fizahan-takelaka...amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. sary: good...

80

Upload: others

Post on 05-Aug-2020

25 views

Category:

Documents


1 download

TRANSCRIPT

Page 1: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp
Page 2: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Ny Lesona Sekoly Sabata, dia fianarana isan’ andro, izay mifototra amin’ ny Baiboly sy Fanahin’ ny Faminaniana ranofotsiny, tsy misy fanampim-panazavana. Natao fohy araka izay azo natao ny fanambarana mba hahazoana hevitra mahitsy sy mazava tsara. Ny fonon-teny ampiasaina tsindraindray dia entina hanamafy ny fanazavana azy, hampivohitra tsara ny tontolon-kevitra, ary mba hampitombona tsara ny fomba famaky azy. Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra.

Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp. 30, 80.

Fizahan-takelaka1. Fanantenana be voninahitra, manome fifaliana ............................................... 5

2. Ireo Famantarana ny Fiverenan’ i Kristy .......................................................... 10

3. Hafatra fampitandremana ho amin’ izao androntsika izao ............................ 15

4. Ireo hevi-diso amin’ ny andro farany ............................................................... 20

5. Tena hiverina indray Jesosy! ............................................................................. 25

6. Amin-kery sy voninahitra lehibe ...................................................................... 31

7. Miandry sady Miambina ................................................................................... 36

8. Fifandraisana manokana amin’ i Jesosy ........................................................... 41

9. Vonona ! ............................................................................................................ 46

10. Miasa ho an’ ny Tompo.................................................................................... 52

11. Ny fahendren’ Andriamanitra mitantana ny fotoana .................................... 57

12. Mitombo ho amin’ ny Antso Avo Lehibe ...................................................... 62

13. Mamatonalina ho amin’ ny maraim-baovao .................................................. 67

14. Ny Vokatra Farany ........................................................................................... 72

Page 3: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 3

Fitarihan-tenyNy resaka momba ny fiverenan’ i Kristy fanindroany, izay voatondro im-bet-

saka ao amin’ ny Baiboly, no fanantenana nahafinaritra niainan’ ny fiangonana nandritra ny vanim-potoana nifandimby rehetra. Izany no fanalahidy fototra ho an’ ny hafatra farany, dia ny fahamarinana ankehitriny, izay natao homena an’ izao tontolo izao.

“Ny fahatakarana ny fanantenana momba ny fiverenan’ i Kristy fanindroany no fanalahidy hanokafana ny tantara rehetra sy hanazava ny lesona ny ho amin’ ny ho avy rehetra.”—Evangelism, p. 220.

Amin’ ny maha vahoaka miandry fatratra ny fiverenan’ i Kristy antsika, dia tokony hibanjina tsara an’ ireo famantarana tsirairay izay manondro izany toe-javatra izany isika. Izany fiverenany izany no trangan-javatra lehibe indrin-dra eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao. Na izany aza anefa dia tsy tokony halaim-panahy hametraka daty ny amin’ izany fiverenan’ ny Tompontsika izany isika, resahana amintsika kosa fa, amin’ ny fijerena ireo famantarana nomen’ ireo mpamimany sy ireo apostoly ary Kristy tenany mihitsy (indrindra ao amin’ ny Matio 24), dia tokony hahalala isika fa ny fiverenan’ i Kristy fanindroany dia efa tena akaiky mihitsy, ary ankehitriny aza dia efa tena eo am-baravarana.

Araka ny voalazan’ ny apostoly Petera, dia tsy ho natao hiandry fotsiny isika, fa natao hanafaingana mihitsy ny fihavian’ ny Tompo (2 Petera 3:12). Azontsika atao ankehitriny ny “manafaingana” izany Fiverenany izany amin’ ny alalan’ ny fiomanantsika hihaona Aminy (Lioka 12:36–38; Asan’ ny Apostoly 3:19, 20; 2 Pe-tera 3:14) sy amin’ ny alalan’ ny fanaovantsika ny asa izay nankininy amintsika (Lioka 19:12, 13, 15; 14:23; Matio 24:14). Raha manao antsirambina ny fanao-vana izany isika, dia anisan’ ny ho voatazona ho tompon’ andraikitra amin’ ny “fahaelan’ ny” fiverenan’ ny Tompo. Raha mbola eo am-pianarana ireto lesona ireto isika, dia hanana tombotsoa lehibe handini-tena manokana avy amin’ ireto fanontaniana ireto ny mpianatry ny Sekoly Sabata rehetra hoe: amin’ ny alalan’ ny fiainako, dia “manafaingana” sa “mampitarazoka” ny fihavian’ ny Tompo aho? Raha hitako porofo fa anisan’ ny “mampahaela” ny fihaviany aho, ahoana no ah-afahako mitodi-doha eo amin’ ny fiainako ka hanaovako dingana vaovao indray? Ka hamantarako amin’ ny foko manontolo izay tena takian’ ny Tompo hataoko? Hisy valiny mazava tsara ho an’ ireo fanontaniana ireo ato anatin’ ity lesona ity.

Tsy ampy ho antsika ny mino fotsiny ny fiverenan’ i Kristy tsy ho ela intso-ny, na hoe mahafantatra fotsiny izay rehetra voasoratra momba izany ka mitory izany amin’ ny hafa. Maro be ireo mpino ny hafatry ny anjely telo no mizotra ao amin’ ny “lalana tery” nefa mihevitra ny tenany ho “miditra ao amin’ ny lalana malalaka”. Mamita-tena sy mamitaka ny hafa izy ireo. Ny tsy firehan’ izy ireo dia mitarika ny mpanota hanamafy ny fony ka hanana fialan-tsiny manao hoe: “tsy misy mampiavaka antsika, mitovy isika; mitovy ny fitafiantsika sy ny resaka tenenintsika ary ny zavatra ataontsika” (Testimonies, vol. 1, p. 128). Ny olona toy izany dia “holanjaina amin’ ny mizana ka ho hita fa tsy ampy lanja” (Early Writings, p. 37). Ity lesona ankehitriny ity dia hampiseho amintsika ny fomba hialantsika amin’ izany toe-panahy mitotongana izany.

Enga anie ny fianarantsika an’ ireto lesona ireto mba hitarika ny tsirairay avy amintsika ho amin’ ny fanoloran-tena lalina kokoa ka hahatonga hampanakaiky kokoa antsika an’ i Kristy sy isika samy isika. Andeha hiray hina miaraka amin’ ny fanelanelanana ataon’ ny Fanahy Masina isika ho amin’ ny famaranana izao asa izao, ka hahatonga antsika ho vonona ho amin’ ilay fanantenana lehibe tahaka an’ ireo vahoakan’ Andriamanitra marina tamin’ ny 1844.

Departemanta Sekoly Sabata ao amin’ ny Foibe eran-tany

Page 4: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

4 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Virginia

Maryland Delaware

WestVirginia

NewJersey

Pennsylvania

on-Salem

Roanoke Norfolk

Virginia Beach

dAllentown

Erie

Baltimore

Philadelphia

Richmond

Dover

Harrisburg

WashingtonD.C.

SABATA 1 JOLAY 2017

Fanatitry ny sabata voalohany ho an’ ny trano fivavahana any Washington, D.C., U.S.A.

Ry rahalahy sy anabavy ary namana malala manerana an’ izao tontolo izao:

Amin’ ny maha vahoaka miomana ho amin’ ny fiverenan’ i Jesosy antsi-ka, dia manan-trosam-pankasitrahana amin’ ireo ray aman-drenintsika isika, izay, teo ambany fitarihan’ Andriamanitra, nanangana firenena manome fahafahana ara-pivavahana ho an’ ny olona tsirairay avy. I Etazonia no firenena fahatelo be olona indrindra eto an-tany izay manana mponina 324.227.000. Ny renivohitry ny firenena dia ao Whashington, disitrikan’ i Colombia, izay mifandray amin’ ny fanjakana ao Virginia sy Maryland izay voahodidina lalam-be efa ho 64 000. Misy olona efa ho 650 000, tafiditra anatin’ izany ireo mpiasam-panjakana, diplomaty vahiny sy ny fianakaviany, ary misy mponina amina tapitrisa isan-kerinandro mifam-ezivezy avy ao Virginia sy Maryland, Washington, DC. Ary izy ihany koa no tanàna faha 24 be mponina indrinda ao Etazonia ary tanàna faha-7 be mponina mivezivezy indrindran. Io tanàna lehibe io, miaraka amin’ ny toe-kareny sy ny fototra ara-politikany ary ny kolo-tsaina ara-barotra ao aminy, dia tena tany lon-aka tokoa ho an’ ny fanapariahana ny filazantsara

Nanomboka tamin’ ny faraparan’ ny taona 1970 ny asan’ ny Fihetse-ham-panavaozana taty Washington, D.C, ary mambra azo isaina amin’ ny ratsan-tànana tamin’ izany. Tamin’ ny 1980 dia nisy trano kely azo novidi-ana tao Temple Hills, ao Maryland (ambanivohitra kelin’ io Distrika io), ka nohavaozina ho trano fiangonana izany. Io toeram-pivavahana kely io dia nampiasaina ho foiben’ ny fahazavana tao amin’ io toerana midadasika io. Maro ireo rahalahy nivoaka avy tao Temple Hills ka nanampy tamin’ ny fampivelarana ny asa tao amin’ io velaran-tany io. Ilay trano fiangonana, izay efa nampiasaina nandritra ny taona maro, ary nomanina hahazaka olona 30 eo ho eo, dia efa lasa tery ka tsy omby anay intsony amin’ ny fotoam-piva-vahana. Koa satria mitombo ny isan’ ny mambra sy ireo mpamangy tonga matetika dia mila trano lehibe kokoa izahay. Taorian’ ny vavaka sy fifadi-an-kanina maro, dia nanapa-kevitra izahay hividy toerana tsaratsara kokoa, tsara toerana be ao amin’ io tanàna be mpivezivezy io, izay hahafahanay manatanteraka tsara ilay baikon’ ny Tompo manao hoe: ‘mandehana, ataovy mpianatra ny firenena rehetra’(Matio 28:19). Tsy maintsy toriana amin’ ny firenena sy ny olona rehetra, sy ny samihafa fiteny ary ny vahoaka rehetra ny filazantsara ka hahazo fanahy ho an’ ny Tompo

Miantso ireo mpianatry ny Sekoly Sabata rehetra izahay mba hanampy anay amin’ ny fanatanterahana io tetik’ asa io mba hanangana foibem-paha-zavana ato amin’ ny renivohitr’ i Etazonia. Andriamanitra anie hamaly soa anareo noho ny fanomezanareo amin-kalalahana ho an’ ny Asany. Misaotra anareo mialoha sahady izahay noho ny fahalalan-tananareo hanome ho fa-natanterahana ity tetik’ asa mendrika ity

Ireo rahalahy sy anabavinareo aty Temple Hills

Page 5: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 5

Lesona 1 Sabata 1 Jolay 2017

Fanantenana be voninahitra, manome fifaliana

“Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinali-na” (Joda 14, tapany farany).

“Ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin’ ity “lohasaha aloky ny fahafatesana” ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin’ ny teny fikasana momba ny fisehoan’ Ilay “fananga-nana ny maty sy fiainana” izay hampody ilay noroahiny.’ ”—Hery Mifanandri-na, pejy 313

Atolotra ho vakiana: Hery Mifanandrina, pejy 313 - 317.

Alahady 25 Jona

1. VOAHETSIKY NY TENY FAMPANAN-TENAN’ ANDRIAMANITRA

a. Inona no zavatra naseho tamin’ ny fahitana an’ ilay patriarka fa-hafito nandimby an’ i Adama? Tamin’ ny fomba ahoana no nampi-hetsehan’ izany fahitana izany azy tamin-kery tokoa? Joda 14, 15.

“Nentin’ Andriamanitra tamin’ ny fanahy ho aty amin’ ny taranaka velo-na taorian’ ny safodrano Enoka ka nasehony azy ny zava-dehibe hitranga izay misy hifandraisany amin’ ny fiverenan’ i Kristy fanindroany sy ny fiafaran’ izao tontolo izao….

“Naseho azy tamin’ ny fahitana ny momba ny hahafatesan’ i Kristy sy ny hiverenany amim-boninahitra, izay andrasan’ ny anjely masina rehetra, hanavotra ireo vahoakany avy ao am-pasana. Hitany ihany koa ny faharat-sian’ izao tontolo izao amin’ ny fotoana hiverenan’ i Kristy fanindroany: hisy taranaka miavonavona sy feno fireharehana ary hanao izay tiany, handà an’ Andriamanitra Tokana sy Jesosy Kristy Tompo, hanitsakitsaka ny lalàna sy hanao tsinontsinona ny asa fisoronana. Hitany ireo olo-marina mitafy haja sy voninahitra sy ireo ratsy fanahy izay nohesorina tsy ho eo anatrehan’ ny Tompo ka nolevonina tamin’ ny afo.

“Lasa mpitory ny fahamarinana Enoka ka nampahafantatra ny olona izay nasehon’ Andriamanitra taminy”—Patriarchs and Prophets, pp. 85, 86.

Page 6: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

6 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alatsinainy 26 Jona

2. FAMPANANTENANA MAHAFALY

a. Soritsorito ny fomba nanehoan’ ireo vahoakan’ Andriamanitra tao amin’ ny Testamenta Taloha ny fanantenany momba ny fiver-enan’ i Kristy indray. Salamo 50:1–4; 96:11–13.

“Ny fihavian’ i Kristy izay hampiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny fahamari-nana no aingam-panahy nanesika ny mpanoratra masina hanao ireo fanam-barana kanto sy manetsi-po indrindra. Ireo mpanao tononkalo sy ireo mpam-inany ao amin’ ny Baiboly dia namisavisa an’ izany tamin’ ny alalan’ ny teny tomarataratry ny afon’ ny lanitra.”—Hery Mifanandrina, p. 314.

b. Fiteny manandratra manao ahoana no namariparitan’ ny mpami-nany Habakoka ny fiverenan’ i Jesosy? Habakoka 3:3–6.

c. Fampanantenana mampahery sy mampionona manao ahoana no tafaverina tamin’ ireo mpino ao amin’ ny Testamenta Taloha, ary manao ahoana no tokony hisian’ ny fiantraikan’ izany amintsika ihany koa? Asan’ ny Apostoly 1:10, 11.

“Ny fampanantenana nataon’ ny Mpamonjy teo am-piaingana teo an-ten-drombohitra Oliva, fa tsy maintsy hiverina indray Izy,dia nanome hazavana ny ho avy rehetra ho an’ ny mpianany, nameno fifaliana sy fanantenana ny fon’ izy ireo izany ka tsy ho levon’ ny alahelo sy ny fisedrana hiseho.”—Ibid., p. 302.

“[Asan’ ny Apostoly 1:11.] Sarobidy manao ahoana noho izany io fam-panantenana io ho an’ ireo mpianatra vonton’ alahelo fa hahita indray an’ i Jesosy izay tena tiany fatratra izy ireo. Sarobidy toy izany koa io fampanante-nana io ho an’ ireo tena mpanara-dia an’ i Kristy marina. Tsy hisy olona tena tia an’ i Jesosy marina halahelo fa ho avy indray Izy. Ary arakaraky ny hana-tonan’ izy ireo ny fihavian’ Ilay Zanak’ olona, no hiandrasan’ ireo tena tia an’ i Jesosy marina amin’ ny fanantenana feno fifaliana sy hiomanan’ izy ireo ho vonona hibanjina Ilay tian’ ny fanahiny sy efa maty hamonjy azy ireo.

“Ho avy Jesosy! Kanefa tsy hoe hihaino ny faharatsian’ ny taranak’ olombelona, na handre ny fifonana hataon’ ny mpanota, na hamela ny helo-ny; fa hanapaka izay ho anjaran’ ny tsirairay avy na ho amin’ ny fiainana na ho amin’ ny fahafatesana. Ireo izay niaina tao amin’ ny fahotana dia hijanona ho mpanota mandrakizay. Ireo izay niaiky ny helony tamin’ i Jesosy tao amin’ ny fitoerana masina, nanao Azy ho namany sy tia ny Fisehoany, no hahazo famelana ny helony rehetra, ary ireo, izay, nanadio ny fanahiny ‘tamin’ ny fankatoavana ny fahamarinana’ no hitoetra madio sy masina mandrakizay.”—The Youth’s Instructor, April 1, 1854.

Page 7: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 7

Talata 27 Jona

3. MENDRIKA NY FIOMANANA MATOTRA ATAONTSIKA

a. Ahoana no hahazoantsika fampaherezana avy amin’ ny fanante-nana nasehon’ i Paoly?Titosy 2:11–13.

“Vahiny sy mpivahiny miandry sy manantena ary mivavaka ho amin’ ilay fanantenana mahafinaritra isika, dia ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Raha mino izany isika ka mampihatra izany eo amin’ ny fiainantsika, dia fihetsika matotra manao ahoana no haterak’ izany finoana sy fanantenana izany!? Fifankatiavana manao ahoana no hiseho!? Fiainana masina manome voninahitra an’ Andriamanitra manao ahoana no hiainana! Ary noho ny fanomezantsika lanja ny valisoa ho azontsika dia hisy fisarahana manao aho-ana ho hita mazava amintsika sy izao tontolo izao?”—Evangelism, p. 220.

“Nosoritan’ ny Tompo fa ny vahoakany dia tokony hampifantoka ny ma-sony amin’ ny lanitra, miandry ny fisehoana be voninahitry ny Tompo sy Mpamonjy antsika dia Jesosy Kristy. Raha mbola eo am-pifantohana amin’ ny raharaham-barotra isan-karazany ny mason’ izao tontolo izao, ny antsika kosa tokony hitodika any amin’ ny lanitra; tokony hanakatra lalina hatrany hatrany any amin’ ny harena misitery be voninahitry ny lanitra ny finoan-tsika, manakaiky ilay tara-pahazavana sarobidy sy masina avy eo amin’ ny fitoerana masina any an-danitra mba hamirapiratany ao am-pontsika, tahaka ny hamirapiratany eo amin’ ny tavan’ i Jesosy. . .

“Fanirian’ ny Tompontsika ny hiambenantsika, ka rehefa ho avy Izy ka handondona dia ho afaka hamoha ny varavarana ho Azy avy hatrany isika.”—Testimonies, vol. 2, pp. 194, 195.

b. Hanao ahoana ny fisehoan’ i Jesosy amin’ ireo niandry Azy fatra-tra? Hebreo 9:28 (tapany farany).

“Amin’ ny fiafaran’ ny asa fanelanelanana ataon’ i Kristy dia hiseho ‘tsy amin’ ny ota, fa ho famonjena’ (Hebreo 9:28) amin’ ireo vahoakany izay nian-dry Azy Izy ka hitahy azy ireo ho amin’ ny fiainana mandrakizay.”—The Great Controversy, p. 485.

“Hiverina tahaka ny nampiakarana Azy nankany an-danitra Jesosy, fa kosa hiampy famirapiratana izany. Hiverina miaraka amin’ ny Voninahitry ny Rainy Izy, ary ny anjely masina rehetra hiaraka Aminy eny amin’ ny lalany. Ho solon’ ny satroka tsilo mahatsiravina nandoaka ny vatany, dia satrobon-inahitra mamirapiratra no hipetraka eo amin’ ny handriny masina. Tsy hiseho tahaka ny lehilahy ory sy zatra fahoriana Izy, fa hamirapiratra mihoatra lavitra noho ny mitataovovonana ny famirapiratany. Tsy hanao fitafiana tsotra Izy fa akanjo fotsy botsiaka , hitomarataratry ny hazavana tsy hay lazaina.”—The Youth’s Instructor, April 1, 1854.

Page 8: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

8 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alarobia 28 Jona

4. MIANDRY AM-PAHARETANA NY FIVERENANY

a. Inona tao amin’ ny toritenin’ i Lotera no mifanaraka tsara amin’ ny fampianaran’ i Paoly momba ny fitsarana amin’ ny andro fara-ny? Hebreo 9:27.

“Hoy i Lotera: “mino marina aho, fa tsy hisy telon-jato taona vao ho ton-ga ny andro fitsarana.Tsy ho zakan’ Andriamanitra ary tsy ho azony zakaina mihoatra noho izany ity izao tontolo izao ratsy fanahy ity”. “Mihantomotra ilay andro lehibe izay handresena ny fanjakan’ ny fahavetavetana”.—Hery Mi-fanandrina, p. 317.

b. Inona no faharesen-dahatra nanan’ ireo mpanavao fivavahana hafa, ary inona no tokony ho vaindohan-draharahantsika ihany koa amin’ izao fotoana izao? Apokalypsy 16:15.

“‘Tsy lavitra ny fiafarany ity izao tontolo izao efa antitra ity’ hoy Melanch-ton. Mibaiko ny kristiana i Calvin ‘tsy hisalasala, fa haniry mafy indrindra ny andro hiavian’ i Kristy, izay toe-javatra feno hasambarana indrindra ho azy’; koa dia ambarany fa “ny fianakaviam-ben’ ny mpino dia hiara-hanandrandra io andro io”. “Tsy maintsy noana an’ i Kristy isika, tsy maintsy mikatsaka isika, mibanjina”, hoy izy ‘mandra-piposak’ ilay andro lehibe, izay hanehoan’ ny Tompo amin’ ny fahafenoany ny voninahitry ny fanjakany

“ Moa ve tsy nentin’ ny Tompo Jesosy tany an-danitra ny nofontsika? Hoy i Knox, ilay mpanavao fivavahana avy any Ekaosy; ary moa ve tsy hiver-ina Izy? Fantantsika fa hiverina tokoa Izy, ary tsy ho ela”. I Ridley sy Latimer, izay nahafoy ny ainy ho an’ ny fahamarinana, dia nibanjina tamim-pinoana ny fihavian’ ny Tompo. Izao no nosoratan’ i Ridley: ‘tsy isalasalana, -inoako izany, koa dia lazaiko- fa madiva hifarana ity izao tontolo izao ity. Aoka isika hiara-miantso amin’ i Jaona, mpanompon’ Andriamanitra, amin’ ny fontsika rehetra, amin’ i Kristy Mpamonjy hoe: “eny, avia, Jesosy Tompo!” Hery Mifa-nandrina, p. 317.

“Tsy ho ela intsony ny fiverenan’ i Kristy eto amin’ ity tontolo misy antsi-ka ity. Aoka izany no ho ivon’ ny hafatra rehetra.

“Ilay fanantenana mahafinaritra momba ny fisehoan’ i Kristy, amin’ ny fanehoana manetriketrika, dia ilaina resahana matetika amin’ ny olona. Ny fi-andrasana ny fisehoan’ ny Tompontsika dia hitarika antsika hanao ny zavatry ny tany ho zava-poana sy tsy misy dikany….

“Tsy azon’ ireo mpanompon’ Andriamanitra atao intsony ny miteny taha-ka ny tamin’ny andron’ i Daniela hoe: ‘Mbola ho ela ny fotoana voatondro’. Ankehitriny izany ary ao anatin’ ny fotoana fohy mandra-pahavitan’ ireo vavolombelon’ Andriamanitra ny asany hanomana ny lalan’ ny Tompo.”—Testimonies, vol. 6, p. 406.

Page 9: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 9

Alakamisy 29 Jona

5. MIASA EO AM-PIANDRASANA NY ANDRO NAMPANANTENAINA

a. Hazavao ny andrikitr’ ireo tena matotra momba ny fihaonana amin’ ny Mpampianatra am-pilaminana rehefa hiverina Izy. Amo-sa 4:12 (tapany farany); Zefania 2:3.

“Hoy Kristy : ‘fantatro ny asanao’(Apokalypsy 2:2). Fantany raha miaina amin’ ny fianana feno fahatanterahana ianao sy tia ny miresaka sy misaina momba Azy ka mahita fifaliana amin’ ny fiderana Azy. Iriantsika ve ny hahazo ny lanitra amin’ ny farany ka hikambana amin’ ireo mpihiran’ ny lanitra? Ho tahaka ny hidirantsika ao am-pasana ihany ho hivoahantsika ao raha ny resaka toetra no resahana… Izao no fotoana fanasana sy fipasohana. Izao no fotoana hanasana ny akanjontsika sy hamotsiana azy amin’ ny ràn’ ny Zanak’ ondry.

“Rehefa nanatona an’ i Kristy ny mpanora-dalàna ka nanontany: ‘Ahoana no hataoko handovako fiainana mandrakizay?’ dia izao no valiny : ‘tandremo ny didy’. Izany no fanontaniana tsara napetrak’ ilay mpanora-dalàna ary dia nahazo valiny tsara sy sahaza izany ihany koa izy.”—Manuscript Releases, vol. 9, p. 262.

b. Inona no fihetseham-po lalina ananan’ ireo tena manantena mari-na amin’ ny fony rehetra ny teny fikasana fa ho avy indray tsy ho ela intsony Izy? Apokalypsy 22:20.

“Te hanome voninahitra an’ Ilay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana aho. Tiako hanako mafy dia mafy any amin’ ny kianjan’ ny lanitra ny feoko. Ho tonga any ve ianao? Raha izany dia tsy maintsy mampianatra ny feonao hidera Azy ety an-tany ianao; rehefa izany dia ho afaka hikambana amin’ ireo antoko mpihiran’ ny lanitra ianao ka hihira ny hiran’ i Mosesy sy ny Zanak’ ondry. Hanampy antsika anie Andriamanitra, ka hameno antsika amin’ ny hery rehetra, mba hahafahantsika manandrana sahady ny fifalian’ ilay tontolo ho avy.”—The Ellen G. White 1888 Materials, p. 128.

Zoma 30 Jona

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Inona no tokony hoheveriko momba ny halalin’ ny faharetako mian-dry ny fiverenan’ i Jesosy?

2. Nahoana no manome hery antsika ny fampanantenana momba ny fiv-erenan’ i Jesosy?

3. Nahoana no zava-dehibe ny mamboly faniriana lalina hizara izany fa-hamarinana izany amin’ny hafa?

4. Nanao ahoana no nanehoan’ ireo mpanavao fivavahana tamin’ ny ta-onjato faha-16 ny finoany momba ny fiverenan’ i Jesosy?

5. Vonjena amin’ ny finoana isika, koa maneho inona eo amin’ ny fino-antsika ny fanoloran-tena marina?

Page 10: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

10 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Lesona 2 Sabata 8 Jolay 2017

Ireo Famantarana ny Fiverenan’ i Kristy

“Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanja-kan’Andriamanitra” ( Lioka 21:31).

“Nanome baiko ny mpianany hijery ireo famantarana ny fihaviany Kristy ka hifaly raha mbola eo am-pibanjinana ireo famantarana ny fihavian’ Ilay Mpanjakan’ izy ireo.”—The Great Controversy, p. 308.

Atolotra ho vakiana: Hery Mifanandrina, pejy. 31–37; 318–330, 347, 349.

Alahady 2 Jolay

1. FAHITANA MIALOHA NY ZAVATRA HO AVY

a. Inona no faminaniana nataon’ ny Zanak’ olona momba ilay tem-poly lehibe tamin’ ny androny, izay toe-javatra izay tsy mbola azon’ ny mpianatra tamin’ izay? Matio 24:1, 2.

“Raha voasarika tamin’ ny hakanton’ ny tempoly ny sain’ i Kristy, dia inona kosa ary no tsy maintsy ho eritreritra tsy niloaka nataon’ Ilay Nolavina. Marina fa kanto ny zavatra nanoloana ny masony, nefa hoy Izy tamin’ alahelo, hitako daholo izany. Tsara tarehy tokoa ny trano. Manondro ireo rindrina ireo ianareo toy ny milaza fa tsy mety ho rava ny fijery azy; nefa henoy ny teniko. Ho avy ny andro izay ‘tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana’.—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 673

b. Inona no fanontaniana nanitikitika an’ ireo mpianatra? Ary nan-ao ahoana ny fifandraisan’ izany tamin’ ny faminanian’ i Kristy momba ny faran’ izao tontolo izao? Matio 24:3.

“Nampiraisin’ ny mpianatra tamin’ ny handravana an’ i Jerosalema ireo toe-javatra amin’ ny fihavian’ i Kristy manokana ho amin’ ny voninahitra eto an-tany handray ny seza fiandrianan’ ny fanjakana manerana an’ izao tontolo izao, hanafay ny jiosy tsy mibebaka ary hanafaka ny firenena amin’ ny zioga Romana. Nolazain’ ny Tompo fa ho avy fanindroany Izy. Noho izany, rehefa nilaza ny fitsarana hianjady amin’ i Jerosalema Izy, dia nitodika ho amin’ iza-ny fiaviana izany ny sain’ izy ireo.”—Hery Mifanandrina, p. 25.

Page 11: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 11

Alatsinainy 3 Jolay

2. FAMINANIANA TANTERAKA TAORIAN’ NY FIAKARAN’ I KRISTY

a. Inona no fampitandremana ara-panahy tokony horaisintsika avy amin’ ny anjaran’ ny Tempoly tamin’ ny taona 70 trK, araka ny naminanian’ i Krisy azy? Isaia 30:12, 13.

“Ny fikirizana tsy am-piheverana nataon’ ny mpitarika jiosy, sy ny vono-an’ olona mahatsiravina tao anatin’ ny tanàna natao fahirano, dia nahariko-riko sy nampisafoaka ny Romana… nisafoaka ny miaramila ka nanipy fanilo mirehitra tao amin’ io efitra nifanila tamin’ ny Tempoly io ary naripany tamin’ ny sabatra ny olona marobe nialoka tao. Niboiboika tahaka ny rano ny rà teny amin’ ny tohatry ny tempoly. An’ arivorivony ny jiosy maty. Re mafy noho ny tabataban’ ny ady ny feo miantsoantso hoe: ‘Ikaboda’! izany hoe lasa ny voninahitra, no heviny.”—Hery MIfanandrina, p. 32.

