rantsana fanantenana –fam 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... ·...

46
[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009 Zoky Andry 2008 Pejy 1/46 Natokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’ny Natokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’ny Natokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’ny Natokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’ny 1. Endriny 2. Ny firafiny 3. Ny voambolana ampiasaina ZK ANDRY TANDREMO LESONA 2009 RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008 Ahoana no hanefen’Andriamanitra sy hanofanany ny olona hiasa ho azy ?

Upload: others

Post on 05-Aug-2020

8 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 1/46

Natokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’nyNatokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’nyNatokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’nyNatokana hoan’ny tanora ity lesona ity! eo amin’ny

1. Endriny 2. Ny firafiny

3. Ny voambolana ampiasaina ZK ANDRY

TANDREMO

LESONA 2009

RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008

Ahoana no hanefen’Andriamanitra sy hanofanany ny olona hiasa ho azy ?

Page 2: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 2/46

FANOLORANA

RY TANORA MALALA

Inty indray ny lesona anakiray ho antsika amin’ity taona 2009 ity, fiainan’i Davida no

hianarantsika, ka sady ahay tantara isika no ahalala ny hevitry ny soratra Masina, ary koa

ahalala ny zava-miafina sy lesona fonosin’ny tantaran’i Davida ;

Ny lesona mahakasika ny tanora sy ny fitiavana dia efa novoasana tao amin’ny lesona « ROTA

SY NAOMI » avokoa, fa ity lesona ity dia mahakasika ny lafim-piainana ankapobeany sy ny

fihetsika tokony hatao sy harahina eo anoloan’ny adim-piainana sy ny sedra rehetra

manoloana ny fiainana maha Kristiana.

Ny tanora zokiny no tena hiantefan’ny lesona eto

Azo jerena sy dinihina amin’ny lafiny maro ny Soratra Masina saingy lesona hoantsika tanora

no nasongadina tamin’ity indray mitoraka ity

Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara izy ity

no nampiana lesona sy sasin-dresaka eny antsefatsefany.

Mazotoa !

Zoky Andry 2008

FANAZAVANA TEKNIKA MOMBA NY BOKY LESONA

1. Lesona Sekoly sabata tanora hoan’ny Tanora Apokalypsy 2009 2. Lohahevitra: DAVIDA; MPIANDRY ONDRY LASA MPANJAKA 3. Tanjona: Fandraisana anatra sy torohevitra ahafahana hivoatra sy ho tafita eo amin’ny

fiainana 4. Ny fanotaniana lehibe valiana mandritra ny lesona :

• Ahoana no hanefen’Andriamanitra sy hanomanany ny olona hiasa ho Azy ? 5. Isan’ny pejy: 46 6. Nampiasaina ny fanafohezanteny indraindray eny anivon’ny lesona. 7. Fomba fianarana sy fampitàna ny lesona : Vakiana matetika, tsoahina ny hevi-dehibe.

Tantaraina amin’ny fomba mampitaintaina sy mampihetsipo ny tantara (mila mpampianatra “mahay animation” na “manome aina”

8. Isan’ny andian-desona: 12 isa 9. Nandrindra sy nanagona: Diakona Zoky Andry 10. Daty nandrafetana azy : Aogositra – Oktobra 2008

Natokana hoan’ny tanorNatokana hoan’ny tanorNatokana hoan’ny tanorNatokana hoan’ny tanora ity lesona a ity lesona a ity lesona a ity lesona ity! ity! ity! ity! eo amin’nyeo amin’nyeo amin’nyeo amin’ny

4. Endriny 5. Ny firafiny

6. Ny voambolana ampiasaina ZK ANDRY

TANDREMO

Page 3: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 3/46

1-DAVIDA ILAY TSY NAMPOIZINA! 1 -Sam. 16 : 1-13.

Fampidirana:

Maro isika tanora no mba manonofy sy maniry ny ho lasa mpitondra, na hanankarena na ny ho lasa filoha mpitarika indray andro any, Ity tantara hianarantsika ity dia mitantara ny tantaran’olona iray izay mpiandry ondry no lasa mpanjaka. Tiana haseho mandritra ity lesona ity ny fomba fiasan’Andriamanitra izay tsy takatry ny saina, fa hay Andriamanitra dia miasa mangina hatrany eo amin’ny fiainantsika fa isika no tsy mahalala.

• Davida no horesahina ary ny fiainany dia voafintina ao amin’ny Sal 78 : 70-72 (vakio)

• Mariho fa ny anaran’i Davida no miverina imbetsaka indrindra ao amin’ny Baiboly! (Abrahana in 300- Mosesy in- 830- I Davida kosa in 1 032).

