ny mahita indray izayambara eo amin’ny tohin’io fehezanteny io ?Andriamanitra no manambara fa : « hamarininamaimaimpoana amin’ny fahasoavany (isika)noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa »(and. ‡Ò, ‡∂).

Ny hanekentsika miaraka aminy ny fitsaranamendrika antsika, noho ny lasantsika, notadiavin’Andriamanitra. Hanolotra maimaim -poana ny fahasoavany, izay efa nomaniny hoantsika Izy, rehefa tonga amin’io teboka iray ioisika. Inona moa io zavatra nomaniny io ? Inona iozavatra ilain’ny olo-meloka io ? Tsy inona akory fany fanamarinana. Tsy ho tonga fananako mihitsyanefa ny fanomezana anankiray, na atolotra ahyaza, rehefa tsy raisiko.

Ny fiafaran’ny toko faha-3 no milaza amintsikany anjaran’Andriamanitra amin’io fanamarinanaio. Manolotra maimaimpoana ny fahamarinanyho an’ny tsy marina Andriamanitra. Ny toko faha-4 kosa no manambara ny andraikitry ny olona : ny

15

Page 14: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

fandraisana an’io fanomezana io amin’nyalalan’ny finoana.

Noraisina ny ohatra ny amin’i Abrahama mbahampahazava izany kokoa. Nahavita asa lehibenampirehareha tokoa i Abrahama. Tsy izany asaizany anefa no nanamarinana azy fa ny finoany !Efa nohamarinina i Abrahama nialoha nynamorana azy. Ny famorana moa no marika fa nyfinoana tokoa no lalana hahazoam-pamonjena,ary mahatratra ny olon-drehetra izanyfamonjena izany fa tsy ho an’ny Jiosy irery ihany.Tahaka izany tsy misy hafa koa ny amin’ilayfanomezana : misokatra ho an’ny rehetra iofanamarinana maimaimpoana atolotry nyfahasoavan’Andriamanitra io. Mitovy torak’izanykoa ny fomba hahazoana azy : amin’ny alalan’nyfinoana, fa tsy ny asa.

Ry mpanota marefo, maloto, ary fahavalon’Andriamanitra : ilay fitiavan’Andria manitra izaynanolotra ho antsika ny Zanany lahitokana noahitantsika ny fiadanana, ny fampihavanana, nyrehareha sy ny foto-pifaliantsika. Mivahaankehitriny ny olan’ny ota ! Nisy nisolo voinaantsika ka nandoa izay tokony ho naloantsika, hotambin’ny fahadisoantsika. Afaka miditramalalaka ny lanitra ny olona ankehitriny, afaka nyhiara-honina amin’Andria manitra masina izy.Voavela ny helony.

16

Page 15: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Saingy, fanontaniana iray indray no mipetraka.Tsy inona akory fa ny amin’ilay toetra ratsy raiki-tampisaka ao anatin’ny olombelona antsoina hoeota, ilay foto-kazo mitondra voa ratsy, ilayloharano mamoaka rano mangidy. Hiditra an-tsehatra indray Andriamanitra : rehefa niasa hoantsika Izy – avy eny ivelany – dia hiasa indray aoanatintsika. Tsy dia mahafinaritra antsika loatraity fiasan’Andriamanitra ao anatintsika ity.Amin’izany mantsy no ampianaran’Andriamanitra antsika hamantatra ny tena mahaisika antsika. Mahatonga henatra syfikorontanan-tsaina ho antsika anefa iofampihanjahanjana ny maha isika antsika io.

17

Page 16: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

TOKO 5. 12 – 7

Izay ataon’Andriamanitra ao anatintsika

Fototra nipoirana roa karazana no asehon’nytoko 5. Ú‡-‡Ú. Taranak’i Adama, tamin’ny alalan’nyfahaterahana ara-nofo, isika. Taranaka mpanota,mpihodina amin’Andriamanitra, mpandika nydidin’Andriamanitra. Iharan’ny fanamelohana hofaty isika, noho izany, araka ny didim-pitsarananavoakan’Andriamanitra tao amin’ny sahaEdena. Tsy misy lalan-kivoahana hialanaamin’izany. Tsy hanarina an’izay efa narodan’nyolombelona rahateo Andriamanitra.