“Na ny tanàna na ny tempoly dia samy nofongorana hatrany amin’ ny fotony, ary ny tany nisy ny tempoly masina dia ‘nasaina toy ny tanimboly’ (Jeremia 26:18).”— Hery MIfanandrina, p. 34.

b. Omeo ireo teboka maromaro mahaliana tokoa azontsika tsimpon-ina avy amin’ ny hoe: ireo izay nihaino ny tenin’ i Jesosy ihany no tsy voaringana. Lioka 21:20–22; Salamo 27:5.

“Nandritra ny fito taona dia nisy lehilahy iray niaka-nidina teo amin’ ny araben’ i Jerosalema ka nanambara ireo loza efa hianjady amin’ io tanàna io… Nogadraina sy niharan-doza io voary hafahafa io kanefa tsy nisy fitarainana nivoaka avy tamin’ ny vavany. Raha notevatevaina sy nanaovana herisetra izy dia tsotra ihany ny valinteniny: ‘loza ! loza ho an’ i Jerosalema’ ‘Loza ho an’ izay mponina eo aminy!’ Tsy nitsahatra ny antso mafy fanairana nataony raha tsy novonoina tao anatin’ ny fahirano nambarany mialoha izy.

“Tsy nisy na dia iray aza ny kristiana maty nandritra ny nandravana an’ i Jerosalema. Efa nomen’ i Kristy ny mpianatra ny hafatra fanairana, ary izay rehetra nino ny teniny dia niandry ny famantarana nampanantenaina

[Lioka 21:20–22.]” Hery MIfanandrina —, p. 30.“[Lioka 21:20–22] Natao ho tandremana efapolo taona taty aoriana io

fampitandremana io, tamin’ ny nandravana an’ i Jerosalema. . . .“ ‘Mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina na ho amin’ ny Sabata

no handosiranareo’, hoy Kristy (Matio 24:20). . . Efapolo taona taorian’ ny nanombohana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, dia mbola notanana ho masina ihany izany Sabata izany. Nandritra ny efapolo taona mantsy dia tokony hiva-vaka ny mpianatra mba tsy ho amin’ ny andro Sabata no handosirany..”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 676.

Page 12: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

12 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Talata 4 Jolay

3. VANIM-POTOANA ARA-PAMINANIANA— VANIM-POTOANA MAIZINA

a. Inona no zavatra tsy maintsy hitranga amin’ ireo mpino taorian’ ny fandravana tanteraka ny tananan’ i Jerosalema tamin’ ny tao-na 70 trK? Matio 24:21, 22.

“Rehefa avy niteny ny amin’ ny fandravana an’ i Jerosalema Kristy, dia nifindra vetivety tamin’ ny toe-javatra lehibe kokoa, izay masom-by farany eo amin’ ny rojo mampiseho ny tantaran’ ity tany ity, -dia ny fihavian’ ny Zanak’ Andriamanitra amin-kery sy amim-boninahitra. Eo anelanelan’ ireo toe-java-tra roa ireo, dia niharihary teo imason’ i Kristy ireo taonjato lava rakotry ny haizina, taonjato feno rà sy ranomaso ary ady mihatra aman’ aina ho an’ ny fiangonany.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 676.

b. Nanao ahoana no nanehoan’ ny faminaniana ao amin’ ny bokin’ ny Apokalypsy an’ io vanim-potoanan’ ny fahoriana io? Apoka-lypsy 11:2, 3; 13:5.

c. Inona no toro-lalana ara-Baiboly momba ny vanim-potoana ara-paminaniana izay afaka ny hanampy antsika hahatakatra ny fomba hikajiana ny tena halavan’ io vanim-potoana io marina? Eo am-pandinihana izany dia ataontsika an-tsaina eo am-panao-vana kajy fa ny iray volana dia 30 andro izay manome 360 andro isan-taona? Nomery 14:34; Ezekiela 4:6.

“Ny fanafoanana ny Soratra Masina tamin’ ny vanim-potoana nanjakan’ i Roma, ary ny vokatra nahatsiravin’ izany fanafoanana izany sy ny fanandrata-na farany ny tenin’ Andriamanitra dia naseho mazava tsara amin’ ny soratry ny faminaniana. Nomena an’ i Jaona, ilay natao sesitany irery tao Patmosy ny fahi-tana momba ny 1260 taona, izay vanim-potoana nanomezana hery ny fahefana papaly hanitsaka ny tenin’ Andriamanitra.”—The Spirit of Prophecy, vol. 4, p. 188.

“Ny 42 volana, dia ny ‘fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro ihany’, telo taona sy tapany, na 1260 andro ao amin’ ny Daniela 7 – dia ny fe-potoana izay hampahorian’ ny fahefana papaly ny vahoakan’ An-driamanitra. Io fe-potoana io, araka ny voalaza ao amin’ ny toko mialoha, dia nanomboka tamin’ ny fotoana nahatafakatra ny fahefana papaly ho ambony noho ny fahefana tamin’ ny 538 trK, ka niafara tamin’ ny 1798. Tamin’ io fotoana io dia nobaboin’ ny tafika frantsay ny papa, ary tamin’ izany no voan’ ny ratra saika nahafaty azy ny fahefana papaly, ary tanteraka ny fanambarana natao mialoha hoe: ‘ raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy’. (Apo-kalypsy 13:10).”—Hery Mifanandrina, p. 452.

Page 13: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 13

Alarobia 5 Jolay

4. ZAVA-MITRANGA TELO MANEHO ZAVATRA

a. Taloha kelin’ ny faran’ ny 1260 taona ara-paminaniana(nanomboka tamin’ izay dia nohafohezina ny fanenjehana), dia inona no faman-tarana teo amin’ ny natiora izay nampiseho fa efa akaiky ny fivere-nan’ i Jesosy? Matio 24:29, 30; Marka 13:24–26; Apokalypsy 6:12, 13.

b. Eo am-pandalinana tsirairay an’ ireo faminaniana ireo; ka mijery izay voalazan’ ny tantara sy ny faminaniana, dia inona no zavatra hitranga voalohany? Apokalypsy 6:12.

“Ho fanatanterahana io faminaniana io [Apokalpsy 6:12], dia nisy ilay horohoron-tany mafy indrindra voarakitry ny tantara tamin’ ny taona 1755. Na dia hoe ‘horohorontan’ i Lisbonne’ aza no ahafantarana azy io dia nahatra-tra ny ankabeazan’ i Eoropa, Afrika sy Amerika izany. Re tany Groeland izany, tany India andrefana, tany amin’ ny nosy Madera, tany Norvezy sy tany Soeda, tany Angletera sy tany Irlandy. Tsy latsaky ny enina tapitrisa sy efatra hetsy kilometatra tora-droa ny faritra tratran’ izany.”—Hery Mifanandrina, p. 318.

c. Nanao ahoana ny nahatanterahan’ ny faminaniana mikasika ny masoandro sy ny volana? Marka 13:24.

“Nifarana tamin’ ny 1798 ny 1260 andro, na taona. 25 taona talohan’ izany taona izany dia efa saiky nitsahatra tanteraka ny fanenjehana. Aorian’ io fanenjehana io, araka ny tenin’ i Kristy, dia hohamaizinina ny masoandro.”— Hery Mifanandrina, p. 320.

“ ‘Ny andro maizina’ tamin’ ny 19 May 1780, dia azo lazaina fa saika, na tena tsy nanam-paharoa mihitsy aza. Nanomboka tamin’ ny andron’ i Mosesy dia tsy nisy andro maizina tahaka io mihitsy voarakitra tao amin’ ny tantara, na ny habeny, na ny velaran’ ny tany norakofany na ny fotoana naharetany. Naneho ny fahatanterahan’ ny Tenin’ Andriamanitra ny endrik’ io zava-ni-tranga io, araka ny namariparitan’ ireo nanatri-maso izany… ‘Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny an-dron’ i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina (Joela 3: 4).”—Ibid., p. 308.

d. Nanao ahoana no fahatanterahan’ ny faminaniana momba ny kintana? Marka 13:25; Apokalypsy 6:13.

“[Apokalypsy 6:13.] Io faminaniana io dia tanteraka tamin’ ny fomba na-hatalanjona sy nanaitra tokoa tamin’ ny fihetsehan’ ny kintana tamin’ ny 13 Novambra 1833. Nisy filatsahan’ ny kintana sy fihetsehana nahatalanjona tokoa tamin’ io fotoana io izay toe-javatra tsy mbola nitranga teo amin’ ny tantara mihitsy.”—Ibid., p. 333.

Page 14: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

14 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alakamisy 6 Jolay

5. NATAO HISY FIANTRAIKANY

a. Ankoatran’ ireo trangan-javatra voajanahary lehibe telo izay nolazain’ i Kristy ho famantarana ny fiverenany, dia manomeza famantarana hafa, ary hazavao ny fomba fahatanterahan’ izany haingana sy miha faingana hatrany. Matio 24:6–12; Marka 13:7–9; Lioka 21:9–11, 25–27.

b. Inona no tokony ho tsaroantsika eo am-pahitana ireny famantara-na ireny? Lioka 17:26; Jeremia 8:11, 12.

“Ireo loza sy horohoron-tany, ny tondra-drano, ny faharavana eny an-drano-masina sy an-tanety dia hitombo hatrany. Mijery ny tany toy ny tamin’ ny an-dron’ ny Noa Andriamanitra ankehitriny. Manome ny hafatra avy Aminy ho an’ ny olona ankehitriny toy ny nanomezany izany tamin’ ny andron’ i Noa Izy. Miverina amin’ izao andro iainantsika izao ny faharatsian’ izao tontolo izao tahaka ny talohan’ ny safodrano.”—The Advocate, December 1, 1900.

c. Nahoana no mampahery antsika ny fahatanterahan’ ny faminani-ana? 1 Samoela 12:16; 1 Petera 2:9.

“Voaentana tamin’ ny filàna fibebahana sy fanetren-tena teo amin’ An-driamanitra ireo izay nanaiky ny fampianarana momba ny fiverenan’ i Kristy. Maro ireo nijanona teo anelanelan’ i Kristy sy izao tontolo izao; tamin’ izay anefa dia tsapan’ izy ireo fa tonga ny fotoana tsy maintsy nijoroana. ‘Tena lasa zava-nisy ho azy ireo ny momba ny mandrakizay. Nampidinina akaiky ny lani-tra, ary nahatsapa meloka teo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo’… voaentana ho amin’ ny fiainam-panahy vaovao ireo kristiana.Lasa tsapan’ izy ireo fa efa tena fohy ny fotoana, ary tsy maintsy hatao haingana izay tokony hatao amin’ ireo mpiray vodirindrina.”—The Great Controversy, p. 340.

Zoma 7 Jolay

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Nahoana no navelan’ Andriamanitra ho simba tamin’ ny taona 70 trK ilay tempoly nahatalanjona?

2. Nahoana no tsy namindrana fo ilay lehilahy tokana nilaza hoe loza ho an’ i Jerosalema?

3. Ahoana no hahalalantsika fa ny andro ara-paminaniana dia maneho taona matetika?

4. Omeo ny daty nitrangan’ ireo famantarana lehibe nomena an’ i Kristy momba ny fihaviany.

5. Eo am-pahitana ny fahatanterahan’ ireo famantarana, dia inona no tokony ho fiantraikan’ izany amiko ka avelako ho tonga eo amiko mihitsy?

Page 15: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 15

Lesona 3 Sabata 15 Jolay 2017

Hafatra Fampitandremana ho amin’izao androntsika izao“Raha tsy nosisan’i Jehovah, Tompon’ny maro, olona vitsivitsy

isika, Dia efa tonga tahaka an’i Sodoma ary nitovy tamin’i Gomo-ra” (Isaia 1:9).

“Fa mbola ho re indray ny feon’ Andriamanitra hanafatrafatra ny olony hiala amin’ny faharatsian’ izao tontolo izao.”—Patriarka sy Mpaminany, p. 148.

Atolotra ho vakiana: Hery Mifanandrina, p. 280; Patriarka sy Mpaminany, p. 139–153.

Alahady 9 Jolay

1. NY VANIM-POTOANA MISY ANTSIKA

a. Nampitahain’ i Jesosy tamin’ ny vanim-potoana oviana teo amin’ ny tantara moa izao andro misy antsika izao? Matio 24:37–39; Genesisy 6:5, 13.

“Ny fahotana nisy tamin’ ny andron’ i Noa izay nitarika ny fahatezer-an’ Andriamanitra dia misy amin’ izao androntsika izao ihany koa. Mivao-na ho amin’ ny fitiavan-komana sy ny fisotroana ireo lehilahy sy vehivavy ankehitriny. Io fahotana miharihary io, dia ny fitiavan-komana tafahoatra, no nandrehitra ny filàna ambany tao amin’ ny olona tamin’ ny andron’ i Noa ka nahatonga ny maro hitotongana, mandra-pahatongan’ ny herisetra sy ny vonoan’ olona hiakatra hatrany an-danitra, ka nahatonga an’ Andriamani-tra nanadio ny tany sy izany toe-tsaina maloto izany tamin’ ny alalan’ ny safo-drano.”—Testimonies, vol. 3, p. 163.

b. Inona no zavatra tsy maintsy atrehin’ ireo mpino ankehitriny? 2 Petera 3:3–6.

“Feno korana izao tontolo izao, feno fahafinaretana tsy misy an’ Andria-manitra, ary matory, matory ao amin’ ny antoka ara-nofo. Apetraky ny olona lavitra ny fihavian’ ny Tompo. Hihomehezany ny fampitandremana..”—Ilay fitiavana mandresy, p. 683

Page 16: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

16 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alatsinainy 10 Jolay

2. MIANATRA AVY AMIN’ NY TOE-JAVA-MITRANGA

a. Ankoatran’ ny fampitahana izao andro farany izao amin’ ny andron’ i Noa, dia inona ihany koa ny tranga ara-tantara ampi-tahain’ ny Tompo amin’ ny fiverenany? Lioka 17:28–30.

“Ny toetran’ izao tontolo izao ankehitriny dia mitovy ny tamin’ ny an-dron’ i Lota. Ny faharatsiana tao amin’ izany tanàna ratsy fanahy izany dia niantso ny famangian’ ireo anjely; mba hanamarina ny fitarainana izay ta-fakatra hatrany an-danitra mikasika ny toetra tsy marin’ io tanàna tsara tarehy io, dia tanàna izay nahazo sitraka manokana teo anatrehan’ Andriamanitra teo aloha, kanefa nanimba ny lalany teo anatrehan’ ny Tompo ka nahatonga azy tsy hisy fanantenana ho amin’ ny famonjena intsony. Naseho miharihary ny fahatezeran’ Andriamanitra satria tafalatsaka lalina loatra ny faharatsian’ i Sodoma.”—Southern Union Worker, October 16, 1913.

b. Inona ny fahotana tena nanaitra tamin’ ny andron’ i Lota? Gene-sisy 19:5–7; Romana 1:21, 26, 27.

“Nihodidina ny tranon’ i Lota ireo sodomita, ary arakaraky ny nitomboan’ ireo olona teo no niakaran’ ny feo sy resaka izay tena naneho miharihary ny tena faharatsiana izay nisy tao anatin’ ireo vahoaka, ary dia teraka ny hevitra farany ratsy indrindra izay hotanterahan’ izy ireo. Nampiaka-peo ireo vahoaka mba hahazoan’ izy ireo an’ ireo vahiny tao amin’ i Lota; koa satria efa tafalat-saka lalina tao anatin’ ny filàn-dratsy izy ireo, ary efa niala ny fisainana tsara rehetra, ary efa tonga maizina ny fisainany ka nahatonga azy ireo te hanao herisetra na dia amin’ ireo anjelin’ ny lanitra aza.”—The Signs of the Times, October 9, 1893.

c. Nahoana no fampitandremana ho an’ ny rehetra izay nanjo an’ i Sodoma? Genesisy 19: 24–26; Lioka 17: 32, 33.

“Tonga ny anjely mba hijery raha toa ka misy olona mbola tsy simba toe-tsaina tao amin’ ilay tanàna ka afaka ho azo resena lahatra hitsoaka ilay fitsa-rana mahatsiravina efa mandindona an’ i Sodoma. Nefa tamin’ io alina io dia vao maika nampian’ ireo mpanao ratsy ny kapoaky ny faharatsiany, ka tsy azo nahemotra intsony ny fahatezeran’ Andriamanitra.”—Ibid.

“Ny fampitandremana izay nomena an’ i Lota dia tonga amintsika izay miaina amin’ izao vanim-potoana miharatsy izao koa. ‘mandosira hamonjy ny ainao’. Miantsoantso fiadanana sy filaminana ny feon’ ny mpaka fanahy. Ilay ratsy dia hanao izay hahatsapanao fa tsy misy na inona na inona tokony hatahorana fa aoka hihinana sy hisotro ka hifaly. Iza no feo hohenoinao, ny feon’ ny lanitra ve? Sa ny feo izay hitondra anao ho amin’ ny faharavana?”—Ibid., October 16, 1893.

Page 17: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 17

Talata 11 Jolay

3. TONGA MPIAHY MAHATOKY TSARA NY AINTSIKA

a. Inona no fampitandremana momba ny fitotonganana ara-pana-hin’ i Sodoma? Ezekiela 16:49.

“Maro amin’ ireo izay nanosi-boho-tanana ela ny fitarihan’ Andriamanitra sy ny fiarovany no hihazakazaka any amin’ ny tsy fahamatorana sy ny fitia-vam-pahafinaretana ho an’ ny tena, eny, hihoatra noho izany aza, ka hanao zavatra ambany sy maloto ho amin’ ny tenany. Vokatr’ izany dia haloto ny fi-sainan’ izy ireo, ary ho lasa tsy ankamamian’ izy ireo ny fivavahana. Misy sasa-ny ho lasa lavitra mihitsy amin’ izany fitotonganana izany, ka hanaraka tsy ho ela intsony ny dian’ ireo sodomita, ka mahatonga azy ireo efa eo an-tampon’ ny faharatsiana ankehitriny ary tsy hisy fiantraikany amin’ izy ireo intsony ny fampitandremana sy ny fananarana.”—Testimonies, vol. 5, p. 39.

b. Amin’ ny fomba ahoana no ampitandremana antsika, izay nahazo fahazavana lehibe, ny amin’ ny fitotonganana izay mety ho lavit-ra noho izay tao Sodoma aza? Hosea 4:6; Ohabolana 1:24–30, 33.

“Ny Mpamonjin’ izao tontolo izao, Ilay namana be fangorahana, dia ma-nokatra ny masontsika fa misy fahotana lehibe lavitra noho ny an’ i Sodoma. Izany dia fahotana amin’ ny fanoherana ny fahazavana lehibe kokoa. Ho an’ ireo naheno nefa tsy namaly ny antson’ ny filazantsara mba hibebaka sy ha-nana finoana an’ i Jesosy dia manota be lavitra noho ny olona tao Sodoma. Ireo izay nitondra ny anaran’ i Jesosy, izay nilaza fa mahalala an’ Andriama-nitra, ary nitandrina ny didiny, kanefa tsy maneho ny toetran’ i Kristy eo amin’ ny toetrany sy ny fiainany andavanandro, ireo izay nampitandremana sy notenenina, kanefa mbola manala baraka ny Mpamonjin’ izy ireo amin’ ny alalan’ ny fiainana tsy masina, ho azy ireo, ny fahotana dia lehibe lavitra noho ny an’ i Sodoma.”—The Signs of the Times, October 16, 1893.

“Maro amin’ ireo milaza ho mino ny fahamarinana no tsy mila an’ Andri-amanitra akory ao amin’ ny fisainan’ izy ireo, eny, mihoatra lavitra noho ireo talohan’ ny safodrano sy ny sodomita aza. Fisainana kely monja an’ Andriama-nitra, rehefa fohazin’ ny Fanahy Masina, dia ampy hanova ny fikasany rehetra. Saingy ny izaho, ny izaho, ny izaho no andriamanitr’ izy ireo, izany no alfa sy omega eo amin’ ny fiainany.”—Counsels on Stewardship, p. 141.

“Miverina amin’ izao androntsika izao ny fahotan’ i Sodoma, ary voaloto sy nopotehan’ ireo mponina eo aminy ny tany; kanefa ny tena ratsy indrin-dra amin’ izao fotoana izao dia ny endrikendrika-fitiavana an’ Andriamanitra kanefa tsy misy heriny. Ireo milaza fa manana fahazavana lehibe no hita fa tena anisan’ ireo tsy miraika sy tsy mivaky loha, ka hita fa tena maivan-danja ao an-tranon’ ireo milaza fa naman’ i Kristy ny momba Azy.”—The Signs of the Times, October 16, 1893.

Page 18: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

18 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alarobia 12 Jolay

4. MIFIDY IREO LAHARAM-PAHAMEHANA KOKOA

a. Mba hisorohana ny fahadisoan’ i Lota izay nitarika ny ankohona-ny ho amin’ ny fitotonganana, dia inona no zavatra tokony ho ao an-tsaintsika? Genesisy 13:12, 13; 19:30–38; 1 Korintianina 15:33.

“Ny faharatsian-toetran’ i Sodoma tamin’ny fandikana ny lalàn’ Andria-manitra dia niseho indrindra tamin’ny fahalotoam-pitondratena.”—Hery Mi-fanandrirna, p. 279.

“Raha tonga tao Sodoma i Lota mba honina tao, dia nanapa-kevitra mafy mihitsy izy fa hiaro ny ankohonany tsy ho tratran’ ny toetra ratsin’ ny mponina. Tsy nahomby velively anefa izy tamin’izany fikasana izany. Na dia ny tenany aza, dia tsy voaarony tanteraka tsy ho tratran’ ny fahasimbana izay nanodidina azy. Tsy izany ihany, fa ny fifaneraseran’ ny zanany tamin’ ny mponina tao Sodoma, dia nahatonga azy ireny, na tiany na tsy tiany, hifankahazo tamin’ ny olona ni-fankazarany. Miharihary eo anatrehantsika ny vokatr’ izany fahadisoana izany.

“Maro ny olona no latsaka amin’ ny hevi-diso toy izany koa. Izay tombot-soa ara-nofo ihany no heverina, raha mifidy izay fonenany izy, fa tsy mba izay toetra amam-panaon’ ireo hiarahany monina. Toerana mahafinaritra sy ma-havokatra na tanàn-dehibe feno fandrosoana, izay mety haha mpanan-kare-na azy no tiany. Ireny fonenana ireny anefa dia sady mitahiry fakam-panahy maro ho an’ ny zanany, no mahatonga azy ireo hanana firaisana izay mifano-hitra amin’ ny fitiavam-bavaka sy amin’ ny toetra kristiana. Ny fiainana feno toetra tsy maotina sy tsy finoana ary tsy firaihana momba ny fivavahana, izay manodidina ny zaza, dia hanatsatso ny herin’ ny fitiavam-bavaka izay hita-ny ao amin’ ny ankohonany. Ohatra ratsy mampiseho fikomiana amin’ ny fahefan’ ny ray aman-dreny, na ny fahefan’ Andriamanitra no atrehiny isan’ andro, ka ho maro amin’ izy ireny no hiray amin’ ny tsy mpino sy ny ratsy fanahy, ary hiandany ho isan’ ny fahavalon’ ny finoana.

“Amin’ ny fifidianana izay ho fonenana, dia irin’ Andriamanitra indrin-dra, raha toerana mety hahazoany herim-panahy ho azy sy ho an’ ny zanany no hofidiany. Marina fa mety tsy ho azo atao ny mifantina izay ho mpifano-lo-bodirindrina amin’ ny tena; mety hahavery hevitra antsika izany indrain-dray. Kanefa na aiza na aiza no hiantsoan’ ny adidy antsika, raha miambina sy mivavaka isika, ka mametraka ny fitokisantsika eo amin’ ny fahasoavan’ ny Tompo, dia tsarovy fa Izy no hiaro antsika. Aoka anefa isika mba tsy hametra-petra-poana tsy misy antony ny fiainantsika ho tratran’ ireo hery manimba ny fiainana kristiana. Raha miorim-ponenana an-tsitrapo eo am-povoan’ ny toerana feno tsy finoana sy fanaon’ izao tontolo izao isika, dia mety tsy ho faly amintsika Andriamanitra ka hampiala ny iraky ny lanitra tsy ho ao an-tokatra-nontsika Izy..”—Patriarka sy Mpaminany, p. 151, 152.

b. Manomeza antony maromaro samihafa manamarina hoe nahoa-na no tsy maintsy sorohintsika ny endrikendri-javatra sy fomba-fomba amin’ izao fotoana izao. 2 Timoty 3:1–5; Isaia 1:9.

Page 19: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 19

Alakamisy 13 Jolay

5. MISAFIDY TONTOLO AZO ANTOKA

a. Inona no lazain’ Andriamanitra momba ny toerana hahombiazan’ ireo vahoakany kokoa? Isaia 32:18, 19.

“Ny fampitandremana ataoko dia izao: mialà amin’ ny tanàn-dehibe. Aza manangana toeram-pitsaboana any amin’ ireo tanan-dehibe. Ampianaro hiala amin’ ireo tanàn-dehibe ny vahoakantsika, ka handeha any amin’ ny toerana izay azon’ izy ireo hividianana tany kely, ka hananganan’ izy ireo trano ho azy ireo sy ny zanany…

“Ireo toeram-pisakafoana atsangantsika (restaurant) dia tokony ho any amin’ ny tanàn-dehibe, fa raha tsy izany ireo mpiasa any amin’ ireny toeram-pi-sakafoanana ireny dia tsy ho afaka hampianatra ny olona momba ireo fitsipika tsara mahavelona. Ary mba ahafahantsika mivelona ankehitriny dia tokony hit-ady toeram-pivoriana any amin’ ireny tanàn-dehibe ireny isika. Kanefa, rehe-fa ela ny ela dia hisy fikorontanana sy fihazakazahana be loatra ao amin’ ireo tanàn-dehibe ireo ka tsy ho tafavoaka ao intsony ireo mikasa handositra iza-ny”—The General Conference Bulletin, April 6, 1903.

“Afaka manangana trano kely azo antoka any ambanivohitra ireo ray aman-dreny, trano kely misy fambolena, izay ahafahan’ izy ireo manana saha sy ahafahan’ izy ireo mamboly zava-maniry sy voankazo kely ho solon’ ny hena, izay tena manimba ny rà mikoriana ao anaty. Ao amin’ ny toerana toy izany dia tsy ho voahodidin’ ireo hery miasa mangina manimba any amin’ ireo tanàn-dehibe ireo ankizy. Hanampy ireo vahoakany hahita fonenana any ivelan’ ny tanàn-dehibe Andriamanitra.”—Medical Ministry, p. 310.

b. Nahoana no tokony hamaly ny antso ny amin’ ny fonenana any ambanivohitra isika? Ohabolana 15:31, 32.

“Tsy maintsy nisy fivoahana, fanapahan-kevitra hisaraka amin’ ireo ratsy fanahy, fitsoahana hahazoana fiainana. Toy izany tamin’ ny andron’ i Noa, tamin’ i Lota, dia toy izany koa tamin’ ny andron’ ny mpianatra mialohan’ ny nandravana an’ i Jerosalema; ary ho toy izany koa amin’ ny andro farany.”—Patriarchs and Prophets, p. 166.

Zoma 14 Jolay

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Inona no tokony hataontsika an-tsaina eo am-piatrehana ireo mamazivazy ny fiverenan’ i Kristy?

2. Nahoana no ilaintsika ny hanokatra ny saintsika momba ny tantaran’ i Sodoma sy Gomora?

3. Inona no tokony ho fiantraikan’ ny niafaran’ ireo tanàn-dehibe ireo eo amin’ ireo vahoakan’ Andriamanitra?

4. Tandindimin-doza hamerina ny fahadisoan’ i Lota ve aho? Raha eny, amin’ ny fomba ahoana?

5. Inona avy ireo tombotsoa azo amin’ ny fonenana any ambanivohitra?

Page 20: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

20 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Lesona 4 Sabata 22 Jolay 2017

Ireo Hevi-diso amin’ny Andro Farany

“Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.” (Matio 24:24).

“Hisy hevi-diso mampidi-doza haseho ho toy ny foto-pinoana avy ao amin’ ny Baiboly; ary tokony hahalala tsara ny Baiboly isika mba hahafahan-tsika miatrika izany. Hosedraina ny finoan’ ny olona tsirairay avy.”—Evange-lism, pp. 590, 591.

Atolotra ho vakiana: Mpaminany sy Mpanjaka, pp. 171 - 174.

Alahady 16 Jolay

1. MILA MIAMBINA

a. Inona no tetika ampiasain’ ny fahavalo mba hisarihana fanahy tso-po maro izay mino ny fiverenan’ i Jesosy tsy ho ela?? Matio 24:11, 24.

“Mahay manao ratsy amim-pahakingana ireo anjelin’ i Satana, ary ham-orona zavatra maro izay ho eken’ ny sasany ho fahazavana izy ireo ka hitory izany ho toy ny zava-baovao sy mahatalanjona; eny, mety ho marina ny endri-ka sasany ao amin’ ilay hafatra, saingy hafangaro amin’ ny hevitr’ olombelona izany ka ireo didin’ olombelona no ho lasa fampianarana. Raha misy fotoana tokony hiambenana sy hivavahana dia izao ankehitriny izao. Mila heverina mafy amim-bavaka ireo zavatra toa manana endrika tsara ivelany, satria izy ireny dia fitaovana ampiasain’ ny fahavalo hisintonana ny fanahy ho amin’ ny lainga kanefa toa akaikin’ ny marina ka ho sarotra ny hanavaka izany”—Evangelism, p. 590.

“Marina ny fanambaran’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Aza manova ny fi-noanao ho amin’ ny foto-pinoana hafahafa mihitsy, na mahafinaritra manao ahoana aza no fisehon’ izany, dia hamitaka ny fanahy izany.