Olombelona tahaka antsika ihany izy, nofo sy rà

• Matetika eo anivon’ny fiangonana ankehitriny dia misy zavatra “azo lazaina sy tsy azo lazaina”, ao anatin’ny Baiboly kosa anefa dia hita fa tsy mba mpanandratra olona na manasohaso olona fahatany ny Baiboly, na iza na iza olona mahery fo dia tantarainy antsipirihany avokoa ny fiainany, na tsara na ratsy ny zavatra nataony. Ny aton’izany moa dia mba ho lesona ho antsika sy hanekentsika fa: ao anatin’ny fahalemen’ny olombelona dia « miasa » Andriamanitra, ary olombelona “tsotra” tahaka antsika rehetra ihany no fidiany (miaraka amin’ny halemeny sy ny toetra tsarany).

Ny tanjontsika mandritra ity lesona ity dia ny ahalala hoe « ahoana no nahatonga mpiandry ondry anakiray ho lasa mpanjakan’Israely »

• Ahoana no fomba nitondran’Atra azy avy any ambony bozaka ho tonga eo amin’ny seza Fiandrianana?

• Tao anatin’ny fandresena sy faharesena! Ny andro mamiratra sy manjombona , ny fifaliana sy fahoriana, Tamin’ireny Andriamanitra no nanefy an’i Davida hanana « fo » mendrika sy manetry tena.

• Tamin’ny alalan’ny « fiainana akalamanjana sy traik’efa » no nianaran’i Davida nitondra fanjakana. Tsara indrindra raha sady mandinika ny fiainantsika isika no mianatra ny fiainan’i Davida ihany koa.

I- VERY HEVITRA NY MPAMINANY

1 –Mitomany ny mpaminany nefa EFA vita sahady ny sa fidin’Andriamanitra :

a / - Jese @ teny Hébreo : Yishay (yee-shah'-ee) @ Araméana 'Iyshay (ee-shah'-ee) no niantsoana ny anaran’i rain’i Davida, Taranak’i Rota izy, ilay tovovavy nataontsika fianarana raha niresaka ny amin’ny fitiavana isika. (Ampahatsiahivo ny boky)

Mitomany sy malahelo an’i Saoly i Samoela, efa nolavin’Atra mantsy izy, Ny vahoaka no nangataka mpanjaka ka nahatonga an’Atra nametraka izany, te hitovy amin’ny firenena manodidina azy mantsy ny fiangonana tamin’io (izany no lamaody). Lehilahy ranjanana,

Page 4: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 4/46

tsara bika sy endrika i Saoly raha vao jerena dia h ita fa « mendrika ny ho mpitarika izy »

Nolavin’Atra anefa izy ankehitriny (satria tsy nankatoa ny didiny) , mitomany I Samoela, mitomany an’I Saoly izy, mitomany ny tenany ihany koa, mitomany ny fireneny ! Aiza intsony no hisy olona tahaka an’I Saoly?

Iza no olona afaka mandimby an’i Saoly ? toa tsy misy olona afaka mandimby azy ! Aiza no hisy olona ranjanana, matanjaka, tsara tarehy, mazoto sy mafana fo tahaka azy ?

Teo indrindra no nanome baiko an’i Samoela Jehovah : « Fenoy diloilo ny tandroka , alefako any amin’i Jese any Betlehema ianao, efa hitako ny zanany, tiako hosorana ho mpanjaka”

Eo anatrehan’ny olana anakiray dia matetika isika no vaky loha, mieritreritra izay ho vahaolana, toa tsy misy hirika mihintsy ny zava-mitranga indraindray, kanefa aza hadino fa « ianao no vaky loha, fa A/ntra efa mahalala ny vahaolana » Mety tsy mahomby ny olombelona, (aza matoky olona) fa A-tra kosa dia mahomby sy manana vahaolana mandrakariva.