Ny nampiditra olona vaovao teto an-tany nonataon’Andriamanitra. Tsy iza izany fa ny Zananylahitokana, izay natsangana ho filohan’ankohonana vaovao. Ao amin’io ankohonana iono ivondronan’ireo zanak’Andria manitramanomboka izao. Mazava fa tena mbola aoanatin’ireo mpino ireo tokoa ilay toetra taloha,saingy novahan’Andriamanitra ny olana. Tsy misytoerana ho an’olona anankiroa eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy maintsy foanany aloha ilayiray voalohany, mba hahafahany manometoerana an’ilay iray faharoa. Nozakain’i Kristy teoamin’ny hazofijaliana ilay fahafatesana

18

Page 17: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

nolovain’ny olon-drehetra tamin’i Adama, katokony ho nolanjain’ny isam-batan’olona.Vokany, afaka ny hihevitra an’io toetra taloha ioho efa nahilik’Andriamanitra tanteraka ny mpino.Izany no antsoina hoe fanafahana. Vaovaomahafaly tokoa izany, dia vaovao mahafaly aoanatin’ilay tena filazantsara feno !

Nafahana tamin’ny inona moa isika ?Nafahana tamin’ny nofo, tamin’ilay ‘izaho’ sy nyfitokisan-tenany ; nafahana tamin’ny faha -disoan-kevitra manoloana ny zava-misy, sy nyfahadisoan-kevitra manoloana ny toetratinafin’ny maha olombelona. Tarihin’Andriamanitra isika mba hiray hevitra aminy nyamin’ireo zavatra ireo.

Tamin’ny fomba ahoana no nanafahanaantsika ? Tamin’ny alalan’ny fahafatesana. Tsymidika ho fahafoanana, tsy fisiana intsony, akoryny hoe « fahafatesana » ao amin’ny SoratraMasina. Midika ho fisarahana amin’Andriamanitra izany, fahatapahan’nyfifandraisana aminy. Ireo ambara ho « matin’nyfahadisoana sy ny fahotana » ao amin’ny Efesiana2. Ú, ohatra, dia olona mbola velona ara-batanaihany. Voalaza ihany koa ao amin’ny Apokalypsy20. Ú‡ fa nitsangana teo anoloan’ny seza fian -drianan’Andriamanitra ny maty rehetra, na ny

19

Page 18: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

20

1111.. Romana 6. ÚÒ – eo amin’ny fiafarany.

kely na ny lehibe. Eo amin’io teny io noahafantarantsika fa misy tokoa ny fahafatesanafaharoa, izay tontolo ho lavitra an’Andriamanitramandrakizay.

Miova tompo ny mpino ankehitriny. Tsy hoan’ny tenany toy ny taloha intsony nohampiasany an’ireo fahaiza-manaony sy nyfahalalany. Tsy hoe nampiasainy hanaovan-dratsy mandrakariva akory izany, fa nampiasainykosa ho an’ny tenany sy tamin’izay sitraky nyfony hatrany hatrany. Tonga vonona nyhanatanteraka an’izay ampanaovin’ilay mpibaikoazy ny momba azy manontolo ankehitriny : nylelany, ny fahalalany, ny fisainany. Afakatamin’ny fangejan’ilay ‘izaho’ izy, tamin’nyalalan’ny « fahafatesan’ » io ‘izaho’ io. Efa eoambany fahefàn’ny hafa izy izao, fahefana izaynisolo toerana an’ilay voalohany. I Kristy indrayno hampiasa an’ireo momba ny tenany ireo.Nanompo an’ilay ‘izaho’ izy fahiny, nanompo nyota, nanompo an’izao tontolo izao, fa manompotompo hafa kosa ankehitriny. Tonga fiasana hoamin’ny fahamarinana izy 11.

Tsy hita ho mahazo laka mandrakariva eoamin’ny fiainan’ny mpino anefa io fahefanavaovao io. Mbola mitady hisalovana ihany mantsy

Page 19: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

ny nofo. Mitady hiala amin’ny toerana misy azy(fahafatesana) izy. Izany indrindra no mahatongany hafatrafatra eo amin’ny and. ÚÚ manao hoe :« ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ». Rahaambara amin’ny teny hafa izany dia toy ny milazahoe : « ataovy andry maso ny nofo, hazony eoamin’ny toerana efa nihazonan’Andriamanitraazy izy, aza vahana izy fandrao hiverina indrayamin’ny toerany teo aloha ka hanjakazakaamin’izay tsy azy intsony ». Mihazona nytenantsika ho efa maty isika rehefa mampanginaan’io fanjakazakan’ny ‘izaho’ io. Tonga eoambany fifehezan’ny tompo vaovao izay rehetramomba antsika, izay rehetra mety hofahalalantsika, ny fahaiza-manaontsika, aryhitoetra ho amin’izany mandrakariva. Efa nilazarahateo moa ny Tompo fa : « Tsy misy mahaymanompo tompo roa ». Fahamarinana milaekentsika amim-pinoana izany, toy nyanekentsika amim-pinoana koa ny amin’ny ota syny famelan-keloka.