“Nampitomboina ny famitahan’ i Satana, ary ireo manao dingana hiala amin’ ny fahamarinana dia hahavery izay ninoan’ izy ireo. Raha toa ka tsy misy ifandraisany amin’ izay voasoratra, dia hiditra amin’ ny fahadisoana iray ho amin’ ny iray hafa izy ireo, ka hahilangilan’ ny rivo-pampianarana hafaha-fa. Efa nidina miaraka amin’ ny fahefana lehibe Satana.”—Ibid., p. 362.

Page 21: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 21

Alatsinainy 17 Jolay

2. FITAKA MAMPIDI-DOZA

a. Hazavao ireo fitaka feno hafetsena nampiasan’ ilay fahavalon’ An-driamanitra nentina namitaka tamin’ ny andron’ i Mosesy, izay mbola miverina ankehitriny. Eksodosy 7:10–13; 2 Timoty 3:5–9.

“Ireo mpanao mazia…dia nampiseho famantarana sy fahagagana; ary tsy nanao izany avy amin’ ny eritreriny samy irery izy ireo, fa avy amin’ ny herin’ ny andriamaniny, dia i Satana, izay nanampy azy ireo haka tahaka ny asan’ Andriamanitra.

“Tsy tena nahay nanova ny tehina ho menarana anefa ny ombiasy; fa tamin’ ny alalan’ ny fankatovana, izay fiasana iray eo am-pelatànan’ ilay mpamitaka lehibe no nahazoany nanao ny ala-tahaka. Tamin’ ny alalan’ ny herin’ i Satana no nanovana ny tehina ho lasa menarana velona. Tsy ma-nam-pahefana hamorona aina na hanome aina ny mpanjakan’ ny maizina, na dia nanana ny fahendrena sy ny hery rehetra ananan’ ny anjely rehetra lavo aza; tombontsoa ananan’ Andriamanitra irery ny manome aina. Fa tamin’ ny herin’ i Satana no nanaovany izany, ka dia vitany izany; saingy hala-tahaka no nataony. Teo imason’ olombelona dia niova ho menarana ny tehina. Rehefa izany dia ninoan’ izy ireo ho avy amin’ i Farao sy ny tandapany izany.”—Pa-triarchs and Prophets, p. 264.

b. Inona no fitaka hampiasain’ ilay fahavalo tsy ho ela intsony? Apo-kalypsy 13:13.

“Ho vofitaky ny fahagagana izay tena azon’ ireo fiasan’ i Satana atao tokoa ny olona, fa tsy hoe hihambo izy ireo tsy akory..”—Hery Mifanandrina, p. 577.

c. Inona no fampitandremana efa nolazain’ i Kristy mialoha momba ny filalaovan’ angatra? Matio 24:25, 26.

“Moa ve tsy an’ arivony ny mankany an’ efitra manantena ny hahita an’ i Kristy? Ary moa ve tsy re ankehitriny ny antso manao hoe: “Indro, ao amin’ ny efitra mangina Izy” avy ao amin’ ny fivoriana an’ arivony izay misy olona milaza fa mifandray amin’ ny fanahy efa maty? Izany indrindra no fihamboa-na aroson’ ny filalaovana angatra..”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 677.

d. Inona no tokony ho ataontsika an-tsaina eo am-pahitana ireo fam-inaniana momba ny filalaovan’ angatra izay tanteraka eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny? Efesiana 6:11, 12.

Page 22: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

22 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Talata 18 Jolay

3. FAHAGAGANA SY MATOATOA TENA HITA MASO TOKOA

a. Rehefa miha manatona ny farany, dia inona no fampitandrema-na manokana nomena mba hisorohana ny fahatokiana an’ ireo famantarana sy fahagagana? Nahoana ? Matio 24:4, 5, 11, 24, 25.

“Arakaraka ny hanatonan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ilay andro farany mampidi-doza, dia hifandray akaiky amin’ ireo anjeliny Satana mba hijery ny tetika mahomby indrindra hamiliana ny finoan’ izy ireo. Hitany fa efa nam-patorian’ ny fahefany mamitaka ireo fiangonana mamim-bahoaka. Amin’ ny alalan’ ny hevitra mahafinaritra sy fahagagana mamitaka no ahafahany mi-tazona azy ireo eo ambany fifehezany. Noho izany dia tarihany lalana ireo anjeliny mba hamelatra ny fandrika indrindra eo anoloan’ ireo miandry ny fiverenan’ i Kristy sy milaza fa mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra.

“Ampitandremana isika fa amin’ ny andro farany dia hisy asa arahana famantarana sy fahagagana mamitaka. Ary hanohy izany fahagagana izany izy mandra-pikaton’ ny varavaram-pahasoavana, mba ahafahany manondro amin’ izy ireo ny porofo fa anjelin’ ny mazava izy fa tsy an’ ny maizina tsy akory. . . .

“Maro ireo halaim-panahy handray izany fahagagana izany ho avy amin’ Andriamanitra. Ho sitranina eo imasontsika ny marary. Hatao eo anilantsika ireo fahagagana. Voaomana ho amin’ izany fisedrana miandry antsika izany ve isika rehefa ho avy amin’ ny fahafenoany ny fahagagana mamitaka rehet-ra hataon’ i Satana? Tsy ho maro ve ny fanahy ho voarebireby sy ho azony? Amin’ ny alalan’ ny fialàna amin’ ireo didy sy fitsipika feno avy amin’ Andri-amanitra, ka manome fihainoana ireo anganongano, dia ho voaomana amin’ ireo fahagagana mamitaka ny sain’ ireo olona maro. Ankehitriny dia tokony hitady fiadiana ho an’ ny tenantsika isika ka hiomana ho amin’ ilay toe-javatra handraisantsika anjara. Ny finoana ny Tenin’ Andriamanitra, ny fianarana iza-ny amim-bavaka sy ny fampiharana izany, no ho fiarovana ho antsika amin’ ny herin’ i Satana sy hitondra antsika ho amin’ ny fandresena noho ny ràn’ i Kristy.”—Maranatha, p. 208.

b. Nahoana no ilaintsika ny hanokatra ny saintsika hahita ilay tetik’ i Satana izay tena hainy tokoa, dia ny filalaovana angatra? 2 Tesa-loniana 2:9–12; Mpitoriteny 9:5, 6.

“Manan-kery mampiseho ny endriky ny havana aman-tsakaizany efa maty eo anatrehan’ ny olona izy(satana). Tonga lafatra ny hala-tahaka ataony; ny endrika, ny teny, ny feo mahazatra dia samy voaverina amin’ ny fomba miavaka tsara sy mahagaga. Maro no mahita fiononana amin’ ny fahazoana toky fa miriaria amin’ ny fahasambaran’ ny lanitra ny olon-tiany, ary tsy ma-odimaody velively ny amin’ ny loza mitatao izy ireo raha manongilan-tsofina hihaino ‘fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia.’ (1 Timoty 4:1).”—Hery Mifanandrina, p. 576.

Page 23: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 23

Alarobia 19 Jolay

3. MISOROKA NY HALA-TAHAKA TSOTRA SY MALEFAKA

a. Ahoana no fomba hifandraisan’ ny fitorian’ i Noa amintsika amin’ ny maha mpitory ny “hafatra ankehitriny” antsika,- tafiditra ao anatin’ izany ny fahazavana momba ny resaka ara-pahasalamana? Lioka 17:26, 27; 1 Petera 2:11.

“Nitory tamin’ ny olona tamin’ ny androny Noa fa nanome 120 taona azy ireo hibebahany amin’ ny fahotany sy hidirany ao amin’ ny sambo fiara Andriamanitra; kanefa nandà ny antso famindram-po izy ireo. Fotoana lava no nomena azy ireo mba hialany amin’ ny fahotany sy ny fahazaran-dratsiny, ka hampivelarany toetra tsara; kanefa ny fironana ho amin’ ny ratsy, izay nale-faka tao amin’ ny sasany tamin’ ny voalohany, dia lasa nihanatanjaka rehefa naverimberina ny tsy firehana izay nitondra azy ireo ho amin’ ny faharavana tsy azo nihodivirana.”—The Review and Herald, October 20, 1885.

b. Raha tokony ho dingana tsotra sy mora no nomen’ Andriamanitra antsika, nahoana Izy no nanome antsika ny fanavaozana ara-pa-hasalamana izay mitaky fandavan-tena mba hamolavolana ny toetrantsika? Matio 7:13–15.

“Hanao fahagagana i Satana. Hataony marary ny olona, ary rehefa avy eo dia halany tampoka amin’ izy ireo ny herin’ ny maizina napetrany. Dia toy ny sitrana no fijery azy ireo avy eo. Io endrika fanasitranana ivelany io dia ho tonga fisedrana eo anivon’ ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito.”—Maranatha, p. 209.

“Ny fomba nanaovan’ i Kristy ny asany dia tamin’ ny alalan’ ny fitori-an-teny sy fanamaivanana ireo fahoriana tamin’ ny fanaovana fanasitranana mahagaga. Nomena torolalana anefa aho fa tsy afaka miasa ohatr’ izay fomba izay isika, satria hampiasa ny heriny amin’ ny fanaovana fahagagana Satana. Tsy afaka miasa amin’ ny alalan’ ny asa fahagagana ny vahoakan’ Andriamani-tra ankehitriny satria ireo asam-panasitranana sandoka izay ho lazaina fa avy amin’ Andriamanitra dia hanjaka.

“Noho izany antony izany no nahatonga ny Tompo nanome lalana ho an’ ny Vahoakany mba hanao asa fanasitranana ara-batana, miaraka amin’ ny fam-pianarana ny Tenin’ Andriamanitra. Tokony hanangana toeram-pitsaboana, ary amin’ ny alalan’ ireny toerana ireny no hifandraisan’ ireo mpitory ka hitondran’ izy ireo asa fitsaboana misionera. Amin’ izay dia ho tonga eo amin’ ireo izay tonga mitsabo tena ao amin’ ny toeram-pitsaboana ny hery miasa mangina

“Tena fikasan’ Andriamanitra ny hitondrana ny filazantsara any amin’ ireo fanahy maro amin’ ny alalan’ ny asa fitsaboana. Tokony hatsangana any amin’ ireo tanàna maro izany toeram-pitsaboana izany, ary amin’ izany fomba izany no hitondrana amim-pahendrena ny asa fanabeazana.”—Medical Ministry, p. 14.

Page 24: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

24 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alakamisy 20 Jolay

5. NY ZAVATRA HITA TSY TOKONY HAMPINO!

a. Fariparito ny fitaka lehibe ho hataon’ i Satana. 2 Korintiana 11:14.

“Ny fitaka lehibe farany dia Satana mihitsy no hitonona ho Kristy. Efa ela no niandrasan’ ny fiangonana ny fiverenan’ ny Mpamonjy hanatanteraka ny fanantenan’ izy ireo. Dia hataon’ ilay mpamitaka lehibe izay hahitan’ ny olona ankehitriny fa tonga Kristy. Amin’ ny toerana maro eto an-tany, dia hiseho amin’ ny olona maro toy amin’ ny endrika feno famirapiratana be izy, ka haka tahaka mitovy amin’ ny Zanak’ Andriamanitra izay resahan’ i Jaona ao amin’ ny Apokalypsy (Apokalypsy 1:13–15). Hihoatra noho izay mety ho azon’ ny mason’ olombelona jerena ny famirapiratany. Hisy hiakam-pandresena ho re eny amin’ ny habakabaka. ‘Tonga Kristy! Tonga Kristy!’ hiankohoka eo ana-trehany ny olona ka hidera azy, ary amin’ izany dia hanangana ny tanany izy ka hitso-drano azy ireo, tahaka ny nitsofan’ i Kristy rano ireo mpianany raha mbola tety an-tany Izy. Halefaka sy hambabo tokoa ny feony, eny hikarantsa-na toa feon-kira. Amin’ ny feo feno fangorahana sy fahalemem-panahy no hi-lazany ireo fahamarinana sasany izay nampianarin’ ny Mpamonjy; hanasitra-na ny aretin’ ny olona izy, ary avy eo, amin’ ny alalan’ ny fisehoany ho Kristy , dia hilaza izy fa efa nanova ny Sabata ho Alahady, ary handidy ny rehetra mba hanamasina izany andro izay notahiany izany. Hilaza izy fa ireo izay mbola minia mitandrina ny andro fahafito ho masina dia miteny ratsy ny anarany amin’ ny fandavan’ izy ireo tsy hihaino ny anjeliny izay nalefany hitondra fahazavana sy fahamarinana ho azy ireo. Izany no ho fitaka mafy indrindra sy mila tsy ho voatohitra.”—Maranatha, p. 276.

b. Eo anatrehan’ izany zavatra mampidi-doza izany, inona no tokony hifantohantsika hatrany? 2 Korintiana 4:8–10, 18.

Zoma 21 Jolay

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Nahoana no tena zava-dehibe amin’ ny andro farany ireo foto-pinoana ao amin’ ny Baiboly momba ny “fahamarinana ankehitriny”?

2. Ahoana no hanazavantsika ny endri-pahagagana nataon’ ireo mpanao mazian’ i Farao?

3. Tanisao ireo tetika sy fitaovana sasany tena ampiasan’ ny fahavalo, indrindra ireo natao hikendrena ny “zanaka sisa”.

4. Amin’ ny ankapobeny, nahoana no toroana hevitra isika tsy hiandry an’ ireo fanasitranana eo no ho eo amin’ izao vanim-potoana izao?

5. Ahoana no ahafahantsika manavaka tsara ny hala tahaka mamitaka ho avy tsy ho ela momba ny fiverenan’ i Jesosy?

Page 25: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 25

Lesona 5 Sabata 29 Jolay 2017

Tena Hiverina Indray Jesosy!“Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho

avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” (Jaona 14:3).

“Iray amin’ ireo fahamarinana be voninahitra sy manetriketrika indrindra resahana ao amin’ ny Baiboly ny fiverenan’ i Kristy fanindroany mba hanatan-teraka ilay asa lehiben’ ny drafi-panavotana.”—The Great Controversy, p. 299.

Atolotra ho vakiana: Premiers Ecrits, pp. 13–18, 285, 286.

Alahady 23 Jolay

1. INDRO, AVY IZY!

a. Araka ny voalazan’ ny Baiboly, hanao ahoana ny fiverenan’ i Jeso-sy? Asan’ ny Apostoly 1:11.

“Ny toe-javatra tena nanan-danja tokoa tamin’ ireo mpianatra tamin’ ny fiakaran’ i Jesosy ho any an-danitra dia nahitan’ izy ireo Azy niala teo aminy ka lasa niakatra niaraka tamin’ ny endrika tsy misy tomika amin’ Ilay Mpam-pianatra azy ireo ihany. Jesosy tsy nisy nanombinana, izay niara-nandeha, niara-nivavaka sy niresaka tamin’ izy ireo…no lasa niakatra tany an-danitra amin’ ny endrika maha-olombelona Azy. Ary nisy iraka avy tany an-danitra nanome antoka azy ireo fa iny Jesosy izay hitanareo niakatra ho any an-dani-tra iny ihany, no ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra. Izany fanomezan-toky izany, no fanantenana sy fifaliana ho an’ ireo tia marina an’ i Kristy hatramin’ izay ka hatramin’ ny faran’ ny fotoana.”—The Spirit of Proph-ecy, vol. 3, p. 254.

b. Amin’ iza no hisehoan’ i Jesosy? Apokalipsy 1:7; Matio 24:30.

“Ireo nandrabiraby sy nikapoka Azy dia ho eo ihany koa. Ireo mpisorona sy mpanora-dalàna dia hahita indray ny zava-nitranga tao amin’ ny efitrano fitsarana. Hiseho eo anatrehan’ izy tahaka ireny voasoratra tamin’ ny afo ireny ireo ny trangan-javatra rehetra. Noho izany, ireo izay nivavaka hoe ‘avelao ny ràny ho aminay sy ny taranakay’, dia handray ny valin’ ny vavaka nataon’ izy ireo. Ary amin’ izay izao tontolo izao manontolo dia hahalala sy hahatakatra izany rehetra izany.”—The Desire of Ages, pp. 739, 740.

Page 26: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

26 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alatsinainy 24 Jolay

2. FANANTENANA MAMPITOLAGAGA

a. Inona no tanjon’ ny fihavian’ i Jesosy? Amin’ ny fomba ahoana no hahatonga ny fahatokiantsika izany toe-javatra mahafinaritra sy tsy hay lazaina izany hisy fiantraikany amintsika? Jaona 14:1–3.

“Ireo izay tena tia marina ny Mpamonjy dia handray am-pifaliana ny ha-fatra mifototra eo amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, dia eo amin’ Ilay ho avy indray, izay ifantohan’ ny fanantenan’ izy ireo ny fiainana mandrakizay, dia Ilay ho avy tsy hatao tsinontsinona, na ho ambaniana, na ho lavina, tahaka ny tamin’ ny fihaviany voalohany, fa amin-kery sy voninahitra, mba hamonjy ny vahoakany. Ny fanambarana ny fihavian’ i Kristy indray dia tokony ha-tao amim-pifaliana sy am-pahamatorana tokoa, tahaka ny nataon’ ireo anjely tamin’ ireo mpiandry ondry tao Betlehema. Ny porofo mazava azo ilazana fa niala tamin’ Andriamanitra ireo fiangonana maro dia ny fahitana ny faha-tezerana sy ny faharomotan’ izy ireo rehefa mihetsika Ilay Mpitondra hafatra avy any an-danitra.

“Ireo izay tsy tia ny Tompo no maniry Azy mbola hijanona elaela, ary izy ireo dia manao tahaka ilay mpanompo tsy mahatoky hoe: ‘maharitra ela ny Tompoko’ (Matio 24:48). Mandà tsy hikaroka ao amin’ ny Soratra Masina izy ireo ka hianatra na marina na tsia izany, ary mamorona anganongano izy ireo izay mametraka ny fihavian’ i Kristy ho amin’ ny elanelam-potoana mbola ho avy, na manao izany hoe ara-panahy, ka efa tanteraka tamin’ ny fandravana an’ i Jerosalema, na hoe tapitra eo amin’ ny fahafatesan’ ny tena.”—The Spirit of Prophecy, vol. 4, pp. 216, 217.

b. Fariparito ny hankaton’ izany fanantenana izany, ary, mifandray akaiky amin’ ny inona moa izany? Filipiana 3:20, 21.

“Mifamatotra ireo fahamarinan’ ny faminaniana,ary arakaraky ny hi-anarantsika azy ireny, no hahatonga azy ireny ho tonga voa mahafinaritra eo amin’ ny maha-kristiana antsika. Ny resaka rehetra ataontsika dia natao hane-ho mazava fa miandry sy miasa ary mivavaka ho amin’ ny fihavian’ ny Zanak’ Andriamanitra isika. Ny fihaviany no fanantenantsika. Ary natao hikambana amin’ ny tenintsika sy ny asantsika izany fanantenana izany, natao hifamato-tra amin’ izay endri-pifandraisantsika rehetra.”—Evangelism, p. 220.

“Hosatrohana voninahitra sy haja ary fiainana mandrakizay izay tia Azy sy niandry Azy. Hivoaka avy ao amin’ ny fasana ireo marina efa nodimandry, ary izay velona dia hakarina hiaraka aminy hitsena ny Tompo eny amin’ ny ha-bakabaka. Handre ny feon’ i Jesosy izy ireo, mamy noho ny feon-java-maneno tsy mbola niditra tao an-tsofin’ ny mety maty izany, hanao aminy hoe: ‘vita ny ady natrehinareo’.”—Vavolombelona Mahery, p. 32.

Page 27: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 27

Talata 25 Jolay

3. VONINAHITRA TSY HAY LAZAINA

a. Inona no famantarana eo amin’ ny lanitra izay hanondro ny fi-havian’ i Jesosy? Marka 13:26.

“Tsy ela dia voasarika tery antsinanana ny masontsika, ka indro nisy ra-hona kely toy ny antsasaky ny fela-tànana niseho, ary fantantsika fa izany no famantarana ny Zanak’ Olona. Nangina tanteraka isika teo am-pibanjinana izany rahona kely izany ka arakaraky ny nanatonan’ izany antsika no naha-tonga azy ho niha-namiratra hatrany, feno voninahitra, ary nitombo ho amin’ ny famirapiratana, mandra-pahatonga azy ho lasa rahona fotsy mamirapiratra. Niseho tahaka ny afo ny fanambanin’ izany, ary ny Havana no teo ambon-iny.”—Spiritual Gifts, vol. 2, p. 32.

b. Hazavao ireo voninahitra telo sosona amin’ ny fiverenan’ i Kristy, ka mariho hoe aiza no hihaonany amin’ ireo olom-boavonjiny. Hikasika amin’ ny tany ve ny tongony amin’ ny fihaviany fanin-droany ? Lioka 9: 26b; 1 Tesaloniana 4:16, 17.

“Eo amin’ ny rahona no hipetraka ny Zanak’ olona, hisy satroboninahitra eo amin’ ny handriny, fotsy sady miholikolika ny volony ary mipetraka eo amin’ ny sorony. Tahaka ny afo no fijery ny tongony; nisy antsy fijinjana teny an-tanany ankavanana, ary trompetra volafotsy no teo amin’ ny ankavia. Tahaka ny lelafo ny masony, izay mitady ireo zanany na aiza na aiza. Amin’ izay dia ho hita mamirapiratra ny tava rehetra, fa ireo izay nolavin’ Andria-manitra kosa dia ho rakotry ny haizina. Amin’ izay dia hiaraka hiantso isika hoe : ‘iza no ho tafajoro? Efa tsy misy kianina ve ny fitafiako? Dia hitsahatra tsy hihira ny anjely, ary hisy fotoana tena hanginana tanteraka; rehefa niteny Jesosy, dia ho afaka hijoro ireo ‘madio tànana sy madio am-po’. Ampy ho anao ny Fahasoavako. Tamin’ io fotoana io, dia niandrandra isika, ary fifaliana no nameno ny fon’ ny tsirairay avy. Nanonona naoty farany ambony ireo anjely ka nihira raha mbola iny miha-manatona ny tany iny ilay rahona. Tamin’ izay dia naneno ilay trompetra volafotsin’ i Jesosy, raha nidina avy teo amin’ ny rahona Izy, nohodidinin’ ny lelafo midedadeda. Nibanjina teo amin’ ny fasan’ ireo olo-masina matory Izy, ka nampiakatra ny masony sy ny tanany tamin’ ny lanitra ary niteny mafy hoe: Mifohaza! Mifohaza! Mifohaza ianao izay matory ao amin’ ny vovoka ka mitsangàna. Ary tamin’ izany dia nisy horohoron-tany mafy. Nisokatra ny fasana, ary nivoaka avy tao ireo maty mitafy ny tsy fahafa-tesana. Nihoraka hoe Haleloia ireo 144 000, satria fantatr’ izy ireo ny namany izay nosarahana taminy tamin’ ny alalan’ ny fahafatesana, ary tamin’ izay fo-toana izay indrindra dia novàna isika ka nantsoina hiakatra miaraka amin’ izy ireo hihaona amin’ ny Tompo eny amin’ ny habakabaka. Dia niara-niditra tao amin’ ny rahona isika.”—Ibid., pp. 32, 33.

c. Inona no maha hafa ny fiverenan’ i Kristy fanintelony aorian’ ny 1000 taona raha oharina amin’ ny fiverenany fanindroany? Za-karia 14:4. (jereo ihany koa Premiers Ecrits, pp. 17, 18.)

Page 28: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

28 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alarobia 26 Jolay

4. AMIN-KERY SY FAHEFANA

a. Inona no hitranga amin’ ny natiora amin’ ny fiverenan’ i Jesosy fanindroany? Nahoana? Apokalypsy 6:14; Isaia 24:1–6.

“Hanana vahoaka hahatsapa tsara Andriamanitra hoe hovaliana araky ny fankatoavany na tsy fankatoavany izy ireo. Niha-nitombo isaky ny taranaka nifandimby ny faharatsiana sy ny aretina. Teo ambany ozona izay nentin’ ny olona noho ny tsy fankatovana tsy an-kiato no niasana ny tany.”—Spiritual Gifts, vol. 4a, p. 123.

“Midina eny amin’ ny rahona ny Mpanjakan’ ny mpanjaka, voahodidin’ ny lelafo midedadeda. Lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, mangovi-tra eo anatrehany ny tany, ary ‘mifindra miala amin’ ny toerany ny tendrom-bohitra sy ny nosy rehetra’..”—Hery Mifanandrina, p. 667

b. Ahoana no hanehoan’ ny faminaniana an-tsary ny fitsaran’ An-driamanitra izay hiantonta tsy ho ela eto amin’ izao tontolo izao amin’ ny Fihaviany? Isaia 24:17–23.

“Raiki-tahotra sy zendana ny ratsy fanahy mijery, fa ny tsara fanahy kosa mibanjina ny antoka nomena hanafahana azy amin’ ny fifaliana feno fanaja-na. Toa miala amin’ ny fizotra mahazatra azy avokoa ny zava-boahary rehetra. Mijanona tsy mikoriana ny rano. Misy rahona maizina sy mavesatra mifando-na. Eo anivon’ ny lanitra misafotofoto dia misy faritra mazava mamirapiratry ny voninahitra tsy hay lazaina, ary re avy ao ny feon’ Andriamanitra, tahaka ny feon’ ny ranobe manao hoe: ‘vita!’. (Apokalypsy 16:17).

“Mihovitrovitra ny lanitra sy ny tany eo am-pandrenesana io feo io. Misy horohoron-tany mafy sy lehibe “izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ ny olona tety ambonin’ ny tany, eny, tsy mbola nisy horohoron-tany mafy sy lehibe toy izany”. Toa misokatra sy mikatona ny lanitra. Toa manelatrelatra avy ao ny voninahitra avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Tahaka ny volotara hozongozonin’ ny rivotra ny tendrombohitra, ary mipariaka ombi-eny ombieny ny silatsilaky ny vatolampy. Misy feo mirohondrohona toy izay mialoha ny tafio-drivotra. Misafoaka ny ranomasina. Re ny fimamamaman’ ny tafio-drivotra mova tsy feon’ ny demonia hamafy fandravana. Mivoitra sy mietry, misamboaravoara tahaka ny onjan-dranomasina, ny tany manontolo. Triatriatra ny vohon’ ny tany. Toa mikoro hatramin’ ny fanorenany. Milentika ny tendrombohitra mitomandavana. Voatelina ny Nosy misy mponina. Ny seranan-tsambo izay nanjary tahaka an’ i Sodoma noho ny haratsian-toetrany dia voasaron’ ny rano misafoaka.”—Hery Mifanandrina. p. 662, 663.

Page 29: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 29

Alakamisy 27 Jolay

5. FAHATANTERAHAN’ ILAY FANANTENANA NANDRASANA ELA

a. Fariparito ny hafalian’ ireo anjely masina miaraka amin’ i Jesosy amin’ ny fihaviany. Joda 14.

“Ao anatin’ ny Anteman’ ny lanitra amin’ ny hira mahafinaritr’ ireo anjely masina, dia misy maro be tsy tambo isaina no miandry an’ i Jesosy eo amin’ ny lalany. Toa feno famirapiratana ny kianjan’ ny lanitra, - ‘arivoarivo sy alinalina’. Tsy misy penin’ olombelona afaka mamariparitra ny zava-mitranga; tsy takatry ny sain’ ny mety maty izany famirapiratana izany.”—The Great Controversy, p. 641.

c. Inona no andraikitra tsy maintsy tanterahan’ ireo anjely masin-a?(raha mifototra eo amin’ ny fitsarana famotopotorana izay efa ho tapitra). Ary inona no tokony heverin’ ny mponina eto an-tany fatratra? Matio 13:41, 49; 25:32; Romana 7:12.

“Tsy ho ela dia hanentana ny velona sy hampitsangana ny maty ny feon-trompetran’ ny Arikanjely. Amin’ izay fotoana izay dia hosarahana amin’ ny ireo olona marina ny ratsy fanahy, tahaka ny mpiandry manavaka ny on-dry amin’ ny osy.”—Child Guidance, p. 561.

“Tian’ ny Kristy ho azon’ ny olona rehetra ny zavatra hitranga amin’ ny fiverenany fanindroany. Hatao eo imason’ ny olona rehetra eto amin’ izao ton-tolo izao ny fotoam-pitsarana; satria amin’ izay fitsarana izay dia ho voamarina ny fitondran’ Andriamanitra, ary ny Lalàny dia hatao hoe ‘masina, marina, ary tsara’(Romana 7:12). Dia ho raisina ny fanapahan-kevitra ny amin’ ny toerana misy ny tsirairay avy, ary hotonina amin’ ny olona rehetra ny valim-pitsarana. Tsy hahasarika intsony noho izany ny fahotana fa ho hita amin’ ny tena endriny mamitaka tokoa. Ny olona rehetra dia hahita ny fifandraisany tamin’ Andriama-nitra sy tamin’ ny hafa ihany koa.”—The Review and Herald, September 20, 1898.

Zoma 28 Jolay

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Hazavao hoe iza avy ireo antokon’ olona hahita ny fiverenan’ i Jesosy fanindroany.