Aza hadino fa matoa misy olana dia misy vahaolana, ary raha tsy misy vahaolana dia tsy mbola olana izany , fa lalam-piainana iny !»

a- Mahaiza miandry ny sitrapon’Andriamanitra :

Rehefa tonga tao amin’i Jese i Samoela, tsy fantany akory hoe ahoana no ahafantarana hoe iza no sitrak’Andriamanitra sy ilay nofinidiny ? « Mandehana hoy Izy, miandrasa ao , teneniko anao avy eo… »

Misy fotoana isika tanora no te ahalala hoe « inona na iza no sitrapon’Andriamanitra » kanefa na dia manotany an’i Jehovah aza isika dia mety mahazo valiny hoe « madehana aloha, teneniko anao ihany rehefa tonga ny fotoana ». Raha te ahalala ny sitrapon’Atra rahapitso ianao, mitsangana, miomàna, misakafoana maraina, dia ataovy ny asanao andavanandro, ataovy izay sitrak’Atra, rehefa vitanao izay sitrany androany dia ho hitanao ho azy izay heviny rahapitso !

b-Tsy misy mahalala hoe « Miasa anie Jehovah »

Mandritra ny fotoana anaovan’I Saoly ny tsy mety ? efa mikarakara an’I Davida Jehovah! Manomana azy ho mpanjakan’Israely Izy, tsy misy mahala izany ! na i Samoela aza tsy mahalala , I Saoly moa dia tsy mahalala rahateo, Jese koa tsy mahalala, Na i Davida tenany aza…

c / - Misy fanahiana ve aminao , momba ny ho avinao ? manana olana ve ianao

amin’izao fotoana izao ? very hevitra ve ianao ? Aza matahotra ! ianao tsy mahalala ny vahaolana ? JEHOVAH MAHALALA…Tsy fantatsika ny zavatra miandry antsika rahapitso, fa fantatsika hoe « Iza » no miandry antsika rahapitso.

Page 5: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 5/46

II-NA NY MPAMINANY AZA MILA MIANDRY NY SITRAPON’ A/ TRA

2 – "Ity mihintsy zao no izy” hoy samoela (And. 6)

a / - Nolazain’i Jehovah anefa i Samoela fa tsy mitovy fijery amin’ny Olombelona Izy ! Ny olona mijery izay mahafinaritra ny masony, Jehovah mijery ny fo ! , nandalo teo daholo i Abinadaba, i Schamma, izy fitolahy zanan’i Jese.

b / Tsy nambaran’ny Baiboly raha mahalala ny antodian’i Samoela i Jese, Olona malaza anefa i Samoela , ary voninahitra lehibe izany mampandroso « mpaminany » ao antrano izany, ka dia nanaraka izay baikon’i Samoela izy.

c / - Tapitra nandalo izy tolahy, izay nipoitra dia noheverin’i Samoela fa « izy » daholo kay tsy izy ! vaka ny lohan’i Samoela, Nihevitra ny tenany no mahalala ny sitrapon’Andriamanitra izy kanjo « diso hevitra » Mijery ivelany hatramin’ny mpaminany ! tahaka ny fahadisoan’ny vahoaka nifidy an’i Saoly ihany no fahadisoana naverin’i Samoela teto.

f / - Firifiry moa isika no efa voafitaky ny masontsika, misy olona heverina fa tsara kinanjo mamitaka, dia mitia olona mitovy amin’iny ihany kinanjo voafitaka fanindroany, dia tsy mety tonga saina sy mandray lesona mihintsy fa dia mamita-tena eny foana.

• Mora matilolo ny olombelona! matin’ny lazan’ny ha fa izy, ny fahombiazan’ny olona, ny endrika ivelany, ny volany, ny fahefana, ny anarana ihany koa aza, (misy ohatra ny olona tsy i Bema no tiany fa i Anto nny, tsy i Soa fa i Nancy.. ☺☺☺☺ ) ny andraikitra, ny akanjo sy fitafy, ny fiara, ny fari-pahaizana sns.

• Tsy mijery an’ireny anefa Atra ! Ianaro izany fom ba fijerin’Andriamanitra izany !

g / - Mety hanotany isika hoe « inona aza no tsininy tamin’ireto fitolahy ireto ? ny valiny, “Tsy misy” tsy misy zavatra ratsy nolazain’ny Baiboly mikasika izany! Fa tsy nifidy azireo

tsotra izao Andriamanitra ho “Mpanjakan’Israely” Olona hafa no efa

homanin’Andriamanitra amin’io toerana io !

III – DAVIDA SY SAMOELA MPAMINANY

3 – "tapitra eto avokoa va ny zanakao rehetra ? »

c / - Mbola misy anakiray any ! fa saingy miandry ondry izy!

Mba nahay lesona I Samoela teto, raha ny maha olona mantsy dia hievitra izy hoe “mpiandry ondry ve dia ho lasa mpanjaka ? mety olona hafa no izy! Saingy nahay lesona I Samoela ka tsy nitsaratsara ivelany intsony ,I Davida aza tsy mahalala fa « misy lalana » tsy takatry ny saina efa nomanin’Andriamanitra ho azy , nampanantsoina mba hody any an-trano izy! Asa inona re no ho tao aneritrerin I Davida? Bedy ve sa misy inona ?...! ( ary raha nanda tsy hody moa I Davida?)

d / - Io no izy !