Asan’ny finoana ny fanafahana antsikaamin’ilay ‘izahontsika’, araka izany, toy nyamin’ny fiovam-po ihany koa. Io finoana io nohany takina mba hahazoana ny fanafahana.Tokana ihany ny zavatra andrasana : ny fizaranamiaina ao anatin’izany fahafahana izany, nyfampiharana azy eo amin’ny fiainana

21

Page 20: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

andavanandro. Mirona hatrany ho amin’nyfampihenana an’io toerana tokony ho an’nyTompo io anefa isika, mba hanomezana toeranaindray an’ilay ‘izahontsika’.

Ady mampitolefika no hitantsika eo amin’nytoko 7 and. Ú‡. Miady ao anatiny ao ity olonaanankiray ity. Manana ny fiainan’Andriamanitraizy. Fantany izay tsara tokony hatao kanefa tsymanan-kery hanatanterahana izany izy, na, nymarimarina kokoa, ny herin’ny tenany nokatsahiny hanatanterahana izany. Tsy nanomefahafaham-po azy anefa izany. Tsy nifantoka afa-tsy tamin’ny tenany ihany ity mpino mahantraity, raha jerena ny toko iray manontolo.Hitantsika miverina inefatra, fara fahakeliny, nyhoe ‘aho’, ‘ahy’, ‘-ko’. Ny ‘izaho’ no eo anivo.Mitady izay hialana amin’ny fironana mahazolaka ao anatiny ity lehilahy ity, mitady nyhankasitrahan’Andriamanitra izy. Mandamoakahatrany anefa ny ezaka ataony. Iza tamintsikamoa no tsy mbola nandalo toe-javatra toy izany ?Mandray fanapahan-kevitra tena tsara isika,kanefa rava foana vetivety eo izany !

Midika ve izany fa tsy ilaina intsony ny hiezakasatria ho zava-poana ihany izany ? Avela vehitranga izay hitranga ?

Tsy maintsy misy tokoa ny ezaka, saingy nyfiambenana no tokony hibahan-toerana. Raha

22

Page 21: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

raisina, ohatra, ny zava-misy eo amin’ny sehatryny ady : samy itakiana ezaka avokoa na ny mpitilyny fahavalo, na ireo eny an-tany fiadiana. Samyhafa anefa ny ezaka andrasana amin’izy ireo ! Tsyzavatra kely akory ny fihazonana ny nofo ho toyny efa maty, sy ny fanatevenana hatrany nyfiombonana amin’ny Tompo. Izany mihitsy noloharanon-kery ho antsika (izay tsy ho efantsikaraha tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina) :miantombena eo anilan’ny Tompo mandrakarivamba ho tsapantsika fa mila Azy isika amin’nyfiainantsika manontolo, ary tsy mahefa na inonana inona isika raha misaraka aminy 12.

Indro hitantsika ity mpino ity, rehefa tsynahovoka tamin’izay azony natao rehetra nialanatamin’ny honahona nandetika azy, miantsoantsoeo amin’ny fiafaran’ny toko faha-7 manao hoe :« tsy vitako intsony ny hamonjy ny tenako, tolorytanana aho. Iza no hanafaka ahy amin’nytenan’ity fahafatesana ity ? Tsy ho efako izahosamirery izany ». Ny hahatsapa izany indrindra noandrasan’Andriamanitra amintsika. Avelanyhisedra olana toy izany isika mandra-pahatsapantsika, na ho ela na ho haingana, fa Izyno hany afaka hamonjy antsika.