2. Nahoana no hiverina indray Jesosy? Ary inona no tokony hiheverantsi-ka izany trangan-javatra izany?

3. Nahoana no tokony ho haintsika tsara hoe hikasika amin’ ny tany ve ny tongotr’ i Kristy sa tsia?

4. Ahoana no hitondran’ ilay fikorontanana goavana tamin’ ny famoro-nana ho amin’ ny lalàna moralin’ Andriamanitra?

5. Inona no tokony heverintsika lalina eo am-piatrehana io ora mane-triketrika sy feno fifaliana eo anoloantsika io?

Page 30: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

30 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

SABATA 5 AOGOSITRA 2017

Fanatitry ny Sabata voalohany ho an’ ny Sekoly Misionera sy Tetik’

asa Fanabeazana

“Ny olombelona rehetra, izay no-forina araka ny endrik’ Andriamanitra, dia nomena hery mitovy amin’ ny an’ Ilay Mpamorona: ny maha-izy ny tena, fahafahana misaina sy manao zavatra. Ny olona nampitombo izany hery tao anatiny izany dia ireo olona lasa manana andraikitra lehibe, ireo lasa mpitantana orin’ asa, ary ireo manana hery miasa mangina afaka mitondra. Tena asa fanabeazana marina ny fampivelarana io hery io, ny fam-piofanana ny tanora mba ho mpisaintsaina lalina, fa tsy ho mpaka tahaka an-jambany ny eritreritry ny hafa fotsiny…. Aoka ireo fianarana isan-karazany hanofana lehilahy matanjaka ara-tsaina afaka mieritreritra sy manao zavatra lehibe, dia olona afaka mifehy ny toe-javatra fa tsy andevozin’ ny trangan-ja-vatra, olona manana fisainana mivelatra, fisainana madio, ary manana fahere-sen-dahatra ambony hanatanteraka ny nofinofiny.”—Education, pp. 17, 18.

Tanjon’ ny Departemantan’ ny Asa Fanabeazana ny hanohana ireo toeram-piofanana tahaka izany. Tena ilaina mihoatra noho ny teo aloha ho an’ ny zanatsika ankehitriny ireo Sekoly Misionera sy ireo Sekoly fanabeaza-na fototra. Taonjato lasa tany aloha, dia nanoratra toy izao ny mpanompo vavin’ ny Tompo: “Maro ny zavatra azo atao mba hanavotana sy hanabeaza-na ireo zanatsika izay tsy afaka miala any amin’ ny tanàn-dehibe ankehi-triny. Izany no mendrika hanaovantsika ny ezaka tsara indrindra ankehi-triny. Tokony hanangana sekoly miankina amin’ ny fiangonana ho an’ ireo ankizy any amin’ ny tanàn-dehibe isika, ka amin’ ny alalan’ izany sekoly izany no hanomanana fampianarana avo lenta kokoa, ho an’ ireo izay tafan-gona ao.”—Child Guidance, p. 306.

“Na aiza na aiza misy mpitandrina Sabata vitsivitsy, dia tokony hikam-bana ireo ray aman-dreny, hitady toerana, hanokana andro iray hianarana, mba hanangonana ireo zanany sy tanora ka hanabeazana azy ireo. Tokony hanakarama mpampianatra kristiana izy ireo, izay, mpitory voahosotra, ka hanabe ireo ankizy ary hitarika azy ireo ho tonga misionera…

“Raha tena azon’ ireo ray aman-dreny tsara ny maha-zava-dehibe an’ io ivon-toerana kely fanabeazana io, ka hiara-hiasa izy ireo hanatanteraka ny asa tian’ ny Tompo hatao amin’ izao fotoana izao, dia tsy hahomby ny paik’ adin’ ny fahavalo hanapotehana ireo zanatsika.”—Ibid., p. 307.

Miantso anareo izahay amin’ ity Sabata ity mba hanome amin-kafa-nam-po entina hanohanana ity asa ity any amin’ ireo fiangonantsika mane-rana izao tontolo izao.

Ny rahalahinareo ato amin’ ny Departemantan’ ny Fanabeazana Foibe eran-tany

Page 31: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 31

Lesona 6 Sabata 5 Aogositra 2017

Amin-kery sy Voninahitra Lehibe“Ary holazaina amin’izany andro izany hoe: indro Andria-

manintsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.” (Isaia 25:9).

“Misaraka ilay rahona mainty sy mampatahotra izay nanarona ny habak-abaka, ary tahaka an’ i Stefana, dia mampifantoka ny masony amin’ ny lanitra izy ka mahita ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany..”—Hery Mifanandrina, p. 662

Atolotra ho vakiana: Hery Mifanandrina, pp. 495- 501; 667–672.

Alahady 30 Jolay

1. LOZA! LOZA! LOZA TSY MAMPINO!

a. Rehefa tonga Kristy, inona no asehon’ ireo fihetsika feno tahotra, ho tonga amin’ ireo nanao tsinontsinona ny famonjena natolony? Apokalypsy 6:15–17; Nahoma 2:10.

“Mirotsaka eo amin’ ireo nanao tsinontsinona ny famindram-pon’ An-driamanitra ny horohoron’ ny fahadisoam-panantenana mandrakizay.”—The Great Controversy, p. 641.

“Rehefa hibanjina Azy, Ilay Andriamanitra mitafy ny maha-olombelona ireo mpanota, ary mbola mitafy izany foana Izy, dia tsy ho hay lazaina ny fikorontanan-tsain’ izy ireo. Miala ny sarona amin’ ny mason’ izy ireo ary ho hitany Ilay tsy tiany ho hita teo aloha. Amin’ izay ho takatr’ izy ireo fa tokony ho nandray an’ i Krisy izy ireo ka nanararaotra ny tombotsoa nomena azy ireo. Hitan’ izy ireo fa ny lalàna izay nohitsakitsahiny, dia nasandratra tahaka ny hanandratana ny seza fiandrian’ Andriamanitra. Ho hitany fa Andriamanitra Tenany mihitsy no manome haja ambony izany Lalàny izany.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 6, p. 1069.

b. Inona ny zava-mitranga amin’ izy ireo ankehitriny? Nahoana ? 2 Tesaloniana 1:7–10; 2:8.

“Ny fahazavan’ ny voninahitr’ Andriamanitra, izay hanome fiainana ho an’ ireo olo-marina, dia handringana ireo ratsy fanahy.”—The Desires of Ages, p. 108.

Page 32: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

32 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alatsinainy 31 Jolay

2. FITSANGANANA AMIN’ NY MATY MANOKANA

a. Ao anatin’ ireo rehetra efa maty tao amin’ ny Tompo tany aloha rehetra nandritra ny taon-jato nifandimby, dia iza no karazana mpino hitsangana amin’ ny maty sahady mialoha kelin’ ny faha-tongavan’ i Kristy? Apokalypsy 14:12, 13; Daniela 12:1, 2.

“Haizina sy rahona mavesatra no hiaraka hilatsaka amin’ ny tsirairay avy. Kanefa hisy fitoeran’ ny voninahitra ihany koa, rehefa hivoaka tahaka ny ranobe ny feon’ Andriamanitra, hanozongozona ny lanitra sy ny tany. Nisy horohorohan-tany mafy. Nisokatra ny fasana, ary ireo maty tao anatin’ ny finoana ny hafatry ny anjely fahatelo, nitandrina ny Sabata, dia hivoaka avy ao amin’ ny vovoka natoriany, hitafy voninahitra, hihaino ny fanekem-pi-havanana hataon’ Andriamanitra tamin’ ireo nitandrina ny Lalàny.”—Early Writings, p. 285.

b. Iza amin’ ireo ratsy fanahy no hatsangana amin’ ny maty mialoha kelin’ ny fiverenan’ i Jesosy? Matio 26:62–64; Apokalypsy 1:7.

“Sina ankehitriny ireo izay naniratsira ny filazan’ i Jesosy ny Tenany ho Zanak’ Andriamanitra. Indro eo i Heroda miavonavona izay naneso ny maha-Mpanjaka an’ i Jesosy ka nibaiko ireo miaramila mpanazimbazimba hanisy satroboninahitra maha-Mpanjaka Azy teo an-dohany. Indreo olona nampiakanjo Azy akanjo jaky ho fanevateva Ilay Masina sy nametraka satro-boninahitra tsilo teo amin’ ny handriny masina, ary teo amin’ ny tanàny izay tsy nandà izany, ny sarisarin-tehim-panjakana sady niankohoka teo anatreh-any tamin’ ny fanesoesoana feno fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra. Indreo ireo olona izay nikapoka sy nandrora ny Andrianan’ ny fiainana, izao dia mi-hodina tsy hahita ny fijeriny maranitra ka mitady izay handosirana ny vonina-hitra mahery indrindran’ ny fanatrehany. Indreo izay namantsika ny tanana aman-tongony, ilay miaramila izay nandefona ny lanivohony, feno tahotra sy nenina raha mahita ny holatry ny ratra nataony. Mitamberina ao an-tsain’ ny mpisorona sy ny loholana amin’ ny fomba mazava loatra sy mampahory ireo toe-javatra teo Kalvary.”—Hery Mifanandrina, p. 669.

c. Inona no mampiavaka an’ io fitsanganana amin’ ny maty manoka-na io amin’ ny fitsanganana amin’ ny maty ho tonga rehefa hiant-so Jesosy? Jaona 5:28, 29. ampitahao Daniela 12:2 (jereo sy mariho tsara ny fahasamihafan’ ny hoe “maro” sy ny hoe “rehetra”).

Page 33: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 33

Talata 1 Aogositra

3. TAHOTRA TSY HAY LAZAINA

a. Inona no valiteny voalohan’ ireo mety maty rehetra, anisan’ izany ireo vitsy mahatoky, rehefa mibanjina voalohany an’ Ilay Mpamo-rona mendri-kaja mipetraka eo amin’ ny Seza fiandrianany amin’ ny famirapiratana? Jeremia 30:6.

“Ireo olo-marina dia niantso tamin-pahangovitana hoe: ‘ Iza no hahajano-na?’ Niato ny hiran’ ireo anjely ary nisy fahanginana tanteraka.”— Hery Mifa-nandrina p. 667.

b. Inona no antoka nampafana fo sy nampahery ireo niandry ela tamim-paharetana ny fisehoan’ ny Tompony? 2 Korintianina 12:9 tapany voalohany.

“Dia re ny feon’ i Jesosy manao hoe: ‘Ampy ho anao ny Fahasoavako’ (2 Korintianina 12:9). Mihiratra ny endriky ny tsara fanahy ary mameno ny fo rehetra ny fifaliana. Manakoako ny feon’ anjely ary mitohy ny hirany raha mbola manatona ny tany izy ireo..”—Hery Mifanandrina p. 667

c. Inona no holazain’ ireo mpanara-dia an’ i Kristy amin’ ny fivere-nan’ Ilay nametrahany ny fanantenany? Amin’ ny fomba ahoana no tokony hamporisihan’ izany antsika ankehitriny? Isaia 25:9.

“Ho an’ ireo mpanaraka Azy mahatoky dia sakaiza niara-dia isan’ andro sy nifankazatra taminy Kristy. Niara-niaina ety dia ety Taminy izy ireo, niray tsy an-kiato tamin’ Andriamanitra. Nipariaka tamin’ izy ireo ny voninahit-ry ny Tompo. Hita taratra teo amin’ izy ireo ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra avy amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy. Ankehitriny dia mifaly amin’ ny tara-pahazavana tsy hita lany avy amin’ ny famirapiratana sy voninahitry Mpanjaka eo amin’ ny fiandrianany izy ireo. Voaomana ho amin’ ny fikambanana amin’ ny lanitra izy ireo satria efa nanana ny lanitra tao am-pony.

“Nitraka izy ireo, ka tao anatin’ ny fahazavana lehibe mipariaka avy amin’ Ilay Masoandron’ ny Fahamarinana izay nitaratra teo amin’ izy ireo, tao ana-tin’ ny hafaliana satria nanaiky ny famonjena azy ireo, tao anatin’ izany no niangan’ izy ireo hitsena ny Mpampakatra.”—Christ’s Object Lessons, p. 421.

“Miomana ho amin’ ny fitsenana ny Tompo am-pifaliana ve isika? Sa voatelin’ ny asa aman-draharaha sy fahafinaretana eto amin’ izao tontolo izao? Tsy hiezaka mafy ho anisan’ ireo hitsena an’ i Kristy ve isika?”—The Signs of the Times, April 17, 1901.

Page 34: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

34 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alarobia 2 Aogositra

4. FIALANA AMIM-BONINAHITRA AMIN’ NY TANY

a. Lazalazao ny zava-mahagaga ho hita amin’ ny fananganana ireo olo-marina. 1 Korintianina 15:51–55

“Mijery ny fasan’ ny marina ny Zanak’ Andriamanitra, ary, manandra-tra ny Tanany, ary miantso hoe: ‘Mifohaza! Mifohaza! Mifohaza ianareo izay matory ao amin’ ny vovoka, ary mitsangàna!’ Eran’ ny vazan-tany rehetra no handrenesan’ ny maty io feo io, ary izay mandre dia ho velona.”—Hery Mifa-nandrina, p. 670.

b. Ahoana no ifandraisan’ izany amin’ ny fitsarana famotopotorana izay hahatonga azy ireo ho mendrika ny fiainana mandrakizay? Inona no mahatonga izany tokony hampisaina tsara antsika? 1 Petera 4:17–19; Lioka 20:35a, 36.

“Rehefa sokafana eo amin’ ny fitsarana ireo boky, dia mandalo eo ana-trehan’ Andriamanitra ny fiainan’ izay rehetra nino an’ i Jesosy. Atombok’ Ilay Mpisolovavantsika amin’ izay velona voalohany teto an-tany ny faneho-ana momba ireo taranaka mifandimby tsirairay, ka faranany amin’ ny velona ankehitriny. Aroso ny anarana tsirairay ary fakafakaina lalina ny aminy. Misy anarana ekena, misy lavina…

“Ho an’ izay rehetra mibebaka marina ny amin’ ny fahotana ka mitaky ny ràn’ i Kristy ho fanavotana azy amin’ ny alalan’ ny finoana, dia asiana soratra hoe: ‘voavela’ mifanitsy amin’ ny anarany ao amin’ ny bokin’ ny lanitra; re-hefa tonga mpiray amin’ ny fahamarinan’ i Kristy izy, ka hita fa mifandrindra amin’ ny lalàn’ Andriamanitra ny toetra amam-panahiny, dia voakosoka ny fahotany, ary hisaina ho mendrika ny fiainana mandrakizay izy..”— Hery Mi-fanandrina, p. 499

c. Inona no mitranga amin’ ireo olo-marina, dia ireo velona amin’ ny fiverenan’ i Jesosy sy ireo atsangana amin’ ny maty amin’ ny Feony miantso? 1 Korintiana 15:49.

“Nomem-boninahitra izy tamin’ ny fandrenesana ny feon’ Andriamanitra (ireo olo-marina); ary ankehitriny dia hatao tsy mety maty intsony izy ary en-tina hitsena ny Tompo eny amin’ ny habakabaka miaraka amin’ ny olo-masina natsangana tamin’ ny maty.”—Ibid., p. 671

Page 35: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 35

Alakamisy 3 Aogositra

5. NY FITSANGANANA VOALOHANY SY FAHAROA

a. Hazavao ny fotoana hananganana ireo olo-marina amin’ ny anka-pobeny, ary fariparito ny fifaliana amin’ izay. Apokalypsy 20:1–6 (ampitahao indray amin’ ny 1 Tesaloniana 4:16, 17).

“Mandra-pahatongan’ izay oram-pandresena izay, rehefa haneno ny trom-petra farany ka hijoro ho amin’ ny voninahitra mandrakizay ny andian-tafika lehibe, dia ho voaaro tanteraka tahaka ny vatosoa sarobidy ireo olo-masina matory ao amin’ ny vovoky ny tany, izay fantatr’ Andriamanitra amin’ ny anarany tsirairay avy. Koa satria izy ireo dia niray tamin’ ny fomba sy natioran’ Andriamanitra fahavelony, dia amin’ ny alalan’ ny Herin’ ny Mpamonjy izay nitoetra tao anatin’ izy no hitondrana azy ireo hivoaka avy ao amin’ ny faha-fatesana.”—The Faith I Live By, p. 185.

b. Efa nianarantsika hoe amin’ ny fomba ahoana no hananganana ireo ratsy fanahy meloka noho ny fanombohana an’ i Kristy amin’ ilay fitsanganana manokana; dia rahoviana kosa no hiatrika Ilay Mpanao azy ireo ratsy fanahy mialohan’ ny handevonana azy ireo tanteraka? Nahoana no tokony hampisaina antsika lalina izany? 1 Korintiana 6:3a; Apokalypsy 20:4, 5, 12–15.

“Amin’ ny fiafaran’ ny arivo taona, dia hiverina eto an-tany indray Kristy. Hiaraka amin’ ireo antokon’ olom-boavonjy sy hotronin’ ireo anjely izy amin’ izay. Ary rehefa midina amin’ ny maha-Mpanjaka Mahatahotra Azy Izy, dia hibaiko ireo ratsy fanahy maty izy mba hitsangana handray ny anjarany… Manao ahoana re izany fahasamihafany tamin’ ilay fitsanganana voalohany e! Efa voatafy tsy fahafatesana anatin’ ny hatanorana sy hatsaran-tarehy ireo olo-marina. Ireo ratsy fanahy kosa dia mbola hitondra ny taratry ny aretina sy fahafatesana.”—Ibid., p. 355.

“Misedra sy mizaha toetra ny vahoakany isan’ andro Andriamanitra. Ny Teny voasoratra dia manambara mazava tsara fa amin’ ny alalan’ ny asantsika no hamaritantsika ny ho avintsika mandrakizay.”—Manuscript Releases, vol. 1, p. 278.

Zoma 4 Aogositra

FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA

1. Iza no ho faty eo no ho eo rehefa ho avy Kristy? Nahoana?2. Ho an’ iza ilay fitsanganan’ ny maty manokana? Ary inona ireo tanjo-

na roa sosona amin’ izany?3. Mifantoka ao amin’ ny Isaia 25:9 ve aho sa maniry ny hahaela Azy raha

fotoana no resahana?4. Nahoana no tsy maintsy misy fitsarana famotopotorana aloha mialo-

han’ ny hahatongavan’ i Jesosy?5. Nahoana no tsy maintsy misy arivo taona aloha mialohan’ ny hiatre-

han’ ny ratsy fanahy ny anjarany?

Page 36: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

36 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Lesona 7 Sabata 12 Aogositra 2017

Miandry sady Miambina“[zay nanolotra ny tenany hamonjy antsika ho afaka amin’ny

ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany” (Titosy 2:14).

“Dia Nasehony azy ny hevitr’ izany hoe miambina ny amin’ ny Fihaviany. Tsy tokony holaniana amin’ ny fidonanam-poana ny fotoana, fa amin’ ny asa feno zotom-po.”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 281.

Atolotra ho vakiana: Henoinareo ny Fanoharana, pp. 308- 319.

Alahady 6 Aogositra

1. NANTSOINA HANOMPO

a. Inona no fanoharana nolazain’ i Jesosy mifandraika amin’ ny fiv-erenany? Matio 25:13–15.

“Ilay olona nandeha ho any an-tany hafa dia mampiseho an’ i Kristy, Izay efa kely sisa dia handao ny tany ho any an-danitra, tamin’ ny fotoana nanao-vany io fanoharana io. Ny ‘mpanompony’, na ny andevo, ao amin ny fanoha-rana, dia mampiseho ny mpanaraka an’ i Kristy…

“Mampianatra antsika ny Tompo fa ny zavatra tena kendren’ ny fiainana dia ny soa iraisana. Kristy koa dia mpiasa mihitsy, ary omeny ny mpanara-ka Azy rehetra ny lalàn’ ny fanompoana dia ny fanompoana ny mpiara-belo-na.”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 281, 282.

b. Noharina tamin’ ny inona ireo talenta ary manao ahoana ny hevitr’ izy ireo? 1 Korintiana12:7–11.

“Ny fanomezana sy ny fahaizana manokana rehetra, na voajanahary, na novolena, na ara-nofo, na ara-panahy… dia tokony ampiasaina amin’ ny fanompoana an’ i Kristy. Rehefa tonga mpianany isika, dia milefitra eo Ami-ny miaraka amin’ izay rehetra maha-isika antsika sy izay rehetra ananantsika. Ireo fanomezana ireo dia averiny amintsika rehefa nodioviny sy nasandrany ho mendrika tsara, mba ampiasaina ho voninahiny eo amin’ ny fitahiana ny mpiara-belona amintsika..”— Henoinareo ny Fanoharana, pp. 284.

Page 37: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 37

Alatsinainy 7 Aogositra

2. FAMPIASANA ARAKA NY TOKONY HO IZY IZAY NOMEN’ ANDRIAMANITRA

a. Inona no azontsika hianarana avy amin’ ny fanoharana nataon’ i Kristy momba ny fampiasana ny talenta nankinina tamintsika raha mijery izao vanim-potoana manokana misy antsika izao isika ? Matio 25:16–18.

“Ny fanontaniana tena mipetraka amintsika dia tsy ny hoe: ‘firy no no-raisiko?’ fa, ‘inona no hataoko amin’ izay noraisiko?’. Ny fampitomboana ny fahaizantsika no adidintsika voalohany eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. Tsy misy mahatanteraka ny teti-piainany raha tsy mitombo isan’ andro eo amin’ ny fahaizana sy ny toetra mahasoa. Ny fanao-vantsika fanekem-pinoana ao amin’ i Kristy dia fanekentsika hanao izay rehet-ra azontsika hatao mba ho mpiasa ho an’ ny Tompo, ary tokony hanolokolo ny fahaizana rehetra ho eo amin’ ny faritra ambony indrindran’ ny fahatanter-ahana isika, mba hahazoantsika manefa asa soa be indrindra araka izay azon-tsika atao. .”— Henoinareo ny Fanoharana, pp. 285,

b. Inona no asa azo faranana amin’ ny alalan’ ny fampiasantsika araka ny tokony ho izy ny fanomezana omentsika? Matio 25:19, 20, 22.

“Tsy manome antsika ny fanomezana tsy ampy amintsika amin’ ny fomba hafahafa Izy; fa rehefa ampiasaintsika izay ananantsika, dia hiasa ao amintsika Izy hampitombo sy hampahery ny faharanitana rehetra eo amintsika. Hitom-bo ny herintsika noho ny fahafoizan-tena atao amin’ ny fo manontolo sy ma-zoto eo amin’ ny fanompoana ny Tompo. Rehefa milefitra isika ho fitaovana hiasan’ ny Fanahy Masina, dia miasa ao amintsika ny fahasoavan’ Andriama-nitra hanohitra ny fitongilanana hatry ny ela, handresy ny herin’ ny fironana ho amin’ ny ratsy ka hamolavola fahazarana vaovao. Rehefa ankafizintsika sy ankatoavintsika ny fanetsehan’ ny Fanahy Masina, dia miha-malalaka ny fontsika handray bebe kokoa hatrany amin’ ny heriny, ary hanao asa be kokoa sy tsaratsara kokoa. Mifoha ny hery matoritory, ary mandray hery vaovao ny fahaizana toa efa godron’ ny paralisisa…

“Amin’ ny alalan’ ny finoana ny herin’ Andriamanitra, dia mahagaga ny mahita ny fomba nahatonga ilay olona nalemy teo ho matanjaka ,sy ny ma-hita ny fiezahany feno fanapahan-kevitra ary ny hamaroan’ ny vokatra lehibe azony izay manomboka amin’ ny fahalalana kely amin’ ny fomba tsotra, sy milaza izay fantany, ka mitady am-pahazotoana fahalalana hafa hatrany, dia hahita ny haren’ ny lanitra manontolo efa miandry ny fangatahany izy. Ara-karakara ny hitadiavany hizara fahazavana no handraisany fahazavana bebe kokoa. Araka ny hiezahantsika hanazava ny Tenin’ Andriamanitra amin’ ny hafa, amin’ ny fitiavana, no hampahazava kokoa indray izany amin’ ny ten-antsika.”—Ibid., pp. 308.

Page 38: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

38 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Talata 8 Aogositra

3. MANKASITRAKA SA MIMONOMONONA?

a. Ahoana no fomba nimonomononan’ ilay mpanompo tsy mahatoky noho ny tsy nampiasany ilay talentany? Nahoana no fampitandre-mana ho antsika izany fihetsika izany? Matio 25:24–28.

“Betsaka no miapanga an’ Andriamanitra ao am-pony ho Tompo sarotiny satria mitaky ny fananan’ izy ireo sy ny fanompoany Azy. Nefa tsy afaka mi-tondra na inona na inona ho eo amin’ Andriamanitra afa-tsy izay efa Azy ra-hateo isika… An’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, tsy noho ny namoronany azy ihany, fa noho ny nanavotany azy koa. Ny fitahiana rehetra amin’ ity fiainana ity sy amin’ ny fiainana ho avy dia atolotra antsika ary misy ny fitom-boky ny hazo fijalian’ i Kalvary. Noho izany dia diso ny fiapangana fa Tompo masiaka Andriamanitra izay mijinja amin’ izay tsy namafazany..”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 316.

b. Ahoana no hanehoan’ ny Soratra Masina ny fironantsika himono-monona sy hiala tsiny lava? Nahoana no tokony hihevitra tsara ny faniriana’ ny Tompo marina ny amintsika isika mialohan’ ny Fihaviany? Ohabolana 30:15, 16; Isaia 29:24.

“Ny tebiteby, fanakianana, ary ny fanaovana tatitra mafy dia tsy maintsy hialana. Rahoviana no fotoana napetrakao handresena ireo fanirian-dratsinao sy ireo toetra ratsinao? Raha amin’ izao ezaka fandrosoana ataonao izao, dia mety ho tapitra mialohan’ ny handraisanao fepetra matotra handresenao ny tenanao ny androm-pahasoavana ho anao. Eo anatrehan’ Ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra, dia ho hita miharihary ireo zavatra hafahafa ao aminao, raha misy izany.”—Testimonies, vol. 4, pp. 341, 342.

“Maro ireo manapa-kevitra hanompo ny tenany sy Satana amin’ ny tsy fa-naovan’ izy ireo ezaka handresy ireo toetra ratsiny. Raha mbola eo am-pikoloko-loana ireo fironana feno ota ny maro, miandry ny hahatonga azy ireo handresy indraindray, dia izy ireo ihany no manapaka ho amin’ ny fahaverezan’ izy ireo… Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy dia mety ho tonga mpandresy ianao ankehi-triny ‘eto amin’ izao fiainana izao’. Aza manao drafitra sy miasa amin’ ny alalan’ ny tenanao manokana. Tsy afaka ny ho an’ ny Tompo tanteraka ianao raha toa ka mbola mikolokolo karazana fitiavan-tena na kely aza. Izany fitiavana lehi-be izany, tahaka izay nasehon’ ny Mpamonjy, no tokony horaisinao amin’ ny fanetren-tena lalina sy fifaliana. Mba hahatonga anao ho faly, dia tsy maintsy mifehy ny fisainanao sy ny fiteninao ianao. Mitady ezaka be avy aminao izany; na izany aza, rehefa ekena ho zanak’ Andriamanitra ihany ianao vao ho azo atao izany. Aza ketraka amin’ ny ezaka ataonao. Miady handresy ny fanahinao Sata-na, ary tsy maintsy atao diso fanantenana izy.”—Ibid., p. 344.

Page 39: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 39

Alarobia 9 Aogositra

4. MAMPIHARIHARY NY FITAKA SY MANDOSITRA IZANY!

a. Tamin’ ny fomba ahoana no nanoheran’ ny Zanak’ Andriamani-tra, tamin’ ny alalan’ ny ohatra nasehony, ny fiampangana tsy marina alefan’ ilay fahavalon’ ny fanahintsika? Genesisy 3:4, 5; Filipiana 2:5–8.

“Efa notarihin’ i Satana ny olona hihevitra an’ Andriamanitra ho henjan-doa-tra amin’ ny fahamarinana, na toy ny mpitsara masiaka, na tompon-trosa loza be sady tsy azo ifonana. Nasehony fa Andriamanitra dia tahaka ny olona mikendry tohina hahita ny tsiny sy ny fahadisoan’ ny olona mba hahazoany mamely sy mitsara azy. Ary ny hanala izany aloka mainty izany, ka hampiseho amin’ izao tontolo izao ny fitiavan’ Andriamanitra tsy manam-petra, no nahatongavan’ i Jesosy hiara-monina tamin’ olombelona..”—Ny Tena Hasambarana, p. 12

“Asehon’ i Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan’ Andriama-nitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankatoa ny fitsipik’ izany lalàna izany.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 14.

“Raha sokafana ny masontsika, dia hahita ireo karazana anjely ratsy mano-didina antsika, izay miezaka mitady lalana vaovao hatrany mba hanorisorena-na sy hanimbana antsika. Ary hahita ireo anjelin’ Andriamanitra miambina antsika ihany koa isika, satria ny mason’ Andriamanitra dia mitsinjo maro ny Isiraely, ary hiaro sy hamonjy ny vahoakany Izy, raha toa ka mametraka ny fitokisany Aminy izy ireo….

“Hoy ny anjely: ‘Tadidio, eo amin’ ny tany feno fitaka no misy anao’. Hita-ko fa tsy maintsy miambina sy mandray ny fitafiana rehetra isika ka mandray ny ampingan’ ny finoana, rehefa izany vao hahajoro isika, ka tsy handratra antsika ny zana-tsipika mirehitra afo alefan’ ny ratsy fanahy.”—Early Writings, p. 60.

b. Inona no hasehon’ ny fanirian’ Andriamanitra fatratra hanampy antsika handresy ireo kilemantsika sy ireo hakamoantsika? Sala-mo 20:1, 2, 7–9; 94:17, 18.

“Ny fanaingana rehetra ataon’ ny Fanahy Masina Izay mitarika ny olona ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ho amin’ Andriamanitra, dia voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lanitra.”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 315

“Irin’ ny Tompo ny vahoakany hahatratra ny ambony indrindra eo amin’ ny zana-tohatra mba hanomezany voninahitra azy eo amin’ ny fananana sy ny fahaizana tiany omena azy. Amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamani-tra dia efa nomanina izay ilaintsika mba hanehoana fa tsara kokoa ny drafitra hiasantsika noho ny an’ izao tontolo izao. . . .

“Tsy tokony ho kivy ireo izay tsy nandray fanomezana betsaka. Aoka am-piasainy izay ananany, aoka hiambina am-pahatokiana ny fahalemena rehetra eo amin’ ny toetra amam-panahiny izy, ka hiezaka mba hahatonga an’ io ho matanjaka amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra..”—Ibid., p. 312.