• Tovolahy kely (16 taona eo ho eo hoy ny mpikaroka).

Page 6: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 6/46

• Mpiandry ondry, poety, mpihirahira! « bandy mpandrevy » hoy isika tanora !

• Tsy « pôzipôzina » mpanjaka

• Nefa tsy misy dikany izany fijery ivelany izany ! IZY NO IZY HOY JEHOVAH !

4 – " Hosotry ny fanahy Masina "

a / -Nohosoran’i Samoela izy! Tsy hoe lasa mpanjaka teo noho eo akory i Davida fa natokan’i Samoela hoan’Andriamanitra izy ! ho ampiasainy izy rehefa tonga ny fotoana ilanY azy

b / - Nahazo ny hosotry ny fanahy Masina i Davida nanomboka teo, midika izany fa « manana ny hery sy fahefana avy amin’ny Fanahy Masina izy » Mety tsy tonga saina akory aza izy hoe « inona izao miseho izao » fa dia nanatrika sy nanaiky nohosorana diloilo teo i zandrikely . Ho avy mantsy ny andro hifanandrinany amin’i Goliata !

Ry zandry malala

Mananatra sy mampahery antsika ny lesona eto ! misy mantsy mahatsiaro ho zandriny amin’ny zavatra rehetra (na taona na fahaizana sns), ataon’ny olona tsinontsinona , tsy misy mpijery, hadinon’ny olona sy ny fiaraha-monina saingy aza matahotra fa « hitan’Andriamanitra ianao » ary hataony Mpandresy sy Mahery fo tahaka an’i Davida ihany koa.

Impiry moa no nisy zavatra nahazendana sy nahakivy nitranga teto anivon’ny fiangonana ? mampanotany tena hatrany ireny hoe « inona ary no ataoni Jehovah amin’izao fotoana izao » ? aty aoriana anefa dia miara-miaky ny rehetra fa hay « niasa hatrany Izy » Tsy voatery mampiseho antsika ny zavatra rehetra Je hovah , mandidy antsika « hino » sy hankatoa fotsiny izy ! ary hank asitraka Azy amin’ny zavatra rehetra !.

Mety maizina aminao ny hoavinao,nefa matoa ianao tsy mahalala ny hoavinao , dia tsy ilaina akory izany ny ahalala ! Ianao no tsy mahalala, fa Andriamanitra miasa hatrany !

Page 7: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 7/46

Lesona 2- MANAIKY TARIHINA VAO TONGA MPITARIKA 1 Sam. 16 : 14-23.

Fampahatsiahivana: 1 Sam. 16 : 7 - " Tsy mijery ivelany Jehovah, fa manana ny fomba fijeriny Izy »

• Teo anatrehan’ny antitra, zatovo no nofidiany • Teo anatrehan’ny lahimatoa, faralahy no nofidiany • Teo anatrehan’ny mamiratra , Olona mihoso-bovoka no nofidiany ! • Teo anatrehan’ny olo-malaza, zaza saika hadino no nofidiany !

Amin’ny maha olombelona , tsy hisy mihintsy zany mpiandry ondry ho lasa mpanjaka izany ! na ny mpiandry ondry sy ny mpanjaka aza tsy mifanerasera akory ! Raha tsy hoe « MIDITRA ANTSEHATRA JEHOVAH » . Na aiza toerana misy antsika na aiza, hain’Andriamanitra foana ny mijery antsika sy mametraka antsika amin’ny toerana tiany hasiana antsika !

I – HAFAHAFA NY ARETIN I SAOLY. 1 Sam. 16 : 14—17.

"fa ny fanahin’i Jehovah efa niala tamin’i Saoly , ary nisy fanahy ratsy avy tamin’i Jehovah namapatahotra azy »

1 –Inona no olana eto :

a / - Ny and 13 milaza hoe , " fa ny fanahin’i Jehovah nilatsaka tamin’i Davida » Ny and 14 milaza hoe , "ny fanahin’i Jehovah niala tamin’i Saoly »? raha alahatra amin’ny tabilao izy mirahalahy dia hita fa miakatra hatrany ny lanjan’i Davida, midina kosa ny an’i saoly ,Misy zavatra anakiroa hafahafa mitranga eto

b / -. Voalohany : Niala tamin’i Saoly ny Fanahin’i Jehovah.Fa nahoana ? ary amin’ny fomba ahoana ?