23

1122.. Jaona 15. ƒ

Page 22: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Arakaraka ny hiasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatintsika, no hanafoanan’Andria manitra tsikelikely ihany koa nyfitokisantsika amin’ny tenantsika. Amin’izany nohianarantsika mametraka ny tokintsikamanontolo aminy. Manantena ny hahita zavatratsara ao amin’ny olombelona isika, kanefa tsymahita, hany ka diso fanantenana. Tsy maintsyianarantsika sy ekentsika fa izay rehetra tsyhitantsika ao amintsika dia ho hitantsika aoamin’i Jesoa Kristy Ilay Tompontsika. Izanyindrindra no tena fiadanana sy hasambaram-beho antsika.

24

Page 23: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

TOKO 8

Izay ataon’Andriamanitra amintsika

Milazalaza ny amin’ny toerana misy ny mpinoankehitriny ny and. µ. Olona afaka tanteraka izyary miravoravo amin’izany. Efa ananany nyfiainana, saingy ny hery ao anatiny no hany sisatsy ampy (toko 7). Ny Fanahy Masina no hamenoizany banga ao anatiny izany.

Monina ao am-pon’ny mpino ny FanahyMasina. Tsy afaka ny honina ao anefa Izy rahambola misy zavatra hafa mibahan-toerana ao.Tsy maintsy ho foana io fontsika io vao ho azofenoina.

Ny Fanahy Masina no mitondra ny fahalalanasy ny fitiavana ho ao anatin’ny mpino. Etoamin’ny toko faha-8 no ahitantsika ny mpinomamela manontolo ny maha olona azy, arymanome vahana ny Fanahy Masina hiasa : lasan’iKristy ny toeran’ilay ‘izaho’, tonga « ao amin’iKristy Jesoa » 13 izy, tonga iray tanteraka aminy.Mino izy ka manomboka miaina amin’ny fiainanamifanaraka amin’izany. Hivelatra kokoa izao ny

25

1133.. Romana 8. Ú

Page 24: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

fahalalany, noho ilay hery avy amin’Andriamanitra :

1. Tsy izay nataon’Andriamanitra ho azy ihanyno ho tsapany, fa izay ataon’Andriamanitraaminy koa : tonga zanak’Andriamanitra izy, kaafaka ny hiantso Azy amin’ilay teny angoty hoe« Aba », izay notononin’ny Tompo Jesoa koa fonyIzy tao Getsemane 14. Vokatr’izany, hiray lovaamin’ny Zanaka lahimatoa sy hiray lova amin’ireozanaka rehetra izy : « sady mpandovaan’Andriamanitra izy no mpiray lova amin’iKristy ».

Ny hahatonga antsika « hitovy endrikatanteraka amin’ny Zanany » no fikasàn’Andriamanitra. Io no teny azo raisina ho fototraato amin’ity toko ity. Ny saintsika no tsy maintsyhovaina hitovy amin’ny fisainan’i Kristy, mandra-piavin’ilay fotoana hanovàny ny « tenan’nyfietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’nytenan’ny voninahiny » 15. Fankatoavana,faharetana, fahendrena, fikelezana aina atosikyny fitiavana, fanetren-tena… izany no taoamin’Ilay Zanaka lahimatoa. Toetra sarobidytokoa teo imason’ny Ray ireo ka tiany ho hita koaao amin’ireo zanany rehetra, dia ao amin’ireorehetra anisan’ny ankohonany.

26

1144.. Marka 14. ÒÌ •• 1155.. Filipiana 3. ‡Ú

Page 25: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

2. Ampahafantarin’Andriamanitra antsika nytontolo mbola iainantsika ankehitriny : eoanivon’ny voary misento sy marary. Tsy tokonyhanao hodian-tsy hita an’izany isika. Ory nympino rehefa mahita ny fihanaky ny ota sy ny tsyfihontsonan’ny olona amin’ny fahasoavanaatolotr’Andriamanitra. Malahelo izy noho izatoasa tsy takona afenina baikoin’ny maha olona,izay mihazakazaka ho amin’ny fitsarana. Nandiateo amin’io tontolo io koa ny Tompo Jesoa, arynahatsapa izany. Izy no tena nahatsapa an’iofanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra nohony ota io, sy ny fahoriana mianjady amin’nyvoary, vokatr’izany 16. Mitondra fahoriana hoan’ireo zanak’Andriamanitra toy izany koa nyfakàmpanahy. Tsy ao amin’ny nofo intsonymantsy izy ireo (and. ∞), kanefa mbola ao aminyihany ny nofo, ary voalaza eo amin’ny and. Ì, ¬ nytoetoetrany.