Page 40: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

40 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alakamisy 10 Aogositra

5. MPIASA MPANDRESY MIARAKA AMIN’ ANDRIAMANITRA

a. Koa satria miomana ho amin’ ny fiverenan’ ny Tompo isika ka manolo-tena tanteraka hanao ny Asany, dia inona no tena tom-botsoantsika, sy ny Azy ihany koa? Titosy 2:13, 14; Lioka 17:10; Salamo 145:10–12.

“Rehefa mampamoaka ny mpanompony ny Tompo dia hodinihana akaiky ny famerenana ny talenta tsirairay avy. Ny asa vita dia mampiseho ny toetra amam-panahin’ ny mpiasa.

“Ireo izay nandray talenta dimy sy talenta roa dia namerina tamin’ ny Tompo ireo fanomezana nankinina taminy miaraka amin’ ny tombony. Raha nanao izany izy ireo, dia tsy nitaky fahamendrehana ho an’ ny tenany. Ny talentany dia ireo efa nomena azy ireo ihany; nahazo talenta hafa izy, nefa tsy nety ho nahazo tombony raha tsy nisy ny petra-bola. Hitany fa tsy nanao afa-tsy ny adidiny izy. An’ ny Tompo ny renivola; Azy ny tombony. Raha tsy narotsaky ny Mpamonjy taminy ny fitiavany sy ny fahasoavany dia ho tafidi-tra tamin’ ny fatiantoka mandrakizay izy.

“Nefa rehefa mandray ny talenta ny Tompo, dia mankasitraka sy mamaly soa ny mpanompo Izy, tahaka ny azy ireo iny ery ny fahamendrehana rehetra. Feno fifaliana sy fahafaham-po Izy satria afaka nandrotsaka fitahiana taminy. Ny fanompoana rehetra sy ny fahafoizan-tena rehetra dia valiany soa, tsy hoe satria trosa tokony ho naloany izany, fa satria diboky ny fitiavana sy ny hale-mem-panahy ny fony.”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 314, 315.

“Ny raintsika izay any an-danitra dia tsy nangataka mihoatra na latsaka noho izay efa nanomezany antsika fahaizana hanaovana azy. Tsy nametraka enta-mavesatra eo amin’ ny mpanompony Izy, izay tsy ho zakan’ izy ireo. ‘fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika’(Salamo 103:14). Izay rehetra takiany avy amintsika dia azo averina amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.”—Ibid., p. 316.

Zoma 11 Aogositra

FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA

1. Inona no zavatra tsy azo matetika momba ny fikasan’ Andriamanitra amin’ ny fanomezana?

2. Na dia malemy sy manao fahadisoana aza ianao, inona no drafitr’ An-driamanitra hanampy anao?

3. Ampitahao amin’ ny karazan’ olona amin’ izao fotoana izao ilay mpa-nompo nomena talenta iray.

4. Ahoana no ahafahantsika miala amin’ ny fandriky ny fahavalo izay miezaka mibahana ny fahamasinantsika?

5. Hazavao hoe amin’ ny fomba ahoana no ahafahantsika mahazo fan-dresena ka ho tonga tena fitaovana ampiasain’ Andriamanitra marina.

Page 41: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 41

Lesona 8 Sabata 19 Aogositra 2017

Fifandraisana Manokana Amin’ i Jesosy

“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korin-tiana 5:17).

“Rehefa mitodika eo amin’ Ilay Masoandron’ ny Fahamarinana isika, rehe-fa mifandray amin’ i Kristy, dia hitomarataratry ny fahazavana avy amin’ ny fanatrehany masina ny fanahy iray manontolo.”—Thoughts From the Mount of Blessing, p. 40.

Atolotra ho vakiana: Tanamasoandron’ ny Fahasalamana, Boky voalohany, pp. 45- 48; Selected Messages, bk. 1, pp. 40–48.

Alahady 13 Aogositra

1. MAMIRAPIRATRA EO ANIVON’ NY HAIZINA NY HAZAVANA

a. Ahoana no hilazan’ ny Soratra Masina ny toerana tsy misy fanan-tenana misy antsika? Joba 14:4; Romana 3:23; 8:7.

“Tsy azontsika samy irery atao ny mitsoaka avy ao amin’ ny tevan’ ny fa-horiana izay niletehantsika. Ratsy ny fontsika nefa tsy haintsika ovàna izy.”—Tena Hasambarana, p. 20.

“Maro ireo tsy sambatra satria tsy masina izy ireo. Ny fahadiovan’ ny fo, ny fahatsoran’ ny saina, ireo irery ihany no azon’ Andriamanitra tahiana. Re-hefa kolokoloina ny fahotana, dia tsy hamokatra na inona na inona afa-tsy ny tsy fahasambarana izany any amin’ ny farany.”—Testimonies, vol. 6, p. 53.

b. Noho ny fitiavany sy famindram-pony lehibe dia inona no zavatra nasehon’ Andriamanitra antsika fa ho avy amin’ ny andro farany? Ary manao ahoana no fiantraikan’ izany eo amin’ ny fanandra-mam-piainana lalovantsika? Romana 3:24–26; 8:1–4.

“Ny Tompo sy Mpamonjy dia nametraka ny fiandrianany, ny hareny sy ny voninahiny, ary tonga nitady antsika, mba hahafahany manavotra antsika amin’ ny fahoriana ka hanao antsika hitovy Aminy. Nanetry ny Tenany Izy ary nandray ny natiorantsika mba ahafahantsika mianatra Aminy, ka, hakantsika tahaka ny Fiainany izay feno fanoloran-tena sy fandavan-tena; ary koa mba ah-afahantsika manaraka Azy tsikelikely hatrany an-danitra.”—Ibid., vol. 2, p. 170.

Page 42: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

42 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alatsinainy 14 Aogositra

2. NY FITIAVAN’ ANDRIAMANITRA ANTSIKA

a. Hazavao ny fahafenoan’ ny drafi-pamonjena. 1 Korintianina 1:30; 2 Korintianina 5:19–21.

“Nanolotra ny Tenany Kristy, ho fanati-panavotana, mba hamonjena izao tontolo izao very. Natao araka izay mendrika antsika Izy, mba hahatonga an-tsika ho azo atao araka izay mendrika Azy. Nohelohina noho ny fahotantsika Izy, fahotana izay tsy nandraisany anjara, mba hahatonga antsika hamarinina amin’ ny Fahamarinany, izay tsy niombonantsika Taminy. Niaritra ny faha-fatesana izay tokony ho antsika Izy, mba hahazoantsika ny fiainana izay avy Aminy. ‘Ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika’(Isaia 53:5).

“Nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika Kristy, mba hah-afahantsika mijoro am-pahamendrehana eo anatrehan’ ny kianjan’ ny lanitra. Jereo ny Zanak’ Andriamanitra tao an’ efitry ny fakam-panahy, tao anatin’ ny fotoana nampahalemy Azy indrindra no notafihan’ ny fakam-panahy mahery vaika indrindra Izy. Jereo Izy nandritra ny taona maro nanaovany ny asany, notafihan’ ny herin’ ny ratsy tamin’ ny lafiny maro. Jereo Izy tao anatin’ ny fahoriana lalina teo ambony hazo fijaliana. Niaretany ho antsika izany rehetra izany .”—Testimonies, vol. 8, pp. 208, 209.

b. Iza no afaka manandrana izany fitahian’ ny fitiavan’ Andriamani-tra izany? Matio 11:28; Jaona 6:37.

“Tsy mitaky ezaka ara-tsaina mafy na fijaliana ny fanatonana an’ i Kristy; fa manaiky tsotra ny drafi-pamonjen’ Andriamanitra izay nomeny mazava ao amin’ ny Teniny. Misokatra ho an’ ny rehetra izany fitahiana izany. . .

“Amin’ ny alalan’ Ilay Anarana ambony noho ny anarana rehetra, ilay anarana tokana nomena ny olona hahazoany famonjena, no ahafahantsika mitaky ny teny fikasan’ Andriamanitra, manao hoe: ‘ Tompo o! avelao ny heloko; apetrako eo an-tananao ny tanako mba hanampinao ahy, ary mila izany aho fa raha tsy izany dia ho faty. Mino aho ankehitriny.’ ”—Selected Messages, bk. 1, pp. 333, 334.

“Ny fahatsapana lalina ny filàntsika sy ny halehiben’ ny faniriantsika ny zavatra angatahantsika no tokony hameno ny vavaka ataontsika, fa raha tsy izany dia tsy hohenoina ny vavaka ataontsika. Kanefa tsy tokony ho kivy isika na hampitsahatra ny vavaka ataontsika satria tsy azontsika eo no ho eo ny valiny. ‘Ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny’. (Matio 11:12). Ny fakàna an-keriny resahana eto dia midika hoe fitozoana masina, tahaka ny niseho tamin’ i Jakoba. Tsy ilaintsika ny hi-asa amin’ ny herin’ ny tenantsika amin’ ny fahatsapana mafy, fa amim-pa-hamoràna, amim-paharetana, no tokony handefasantsika ny fangatahantsika eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana.”—That I May Know Him, p. 272.

Page 43: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 43

Talata 15 Aogositra

3. FIAINAM-BAOVAO AO AMIN’ I KRISTY

a. Inona no fihetsika sy fitondran-tena lasa hita maso rehefa mitoky amin’ i Kristy isika? 2 Korintiana 5:17; Galatiana 5:6; Filipiana 2:12, 13.

“Ny finoana izay mitarika antsika ho amin’ ny fifandraisana velona amin’ i Kristy dia miseho amin’ ny fanaovana Azy ambony indrindra sy ny fahatoki-ana tanteraka ary ny fanoloran-tena feno. Miasa amin’ ny fitiavana io finoana io ary manadio ny fanahy. Miasa eo amin’ ny fiainan’ ireo mpanara-dia an’ i Kristy izay mitandrina marina ny didin’ Andriamanitra izany; satria ny fitiava-na an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny olombelona no vokatry ny firaisana velona amin’ i Kristy.”—Selected Messages, bk. 1, p. 334.

“Tsy misy afa-tsy ny herin’ Andriamanitra irery ihany no afaka manavao ny fon’ ny olombelona sy mambabo ny fanahy amin’ ny fitiavan’ i Kristy, izay niseho ombieny ombieny miaraka amin’ ny fitivana an’ ireo izay nanolorany ny Ainy… Rehefa voaova fo ho an’ Andriamanitra ny olona iray, dia misy fisa-inana vaovao miforona ao aminy, ary misy hery manainga vaovao omena azy, ka lasa tia ny zavatra tian’ Andriamanitra izy…

“Fa ireo miandry fanovàna mahagaga kosa mba hanovana ny toetrany kanefa tsy manao ezaka voafaritra mazava tsara avy amin’ izy ireo handresena ny fahotana dia ho diso fanantenana. Tsy misy na inona na inona tokony ha-tahorantsika raha mbola mibanjina an’ i Jesosy isika, tsy misy antony tokony hisalasalana fa Izy dia afaka mamonjy izay rehetra manatona Azy marina; fa ny tokony hatahorantsika fatratra dia sao hiverina hahazo laka indray ilay na-tiorantsika taloha, ka hahatonga ny fahavalo hamelatra fandrika ka hahatonga antsika ho lasany babony indray.”—Ibid., pp. 336, 337.

b. Inona no faniriana tokony hameno tsy tapaka ny fon’ ny mpino tsirairay avy? Ary ahoana no hahatonga izany hampipetraka tsara antsika eo amin’ ny fototra azo antoka? Jaona 15: 4, 5, 10; Romana 6: 6, 10, 11.

“Rehefa niforona io firaisana amin’ i Kristy io, dia tsy maintsy hazonina… tsy fiendrena sendrasendra izany na firaisana tapatapaka. . . .

“Ny mitoetra ao amin’ i Kristy dia midika fandraisana mitohy ny Fana-hiny, fiainana milefitra tsy misy fepetra ho amin’ ny fanompoana Azy.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 730.

“Ny fampiasana ny sitrapo araka ny rariny, dia mety hampisy fiovana tanteraka ao amin’ ny toe-piainana. Raha manolotra ny sitraponao ho an’ i Kristy ianao, dia manolotra ny tenanao hiandany amin’ Ilay hery izay ambony noho ny hery sy ny fanapahana rehetra amin’ izao tontolo izao. Hahazo hery avy any ambony hanohana anao hiorina mafy ianao; ary noho ny fanolorana lalandava ny tenanao ho an’ Andriamanitra, dia ho hainao ny hivelona amin’ ny fiainam-baovao, dia ny fiainana miantehitra amin’ ny finoana”.Ny Tena Hasambarana, p. 57.

Page 44: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

44 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alarobia 16 Aogositra

4. MITOMBO AMIN’ NY FAHASOAVANA

a. Rehefa milefitra tanteraka eo amin’ i Kristy ombam-bavaka mba hohazavainy ny fontsika dia inona no fiovana ho hita eo amin’ ny toetra? Galatiana 5:22, 23; Salamo 119:18.

“Amin’ ny alalan’ ny fibanjinana no hahatonga ho voaova; ary arakara-karaka ny hisaintsainantsika ny fahatanterahan’ Ilay Modely masina no ha-nanantsika faniriana ho voaova sy havaozina tanteraka hifanaraka amin’ ny endriky ny fahamasinany. Amin’ ny alalan’ ny finoana ny Zanak’ Andriama-nitra no hahatongavan’ izany fanovàna eo amin’ ny toetra izany ka hahatonga ny zanaky ny tsy fanarahana ho tonga zanak’ Andriamanitra; niala avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana, ka lasa tonga manana toe-panahy sy mahay manavaka ny zavatry ny fanahy. Manilo-tsaina azy ny fahendren’ An-driamanitra ka mahita zava-mahafinaritra ao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra izy. Rehefa voaova ho amin’ ny fahamarinana ny olona dia hanomboka ny asa fanovan-toetra. Hihamitombo hatrany ny fahatakarany zavatra. Ary rehe-fa tonga zanaky ny fanarahana izy dia lasa manana ny sain’ i Kristy ka ny Sitrapon’ Andriamanitra no lasa sitrapony.”—Selected Messages, bk. 1, p. 338.

b. Nahoana no fanalahidy lehibe tokoa amin izany dingana izany ny fandinihana Baiboly sy fanahin’ ny faminaniana amin’ ny fo vonona tsara? Salamo 119:24–27.

“Tsy ireo manohitra am-pahibemaso ny ‘Fanambarana’ ihany, na ireo mikolokolo fisalasalana momba izany ihany no eo amin’ ny toerana mam-pidi-doza tsy akory. Fa ny manao antsirambina izany fahazavana izany dia mitovy amin’ ny mandà izany ihany.”—Testimonies, vol. 5, p. 680.

“Hoy ny mpanao Salamo: ‘Fanilon’ ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao’. Kanefa tsy tanteraka izany teny izany raha toa ka tsy sokafana sy tsy ianarana ilay teny”—The Review and Herald, January 4, 1881.

“Ny fibanjinana mandrakariva an’ i Jesosy amin’ ny mason’ ny finoana no hampahery antsika. Hanao ny fanambarana sarobidy indrindra Andriamanitra ho an’ ny vahoakany noana sy mangetaheta. Hahita izy fa Mpamonjy ny tenany manokana Kristy. Rehefa mivelona amin’ ny Teniny izy, dia hitany fa fanahy sy aina izany. Mamono ny toetra ara-nofo araka izao tontolo izao ny Teny, ary mizara aina vaovao ao amin’ i Kristy Jesosy. Tonga eo amin’ ny fanahy amin’ ny maha Mpananatra Azy ny Fanahy Masina. Noho ny fiasan’ ny fahasoavany manova, dia tafafindra eo amin’ ny mpianatra ny herin’ i Kristy; manjary olom-baovao izy. Maka ny toeran’ ny fankahalana ny fitiavana, ka mandray ny fitovi-zana amin’ Andriamanitra ny fo. Izany no atao hoe ‘mivelona amin’ ny Teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra’. Izany no mihinana ny mofo izay nidina avy tany an-danitra.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 412

Page 45: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 45

Alakamisy 17 Aogositra

5. MAMPITOMARATARATRA FAHAZAVANA

a. Inona no zavatra tena ilaina maika, ho an’ izao tontolo izao anaty haizina? Matio 5:14–16.

“Tombotsoa ho an’ ny fanahy tsirairay ny ho tonga fantsona velona aha-zoan’ Andriamanitra mampita ho an’ izao tontolo izao ny haren-tsarobidin’ ny fahasoavany sy ny haren’ i Kristy tsy hita lany. Tsy misy irin’ i Kristy mihoatra noho ny manana mpanompo izay maneho ny Toetrany sy vonton’ ny Fana-hiny. Tsy misy ilain’ izao tontolo izao mihoatra noho ny fitiavan’ ny Mpamonjy aseho amin’ ny alalan’ ny olombelona. Ny lanitra manontolo no miandry an-tsika ho fantsona izay hahazoany mampidina ny diloilo masina ho fifaliana sy ho fitahiana ho an’ ny fon’ olombelona. .”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 367.

b. Inona no tokony hifantohana eo amin’ ny fiainantsika? Ary inona no ho vokatr’ izany? Galatiana 2:20; Isaia 60:1–3.

“ Ny hoe miafina ao amin’ i Kristy dia midika hoe mifidy izay baikon’ i Kristy irery ihany; noho izany izay zavatra mahaliana Azy dia lasa mahaliana anao ihany koa. Ny mialoka Aminy dia midika hoe manao izay Sitrapony irery ihany. Izany no fepetra hahatonga antsika ho mpianatra, ary raha tsy mahafe-no izany fepetra izany ianao dia tsy hahita fitsaharana na oviana na oviana.’ ”—Selected Messages, bk. 1, p. 110.

“Amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina, dia fahazavana ny Tenin’ Andri-amanitra raha tonga hery manavao ao amin’ ny fiainan’ ny mpandray Azy. Avy amin’ ny fampitsiriana ao am-pon’ izy ireo ny foto-kevitry ny Teniny no ampivelaran’ ny Fanahy Masina ao amin’ ny olona ny toetra mampiavaka an’ Andriamanitra. Tokony hamirapiratra eo amin’ ireo mpanaraka Azy ny faha-zavan’ ny voninahiny, dia ny toetra amam-panahiny izany..”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 363.

Zoma 18 Aogositra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Hazavao ny toerana manahirana misy ny taranak’ olombelona,ary in-ona no azo atao amin’ izany?

2. Nahoana no tsy ampy ny firaisana amin’ i Kristy tsindraindray?3. Inona no holazainao amin’ ny olona iray diso fanantenana ny amin’

ny filazantsara?4. Inona no anjara andraikitry ny Baiboly sy ny Fanahin’ ny Faminaniana

eo amin’ ny fanamasinana antsika?5. Hazavao hoe amin’ ny fomba ahoana no hahatonga ny hery miasa

mangina avy aminao ho lasa famelombelomana ho an’ ny hafa.

Page 46: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

46 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Lesona 9 Sabata 26 Aogositra 2017

Vonona!“Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fa-

hamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo” (Hebreo 12:14).

“Mampiseho amin’ ireo manodidina antsika ve isika, amin’ ny alalan’ ny fiainana sy ny firesaka masina, fa isika dia olona miandry ny fisehoana be von-inahitr’ i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika ?”—Early Writings, p. 111.

Atolotra ho vakiana: Testimonies, vol. 5, pp. 217–228, 743–746.

Alahady 20 Aogositra

1. MIALA AMIN’ ILAY FITAKA MAHAVOA NY REHETRA

a. Inona no lainga mampidi-doza miha-mahazo laka ankehitriny izay resahan’ ireo milaza ny tenany ho mpivavaka? Ary ahoana no handavan’ ny Soratra Masina izany? Jakoba 2:14, 20–22, 24.

“Feo toy izao matetika no re eny amin’ ireo pilopitra ankehitriny: ‘Mi-noa, minoa fotsiny ihany. Manàna finoana an’ i Kristy; tsy misy na inona na inona tokony hataonao amin’ ny lalàna efa taloha be, fa matokia an’ i Kristy fotsiny ihany’. Jereo ny fahasamihafan’ izany amin’ ny tenin’ ny apostoly izay nanambara hoe ny finoana tsy misy asa dia maty.”—Faith and Works, p. 89.

“Ny faniriana hanana fivavahana moramora izay tsy mitady fiezahana, tsy mitaky fahafoizan-tena, tsy mitaky fisarahana amin’ ny hadalan’ izao tontolo izao, no nahatonga ny fampianarana momba ny finoana, ary ny finoana ihany no fampianarana mamim-bahoaka. Fa ahoana kosa hoy ny Tenin’ Andriama-nitra? . . . [Jakoba 2:14, 21, 22, 24.]

“Ny fanambaran’ ny Tenin’ Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamela-pandrika momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny fankasitrahan’ ny lanitra nefa tsy mameno ny fepetra izay hano-mezana ny famindram-po, fa fiheverana sahisahy fotsiny izany! Fa ny tena fino-ana marina dia miorina amin’ ny teny fikasana sy ireo fepetry ny Soratra Masina.

“Aoka tsy hisy hamita-tena amin’ ny finoana fa mety ho tonga masina izy kanefa minia mandika ny anankiray amin’ ny fitakian’ Andriamanitra. Ny fanahy iniana hanao fahotana iray fantatra dia mampangina ny fanambaran’ ny feon’ ny Fanahy Masina ka mampisaraka ny fanahy amin’ Andriamanitra. ‘Fa ny ota no fandikana ny lalàna’, ary, ‘izay rehetra manota (mandika ny lalàna) dia tsy nahita na nahalala Azy’ (1 Jaona 3:4, 6).”—Hery Mifanandrina, p. 486, 487

Page 47: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 47

Alatsinainy 21 Aogositra

2. MANAIKY MARINA NY DRAFI-PANAVOTANA

a. Inona no dingana voalohany tena mitondra ho amin’ ny famonje-na? Asan’ ny Apostoly 2:37, 38; Romana 5:1.

“Ary raha mibanjina ilay Zanak’ ondrin’ Andriamanitra eo ambonin’ ny hazo fijaliana any Kalvary isika dia hiantomboka hivelatra ao an-tsaintsika ny zava-miafina ny amin’ ny fanavotana, ary ny hatsaran’ Andriamanitra ma-mirapiratra eo dia hitarika antsika ho amin’ ny fibebahana. Tamin’ ny nahafa-tesany ho an’ ny mpanota no nanehoan’ i Kristy fitiavana tsy takatry ny saina. Ary ny fibanjinan’ ny mpanota izany fitiavana izany no manohina ny fony sy manaitra ny sainy ary mampibebaka azy marina amin’ ny fanahiny”—Ny Tena Hasambarana, pp. 31

“Ny fibebahana dia tsy maintsy misy fahatsiarovana mangirifiry noho ny fahotana sy fahafoizana izany. Tsy afaka hiala amin’ ny fahotana isika, raha tsy mahita ny tena maha-fahotana azy, ary raha tsy efa miala tanteraka tsara amin’ izany ao am-pontsika isika dia tsy hisy fiovana tanteraka tsara amin’ ny fiainantsika.”—Ibid., p. 26

b. Inona no fahamarinana tena sarobidy indrindra ho an’ ireo mpanara-dia an’ i Kristy? Hebreo 12:14; 1 Petera 1:13–16.

“Mifanaraka tsara amin’ Andriamanitra ny fahamasinana.”—Testimonies, vol. 5, p. 743.

“Rehefa miova ny mpanota iray ka mahita fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny ràn’ ny fanavotana, dia hanomboka ny fiainana kristiana. Amin’ izay dia ‘ho tonga amin’ ny fahatanterahana’ izy; hitombo ka hahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy ’ ”—The Great Controversy, p. 470.

“Amin’ ny alalan’ ny fahamendrehan’ i Kristy sy amin’ ny alalan’ ny Fa-hamarinany, izay isaina ho antsika amin’ ny alalan’ ny finoana, no hahatr-arantsika ilay fahatanterahan’ ny toetra kristiana. Ny asa ataontsika isan’ andro sy isan’ ora dia tokony hipetraka eo amin’ ny tenin’ ny apostoly manao hoe: ‘Mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy’(Hebreo 12:2). . . .

“Ny fampisehoana ny fitiavan’ Andriamanitra, ny famindram-pony sy ny fahatsarany, ary ny asan’ ny Fanahy Masina izay manazava sy manavao ny fon-tsika dia mametraka antsika, amin’ ny alalan’ ny finoana, eo amin’ ny firaisana akaiky amin’ i Kristy ka mahatonga antsika hanana fahitana mazava tsara ny Toetrany mba hahafahantsika mahatsinjo ny fitaka lehibe ataon’ i Satana. . . .

“Ry rahalahy sy anabavy, amin’ ny alalan’ ny fibanjinantsika Azy no haha-tonga antsika ho voaova. Amin’ ny alalan’ ny fitoerantsika eo amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sady Mpamonjy antsika sy amin’ ny alalan’ ny fibanjinantsika ny fahatanterahan’ ny Toetrany masina ary ny fangatahantsika ny fahamari-nan’ i Kristy mba hisaina ho antsika noho ny finoana no hahatonga antsika ho voaova hifanaraka amin’ izay tena Endriny tokoa.”—Testimonies, vol. 5, p. 744.

Page 48: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

48 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Talata 22 Aogositra

3. TANJONA MBOLA TSY TRATRA

a. Inona no fikasan’ Andriamanitra ho antsika mba ahafahantsika miomana hihaona amin’ ny Tompo am-pifaliana? Matio 5:48; Sal-amo 101:2.

“Raha mbola eo am-panadiovana ny fitoerana masina Kristy dia tokony handinika tsara ny fiainany ireo mpanompony ety an-tany ka hampitaha ny toetrany amin’ ny fenitry ny fahamarinana. Rehefa hitan’ izy ireo ny tsy faha-tanterahany dia tokony hitady fanampiana amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra izy ireo mba hanampy azy ireo hanana herin-tsaina matanjaka afaka hanohi-tra ny fakam-panahin’ i Satana hahatongavan’ izy ireo amin’ ny fahatantera-hana, dia ny fenitra hotratrarina. Rehefa tafakambana amin’ ny ezaka ataon’ ny maha-olona ny herin’ Andriamanitra dia azon’ izy ireo atao ny handresy ny fakam-panahy na dia toa mafy aza no fijery ka mila tsy ho zakan’ ny ma-ha-olombelona.”—Reflecting Christ, p. 296.

“Ireo fahotana raiki-tapisaka dia tsy maintsy toherina sy resena. Ireo toetra ratsy rehetra, na nolovana izany na novolena, dia tsy maintsy sarahana ka ato-kana ary ampitahaina amin’ ilay fitsipika lehiben’ ny fahamarinana; ary amin’ ny alalan’ ny fahazavana mitomarataratra avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra no tsy maintsy hanoherana fatratra sy handresena izany amin’ ny alalan’ ny herin’ i Krsity.”—Christian Education, p. 113.

b. Nahoana no tsy maintsy miady mafy hanana ny fahatanterahana amin’ ny alalan’ ny fandehanana eo amin’ ny Sitrapon’ Andria-manitra isika? 1 Korintiana 9:24, 25; Filipiana 3:12–14.

“Ny hoe mandeha eo amin’ ny mazava dia midika hoe mandray fanapah-an-kevitra, mampiasa ny fisainana, mampihatra ny herin’ ny sitrapo ho amin’ ny fikasana lalina haneho ny toetra mamin’ i Kristy. Izany dia midika ho fa-nariana ny asan’ ny maizina rehetra. Tsy tokony ho afa-po ianao ka hiteny fotsiny hoe: ‘zanak’ Andriamanitra aho’. Mibanjina an’ i Jesosy, ary miban-jina Azy hatrany ve ianao ka ho voaova hitovy Aminy? Ny hoe mandeha ao amin’ ny mazava dia midika ho mandroso ho amin’ ny fanatrarana ny tanjona ara-panahy.”—Sons and Daughters of God, p. 200.

“Na inona na inona fahadisoana sy tsy fahombiazana tamin’ ny lasa dia tokony hihoatra ambonin’ izany amin’ ny alalan’ ny fanampian’ Andriamani-tra isika.”—The Ministry of Healing, p. 516.

c. Inona no teny fikasana ho an’ ireo maniry mafy hanana ny toe-tram-pahamarinana matotra?? Efesiana 3:16; Matio 5:6.

Page 49: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 49

Alarobia 23 Aogositra

4. HERY MATOTRA ILAINTSIKA MAIKA

a. Amin’ ny fomba ahoana ihany no ahafahantsika mijoro amin’ ilay ady lehibe farany? Jeremia 15:16.

“Tsy misy na iza na iza afa-tsy ireo nanatanjaka ny sainy tamin’ ireo fa-hamarinana ao amin’ ny Baiboly ihany no hahajoro amin’ ilay ady lehibe farany.”—The Great Controversy, pp. 593, 594.

b. Ahoana no hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny sitrapon’ An-driamanitra amin’ ny fampitomboantsika ny fanolororan-tena izay mahazatra antsika? 1 Jaona 5:14; Salamo 119:129–131.

“Tsy novakiana sy tsy nankasitrahana ireo fanambarana avy amin’ An-driamanitra. Niteny taminao Andriamanitra. Efa nanelatrelatra avy ao amin’ ny Teniny sy ireo Fanambarany ny fahazavana saingy natao an-jorom-bala sy natao tsinontsinona izany. Ary ny vokany dia hita maso ny tsy fisian’ ny fa-hadiovana sy fanoloran-tena ary ny tsy fahampian’ ny finoana eo anivontsika.

“Andao samy hametraka fanontaniana ao am-pony avy manao hoe: ‘Aho-ana no nahatonga antsika ho tafalatsaka amin’ izao fahalemena ara-panahy sy fisaratsarahana izao? Tsy nitondra ny fisainan’ Andriamanitra tao anatintsika ve isika satria ny zavatra ataontsika dia tsy nifandrindra tamin’ ny finoantsika? ”—Testimonies, vol. 5, p. 217.

“Mitandrema ny amin’ ny fanaovanao tsinontsinona ny vavaka manoka-na sy ny fianarana Tenin’ Andriamanitra. Ireo anefa no fitaovam-piadiana ho entina miady amin’ ilay miezaka mafy hanakana ny dingana ataonao hidirana any an-danitra. Ny fanaovana an-tsirambina, indray mandeha monja, ny va-vaka sy fianarana Baiboly dia hitarika anao mora foana ho amin’ ny an-tsiram-bina manaraka.”—Messages to Young People, p. 96.

c. Nahoana no tena zavatra iankinan’ ny aina ny fanolorana tanter-aka ny fo sy ny fankatoavana 100% ny Sitrapon’ Andriamanitra araka izay lazainy ao amin’ ny Tsindrimandry? Jakoba 1:21–25.

“Mitarika ny olona maro i Satana hino fa odian’ Andriamanitra tsy hita ny tsy fahatokiana eo amin’ ny zava-madinidinika eo amin’ ny fiainana; nefa nasehon’ ny Tompo tamin’ ny fifandraisany tamin’ i Jakoba fa tsy hankasi-traka na handefitra amin’ ny ratsy mihitsy Izy na manao ahoana na manao ahoana. Izay rehetra miezaka hanala tsiny na hanafina ny fahotany, ka hamela ireo ho voatana ao amin’ ny bokin’ ny lanitra, tsy nekena ary tsy voavela, dia ho resin’ i Satana.”—Hery Mifanandrina, p. 646

“Miasa amin-kery lehibe ho an’ ireo vahoaka mahatoky Andriamanitra, dia vahoaka izay Mankato ny Teniny tsy misy fanontaniana na fisalasalana kely akory”—Testimonies, vol. 4, p. 164.

Page 50: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

50 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alakamisy 24 Aogositra

5. MILEFITRA HO AMIN’ NY FANAMASINANA

a. Hazavao ireo dingana hahatongavana amin’ ny fanamasinana. 1 Jaona 3:1–3; Hebreo 5:12–14; 6:1.

“Tsy mety ho tanteraka ny fankatoavana raha tsy amin’ ny alalan’ ny fa-hamarinan’ i Kristy ihany. Ny adidin’ ny kristiana dia ny hanana faharetana eo amin’ ny fandresena ny fironan’ ny sainy ho amin’ ny ratsy. . . .

“Miasa ho fanamasinana ny kristiana isan’ andro isan’ andro Andriamani-tra; kanefa tokony hiara-miasa Aminy ny mpanota, ka hiezaka am-paharetana hanana fahazarana tsara…. Vonona hihaino sy hamaly mandrakariva ny fivava-hana ataontsika ny Mpamonjy raha miloatra avy ao amin’ ny fo torotoro izany. Ampitomboany ho an’ ny zanany ny fahasoavana sy ny fiadanana. Am-pifali-ana no hizarany fitahiana aminy satria fantany fa ilainy tokoa izany mba hiadi-any amin’ ny ratsy malaky mahazo azy.”—Vavolombelona Mahery, p. 467.

b. Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny tsy tokony hanakoron-tanantsika hanohitra izany dingana izany? Efesianina 4:30.

“Ny fanoherana voalohany ny fiangavian’ ny Fanahy dia hanokatra lala-na ho amin’ ny fanoherana faharoa. Rehefa izany dia hihamafy ny fo ary hi-hamafy hatoka ny saina.

“Etsy an-kilany kosa anefa, ny fanoherana ny fakam-panahy anankiray dia hanome hery hahamora ny fanoherana ny anankiray hafa. Ny fandavan-tena kely anankiray dia hahamora ny fandavan-tena rehetra. Ny fandresena anan-kiray dia hanokatra lalana ho amin’ ny fandresena mahafinaritra iray hafa. Ny fanoherana fakam-panahy tsirairay avy, ny fandavan-tena tsirairay, ny fandresena fahotana tsirairay avy dia voa voafafy ho amin’ ny fiainana man-drakizay.”—Messages to Young People, pp. 96, 97.

Zoma 25 Aogositra

FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA

1. Inona no hevi-diso mitarika ny kristiana maro ho amin’ ny fieboeboana?2. Ahoana no ahafahako mijery raha toa ka mbola tsy tena lali-paka tsara

ny dingan’ ny fibebahako?3. Ahoana no ananako antoka fa te-hanampy ahy handresy ny fahadisoa-

ko Andriamanitra?4. Hafiriana ny fotoana laniako amin’ ny fandinihana ireo ‘Fanambarana

avy amin’ Andriamanitra’ raha oharina amin’ ireo boky na zavatra hafa?5. Hazao ny fomba ampiasain’ Andriamanitra hamporisihana antsika

hamafy voa ho amin’ ny fiainana mandrakizay.

Page 51: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

zx

FIJI

TONGA

ChristmasIsland

Hawaii

HawaiianIslands

Iles Marquises

Kauai

MauiMolokai

Oahu

Rarotonga

SAMOA

KIRIBATI

AMERICANSAMOA

SocietyIslands

TahitiTuamotu Islands

NIUE

Bougainville

Guadalcanal

Senyavin Islands

SOLOMONISLANDS

Vanua LevuVANUATU

Viti Levu

C e n t r a l

P a c i f i c

B a s i n

H a w a i i a n R i d g e

S o l o m o nS e a

P A C I F I C

O C E A N0˚

10˚N

20˚N

10˚S

20˚S

10˚N

20˚N

10˚S

20˚S

140˚W150˚W160˚W170˚W160˚E 180˚170˚E

140˚W150˚W160˚W170˚W160˚E 180˚170˚E

0-150 Ft.150-300 Ft.300-600 Ft.

600-1200 Ft.1200-1800 Ft.1800-3000 Ft.3000-4500 Ft.4500-6000 Ft.6000-7500 Ft.7500-9000 Ft.

9000-12000 Ft.12000+ Ft.

-3000 - 0 Ft.-6000 - -3000 Ft.-9000 - -6000 Ft.

-12000 - -9000 Ft.-15000 - -12000 Ft.-18000 - -15000 Ft.-21000 - -18000 Ft.-24000 - -21000 Ft.

<-24000 Ft.

500 KM

500 Miles0

0

Parallel scale at 0˚ 0˚

SOLOMONISLANDS

NEW CALEDONIA

Coral Sea

Paci f icOcean

NadiSuva

SABATA 2 SEPTAMBRA 2017

Fanatitry ny Sabata voalohany ho an’ ny Foiben’ ny Misiona any Fiji

Ny repoblikan’ i Fiji dia fitambarana nosy volkanika ao Pasifika Atsimo, eo ho eo amin’ ny 4 450km atsimo-andre-fan’ i Honolulu ary 1 770 km avaratr’ i Nouvelle Zélande. Ao anatin’ ireo nosy kely 332 ao dia saiky ny 106 amin’ izy dia misy olona mipetraka mandavan-ta-ona. I Fiji dia manana toetr’ andro mafa-na, moron-tsiraka feno fasika, zava-maniry maitso mavana, voankazo isan-karazany, legio-ma sy zava-maniry hafa maro. Eo ho eo amin’ ny 903 207 eo ho eo ny mpon-ina ao, izay olona teraka tao avokoa Fijianina (Itauki); maro isa amin’ ireny ny Melaneziana mifangaro Polineziana izay 56,8%, ireo Indo-Fidjien izay 45%, ary hafa fihaviana ny 7%. Ny teny anglisy no teny ofisialy ampiasaina ao; fa ny teny Fidjien sy Hindi no ampiasain’ ny maro. Taloha, dia nalaza tamin’ ny resaka ‘cannibalisme’ i Fiji (fihinana’ olona izany), izay fomba nampisain’ ireo mpitari-poko tamin’ izany hampisehoana ny fahamboniany. Tamin’ ny 1835 kosa no tafiditra tao ny kristianisma tamin’ ny alalan’ ny misionera mpanara-ka ny foto-kevitra Wesley. Ary ny fiparitahan’ ny filazantsara dia nampitsaha-tra tanteraka izany fomba ratsy izany, dia ny fihinanana olona sy ny filalao-vana ody. Ankehitriny, ny ankamaroan’ ny mponina ato aminay dia kristiana avokoa, Protestanta ny 45%, Hindo ny 27,9%, kristiana hafa ny 10,4%, Kato-lika ny 9,1%, Silamo ny 6,3%, ny 0,3% dia Sikh ary tsy mivavaka ny 0,8%

Tamin’ ny 1974 no tafiditra taty amin’ ny taninay ny hafatry ny fanav-aozana rehefa nisy misionera namangy sy nanao batisa olona efatra tamin’ izay. Tamin’ ny 1997 dia naverina natsangana indray ny asa ary fanahy 30 no natao batisa. Nitohy ny fivelaran’ ny asa. Na dia mahantra amin’ ny zavatra eto an-tany aza ireo mpino dia nanao fanamby hanapariaka ny filazantsara ka nahazo fanahy liana maro tany amin’ ny tany hafa sy ireo tanàn-dehibe ary ireo nosy hafa.

Tamin’ ny 2015 dia nahazo tany kely maimaim-poana izahay ka nanombo-ka nanangana fefy kely mba nahafanay nanao fanompoam-pivavahana. Noho ny fitomboanay dia tena filànay maika mihitsy ny hanana trano hanaovana fanompoam-pivavahana sy toerana kely asiana ny foiben-toerana ary hanaova-na fanontam-printy. Mivavaka mafy amin’ Andriamanitra izahay mba hikasi-hany ny fonareo ka hanomezany izay ilainay aty Fiji. Azo antoka fa ho tonga ny fitahiana rehefa manome am-pitiavana ianareo, ka ho tafatsangana ny foi-ben-toerana aty mba ho voninahitr’ Andriamanitra. ‘Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa’(Lioka 6:38). Misaotra anareo mialoha sahady izahay noho ny fahalalan-tananareo

Ny rahalahy sy anabavinareo aty amin’ ny Misiona Fiji

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 51

Page 52: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

52 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Lesona 10 Sabata 2 Septambra 2017

Miasa ho an’ny Tompo“Ary hoy Izy taminy: mandehana any amin’izao tontolo izao

hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra.” (Marka 16:15).

“Izay miandry ny Tompo dia manadio ny fanahiny amin’ ny fankatoava-na ny fahamarinana. Akambany amin’ ny fiambenana mailo ny asa amin-kaf-anam-po. Satria fantany fa eo am-baravarana ny Tompo, dia miha-matanjaka ny zotom-pony hiara-miasa amin’ ny anjelin’ ny lanitra eo amin’ ny famonje-na ny fanahy.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 681.

Atolotra ho vakiana: Testimonies, vol. 2, pp. 189–199; Testimonies., vol. 6, pp. 404–410.

Alahady 27 Aogositra

1. MPIARA-MIASA AMIN’ NY TOMPON’ NY TOMPO

a. Ho amin’ ny inona moa no nanomezana alalana tamin’ ny fomba ofisialy sy nandidiana ny mpino rehetra ho vavolombelona ho an’ ny Tompo sy Mpampianatra dia Jesosy Kristy? (na lehilahy, na vehivavy, na manambady na mpitovo, na mahantra na mpanana, na manao ahoana taonany sy fihaviany dia tafiditra amin’ izay daholo) Jaona 15:16; Galatiana 3:27, 28.

“‘Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra’(Marka 16:15). Izany no didin’ i Kristy ho an’ ny mpanaraka Azy. Tsy ho an’ ireo nantsoina ho pasitora na ireo misionera amin’ ny fiteny mahazatra ihany; fa ny rehetra dia afaka ny ho tonga mpiasa miaraka Aminy amin’ ny fanomezana ‘vaovao mahafaly’ amin’ ireo mpiara-belona ami-ny. Ho an’ ny rehetra, na lehibe na kely, na manam-pahalalana na tsia, na anti-tra na tanora, ho an’ ny rehetra no nanomezana ny baiko.”—Education, p. 264.

“Rehefa mieritreritra ireo tanàn-dehibe izay tsy nanaovantsika afa-tsy asa kely monja aho, tanàna izay misy olona an’ arivony tokony hampitandremana ny amin’ ny fihavian’ ny Mpamponjy, dia nisy faniriana lalina tato anatiko te-hahita lehilahy sy vehivavy mandeha mivoaka hiasa amin’ ny herin’ ny Fa-nahy sady feno ny Fitiavan’ i Kristy an’ ireo fanahy very.”—Evangelism, p. 69.

b. Inona no karazan’ olona tafiditra tanteraka ao anatin’ ireo ma-nana andraikitra manokana amin’ ny famaranana ity asan’ ny fi-lazantsara ity? 1 Jaona 2:14b.

Page 53: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 53

Alatsinainy 28 Aogositra

2. FANOLORAN-TENA HO AMIN’ NY HAFATRA AMIN’ IZAO TONTOLO IZAO

a. Inona no hevitra manokan’ ny hoe ‘filazantsara mandrakizay’ amin’ izao fotoana misy antsika izao? Mpitoriteny 12:13, 14; Apo-kalypsy 14:6, 7.

“Ny fanambarana ny fahatongavan’ ny fitsarana dia filazana fa efa akaiky ny fihavian’ i Kristy fanindroany. Ary io fanambarana io no atao hoe ‘fi-lazantsara mandrakizay’. Noho ny fitoriana ny fihavian’ i Kristy fanindroany sy ny filazana ny fahakekezany, dia aseho ho ampahany fototra eo amin’ ny hafatry ny filazantsara izany..”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 195.

b. Milazà toe-javatra iray mifamatotra akaiky amin’ ny hafatra ad-vantista ka manampy antsika hahatakatra misimisy kokoa izany hafatra izany ankehitriny. Romana 12:1; 1 Tesaloniana 5:23.

“Ny fanavaozana ara-pahasalamana dia sampana iray ao amin’ ilay asa lehibe natao hanomanana ny olona ho amin’ ny fihavian’ ny Tompo. Mifam-atotra akaiky amin’ ny hafatry ny anjely fahatelo tahaka ny ataon’ ny tanana amin’ ny vatana izany.”—Counsels on Health, pp. 20, 21.

“Ny filazantsara sy ny asa fitoriana amin’ ny alalan’ ny fitsaboana dia asa natao hiaraka. Ny filazantsara dia natao hifamatotra amin’ ireo fitsipiky ny fanavaozana ara-pahasalamana… Natao haneho ny fitsipiky ny fanavaozana ara-pahasalamana eo amin’ ny olona isika ka hanao izay fara-herintsika hitari-ka lehilahy sy vehivavy hahita ny ilàna ny fahalalana sy ny ny fampiharana izany fitsipika izany”—Counsels on Diet and Foods, p. 442.

c. Inona no manery ny mpino hitory ny hafatra mahafinaritry ny famonjena? 2 Korintiana 5:14, 15.

“Ny fitiavana an’ i Jesosy dia hiseho amin’ ny alalan’ ny faniriana te hiasa tahaka ny niasany ho fitahiana sy fananganana ny taranak’ olombelona. Iza-ny fitiavana izany dia hitarika antsika hitia, hikarakara, hanana fangorahana amin’ ireo voary nokarakarain’ ny Raintsika any an-danitra. . . .

“Raha vantany vao mahafantatra an’ i Kristy ny olona dia miredareda ao am-pony ny faniriana ta-hampahafantatra ny hafa, fa efa nahita sakaiza mala-la izy, dia i Jesosy; tsy azony hidina ao am-po ny fahamarinana mahatonga famonjena sy fahamasinana.”—Ny Tena Hasambarana, pp. 93.

Page 54: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

54 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Talata 29 Aogositra

3. NOBANGANA MBA HO FENOINA

a. Inona no anatra ho antsika izay miaina amin’ izao andro farany izao? 1 Tesaloniana 5:1, 2, 6–8.

“Aoka tsy ho hita fa matory isika. Aoka tsy hisy hiteny ao am-pony amin’ ny alalan’ ny asany hoe: ‘Maharitra ela ny fihavian’ ny Tompoko’. Aoka ho re amin’ ny feo feno fampitandremana fatratra ny hafatra momba ny fiverenan’ i Kristy tsy ho ela. Andao resentsika lahatra ireo lehilahy sy vehivavy na aiza na aiza misy azy mba hitsoaka amin’ ny fahatezerana ho avy. Andeha fohaz-intsika hiomana haingana izy ireo; satria fantantsika ny hakelezan’ ny fotoana eo anoloantsika. Aoka ireo pasitora sy mpitory ary ireo mambra laika rehetra handeha eny amin’ ny saha efa masaka.”—Maranatha, p. 106.

“Ny fitiavana no fototry ny fahamasinana . Na inona na inona foto-pino-ana, dia tsy misy olona afaka ny hanana fitiavana marina an’ Andriamanitra raha tsy manana fitiavana tsy mihevitra ny tena amin’ ireo rahalahiny izy. Kanefa tsy afaka ho tonga amin’ ny fananana izany toe-tsaina izany isika amin’ ny ezaka ataontsika hitia ny hafa. Ny zavatra ilaina dia ny fitiavan’ i Kristy ao am-po. Rehefa difotra ao amin’ i Kristy ny izaho, dia hisy fitiavana hiboiboika. Ho feno ny fahatanterahan’ ny toetra kristiana rehefa misy hery manosika mafy hanampy sy hitahy ny hafa miboiboika avy ao anatintsika ao.”—Christ’s Object Lessons, p. 384.

b. Inona no tokony hataonao raha toa ka tsy manana hafanam-po ho amin’ izao hafatra izao ianao kanefa fantatrao fa tokony hanao izany ianao? 1 Jaona 4: 20, 21; Apokalypsy 2:2–5; 3:18, 19.

“Mila ny hafatra ho an’ ny fiangonan’ i Laodikia isika. Efa nandao ny fitia-vanareo voalohany ianareo, ary zary misy hamafisam-po sy fangatsiahana ary tsy fitiavana eo amintsika, afa-tsy ao amin’ ireo olom-bitsy monja. Kanefa tsy hahavita na inona na inona eto amin’ izao tontolo izao izany. Mila mitady sy mamonjy ny very isika.”—Manuscript Releases, vol. 9, p. 61.

“Miverena amin’ ny fitiavana voalohany, fony mbola feno ny fitiavan’ i Kristy ny fanahinao. Angony ao am-ponao ny fankatoavana amim-pinoa-na izay miasa amin’ ny fitiavana sy manadio ny fanahy. Ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra dia manadio ny olona, manamasina ary manala ny fa-halotoana. . . .

“Tokony hisy asa fibebahana sy fanavaozana ho hita eo anivon’ ny va-hoakantsika! Tokony hianjera eo amin’ Ilay Vato izy ireo ka ho torotoro!”—The Review and Herald, February 24, 1903.

“Misy fanantenana ho an’ ireo rehetra mihaino ny fahamarinana ka mib-ebaka miala amin’ ny asa ratsin’ izy ireo.”—Manuscript Releases, vol. 11, p. 216.

Page 55: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 55

Alarobia 30 Aogositra

4. MISEHO NY VONINAHITR’ ANDRIAMANITRA

a. Inona no antso atao amintsika amin’ izao fotoana izao ary ahoana no hamaliantsika izany antso izany? Isaia 56:1–8.

“Miantso ny fiangonany eto an-tany ny Tompo ankehitriny mba hifoha amin’ ny torimaso izay nentin’ i Satana teo amin’ izy ireo ka hanatateraka ny asa izay notondroin’ ny lanitra hataon’ izy ireo dia ny hanazava izao tontolo izao. . . .

“Mitaky fanehoana an’ i Jesosy Kristy eo amin’ ireo olo-masiny izao tontolo izao ankehitriny. Fanirian’ Andriamanitra ny hijoroan’ ny vahoakany ho toy ny vahoaka masina eo anivon’ izao tontolo izao. Nahoana? Satria misy tonto-lo iray natao hovonjena amin’ ny alalan’ ny fahazavan’ ny fahamarinan’ ny filazantsara, ary ny hafatry ny fahamarinana dia ny hiantso ny olona hivoaka amin’ ny haizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga, omena amin’ ny alalan’ ny fiangonana sy ny fiainan’ ny mambra ao ary ny fanamasinan’ ny Fanahin’ ny fahamarinana, ireo rehetra ireo no natao ho tonga vavolombelon’ ny fahama-rinana amin’ ny hafatra izay toriana.”—The Review and Herald, March 31, 1910.

b. Lazalazao ny paik’ adin’ i Jesosy eo amin’ ny asa famonjem-pana-hy. Lioka 14:23; Jaona 4:27.

“Fanirian’ ny Tompo ny hahatonga ny tenim-pahasoavany hitondra ny fanahy tsirairay avy hody an-trano.

“Amin’ ny alalan’ ny asa lehibe ataon’ ny tena manokana no tsy maintsy hanatanterahana izany. Izany no paik’ ady nampiasain’ i Jesosy. Tamin’ ny alalan’ ny fifaneraserana manokana no nanaovany ny asany. Ny dinidinika mangina atao amin’ olo-tokana no tena tiany. Tamin’ny alalan’ io fanahy to-kana io matetika no niitatra tamin’ ny fanahy an’ arivony ny hafatra.”—He-noinareo ny Fanoharana, p. 196.

c. Inona no toe-tsaina ilaina amin’ ny asan’ Andriamanitra?Asan’ny Apostoly 10:38; 2Korintiana 12:15

“Ianaro ny famaritan’ i Kristy ny atao ho misionera marina: ‘Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijalia-ny ka hanaraka Ahy’(Marka 8:34). Ny hoe manaraka an’ i Kristy, araka izay lazaina eto, dia tsy resaka fihamboana na resaka vazivazy. Miantso ny mpi-anany hanaraka akaiky ny dian-tongony mihitsy Kristy, hiaritra izay niareta-ny, hijaly tahaka izay nijaliany, ary mandresy tahaka ny nandreseny. Miandry am-pitebitebena fatratra ny hisehoan’ ny toe-tsaina manao sorona ny tena eo anivon’ ireo milaza ho manaraka Azy Izy”—Testimonies, vol. 8, p. 209.

Page 56: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

56 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alakamisy 31 Aogositra

5. TOMBOTSOA GOAVANA

a. Ahoana no ahafahantsika tsirairay avy miara-miasa ho amin’ ny famonjem-panahy? Inona no tokony ho faniriantsika miredareda sy vavaka ataontsika? Romana 10:13–17; Lioka 11:13.

“Mila fahamatorana lehibe amin’ ny asan’ i Kristy isika. Ilay hafatry ny fahamarinana miezinezina dia tokony omena amin’ ny fomba feno hery mba hahatonga ireo tsy mpino ho taitra rehefa mahita ny fiasan’ Andriamanitra eo amin’ ny asa ataontsika, mba ho hitan’ izy ireo fa Ny Avo Indrindra no lohara-non’ ny herintsika.”—Evangelism, p. 697.

“Maro ireo sain’ olona efa lasa lavitry ny fahamarinana sy ny fitiavana ny Baiboly Masina noho ny famakiana boky manaitaitra hafa; ny hafa kosa dia azon’ ny fisalasalana ka lasa miahiahy ny amin’ izay hohaniny na hosotroiny na hotafiany. Ary maro no mihevitra fa mbola ho ela ny fihavian’ ny Tompo. Nandeha ny fotoana ary nihoatra ny taona vitsivitsy izay nandrasan’ izy ireo, ka alaim-panahy izy ireo hihevitra fa mbola hisy taona vitsivitsy hafa indray, ka izany no mahatonga ny sain’ izy ireo hivily hiala amin’ ny ‘fahamarinana ankehitriny’, lasa mivoaka manaraka izao tontolo izao. Tao amin’ izany toe-ja-vatra izany no nahitako zavatra mampidi-doza lehibe: satria rehefa feno za-vatra hafa ny saina, dia lasa mivoaka ny fahamarinana, ka tsy misy toerana ho an’ ny tombokasen’ Andriamanitra velona ao anatin’ ny saintsika. Hitako fa efa madiva ho tapitra ilay fotoana hitoeran’ i Jesosy ao amin’ ny fitoerana masina ary efa tena kely sisa dia ho tapitra izany fotoana izany.Ireo fotoana laniantsika amin’ ny fitadiavam-pahafinaretana dia tokony ho laniana amin’ ny fikarohana ny Soratra Masina izay hitsarana antsika amin’ ny andro farany.

“Ry anadahy sy anabaviko malala, aoka ny didin’ Andriamanitra sy ny fi-lazana an’ i Jesosy no hitoetra tsy an-kiato ao amin’ ny saintsika, ary izany no hamoaka ny fisainana sy ny fiheverana momba izao tontolo izao. Na matory na mitsangana ianao, dia aoka izany no hosainintsaininao. Miveloma sy miasà ao anatin’ ny fiheverana tanteraka fa ho avy ny Zanak’ olona. Tena fohy ny fotoana fametahana tombo-kase ary ho tapitra tsy ho ela izany.”—Early Writings, p. 58.

Zoma 1 Septambra

FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA

1. Nahoana no tsy misy fialan-tsiny azo atao amin’ ny tsy fitoriantsika ny fahamarinana amin’ ny hafa?

2. Ahoana no fahazoantsika ny hoe: ‘filazantsara mandrakizay’?3. Nahoana no ilaina ny hafatra ho an’ ny Laodikiaina raha toa ka efa tsy

lamaody intsony ny toe-tsaina mitarika ho amin’ ny fitsotokotoana?4. Inona no mahatonga izao tontolo izao hisalasala ny amin’ ny fahama-

rinan’ ny hafatra entintsika?5. Inona no zavatra azoko esorina ato an-tsaiko mba hanomezako toerana

bebe kokoa ny fahamarinana?

Page 57: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 57

Lesona 11 Sabata 9 Septambra 2017

Ny Fahendren’Andriamani-tra Mitantana ny Fotoana“Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sa-

sany ho fahaelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).

“Marina fa mbola nitohy nihoatra ny fotoana izay nandrasantsika tamin’ ny fanombohan’ izao hafatra izao ny fotoana. Tsy nipoitra tamin’ ny fotoana nan-iriantsika azy mialoha ny Mpamonjintsika. Kanefa diso ve ny Tenin’ Andriamani-tra? Sanatria ! Tokony hotsaroantsika fa ny fampanantenana sy ny fampitandrem-ana avy amin’ Andriamanitra dia samy misy fepetra.”—Evangelism, p. 695.

Atolotra ho vakiana: Messages Choisis, vol 1, pp. 217- 224. Premiers Ecrits, pp. 56–58, 69–73, 111–114.

Alahady 3 Septambra

1. NY FIANTRAN’ ANDRIAMANITRA

a. Hazavao ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ ny olona tsirairay avy noforoniny. 1 Timoty 2:3–6.

“Efa nandefitra ela Andriamanitra satria tsy tiany hisy ho very; kanefa misy fetra ny fizakany izany, ary rehefa feno ny kapoaka, dia tsy hisy famin-dram-po fanindroany intsony. Hirotsaka ny fahatezerany ary handevona Izy ka tsy hisy fanafana intsony.”—The Youth’s Instructor, March 28, 1905.

b. Fa nahoana no tsy azon’ Andriamanitra natao ny tonga dia name-la avy hatrany ny Isiraely hahazo ny tany nampanantenaina? He-breo 3:7–11.

“Tsy fanirian’ Andriamanitra ny hirenirenen’ ny vahoaka Isiraely efapolo taona tany an’ efitra. Nanome toky Izy fa hitondra azy ireo avy hatrany tany amin’ ny tany Kanana ka hametraka azy ireo any ho vahoaka masina, sala-ma ary miadana. Kanefa ireo nitoriany izany voalohany dia tsy tafiditra tany ‘noho ny tsy finoana (Hebreo 3:19).”—Evangelism, p. 696.

Page 58: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

58 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alatsinainy 4 Septambra

2. NY ANTONY MAHATONGA NY FIHEMORAN’ NY FOTOANA

a. Inona no loza mananontanona antsika ankehitriny amin’ ny maha mpino antsika? Hebreo 3:12, 13.

“Nandritra ny efapolo taona dia ny tsy finoana, ny fimonomononana ary ny fikomiana no tsy nahatafiditra ny Israely tao amin’ ny tany Kanana. Ary ny fahotana toy izany ihany koa no mampihemotra ny Israely moderna tsy hiditra ny Kananan’ ny lanitra. Tsy mbola diso na oviana na oviana mihitsy tsy akory ny teny fikasan’ Andriamanitra. Fa ny tsy finoana, ny fitiavana izao tontolo izao, ny tsy fahamasinana, ary ny disadisa eo anivon’ ireo mitonona ho vahoakan’ Andriamanitra no mitazona antsika nandritra ny taona maro eto amin’ ity tontolo feno ota sy fahoriana ity.”—Evangelism, p. 696.

b. Inona no mahatonga an’ Andriamanitra mampitarazoka ny fi-haviany? 2 Petera 3:9.

“Efa nandreraka ny alina lava feno haizina, kanefa mbola nahemotra ilay maraim-baovao, satria raha tonga ny Tompo, dia ho maro no hita fa mbola tsy vonona. Ny anton’ izao fiandrasana ela izao dia ny tsy fitiavan’ Andriamanitra ny vahoakany ho very.”—Ibid., p. 694.

“Noho ny famindram-pony amin’ izao tontolo izao, dia nahemotr’ i Jeso-sy ny fiverenany, mba ahafahan’ ireo mpanota maheno ny fampitandremana ka hahitan’ izy ireo fialofana ao Aminy mialohan’ ny hirotsahan’ ny fahatezer-an’ Andriamanitra.”—The Great Controversy, p. 458.

c. Iza ihany no afaka mampahery ao anatin’ ny haizina ara-panahy manarona ny tany? 2 Petera 3:11, 12; 1 Korintiana 15:34.