Aoka tsy hafangaro amin’ilay fimono -mononana vokatry ny tsy fahafaham-po, sy nyfitsiriritana an’izay tsy nomen’Andria manitraantsika, ny hoe fisentoana eo amin’ny 8. ‡Ò. Tsysento vokatry ny fahakiviana nosedraina teoamin’ny toko faha-7 koa io. Sento vokatry nyfahatsapana ny fahalovan’ny fisainan’izao

27

1166.. Jereo ny Marka 7. Ò∂ ; 8. Ú‡

Page 26: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

tontolo izao, sy ny fanandevozana mihatraaminy, vokatr’izany, io.

3. Hitantsika eto ny hery nomena antsikahahafahantsika miaina eo anivon’io tontolomisento sy marary io : ny Fanahy Masina aoanatintsika. Io Fanahy io no mpanalalana antsikaety an-tany (and. ‡Ì), ary ny Tompo nompanalalana antsika any an-danitra (and. Ò∂).

4. Manjary mahay mamantatra, amin’nyalalan’ny finoana, ny tanan’Andriamanitra miasaao ambadik’ireo zavatra rehetra mitranga eoamin’ny fiainantsika isika, noho io tenymahafinaritra eo amin’ny and. ‡µ io. Tsy ireozavatra lehibe notanterahina ho antsika ihany,toy ny fanamarinana, ny fanavotana, nyfampihavanana, ny fanafahana… no voafaoka aoamin’ny hoe asan’Andriamanitra, izay lohahevitravelabelarintsika miainga amin’ity episitily ity.Ampiasainy avokoa ny zavatra rehetra, na nyfarany kely aza, izay heverina ho tsinontsinona, hofanasoavana an’izay rehetra tia an’Andriamanitra, ka hahatonga azy ireny hitovyendrika amin’Ilay Zanaka lahimatoa. Mitsofokahatrany amin’ny antsipiriam-piainantsikaAndriamanitra. Eo ambany andry masony nyfiainantsika manontolo. Tsarovy fa tsy misyfitaovana mandeha ho azy amin’izao raha tsymisy tanana manodina azy. Fantaro

28

Page 27: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

mandrakariva àry fa miasa hatrany nytanan’Andriamanitra, na ao amin’ireo zavatramaharary antsika aza. Mipetraka amin’ny toeranatokony hisy azy mihitsy ny matoanteny hoe‘miasa’ ato amin’ny episitily ho an’ny Romana.

5. Hitantsika ihany koa ny hoe nahoana moaisika no ety an-tany ? Marina tokoa fa efa nisylesona teo amin’ny toko 5, 6, 7, saingy lesonananasongadina lafy ratsin-javatra ihany ireo, arytsy ny hianatra izany ihany no antonynametrahana antsika ety ambonin’ny tany. Misykoa ny lafy tsara. Tsy inona izany fa ny fahalalanaizay omen’ny Fanahy Masina antsika : nyfahafantarana ny fitiavan’Andriamanitra sy nyfitiavan’i Kristy. Raha lazaina amin’ny teny hafadia hoe : ny ivo mibaiko an’ilay tanana (and. Òƒ, Ò∞).

Tsy nampanantena ny hanome ny mpinofiainana tsotsotra noho ny taloha mihitsy nyTompo aorian’ny fiovam-pony. Ny toe-po eo am-pisedrana an’ireo zava-mitranga isan-karazanyno miova, ary ampiasain’Andriamanitrahampianarana antsika ny fitiavan’ny Tompoavokoa ny isanisany amin’ireny zavatrasedraintsika ireny. Hitantsika miverimberinarahateo ao amin’ny Baiboly ny teny hoe« fahoriana » 17 : avy amin’ny teny latina hoe

29

1177.. 2 Korintiana 4. Ú¬

Page 28: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

« tribulum » io teny io – iantsoana ny fitaovanafivelezam-bary – entina milaza ny kapokamamaivay, kanefa tena ilaina mba hitondran -tsika vokatra tsara. Lalana hamantarantsika nyfitiavan’Andriamanitra avokoa ireo fizahan-toetra rehetra mianjady amintsika. Miara-dalanamandrakariva amin’ireo fitsapana isan-karazanytojo antsika mantsy izany fitiavan’Andriamanitraizany.