“Mitady fatratra am-pitiavana hanome fahazavana ireo mitsapatsapa ao anatin’ ny haizin’ ny fahadisoan-kevitra Andriamanitra. Nahemotra ny Fitsa-rany izao tontolo izao tsy mibebaka mba ahafahan’ ireo mpitondra hazavana mitady sy mamonjy izay very .”—The Review and Herald, March 31, 1910.

d. Ahoana no ahafahantsika manafaingana ny fihavian’ i Jesosy? 2 Korintiana 5:20; Matio 24:14.

“ Manana fahefana hanafaingana ny fihavian’ ny Tompontsika isika amin’ ny fitondrana ny filazantsara amin’ izao tontolo izao. Tsy tokony hibanjina fotsiny ny fihavian’ ny andron’ Andriamanitra isika fa tokony hanafaingana azy koa.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 680.

Page 59: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 59

Talata 5 Septambra

3. HERY MANOKANA MANAFAINGANA

a. Ahoana no hahatonga ny fitoriana filazantsara ho tonga amin’ ny fara-tampony amin’ ny andro farany? Zakaria 10:1; Joela 2:23.

“Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin’ ny faneho-ana ny herin’ Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin’ ny fiantom-bohany. Ireo faminaniana izay tanteraka tamin’ ny nirotsahan’ ny ranonorana voalohany tamin’ ny fiandohan’ ny fitoriana filazantsara dia ho tanteraka in-dray amin’ ny fiafaran’ izany amin’ ny ranonorana farany. .”—Hery Mifanan-drina, pp. 637

b. Inona no ilaina hahazoana ny ranonorana farany, dia ilay fan-drotsahana tsy misy fetra ny Fanahin’ Andriamanitra? Joela 2:17, 18; Asan’ny Apostoly 3:19, 20.

“Hitako fa tsy misy na iza na iza hahazo ny ‘famelombelomana’ raha tsy mandresy ny avonavona sy ny ahiahy, ny fitiavan-tena sy ny fitiavana izao tontolo izao ary mandresy ny fiteny sy fihetsika ratsy rehetra. Noho izany, dia tokony hanakaiky araka izay azo atao ny Tompo isika ka hitady fatratra izay ilaina rehetra hiomanana, mba hahatonga antsika ho afaka hijoro amin’ ilay ady lehibe farany. Aoka ny hotsaroan’ ny rehetra fa masina Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy izay masina ihany no ho afaka hitoetra eo anatrehany.”—Early Writings, p. 71.

“Tsy maintsy foanana ao am-po ny fahalotoana rehetra ka diovina izany mba hitoeran’ ny Fanahy. Tamin’ ny alalan’ ny fiaiken-keloka sy fialana tamin’ izany, natao tamim-bavaka mafana sy fanoloran-tena ho an’ Andriamanitra, no nahafahan’ ireo mpianatra voalohany niomana tamin’ ny firotsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny andro Pentekosta. Asa toy izany ihany, saingy avo lenta kokoa no tsy maintsy atao ankehitriny.”—Testimonies to Ministers, p. 507.

“Ny batisan’ ny Fanahy no tokony hangatahan’ ny mpiasa tsirairay avy amin’ Andriamanitra. Tokony hivory ny ekipa ka hangataka fanampiana ma-nokana, fahendrena avy an-danitra, mba hahatonga azy ireo hahalala hoe ahoana ho hanaovana drafitra sy hanatanterahana izany am-pahendrena. In-drindra indrindra, tokony hivavaka ny olona mba hanaovan’ Andriamanitra batisan’ ny Fanahy Masina ireo misionerany rehetra.

“Ny fisian’ ny Fanahy eo anivon’ ireo mpiasan’ Andriamanitra dia hanome hery ny fitoriana ny fahamarinana hihoatra noho ny voninahitra sy haja eto amin’ izao tontolo izao. Ny Fanahy Masina no manome hery sy manohana ireo fanahy miady mafy amin’ ny zava-manahirana sy ny fialan’ ireo namana ary ny fankahalan’ izao tontolo izao, ka manome azy ireo fahalalana ny amin’ ny tsy fahatanterahany sy ny fahadisoany ihany koa.”—Testimonies, vol. 8, p. 22.

Page 60: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

60 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alarobia 6 Septambra

4. MAHAFANTATRA TSARA ILAY MANERANA NY ZAVA-TRA REHETRA

a. Na dia mandroso amin’ ny fahalalana an’ Andriamanitra aza isi-ka, dia inona no zavatra tsy ampahafantariny antsika mihitsy, ary nahoana? Asan’ny Apostoly 1:6, 7.

“Tsy nasehon’ Andriamanitra antsika ny fotoana hahataperan’ izao ha-fatra izao, na ny fotoana hikatonan’ ny varavaram-pahasoavana… Aoka tsy hiezaka hitady hahafantatra izay zavatra efa notazomina ho tsiambaratelon’ ny Avo Indrindra isika.”—Selected Messages, bk. 1, p. 191.

“Tsy hafatra ho entin’ ny vahoakan’ Andriamanitra intsony ny mbola ha-metra fotoana indray. Tsy haintsika ny hahalala na hamaritra ny fotoana, na ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, na ny fiverenan’ i Kristy. . . .

“ ‘Nasehon’ ny Tompo ahy fa tsy maintsy alefa ny hafatra, ary tsy tokony hamerana fotoana izany satria tsy misy fotoana voafetra nomena intsony. Hi-tako fa misy olona sasany taitaitra foana, mitsangana amin’ ny fotoana fito-riana, ka hilaza hoe efa tena tafapetraka ny hafatry ny anjely fahatelo, ary tsy mila fotoana hanamafisana izany intsony, fa handeha amin-kery izany, ka hanao ny asany, ka ho vita ao anatin’ ny fahamarinana.’ ”—Ibid., p. 188.

b. Nahoana no tokony hahatoky ny fahendren’ Andriamanitra ny amin’ izany isika? Deot 29:29.

“Baiko avy tamin’ Andriamanitra ny nitoriana fotoana voafaritra tsara momba ny fitsarana, tamin’ ny nanomezany ny hafatra voalohany. Ny fanisa-na ireo fe-potoana ara-paminaniana izay fototr’ io hafatra io, izay nametra ny fiafaran’ ny 2300 andro amin’ ny fararanon’ ny 1844, dia mitoetra tsy azo ho-zongozonina. Ny fiezahana miverimberina hahita datin’ andro vaovao iando-hana sy iafaran’ ireo fe-potoana ara-paminaniana mbamin’ ny fisainana diso ilaina hanohanana an’ izany, dia tsy hoe mampivily ny saina hanalavitra ny fahamarinana ho amin’ izao andro izao fotsiny, fa mahatonga fanaovana zino-na mihitsy ny ezaka rehetra atao ho enti-manazava ny faminaniana. Matetika, ny famerana fotoana voafaritra mazava hiavian’ i Kristy, ka hitoriana izany hatraiza hatraiza, dia tena mifanandrify indrindra amin’ izay zava-kendren’ i Satana. Rehefa dila ny fotoana notondroina dia totofan’ ny eso sy henatra ireo izay niaro izany hevitra izany, ka dia voahoso-potaka koa ilay fihetsehana lehibe tamin’ ny taona 1843 sy 1844 momba ny fihavian’ i Kristy. Amin’ ny farany dia hanondro vanin’ andro lavitra dia lavitra mbola ho avy momba ny fihavian’ i Kristy izay mikiry amin’ izany hevi-diso izany. Amin’ izay dia ho voataona hiantehitra amin’ ny toky sandoka izy ary maro no tsy hahatsikaritra ny fitaka raha tsy efa diso aoriana loatra.”—Hery Mifanandrina, p. 471

Page 61: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 61

Alakamisy 7 Septambra

5. FANAMBARANA TSY HO ELA

a. Inona no fanambarana hotononina tsy ho ela intsony avy an-dani-tra ary inona no mahatonga izany ho tena zava-dehibe miezinezi-na tokoa ho an’ ny olona rehetra ? Apokalypsy 22:11.

“Maro ireo tsy misaina akory ny toerana tokony hisy azy mba hahatonga azy ho afaka hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra tsy misy Mpisoronabe mane-lanelana intsony amin’ ny andro fahoriana. Ireo mandray ny tombokasen’ An-driamanitra velona ka voaaro amin’ ny andro fahoriana dia tsy maintsy olona mitaratra feno ny endrik’ i Jesosy.

“Hitako fa maro no nanao an-tsirambina ny fiomanana izay tena ilaina ka nijery ny ‘andro famelombelomana’ sy ny ‘ranonorana farany’ izay hanomana azy ireo hijoro amin’ ilay andron’ ny Tompo ka hanatrika Azy. Indrisy ! Firifiry no hitako fa tsy manana fialofana mandritra ilay andro mahory! Nataon’ izy ireo an-tsirambina ny fiomanana tena ilaina, noho izany dia tsy ho afaka handray ny famelombelomana izay tsy maintsy ananan’ ny rehetra izy ireo, izany anefa no hanomana ireo rehetra hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra masina. Ireo rehetra tsy manaiky ho volavolain’ ny mpaminany ka tsy mahavita manadio ny fanahiny amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny fahamarinana rehetra, ary mihevitra fa ny toerana misy azy ireo dia tsara lavita noho ny tena izy aza, dia hianjera amin’ ny andro hirotsahan’ ny loza ary amin’ izay vao hahita fa nila fanavaozana sy famolavolana hananganana azy ireo. Kanefa amin’ izay fotoana izay dia tsy misy fotoana hanaovana izany intsony ary tsy misy Mpanelanelana hangataka ho azy ireo eo anatrehan’ ny Ray intsony. . . . [Apokalypsy 22:11]”—Early Writings, p. 71.

“Ireo miaina eto an-tany amin’ ny fotoana izay hahataperan’ ny fanel-anelanana ataon’ i Kristy ao amin’ ny fitoerana masina ambony dia hijoro eo anoloan’ Andriamanitra masina tsy misy mpanelanelana intsony. Tsy maintsy ho tsy azo kianina ny fitafian’ izy ireo, ary tsy maintsy efa voadio hiala tamin’ ny fahotana amin’ ny alalan’ ny ràn’ i Kristy ny fahotan’ izy ireo. Amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny ezaka matotra ataon’ ny tenan’ izy ireo no hahatonga azy ireo hivoaka ho mpandresy amin’ ilay ady amin’ ny ratsy.”—The Review and Herald, January 17, 1907.

Zoma 8 Septambra

FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA

1. Inona no azontsika ianarana avy amin’ ny fanemorana ny fidiran’ ny Isiraely ny tany Kanana?

2. Iza no tompon’ andraikitra voalohany mahatonga ny fanemorana ny fidirana ao amin’ ny Kananan’ ny lanitra ankehitriny?

3. Ahoana no hifandraisan’ izany toe-javatra izany amin’ ny ranonorana farany ary inona no hitranga hahatonga izany hirotsaka?

4. Hazavao ny tanjona fototra irotsahan’ ny ranonorana farany sy ny fo-toana hisian’ izany.

5. Inona no zavatra ilaiko mba hahatonga an’ Andriamanitra hahatoky ahy amin’ io ‘andro famelombelomana’ io?

Page 62: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

62 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Lesona 12 Sabata 16 Septambra 2017

Mitombo Ho amin’ny Antso Avo Lehibe

“Fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho, ary riaka amin’izay tany karankaina; eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ny terakao.” (Isaia 44:3).

“Nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny fanomezan’ ny Fanahy isika kanefa izany no fomba hahazoantsika hery? Nahoana no tsy miresaka momba izany isika? Na mivavaka ho amin’ izany na mitory momba izany? Nahoana ?”—Testimonies, vol. 8, p. 22.

Atolotra ho vakiana: Testimonies, vol. 1, pp. 179–184; Testimonies, vol. 8, pp. 14–23.

Alahady 10 Aogosira

1. FAMPODIANA INDRAY RESAHANA AMIN-KERY

a. Inona no faminaniana mitondra heviny manokana amin’ ny fio-manana hihaona amin’ ny Tompo? Malakia 4:5.

“Amin’ izao vanim-potoana misy antsika izao, mialoha kely ny fiverenan’ i Jesosy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra, dia miantso ny olona rehetra Andria-manitra mba hanomana vahoaka ho afaka hijoro amin’ ilay andro lehiben’ ny Tompo.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 4, p. 1184.

b. Ahoana no nanazavan’ i Jesosy tamin’ ny mpianatra ny fampiha-rana voalohany an’ io faminaniana io ary ahoana no ifandraisan’ izany amin’ ny asa ataontsika ankehitriny? Matio 17:11–13.

“Ireo manomana ny lalana ho amin’ ny fiverenan’ i Kristy fanindroany dia aseho ara-tandindona amin’ ny alalan’ i Elia, tahaka an’ i Jaona tonga tamin’ ny fanahin’ i Elia nanomana ny fihavian’ i Kristy voalohany. Tsy maintsy het-sehina ny resaka lehibe momba ny fanavaozana, ary tsy maintsy sokafana ny sain’ ny olona rehetra. Ny fahalalana onony amin’ ny zavatra rehetra dia mi-fandraika amin’ ny hafatra hampiviliana ny vahoakan’ Andriamanitra hiala amin’ ny sampiny sy ny fitiavan-komany ary ny rendrarendrany momba ny fitafiana sy ny zavatra hafa.”—Testimonies, vol. 3, p. 62.

Page 63: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 63

Alatsinainy 11 Septambra

2. MPAMBOATRA NY LALAN’ NY TOMPO

a. Inona no hafatra nahery vaika notorian’ i Jaona mpanao batisa ary nahoana no mifanaraka tsara amin’ izay ataontsika ankehi-triny izany? Lioka 1:16, 17; Matio 3:2, 8.

“Hitan’ i Jaona mpanao batisa fa voafitaka ny vahoakany, afa-po amin’ ny tenany ary matory ao amin’ ny fahotana. Naniry mafy ny hamoha azy ho amin’ ny fiainana masina kokoa izy. Ny hafatra izay efa nomen’ Andriama-nitra azy mba ho entiny dia natao hanaitra azy hiala amin’ ny torimasony sy hahatonga azy hanana tahotra masina noho ny faharatsiana lehibe eo aminy. Tsy maintsy asaina aloha ny tanin’ ny fo vao afaka hitady fanasitranana amin’ i Jesosy. Tsy maintsy fohazina ny olona hahita ny loza mananontanona azy avy amin’ ny ratran’ ny fahotana.

“Tsy nandefa mpitondra hafatra hanasoaso ny mpanota Andriamanitra. Tsy hafatry ny fiadanana afaka handrotsirotsy ny olona tsy nohamasininy ao anatin’ ny toky mahafaty no nalefany. Enta-mavesatra no apetrany eo amin’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny mpanao ratsy, ka manindrona ny fanahiny amin’ ny zana-tsipikan’ ny fandresen-dahatra.”—Ilay Fitiavana Mandresy, pp 91.

b. Manomeza ohatra vitsivitsy manambara fa ny hafatr’ i Elia dia na-tao hamerina amin’ ny laoniny ny fianam-pianakaviana; tafiditra ao anatin’ izany izay nolazaina mialoha tao amin’ ny asan’ i Jaona mpanao batisa. Malakia 2:13–17; 4:6.

“Fantatr’ i Jaona fa eo an-dalana hanambady ny vadin’ ny rahalahiny Heroda, kanefa mbola velona ny vadin’ io vehivavy io, ka niteny tamim-pa-hitsiana tamin’ i Heroda izy fa tsy ara-dalàna izany.”—Early Writings, p. 154.

c. Inona no mamariparitra ny ‘fanahy sy herin’ i Elia’ ary iza no mitory izany hafatra izany ankehitriny? 1 Mpanjaka 18:17, 18, 21; Apokalypsy 12:17.

“Maro no tsy sahy manameloka faharatsiana satria matahotra sao ho very ny toerany na ny fitiavan’ ny olona azy. Ary ho an’ ny hafa dia kilasiana ho isan’ ny tsy hatsaram-panahy ny fananarana fahotana. Ny mpanompon’ An-driamanitra dia tsy tokony hanafangaro na oviana na oviana mihitsy ny eritre-ritry ny tenany manokana amin’ ny fananarana izay natao omeny; fa manana andraikitra miezinezina kosa anefa izy haneho ny Tenin’ Andriamanitra tsy misy tahotra na fiangarana. Tsy maintsy miantso ny fahotana amin’ ny tena anarany tokoa izy. Ireo mandangolango fahotana na tsy miraika amin’ izany dia mamela ny anaran’ Andriamanitra halam-baraka eo anivon’ ny vahoaka-ny, noho izany dia isaina ho isan’ ny mpandika lalàna koa izy ireo, ary voaso-ratra any an-danitra toy ny mpandray anjara amin’ ilay asa ratsy.”—The Signs of the Times, April 21, 1881.

Page 64: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

64 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Talata 12 Septambra

3. ILAY ASA FARANY

a. Ahoana no azo amintinana ny antso avo maika amin’ izao fotoa-na izao? Apokalypsy 14:6–13; 18:1–4.

“Rehefa hamita ny asany eto an-tany ny Tompo, dia hasandratra indray ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fivavahana diso dia hanenika eran-tany; hitombo ny tsy fahamarinana, hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro, tsy hisy mpaha-lala ilay hazo fijaliana tany Kalvary, ary handrakotra ny vohon’ ny tany tahaka ny lamba-paty ny haizina; mety hirohotra amin-kery hanohitra ny fahamari-nana ny fihetseham-bahoaka; mety hioko handevona ny vahoakan’ Andria-manitra ireo teti-dratsy mpiverimberina, ary amin’ ny fotoana fara tampon’ ny loza no hanandratan’ ny Andriamanitr’ i Elia ny olona ho fiasana izay tsy ho azo ampanginina ny feony. Ao amin’ ny tanàn-dehibe mifanizina, ao amin’ ny toerana izay hitenenan-dratsy indrindra ny Tsitoha, no hampandrenesana ny fananarana mafy. Hiampanga am-pahasahiana ny firaisan’ ny fiangonana amin’ izao tontolo izao ny olona nirahin’ Andriamanitra. Hiangavy ny lehila-hy sy ny vehivavy hiala amin’ ny fitandremana ny andro fitsaharana nataon’ olombelona izy ireo ka hitandrina ny tena Sabata marina.”—Mpaminany sy Mpanjaka, pp. 152, 153.

b. Inona no zavatra tsy maintsy hita porofo miharihary eo amin’ ny fiteny sy ny fiainantsika? Jaona 1:29; 14:12; 2 Korintiana 4:5–7.

“Ny taratra farany avy amin’ ny fahazavan’ ny fahasoavana, ny hafatra farany mitondra famindram-po ho entina amin’ ny taranak’ olombelona, dia fanambarana ny toetra amam-panahy feno fitiavana. Tokony hampibaribary ny Voninahiny ny zanak’ Andriamanitra. Ny fiainan’ izy ireo sy ny toetra amam-panahiny dia tokony hanambara izay efa nataon’ ny fahasoavan’ An-driamanitra ho azy.

“Tokony hamirapiratra amin’ ny tenim-pahamarinana ary amin’ ny asam-pahamasinana ny Fahazavan’ Ilay Masoandron’ ny Fahamarinana.”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 365.

c. Ahoana no fomba ahavitan’ ity asan’ Andriamanitra ity? Zakaria 4:6; Isaia 28:21.

“Hiasa amin’ ny fomba hafa tsy mahazatra mihitsy ny Tompo amin’ ity asa farany ity ary amin’ ny lalana mifanohitra tanteraka amin’ ny drafitr’ olombelona mihitsy no hiasany.”—Evangelism, p. 118.

Page 65: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 65

Alarobia 13 Septambra

4. AHOANA NO FOMBA HANDRAISANA ILAY “FAMELOMBELOMANA”

a. Inona no tokony hotsaroantsika mandrakariva momba ny fanala-hidy ilaina mba handraisana amin’ ny fahafenoany ny herin’ ny ranonorana farany avy amin’ ny Fanahy Masina? Isaia 57:15.

“Hisy eo anivontsika mandrakariva ny olona izay hitady hifehy ny asan’ Andriamanitra, ka hanao didiko fehy lehibe mihitsy aza ny amin’ ny hoe izao na izatsy no hetsika tokony hatao; kanefa ny asa dia handeha eo ambany fit-arihan’ ny anjely izay miray amin’ ny hafatry ny anjely fahatelo izay natao homena izao tontolo izao. Hampiasa lalana sy fomba maro Andriamanitra, izay hampiseho fa mandray an-tanana ny familiana eo am-pelatanany mihitsy Izy.”—Evangelism, p. 118.

“Ny olona manana talenta iray dia mety ho tonga amin’ ny toerana iray izay tsy ho tratran’ ireo manana roa na dimy mihitsy. Ny lehibe sy ny kely dia samy nofidiana ho fanaka hitondra ny loharanom-piainana ho an’ ireo fanahy karakaina. Aoka ireo mpitory teny tsy hametraka ny tanany eo ambonin’ ireo mpiasa manetry tena ka hiteny hoe: ‘Toy izao no tsy maintsy fomba fiasanao na aza manao mihitsy’. Esory ny tananao ranadahy. Aoka ny tsirairay avy samy hiasa araka ny tontolo misy azy avy, miaraka amin’ izay fitaovana ananany, ka hanao izay azony atao amin’ ny fombany feno fanetren-tena. Atanjaho ho amin’ ny asa ny tanany. Tsy fotoana hampisehoana ny toetran’ ireo fariseo izao ka hifehifehezana. Avelao Andriamanitra hiasa amin’ ny alalan’ izay tiany hiasana. Tsy maintsy handeha ny hafatra .”—Testimonies, vol. 5, p. 462.

b. Nahoana no homena ny ranonorana farany? Ary nahoana isika no tokony hanana faharisihana avy amin’ ny hery nanosika ireo mpianatra voalohany? Asan’ny Apostoly 1:8; 4:33; Jeremia 30:5–7.

“Mariho fa taorian’ ny firaisan-tsaina tanterak’ ireo mpianatra, rehefa tsy nisy ady toerana ho ambony intsony teo amin’ izy ireo, vao nomena ny Fanahy. Niray hevitra tanteraka izy ireo. Najanona daholo ny fahasamihafana rehetra. . . .

“Tsy nangataka fitahiana ho an’ ny tenany manokana ireo mpianatra. No-tambesaran’ ny enta-mavesatr’ ireo fanahy hafa izy ireo. . . .

“Aoka samy hamela ny fisaratsarahana rehetra ny kristiana ka hanolotra ny tenany ho an’ Andriamanitra mba ho famonjena izay very. Aoka hangataka amim-pinoana ny teny fikasana izy ireo dia ho avy izany.”—Ibid., vol. 8, pp. 20, 21.

“Rehefa hivadika ho antso avo lehibe ny hafatry ny anjely fahatelo ka hisy hery sy voninahitra lehibe hiaraka amin’ ny famaranana ny asa, dia handray anjara amin’ izany voninahitra izany ny vahoakan’ Andriamanitra. Izany ra-nonorana farany izany no hamelombelona sy hanatanjaka azy ireo ho afaka handalo amin’ ilay fotoam-pahoriana lehibe.”—Ibid., vol. 1, p. 353.

Page 66: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

66 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alakamisy 14 Septambra

5. MAHAFINARITRA LOATRA!

a. Inona no tombotsoa eo anoloantsika manomboka izao? Titosy 2:13; 2 Korintiana 6:1, 2.

“Ry anadahy sy rahavaviko, apetrao ny drafitrao; araraoty ny fotoana rehetra ahafahanao miresaka amin’ ny mpiray vodirindrina aminao na mpi-ara-miasa aminao, na mamakia zavatra ho azy ireo avy ao amin’ ny boky misy fahamarinana. Ampisehoy fa zava-dehibe voalohany aminao ny famonjena ny fanahy izay nanaovan’ ny Tompo sorona lehibe tokoa.

“Rehefa miasa hamonjy ireo fanahy very ianao dia manana anjely miara-ka aminao. Arivoarivo sy alinalina ny anjely miandry fiaraha-miasa amin’ ny mambry ny fiangonantsika amin’ ny fampitana ny fahazavana nomen’ An-driamanitra mba hahatonga ny olona ho voaomana ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo.”—Testimonies, vol. 9, p. 129.

b. Lazalazao ny zava-mahagaga hiseho rehefa harotsaka amin’ ny fahafenoany tsy misy fetra ny Fanahy Masina. Zakaria 8:23; Isaia 44:3, 4; 61:11.

“Efa nafafy ireo voa, ary ankehitriny dia hitsimoka sy hitondra vokatra iza-ny. Ireo boky aman-gazety nozarain’ ireo misionera dia efa nanao ny asany, eny, maro ireo nitolagaga ka ho tonga amin’ ny fahatakarana tsara ny fahamarinana na ho amin’ ny fankatoavana mihitsy aza. Tafatsofoka any amin’ ny toerana rehetra ankehitriny ny tara-pahazavana, ho hita amin’ ny fahazavany tokoa ny fahamarinana, ary ireo zanak’ Andriamanitra tso-po dia handrodana ny fefy izay nihazona azy ireo. Tsy hahatana azy ireo intsony ny rohim-pihavanana, na ny fifandraisana ao am-piangonana. Ho hita fa sarobidy lavitra noho ny zavatra hafa rehetra ny fahamarinana.”—The Great Controversy, p. 612.

Zoma 15 Septambra

FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA

1. Inona no itovian’ ny asantsika sy ny an’ i Elia ary Jaona mpanao bati-sa?

2. Ahoana no ifandraisan’ ilay famerenana amin’ ny laoniny, izay ilaina ankehitriny, amin’ ny didy folo?

3. Fintimpintino ny toetra takiana ho an’ ireo handray ny ranonorana farany.

4. Inona no toerana mampidi-doza mety hisy ahy ka tsy handraisako iza-ny tombotsoa lehibe izany?

5. Nahoana no tena hahafinaritra tsy takatry ny saina mihitsy ny hahita izany ranonorana farany izany?

Page 67: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 67

Lesona 13 Sabata 23 Septambra 2017

Mamantonalina Ho amin’ny Maraim-baovao

“Avy Andriamanintsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.” (Salamo 50:3).

“Mitaingina sovaly toy ny mpandresy i Jesosy. Tsy ‘Lehilahy ory’, misotro ny kapoaka mangidin’ ny henatra sy ny latsa ankehitriny, fa tonga amin’ ny maha-mpandresy any an-danitra sy ety an-tany Azy…Tsy hain’ ny penina tan-taraina izany fisehoan-javatra izany; tsy misy sain’ olombelona mahatakatra ny famirapiratany.”—Hery Mifanandrina, p. 667.

Atolotra ho vakiana: Hery Mifanandrina, pp. 644–649; 664–678.

Alahady 17 Septambra

1. EO AM-PIANDRASANA NY FOTOANA FARANY . . .

a. Hazavao ny draftr’ i Kristy ho antsika izay mifanohitra amin’ ny an’ i Satana. Lioka 22:31;Jaona 9:4

“Fantatr’ i Satana tsara fa ny fahombiazany dia miankina amin’ ny fahai-zany mampivily ny fisainana tsy ho amin’ i Jesosy sy ny Fahamarinany.

“Ireo izay handray anjara tombotsoa avy amin’ ny fanelanelanana ata-on’ny Mpamonjy dia tsy tokony hamela na inona na inona hanembatsemba-na ny adidiny hanatratra ny fahamasinana feno amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra.”—Hery Mifanandrina, p. 504.

“Ny hafanam-po noho ny fitiavana an’ Andriamanitra dia nanetsika ny mpianatra ho tonga vavolombelon’ ny fahamarinana tamin-kery lehibe. Tsy tokony handrehitra ny fontsika hanana fanapaha-kevitra hitantara ny amin’ilay fitiavana mamonjy, dia Jesosy Kristy, izay nohombohana ve izany hafanam-po izany? Tsy ho avy ve ny Fanahy Masina ankehitriny raha angatah-antsika fatratra amin’ ny vavaka mafana ka hameno hery antsika ho amin’ ny asany?”—Testimonies, vol. 8, p. 22.

“Ny hery rehetra nomena antsika avy any an-danitra dia natao ampiasaina amin’ ny fanaovana ny asa nankinin’ ny Tompo tamintsika mba hamonjena ireo very noho ny tsy fahalalany. Tokony hampanenoana hatraiza hatraiza eto amin’ izao tontolo izao ilay hafatra fampitandremana. Tsy tokony hangatak’ andro. Tokony toriana any amin’ ireo toerana maizina indrindra eto an-tany ny fahamarinana. Tsy maintsy resena ny sakana rehetra. Misy asa lehibe tsy maintsy atao ary nankinina tamintsika izay mahalala ny fahamarinana amin’ izao fotoana izao izany asa izany.”—The Review and Herald, November 23, 1905.

Page 68: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

68 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alatsinainy 18 Septambra

2. HIHAMAHAZO LAKA ILAY HERY . . .

a. Inona no tokony ho azontsika momba ireo hery telo izay mikasa ny hampidaraboka tanteraka ny lalàn’ Andriamanitra? Apokalyp-sy 16:13, 14; 1 Tesaloniana 5:3, 4.

“Rehefa hihitatra any amin’ ny toerana hafa ilay fifanandrinana ary voaant-so ho amin’ ny fanitsakitsahana ny didin’ Andriamanitra ny sain’ olombelona, dia hitsangana i Satana. Hahalasa adala fotsiny an’ ireo mpanohitra azy ny hery nampombaina ilay hafatra. Hanao ezaka mihoatra noho izay vitan’ olombelona mihitsy aza ireo mpitari-pivavahana mba hanakonana ilay fahazavana kanefa vao maika mamirapiratra eo amin’ ireo andian’ ondriny izany. Amin’ ny alalan’ ny fahafaha-manao rehetra eo am-pelatanany dia hisisika mafy hanampina ny adihevitra rehetra momba io resaka iankinan’ ny aina io izy ireo. Hiantso fano-hanana avy amin’ ny fanjakana ny fiangonana, ka , hiara-hiasa amin’ izany ny mpomba an’ i Papa sy ny Protestanta.”—Maranatha, p. 172.