Misy fandresena azo mandrakariva amin’ny« zavatra rehetra » : « manoatra noho nympandresy isika » (and. Ò¬). Izany no vokatraentin’ilay fahoriana nodiavina ; vokatra hofanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tsyhoe fanekena an’Andriamanitra ihany no antonyiaretantsika ny fizahan-toetra, fa ahitantsika nyfahasoavan’Andriamanitra ihany koa nyfamakivakiantsika azy ireny.

Miantomboka amin’ny hoe « tsy misyfanamelohana » ity toko faha-8 ity, ary miafaraamin’ny hoe « tsy misy hahasaraka ».

30

Page 29: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

TOKO 9 – 11

Izay nataon’Andriamanitra ho an’nyIsiraely sy ny Jentilisa

Mitombo ihany ilay fahalalana ara-panahyazon’ny mpino eo amin’ny toko 9-11.Mampianatra antsika ny Fanahy Masina fa tsyvitan’ny hoe tia antsika fotsiny Andriamanitra, famanam-pahendrena sy tompon’ny fahefanaihany koa Izy.

Nahoana, ohatra, no nafoy vetivety ny Isiraelyho fanasoavana ny Jentilisa ? Tokana ny valiny :noho ny fahasoavana izay tonga mahenika nyolombelona rehetra tsy ankanavaka, manom -boka izao. Tsy nisy anefa, na iray aza, tamin’nyfampanantenana nomeny tsy tanteraka.Hovonjena ihany ny Isiraely amin’ny farany. Hotonga vahoakan’ny lanitra ihany koa ireo Jentilisatonga mpino, izany hoe ireo sokajin’olonamiavaka amin’ny maro ka nahazo tombontsoamanokana, nahazo fiantsoana miavaka amin’ireosokajy samihafa eo amin’ny voary noarìna.

Miafara amin’ny fankalazana an’Andriamanitra ny toko faha-11, noho izany.Fanan dratana ny fahendren’Andriamanitra nohita eo. Mitsaoka an’Andriamanitra ny mpino.

31

Page 30: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Mifarana amin’io fanandratana an’Andriamanitra io ny toko faha-ÚÚ, kanefa endrikavaovaon’ny asan’Andriamanitra indray nomanohy azy avy hatrany. Tsy ny asany ho antsikana ny asany ao anatintsika fa ny asany amin’nyalalantsika.

32

Page 31: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

TOKO 12 – 15

Izay ataon’Andriamanitra amin’ny alalantsika

Ny fisian’ny mpampiankina « koa » eo amin’ny12. Ú no mampifandray ny toko faha-11 sy faha-12.Raha nanao zavatra lehibe ho antsikaAndriamanitra, isika kosa tokony hanokana nytenantsika ho amin’ny fiainana mifanarakaamin’ilay fitiavan’i Kristy ao amintsika. Mariho fatsy mba nanery an’ireo olona nositraninyhanaraka Azy, na hanompo Azy, i Jesoa.Hitantsika kosa anefa i Bartimeo nanary nylambany ka nanaraka an’i Jesoa avy hatrany 18 ;ilay demoniaka sitrana, ilay nitoerana demonymaro ‘legiona’, nangataka ny hanaraka Azy 19.

Ny manomana an’io fitaovana io no asa ataovoalohany, mialoha ny hiasana amina fitaovanairay. Izany indrindra no ataon’Andriamanitra.Amboariny ilay fitaovana mba ho azohampiasaina. Izay ataon’Andriamanitra hoantsika sy ny ataony ao anatintsika izany dia tsyinona akory fa fanomanany ihany an’izayhataony amin’ny alalantsika. Hitantsika ao

33

1188.. Marka 10. ∂Ì-ƒ‡ •• 1199.. Marka 5. Úµ

Page 32: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fisian’ireompanompony marobe natokana nandritra nyfotoana maharitra, mialoha ny niantsoana azyhanatanteraka asa iray. Izany no nataon’Andriamanitra mba hahita fahombiazana syhahatontosa an’izay hanirahana azy irenympanompony ireny.