“Amin’ ny alalan’ ny fahadisoan-kevitra anankiroa, dia ny tsy fahatesan’ ny fanahy sy ny fahamasinan’ ny Alahady no hamitahan’ i Satana ny olona. Raha mbola teo am-pametrahana ny resaka filalaovana angatra ireo taloha, ireo tato afara kosa namboly fifamatorana tamin’ i Roma. Ireo protestanta any Etazonia dia ho maro an’ isa no hanolotra ny tanany handray ny tanan’ ny Spiritisma (filalaovana angatra) ; ho tonga amin’ ny fara-tampony izany fifandraisan-ta-nana amin’ ny herin’ i Roma izany; ary eo ambany hery miasa manginan’ ireo firaisana telo sosona ireo dia hanaraka ny dingana nataon’ i Roma io firenana io ka hanitsakitsaka ny zo momba ny feon’ ny fieritreretana. . . .

“Ireo Papista, Protestanta ary ny Fanatontoloana dia hiaraka hanaiky ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra tsy misy hery ary ny fitamba-ran’ ireo hery ireo dia hampisy fihetsehana goavana ho amin’ ny fiovan’ izao tontolo izao ka hanokatra lalana ho amin’ ilay arivo taona niandrasana hatry ny ela.”—Ibid., p. 190.

b. Inona no fanirian’ ny mpanao Salamo efa tokony hanakoako ankehitriny? Salamo 119:126.

“Ny vanim-potoana misy antsika izao dia voamariky ny fitotonganana mahatsiravina tokoa. Efa nariana avokoa ireo fitakiana ara-pivavahana rehetra ary nolavin’ ny olona ny didin’ Andriamanitra satria heveriny fa tsy mendrika ny fiheveran’ izy ireo. . . .

“Efa nihoatra ny fefy ankehitriny ny olona ka navelan’ ny Tompo ho eo ambany fahefan’ ny ratsy mba hanao ny sitrapony…Ho heno manerana ny nosy rehetra sy eny ambonin’ ny rano rehetra ny dian-tongotry ny Tompo… Ho an’ ny voninahitry ny Tenany, dia efa kely sisa dia hamaly ny faharatsiana Andriamanitra. Tsy ho ela, eny tsy ho ela intsony dia hanamarina ny Lalàny Andriamanitra.”—The Review and Herald, November 23, 1905.

Page 69: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 69

Talata 19 Septambra

3. NY FIAFARANY

a. Manomeza fampitandremana iray nomen’ i Kristy izay mampia-vaka izao vanim-potoana misy antsika izao ny fampiharana azy- izany dia famantarana farany fa vita ny iraka nampanaovina? Apokalypsy 3:11.

“Tsy fotoana tokony hametrahan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny fitiava-ny na ny hareny eto amin’ izao tontolo izao intsony izao. Tsy ho ela intsony, tahaka ireo mpianatra voalohany, dia ho voatery hitady fonenana any amin’ ny tany efitra sy mitoka-monina any isika. Raha ny fihodidinan’ ny miaramila romanna ny foibe tao Jerosalema no famantarana tokony hitsoahan’ ny kristi-ana tao Joda, dia ny fampisehoan-kerin’ ny firenentsika (Amerika) amin’ ny fa-moahana didy manery hitandrina ny sabata papaly kosa no fampitandremana ho antsika. Amin’ izay no fotoana tokony handaozantsika ireo tanan-dehibe ka hiomanantsika hivelona any amin’ ny toerana mitokana any an-tendrom-bohitra. Koa, ankehitriny, raha misy fandaniana tiantsika hatao hanorenana eto, andao hanomanantsika ny fifindrana any amin’ ilay ambanivohitra tsara kokoa, eny, dia ny any an-danitra aza. Raha misy vola laniantsika amin’ ny fanomezana fahafaham-po ny tena, dia tokony hianatra hitsitsy isika. Ny tal-enta tsirairay avy noraisina avy amin’ Andriamanitra dia tokony hampiasaina amin’ ny fanomezam-boninahitra Azy amin’ ny fampitandremana izao tonto-lo izao. Manana asa atao miaraka amin’ ireo mpiara-miasa aminy any amin’ ny tanàn-dehibe Andriamanitra. Mila tohanana ny asantsika; ary mila manokatra sahan’ asa vaovao isika. Mba hahafahantsika mitondra amim-pahombiazana ity asa ity dia mila fandaniana betsaka isika. Mila trano fivavahana, mba aha-fahana manasa ireo olona hihaino ny fahamarinana ho amin’ izao vanim-po-toana izao. Noho izany antony izany no nahatonga an’ Andriamanitra name-traka ny fananany amin’ ny mpitantana ny fananany. Aoka ny tranonao tsy hampanofaina ireo orinasan’ izao tontolo izao mba tsy ho voasakana ny asa. Miasa hahazo tombony na aiza na aiza ahafahanao manao izany mba ho fam-pandrosoana ny asan’ Andriamanitra. Alefaso mialoha anao any an-danitra ny harenao”—Testimonies, vol. 5, pp. 464, 465.

b. Eo anivon’ ireo loza mananontanona, dia aiza no tian’ Andriama-nitra hifantohantsika? Isaia 26:3, 4.

“Mieritrereta an’ i Jesosy. Ao amin’ ny Fitoerany Masina Izy, tsy hoe Izy irery no ao, fa hodidin’ ireo anjelin’ ny lanitra an’ arivorivony izay miandry ny baikony. Ary mandidy azy ireo Izy mba handeha sy hiasa ho an’ ireo olo-ma-sina malemy indrindra izay mametraka ny fitokisany amin’ Andriamanitra. Na olona ambony na ambany, na mahantra na mpanana dia samy mahazo ny fanampiana tandrify azy avy.”—The Faith I Live By, p. 205.

Page 70: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

70 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alarobia 20 Septambra

4. MIHAZONA IZAY IFANTOHANTSIKA

a. Hazavao ny zavatra hitranga farany, ary manao ahoana, araka ny nolazain’ i apostoly Petera, no tokony hiomanantsika isan’ andro ho amin’ izany. Apokalypsy 13:11, 15–17; Asan’ ny Apostoly 5:29.

“Ho avy ny fotoana izay tsy hoe handrara ny fiasana amin’ ny Alahady fotsiny ny olona fa hiezaka hanery ny olona hiasa Sabata ihany koa izy ireo, sy manisy Sonia ny fitandremana ny Alahady raha tsy izany dia ho very ny faha-fahana sy ny fiainan’ izy ireo.”—The Review and Herald, April 6, 1911.

b. Inona no teny fikasana mahafinaritra omen’ Ilay Ray mpikaraka-ra antsika amin’ izany fotoana fisedrana izany? Salamo 31:19, 20; 91:5–7; Isaia 26:20, 21.

“[Isaia 26:20.] Aiza no efi-trano hiafenan’ ireo vahoakan’ Andriamanitra? Harovan’ ny anjely masina sy Kristy izy ireo. Tsy ho ao amin’ ny toerana iray avokoa tsy akory ireo vahoakan’ Andriamanitra amin’ io fotoana io. Fa han-ao andiany samihafa izy ireo ary hiparitaka amin’ ny toerana samy hafa eto an-tany

“Hitako ireo olo-masina nandao ireo tanàn-dehibe sy tanàna kely ka nikambana ho andiany ary nipetraka tany amin’ ny toerana mitoka-monina indrindra. Anjely no nanome sakafo sy rano azy ireo raha mbola eo am-pijali-ana noho ny hetaheta sy hanoanana ireo ratsy fanahy.

“Nandritra ny alina dia nisy toe-javatra nanaitra tokoa nandalo teo ana-trehako. Toa nisy korontana lehibe sy fifanandrinan’ ireo tafika. Ary nisy mpitondra hafatry ny Tompo nijoro teo anilako nanao hoe: ‘Antsoy izay ato an-tranonao. Fa hitarika anao aho; araho aho;’. Nitarika ahy hidina ao amin’ ny lalana mikizo iray izy, niditra tao anaty ala, avy eo teo an-tsefatsefaky ny tendrombohitra, ary hoy izy: ‘ho voaaro ianao ato’. Nisy hafa ihany koa nen-tina tao amin’ io toerana mihataka io. Dia hoy ny ilay iraky ny lanitra;: ‘Ton-ga tahaka ny mpangalatra amin’ ny alina ny androm-pahoriana, araka izay nampitandreman’ ny Tompo anareo fa ho avy.’

“Amin’ ny androm-pahoriana, mialoha kelin’ ny fiverenan’ i Kristy, dia ho voatahiry noho ny asan’ ireo anjely ireo ny olo-marina, kanefa tsy hisy fiarovana ho an’ ireo mpandika ny lalàn’ Andriamanitra. Tsy afaka miaro ireo manao an-tsirambina ny didy masina ireo anjely.

“Amin’ ny fotoana hikatonan’ ny tantaran’ ny tany dia hiasa amin-kery tokoa ho an’ ireo nijoro mafy tamin’ ny fahamarinana ny Tompo.”—Marana-tha, p. 270.

Page 71: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 71

Alakamisy 21 Septambra

5. FANAFAHANA BE VONINAHITRA!

a. Fisainana manao ahoana no tokony hanatanjahantsika ny saintsi-ka manomboka izao? Marka 8:38; Apokalypsy 22:7, 12.

“Niandry tamim-pitaintainana ny fiavian’ ny Tompo isika. Mila mameta-ka ny fitaovam-piadiana isika. Tsy maintsy maneho ny dikan’ ny hoe kristiana amin’ ny zavatra rehetra isika. Ilaintsika ny mifandray tsy tapaka amin’ Andri-amanitra Mpamonjy antsika ka mialoka ao Aminy.

“Tsy nampanantena antsika Kristy fa ho mora foana ny mandray ny fa-hatanterahan-toetra takiana. Ho menatra sy ho ketraka ve isika noho ny fise-drana hosedraintsika izay efa resahana amintsika mialoha? Tsy hisedra izany sy tsy amin-karerahana sy tsy amim-pimonomononana ve isika?”—Manuscript Releases, vol. 10, p. 167.

b. Inona no hitranga rehefa hiverina Jesosy? Salamo 50:3–6; 1 Tesalo-niana 4:16–18.

“Tsy ela dia hiseho ilay rahona fotsy lehibe. Ary mipetraka eo ny Zanak’ olona. . . .

“Tsy misy teny afaka hamariparitana ny voninahitry ny zavatra mitranga. Miha-manakaiky ilay rahona feno fiandrianana sy ihoaran’ ny voninahitra, ary azontsika natao ny nibanjina Ilay Jesosy feno fitiavana. Tsy misatroka tsilo Izy amin’ izay fa misatroka satro-boninahitra. . . .

“Tamin’ ny andaniny roa amin’ ilay kalesy rahona dia nisy helatra, ary teo ambaniny dia nisy kodiarana velona; ary arakaraky ny hiakaran’ ilay kalesy rahona, no niantsoantsoan’ ireo kodiarana hoe: ‘ Masina ! , ary ireo helatra, rehefa mihetsika, dia miantso hoe: ‘Masina!’, ireo andian’ anjely masina man-odidina ilay rahona ihany koa dia nanao hoe :’ Masina ! Masina ! Masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha. Ary ireo olo-masina tao amin’ ny rahona ihany koa dia manao hoe: Voninahitra! Haleloia! Ary dia niakatra ho any amin’ ny tanàna masina ilay kalesy.”—Spiritual Gifts, vol. 1, pp. 206, 208.

Zoma 22 Septambra

FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA

1. Ankehitriny, satria sahirana daholo ny tsirairay avy, inona no fandrika velarin’ ilay fahavalo?

2. Hazavao ilay firaisana telososona ao amin’ ny Apokalypsy 16 sy ny hery mamitaka hataony.

3. Efa nanomboka tamin’ ny 1880 no niresahana momba ilay fipetrahana any ambanivohitra, kanefa rahoviana no tena tsy azo ihodivirana int-sony izany ho fiarovana ireo mpino?

4. Hijanona fotsiny eo amin’ ny fitsaharana amin’ ny Alahady ve ilay fisedrana? Hazavao .

5. Inona no tokony ataontsika ao an-tsaina mandrakariva eo am-pi-andrasana ny fiverenan’ i Jesosy?

Page 72: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

72 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Lesona 14 Sabata 30 Septambra 2017

Ny Vokatra Farany“Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ny maso ary

tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao ampon’ny olona, na inona inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.” (1 Ko-rintianina 2:9).

“Alao sary an’ eritreritra ny fonenan’ ny voavonjy ary tsarovy fa ho be voninahitra lavitra noho izay azon’ ny eritreritrao saintsainina izany .”—Ny Tena Hasambarana, p. 102.

Atolotra ho vakiana: Hery Mifanandrina, pp. 684–706. Education, pp. 301–309.

Alahady 24 Septambra

1. NY ANJARAN’ ILAY PLANETA LAVO

a. Inona no hitranga amin’ ny planeta Tany rehefa hiverina ny Mpamorona azy? Isaia 24:1, 3, 5, 6; Jeremia 4:23–26.

“Amin’ ny fihavian’ ny Kristy dia ho ringana tsy ho eto an-tany avokoa ny ratsy fanahy – ho levon’ ny “fofon’ ain’ ny vavany ary ho foanany amin’ ny fisehoan’ny fihaviany”. Entin’ i Kristy ho any amin’ ny tanànan’ Andriamani-tra ny olony ka foana tsy misy mponina ny tany . . .

“Tahaka ny efitra lao ny tany manontolo. Miely patrana manerana ny vohon’ ny tany vakivakin ‘ny tanàn-dehibe sy ny vohitra ravan’ ny horo-horon-tany, hazo voaongotra, vatolampy montsamontsana atsipin’ ny rano-masina na voaendaka avy amin’ ny tany. .”—Hery Mifanandrina, p.683.

b. Inona no hitranga amin’ ilay nanimba ny planeta Tany? Apoka-lypsy 20:1, 2.

“[Jeremia 4:23–26.] Eto no fonenan’ i Satana miaraka amin’ ireo anjely ratsy mandritra ny arivo taona..”—Ibid., p. 685.

Page 73: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 73

Alatsinainy 25 Septambra

2. NY ARIVO TAONA

a. Hazavao ny hevitry ny hoe hofatorana mandritra ny arivo taona Satana. Apokalypsy 20:3.

“Voafetra ho eto an-tany ihany no azony aleha ka tsy afaka ho any amin’ izao tontolo izao hafa haka fanahy sy hanelingelina ireo tsy lavo na oviana na oviana izy. Izany no mahavoafatotra azy; tsy misy olona na iray aza tafajanona izay ahazoany mampiasa ny heriny. Tsy afaka manohy mihitsy ny asa famitah-ana sy fandringanana izay hany nahitany fahafinaretana nandritra ireo taonja-to marobe nifandimby izy. . . .

“Na dia ny ratsy fanahy aza izao dia tsy ananan’ i Satana hery, ka izy irery miaraka amin’ ny anjeliny ratsy no sisa mahatsapa ny vokatry ny ozona nen-tin’ ny fahotana. . .

“Mandritra ny arivo taona i Satana dia hirenireny eto amin’ ny Tany foana ka hijery ny vokatry ny fikomiany tamin’ ny lalàn’ Andriamanitra. Mandri-tra io fotoana io dia ho mafy indrindra ny fahoriany.”—Hery Mifanandrina, pp.685,686

b. Inona no asa hataon’ ireo olom-boavonjy rehetra nadritra ny ta-ranaka nifandimby rehefa hakarina hitsena ny Tompo eny amin’ ny habakabaka izy ireo ka ho tonga any an-danitra? Apokalypsy 20:4, 6; 1 Korintiana 6:2, 3.

“Miaraka amin’ i Kristy izy mitsara ny ratsy fanahy, ka hampitaha ny asa nataony amin’ ny bokin’ ny fitsipika, dia ny Baiboly, ary nanao fanapah-an-kevitra momba ny tsirairay, araka ny zavatra nataon’ ny tenany avy. .

“Satana sy ny anjeliny koa dia tsarain’ i Kristy sy ny vahoakany.”—Ibid., p. 687.

c. Toerana aiza eto an-tany no hidinan’ i Kristy sy Jerosalema Vaovao avy any an-danitra rehefa tapitra ny arivo taona? Zakaria 14:4, 9; Apokalypsy 21:1, 2.

“Rehefa midina avy any an-danitra Jerosalema Vaovao izay sady kanto no mamirapiratra, dia hipetraka eo amin’ ny toerana efa nodiovina sady voaoma-na handray azy, ka hiditra ao amin’ ny Tanàna Masina i Kristy miaraka amin’ ny vahoakany sy ny anjeliny..”—Ibid., p. 690.

d. Inona no ho fihetsiky ny olona hitsangana aorian’ ny arivo taona? Apokalypsy 20:5a, 7, 8.

Page 74: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

74 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Talata 26 Septambra

3. FITAKA MITARIKA HO AMIN’ NY FANDRAVANA

a. Hazavao ny fitaka farany hataon’ i Satana sy ny ho vokatr’ izany. Apokalypsy 20:9–15; Malakia 4:1.

“Rehefa mitsangana amin’ ny maty ny ratsy fanahy ka hitany ireo va-hoaka maro be miandany aminy, dia velona indray ny fanantenana, ka ta-pa-kevitra izy fa tsy hitsoaka amin’ ity ady goavana ity. Halahany eo ambany fanevany ny tafiky ny olom-bery rehetra ka amin’ ny alalan’ ireo no hilofosany hanatanteraka ny tetik’ ady novolavolaina. Babon’ i Satana ny ratsy fanahy. Nanaiky ny hotarihin’ ilay lehiben’ ny mpikomy izy ireo tamin’ ny nandava-ny an’ i Kristy. Vonona ny handray ny soso-kevitra avy aminy sy hankato ny baikony izy. Toy ny efa fanaony, hatrany am-boalohany anefa, dia tsy mise-ho mivantana ho i Satana ilay fahavalo. Mihambo ho andriana tompon’ izao tontolo izao araka ny hitsiny izy, ary tsy an-drariny no nakana an-keriny ny fananany taminy. Miseho ho toy ny mpanavotra izy amin’ ireo mpanompony voafitaka, ary manome toky azy izy fa ny heriny no namoaka azy ireo avy ao am-pasana, ary efa madiva hamonjy azy avy eo am-pelatanan’ ny fitondrana tsy refesi-mandidy lehibe indrindra izy. Satria niala ny fanatrehan’ i Kristy, dia manao fahagagana i Satana hanohanany ny fihamboany. Mampahatanjaka ny malemy izy ary mahatonga ny rehetra hanana ny toe-tsainy sy ny herim-pony. Manolo-tena hitarika azy hiady amin’ ny tobin’ ny olona masina izy sy haka an-keriny ny tanànan’ Andriamanitra.. . . .

“Mandroso am-pilaminana toy ny famindran’ ny miaramila ireo laharana mifanizina mamakivaky ny tany mitriatriatra sy mikitaontaona, manatona ny tanànan’ Andriamanitra. Noho ny baikon’ i Jesosy dia hakatona ny vavahadin’ i Jerosalema Vaovao, ary dia manodidina ny tanàna ireo tafik’ i Satana, vo-non-kirohotra hamely azy.”—Hery MIfanandrina, pp. 690, 691.

“Hisy afo milatsaka avy an-danitra avy amin’ Andriamanitra. Hivava ny tany. Holoarana avy ao hivoaka ireo fiadiana mangotanatana rehetra. Na dia ny vatolampy aza hirehitra. . . . .

“Mandray ny valin’ asany eto an-tany ny ratsy fanahy… misy ho levona haingana, misy kosa izay hijaly mandritra ny andro maro. Samy hofaizina ‘ara-ka ny asany’ avy izy. Efa nafindra tamin’ i Satana ny fahotan’ ny tsara fanahy ka tsy hijaly noho ny fikomiana nataon’ ny tenany fotsiny izy, fa noho ny fahotana rehetra nampanaoviny ny vahoakan’ Andriamanitra koa. Ny famai-zana hihatra aminy dia ho mafy lavitra noho ny an’ ny olona nofitahiny. Ao-rian’ ny hahafatesan’ izay rehetra lavo noho ny fitaka nataony, dia mbola ho velona sy hijaly izy. Amin’ ny farany dia ho levon’ ny afo mpanadio ny ratsy fanahy, ‘na ny fakany na ny sampany’. Satana no fakany, ary ireo mpanaraka azy no sampana. Nampiharina ny famaizana feno noho ny fandikan-dalàna: afa-po ny fitakian’ ny fahamarinana; ary eo am-pibanjinana izany ny tany sy ny lanitra, dia manambara fa marina Jehovah”— Hery MIfanandrina, pp. 699.

Page 75: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 75

Alarobia 27 Septambra

4. TEHIRIZINA MANDRITRA NY MANDRAKIZAY

a. Amin’ ny fomba ahoana no hiarovan’ i Kristy ny olo-marina amin’ ilay afo tsy hay vonoina? Salamo 84:11.

“Raha mbola eo am-pandravana ny tany ny afo fandevonana dia voaaro tsara ao amin’ ilay Tanàna Masina kosa ireo olo-marina.”—The Great Contro-versy, p. 673.

b. Inona no zavatra hitranga aorian’ ny fanadiovana ny tany? Apo-kalypsy 21:1.

“Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan’ ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin’ ny fahotana.”— Hery MIfanandrina, pp. 700.

c. Ho antsika ankehitriny, izay mbola miaina ao anatin’ ny planeta feno fahoriana sy olana, aiza no tokony hifantohantsika mba ha-nanantsika fonenana mandrakizay? 2 Petera 3:13; 1 Korintiana 2:9.

“Tsy misy teny manandratra indrindra azo hamariparitana ny voninahitry ny lanitra na hanehoana ny halalin’ ny fitiavana tsy manam-petran’ i Jeso-sy.”—Early Writings, p. 289.

“Ny tahotra sao ho lasa resaka ara-nofo fotsiny ny fonenana mandrakizain’ ireo olo-masina no nahatonga ny maro hihevitra izany ho ara-panahy ka nampiala tanteraka ny fahamarinana izay mitarika antsika hibanjina ilay tany vaovao ho toy ny fonenantsika. Nanome toky ireo mpianany Kristy fa han-deha hamboatra trano ho azy ireo. Ireo manaiky marina ny fampianaran’ ny Tenin’ Andriamanitra dia tsy diso hevitra ny amin’ ny fonenana any an-dani-tra.”—The Story of Redemption, p. 430.

c. Manao ahoana ny filazana mahafinaritra nomen’ i Jaona antsika momba ilay tany vaovao? Apokalypsy 21:3, 4; 22:1–5.

“Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin’ ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an’ ny navotan’ i Jehovah. Ary ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr” Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin’ ireo lohasaha mandry fahizay ireo, eny amoron’ ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan’ Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy. .”— Hery MIfanandrina, pp. 701.

Page 76: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

76 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Alakamisy 28 Septambra

5. FIFALIANA MANDRAKIZAY

a. Inona no fepetran’ ny fanavaozana indray ao amin’ ny tany vaovao? Isaia 35:5–10; 65:25. Manao ahoana no toetoetry ny fiain-an’ ny lanitra?

“Nahita saha misy ahitra avo dia avo aho, ary tena tsara endrika tokoa; maitso mavana izy ireo, ary mandefa tara-bolamena sy tara-bolafotsy, ary mi-evaeva maneho ny Voninahitr’ i Jesosy Mpanjaka. Nony avy eo dia niditra tao amin’ ny saha iray feno ny karazam-biby rehetra izahay: ny liona, ny zanak’ ondry, ny leoparda sy ny ambodia izay miara-miaina am-pirindrana fatra-tra.”—Early Writings, p. 18.

“Ny masiaka ho tonga tsara fanahy, ary ireo mpiahiahy ho tonga feno fahatokiana.”—Education, p. 304.

b. Mandritra ny mandrakizay dia hifantoka eo amin’ iza ny zavatra rehetra? Ary amin’ ny fomba ahoana no hahafantarana an’ izany? Zakaria 13:6; Apokalypsy 7:15–17; 5:13.

“Tsy hisy helo mirehitra mandrakizay, izay vokatra mahatahotry ny ota, ho hita eo anilan’ ireo olom-boavonjy. Fahatsiarovana tokana ihany no hi-toetra: hitondra ny diam-pantsiky ny hazo fijaliana mandrakizay ny Mpamon-jintsika.”—The Spirit of Prophecy, vol. 4, p. 489.

“Ny taona hifandimby ao amin’ ny mandrakizay dia hitondra fanambara-na misimisy kokoa sy be voninahitra kokoa hatrany momba an’ Andriamani-tra sy Kristy. Ary arakaraka ny hitomboan’ ny fahalalana an’ izany no hitom-boan’ ny fitiavana sy fanajana ary fifaliana. Arakaraka ny hianaran’ ny olona ny momba an’ Andriamanitra no hitomboan’ ny fankasitrahan’ izy ireo bebe kokoa ny Toetrany…

“Tapitra ny fifanandrinana lehibe. Tsy misy intsony ny ota sy ny mpano-ta. Voadio ny onivera iray manontolo. Firindrana sy fifaliana no re eo anivon’ ny voary manontolo. Avy amin’ Ilay namorona ny zavatra rehetra, no ivo-ahan’ ny fiainana sy fahazavana ary fifaliana, ary hipariaka amin’ ny toera-na tsy manam-pahataperana izany. Hatramin’ ny zavatra bitika indrindra ka hatramin’ ny tontolo lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, ny miaina sy ny tsy miaina, ao anatin’ ny hatsarany tsy misy tomika sy feno fifaliana tapitr’ ohatra, no hiaraka hilaza fa ‘ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA”—The Great Controversy, p. 678.

Page 77: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Lesona Sekoly Sabata, Vol. 93, No. 3 77

Zoma 29 Septambra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny miomana ho amin’ ny fivere-nan’ i Kristy tsy ho ela?

2. Hazavao ny tsy fahazoan-kevitra mateti-pitranga momba ny 1000 tao-na.

3. Hazavao ny paikady farany hampiasain’ i Satana ary nahoana ny olona no ho voafitak’ izany?

4. Inona no zavatra tokony ho azontsika an-tsaina momba ny fiainana any amin’ ny tany vaovao?

5. Inona no lohahevitra any amin’ ny mandrakizay? Nahoana no tokony hankasitrahantsika dieny izao izany ?

Page 78: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp

Fanantenana voatahy“Mialoha kelin’ ny nisarahan’ i Jesosy tamin’ ny mpianany, dia nampa-

hery azy ireo Izy sady nanome toky fa ho avy indray: ‘Aza malahelo ny fon-areo’… ‘Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro’… ‘handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko’ (Jaona 14: 1-3). ‘Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehet-ra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany’ (Matio 25:31, 32).

“Ireo anjely niseho teo an-tendrombohitr’ Oliva taorian’ ny fiakaran’ i Kristy dia namerina tamin’ ny mpianatra indray ny fanantenana momba ny fiverenany: ‘Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.’ (Asan’ ny Apostoly 1:11). Ary ny Apostoly Paoly, rehefa notsindrian’ ny Fa-nahy, dia nanamarina : ‘Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-dani-tra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andria-manitra’ (1 Tesaloniana 4:16). Ary hoy ilay mpaminany tao Patmosy: ‘Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy’ (Apokalypsy 1: 7)

Ny fihaviany be voninahitra dia voalaza fa: ‘Ilay tsy maintsy horai-sin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ny voalohany indrindra’(Asan’ ny Apostoly 3: 21). Noho izany, dia ho tapitra ny anjaran’ ny ratsy izay niasa hatry ny ela; ‘ny fanjakan’ izao tontolo izao’ dia ho lasa “fanjakan’ ny Tompontsika sy ny Kristiny”; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay’ (Apokalypsy 11: 15). ‘Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany’. ‘Toy izany no hampisehoan’i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra’. Izy dia ho lasa ‘satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa’ (Isaia 40:5; 61:11; 28:5).

“Noho izany dia ny fanjakan’ i Mesia feno fiadanana sy nirina hatry ny ela no hitoetra ety ambanin’ ny lanitra rehetra…

“Ny fihavian’ ny Tompo no fanantenan’ ny mpanaraka Azy marina nan-dritra ny vanim-potoana nifandimby. Ny fiaingan’ ny Mpamonjy teo amin’ ny tendrombohitra Oliva, izay nampanantena fa ho avy indray, no nanome haz-avana ny ho avin’ ny Mpianany, nameno fifaliana sy fanantenana ny fon’ izy ireo ka nahatonga azy ireo tsy voahozongozon’ ny alahelo sy ny fizahan-toetra. Eo anatrehan’ ny fijaliana sy ny fanenjehana, dia ‘ny fisehoan’ Andriamani-tra Lehibe sy Jesosy Kristy Tompontsika no fanantenana nahafinaritra’. Rehefa feno alahelo teo am-pandevenana ireo olo-malalany ny Kristiana tao Tesalon-ika, olo-malalany izay nanantena fa hahita maso ny fihavian’ ny Tompo, dia nosarihan’ i Paoly ho amin’ ny fitsanganan’ ny tena amin’ ny maty ny sain’ izy ireo, izay hiseho amin’ ny fihavian’ ny Tompo. Amin’ izay dia hitsangana izay maty ao amin’ ny Tompo, ary miaraka amin’ ireo olo-masina velona dia hakar-ina hitsena ny Tompo eny amin’ ny habakabaka. ‘Dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika’, hoy izy. Koa dia mifampionona hianareo amin’izany teny izany. (1 Tesaloniana 4:16–18).”—The Great Controversy, pp. 301, 302

78 Lesona Sekoly Sabata, Jolay– Septambra 2017

Page 79: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp
Page 80: Fizahan-takelaka...Amporisihina fatratra ny fandinihana manontolo ny boky nakana hevitra. Sary: Good Salt on the front cover and Map Resources on pp. 4, 46, 80; Sermon View on pp