Izany no antony itanisan’ny toko faha-12an’ireo lisitra, izay mbola azo tohizana, mitanisany asa voaomana ho an’ireo fitaovana efavoavolavola mialoha hanatanteraka azy.Miantomboka amin’ny filazana ny hoe« famindrampon’Andriamanitra » ity toko ity.Mampahatsiahy ny fitiavan’ny Tompo sy nyfahefan’io fitiavana io eo amin’ny fiainantsika nyfilazana izany. Tsy fitanisana ny tokony hatao syny tsy tokony hatao, tahaka ny hitantsika aoamin’ny lalàna akory no hitantsika eto. Asamaromaro napetraka ho eo anoloan’ireonahatsapa ny halalin’ny fitiavan’i Kristy notanisaina. Midika izany fa antsoina mba hafanafo amin’ny asa ny mpino. Manohina ny antson’nyTompo ny mpino, amim-piaikena tanteraka fatsinontsinona ihany izay mba vitany ho an’nyTompo raha oharina amin’izay nataon’ioTompony io ho azy. Tian’Andriamanitrahanandrana ny fifaliam-be azo avy amin’nyfanompoana Azy ny mpino, dia fifaliana tahaka

34

Page 33: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

an’izay nananan’ny Tompo Jesoa raha tety an-tany Izy.

Mitanisa karazana asa toa miandrandra nyfisian’ny mpiasa marobe hitsimoka ka ho azojinjaina, ny tapany voalohany amin’ity toko ity.Takina amin’izany, mialoha ny zavatra rehetra, nytsy maintsy hiovany (and. ‡). Midika hoe« fiofoana » ny teny fototra nandikana an’io tenyhoe « miova » io. Fiovana hatrany amin’ny fotonyno takina. Fiovan’ny saina, ka izay tsy nasianyvidiny teo aloha no manjary sarobidy aminyankehitriny, ary izay nimatimatesany teo alohano ho tonga tsinontsinona aminy. Nyfampanginana ny ‘izaho’ no voalohany indrindraamin’izany.

Mifamototra tanteraka ankehitriny ny fombafijery : araka ny fijerin’Andriamanitra izao noijerentsika ny zavatra rehetra. Izy no mitari-dalana antsika amin’izany fomba fisainanavaovao izany, izay fisainany rahateo. Tanterahinyizany amin’ny alalan’ny fampandiavana antsikaan’ireo zavatra voalaza teo amin’ny toko teoaloha, sy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izaynomeny ho antsika. Izany Fanahy izany rahateomoa no hany tokana mahay manavao nyfisainantsika sy ny fihevitsika, ka hahitantsika nysitrapon’Andriamanitra ho tsara sadyankasitrahana no marina. Mavesatra sy

35

Page 34: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

maneritery no fahitantsika izany sitrapon’Andriamanitra izany teo aloha. Halan’ny olona nyho eo ambany fifehezanà tompo anankiray. Homaivana anefa izany raha miray fo sy mirayhevitra ny tompo sy ny mpanompo : izany nofiovana entin’ny fitiavana.

Anjarantsika ny mamantatra an’io sain’Andriamanitra io. Anontanio Azy izany, tadiavoary henoy. Aza manaiky ny hanao zavatra irayraha tsy efa mazava aminao ny sain’Andriamanitra mikasika izany. Ahoana moa nohahasahiana hiroso amin’ny fanatanterahanazavatra iray, na inona izany na inona, raha tsy efanandray ny tolo-tsaina avy amin’Andriamanitra ?Izany no fanatitra velona sy fanompoam-panahytokony hatao. Ny Fanahy Masina no miasa aoanatintsika, misolo toerana an’ireo tari-dalananomena mivantana sy tamin’ny antsipiriany taoamin’ny Testamenta Taloha, mbamin’nytamin’ny fotoanan’ny mpisorona sy ny levita.

Ny fanetren-tena no fepetra voalohany tokonyho feno mialoha ny asa rehetra, na inona io asa iona inona (and. Ò). Izany no natao ho loha laharanamba ho fampahatsiahivana fa ny fahasoavan’Andriamanitra no miasa fa tsy isika akory. Tahakaizany tsy misy hafa koa ny filaharana hita aoamin’ny Efesiana 2. µ-Ú† : tsy ny asa ataon’nyolona akory no hahazoany famonjena. Ny

36

Page 35: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

asan’Andriamanitra kosa dia tsy hafa akory faisika mpino : « fa asany isika ».

Aorian’izany izy vao miresaka ny amin’ny asatsara izay tokony hotanterahintsika. MbolaAndriamanitra ihany anefa no manomana izanyho antsika. Koa satria asan’Andriamanitra izanydia tsy mahagaga raha notohizana avy hatranyteto hoe tsy misy hireharehantsika.

Ambara amintsika indray ny fomba hanatan -terahana azy rehefa avy notanisaina ireo asaisan-karazany : ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra, ny fifandraisan’ny samy mpino,ary farany, ny fifandraisana amin’ny hafa. Aoamin’ny toko faha-13 sy faha-15 no ahitantsika nyantsipirian’ny fampiharana eo amin’ny fiainanakristiana an’ireo zavatra hitantsika tao amin’ireotoko teo aloha. Manome ohatra ny tenany i Paoly,dia izy izay nanoratra an’izao episitily izao,amin’ny maha mpanompo feno zoto sy hafanam-po azy.

37

Page 36: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

TOKO 16

Fahombiazan’ny asan’Andriamanitra

Fehiny

Eto amin’ny toko faha-16 no ahitantsika nyvokatry ny asa nataon’Andriamanitra tamim-paharetana. Anaran’olona maromaro novoatanisa ho toy ny vokatra nentin’nyasan’Andriamanitra : teo aminy, tao anatiny, arytamin’ny alalany. Nanan-javatra nolazaina azyireo tsirairay avy tamin’ny alalan’ny apôstôlyPaoly Andriamanitra. Santionany amin’izay hohitantsika rahatrizay no hitantsika eto : dia izayhataon’Andriamanitra amintsika, izay hataonyao anatintsika ary izay hataony amin’ny alalan’nyisanisany amin’ireo mpanompony mandritra nytantaran’ny zanak’olombelona ety an-tany.

** ** **

Fanontaniana fisaintsainana ho an’ny tsirairay noatao eto am-pamaranana. Saino hoe dinganaaiza ho aiza eo amin’izay nanomanan’Andriamanitra antsika izao no misy antsika.

38

Page 37: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

1. Moa mbola eo amin’ny toko telo voalohanyve isika ? Mbola manapaka ao amintsika ihany nyotantsika, raha izany, ary mbola eo anoloantsikany fitsaràn’Andriamanitra.

2. Sa, efa tonga eo amin’ny toko faha-5 isika ?Efa voavonjy isika, raha izany, efa voamarinatamin’ny alalan’ny finoana. Kanefa, vaofiantombohan’ny asan’Andriamanitra ihanyizany.

3. Efa mandia ny toko faha-6 sy faha-7 ve isika,izay milaza indrindra ny ataon’Andriamanitra aoanatintsika ? Moa ekentsika ho araka nyfijerin’Andriamanitra mihitsy koa ve ny fitsapanalalovan’ireo taranak’i Adama ?

4. Moa tody eo amin’ny toko faha-8 ve isika, aryenga anie ka ho tonga amin’izany, izay ahitanafehin-kevitra mitory fandresena, dia nyfisokafan’ny maso sy ny fo hahita an’izay ataon’iKristy amintsika ?

5. Fantaro ary ankehitriny fa mametraka asa eoanoloan’ny tsirairay ilay fahasoavan’Andriamanitra, araka ny hitantsika teo amin’nytoko faha-12. Misy asa iray na maromaro, arakaizany, voatendry hotanterahin’ny isanisanyamin’ireo fitaovana novolavolainy tamim-paharetana ireo. Anjarantsika ny mamantatraireny asa ireny.

39

Page 38: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Afaka ny hanompo amim-panetren-tena,ombam-pankasitrahana tanteraka, miarakaamin’ireo mpino marobe mitanjozotra aoaorian’ny Tompo Jesoa isika, rehefa fantatsikaireny asa nankinin’ny Tompo tamintsika ireny.Natolony ho an’ny Tompo ny momba azy rehetra,dia ho an’Ilay Tompo izay efa nanomana asa hoan’ny tsirairay avy amin’izy ireny, ary efananomana ny tsirairay avy amin’ireo mpanompoho vonona amin’ny asa.

Izany zava-tsoa loatra velarina eo anoloantsikaizany no mahatonga antsika hihiaka miarakaamin’ny apôstôly Paoly, raha mamarana izaoepisitily izao izy, manao hoe : « Ho an’Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie nyvoninahitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristymandrakizay mandrakizay. Amena. » 20.

40

2200.. Romana 16. ‡¬

Page 39: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe
Page 40: Ahoana no fiasan’ Andriamanitra? - Ny Baibolynybaiboly.net/Affermissement/Dieu_Travaille-Int-Malg.pdf · Isaia. Tsy maintsy nolazain’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny hoe

Imprimé en France par IMÉAF – 26160 La Bégude de MazencDépôt légal : 4e trimestre 2007 - N° d’impression 70749