• Fa nahoana ? Satria ninia nandika ny didin’Andriamanitra i Saoly ! fitsaran’Andriamanitra izany !

• Amin’ny fomba ahoana ? Ny fanahin’ny Jehovah dia omeny izay tiany hanao asa anakiray na manokana, azony atao anefa ny manala izany ! « tadidio ny ao amin’ny Apokalypsy “ sao dia hafindrany ny fanaovanjiro” !

d / - Faharoa hafahafa : "Nisy fanahy ratsy avy tamin’i Jehovah nampatahotra azy » Inona izany hoe fanahy ratsy ? Ara-bakiteny ! Devoly ! ahoana moa izany hoe « Andriamanitra mandefa fanahy ratsy» ?

• Manana fahefana amin’izany Jehovah satria Andriamanitra Izy ! Eo ambany fahefany avokoa na ny devoly aza ! Raha avelan’Andriamanitra hiditra amin’ny olona iray ny devoly , tsy misy olona afaka manakana izany !” Sady rehefa miala amin’ny olona ny fanahin’Andriamanitra” tsy hisy fanahy hisalasala hiditra ao! Ary ny fanahy niditra tao amin’I Saoly teto dia tsy nosakanan’Andriamanitra!

•Raha misy olona manota, miala aminy avy hatrany ny fahasoavana, ary lasibatry ny devoly izy, tsy Andriamanitra no ninia mandefa ny fanahy ratsy eto, fa navelany hitranga izany !

Page 8: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 8/46

e / - Nanomboka narary saina i Saoly teo. Nanampy trotraka ilay fanahy ratsy ny toe-pony, lasa ratsy saina izy, kaodikaody ! feno fialonana ! taitaitra ("parano" hoy ny teny frantsay) heveriny fa mikonokonona teti-dratsy aminy avokoa ny olona ! (Normale izany, tsy nofanina ho mpitarika izy tsinona !)

2 – Mozika no vahaolana:

a / - Teo anatrehan'ny olana mitranga dia nanome sosokevitra tamin'ny mpanjaka ny mpanolotsaina, ny mba hitondrana mpitendry lokanga mba hampitony azy (tena voaporofo ara-tsiansa fa misy fihatraikany eo amin'ny saina sy ny fo ary fahasalamana ny mozika) Mpitendry mahay no ilaiko hoy i Saoly

d / - Aiza no ahita olona sady mahay mitendry tsara , no sady manaiky ho eo anilan'i Saoly (izy efa nivadika ho masiaka be?), M panompo anakiray no nilaza fa mahafantatra zanak'i Jese, any betlehema, mahay mitendry, mahery fo, mahay miteny, olna tsara, sady omban'Andriamanitra . e / Fifanindrian-javatra ve? sa sambasamba sa Andriaman itra mihintsy no miasa ? tanora izay na ny rainy aza tsy dia niraharaha azy akory no indro fa fantatry ny mpitondra ambony ny fahaizany sy ny momba azy manon tolo ...

f / - Nisy nahita an'i Davida na dia tany anaty ala aza izy! , teo aloha dia hitantsika fa "Jehovah no nahita azy" eto indray anefa dia hitan'ny olona ihany koa hay izy! Izy ve dia hanampo an'izany? hoe izaho izay mandany andro mihirahira, miandry ondry sns aty antsaha aty anie ka mba hitan'ny "fiaraha-monina" indrindra fa ny mpitondra ambony ?

g / - Misy fotoana isika dia mahatsapa fa miasa maina, tsy mahazo sitraka , tsy misy mahita, misy aza fotoana izay ahatsapantsika hoe "tokony isika no voatendry na voafidy" kanefa dia olona hafa no mahazo izany toerana izany , Tsy marina izany ! tsy maintsy misy vokany foana ny ASA TSARA izay ataontsika na ho ela na ho haingana ! (manamarina izany ny soratra Masina Salamo 75 :6 Ohab 22 :29)

3 – Tsy fikasan'i Davida akory ny ho lasa mpanjaka fa fikasan'Andriamanitra :

a / - Tsy davida akory no naniry hitendry lokanga hoan'i Saoly, i Saoly no nampitady azy...hoan’ny Davida kosa dia ny lohasaha sy tendrombohitra sy ny ondry any antsaha no asany !

b / - Tsy takatry ny saina ny fomba fiasan'Andriamanitra ! nampiasain'ny Jehovah ny aretina mahazo an'i saoly sy ny fahaizan'i davida mitendry lokanga mba ahatanteraka ny sitrapony (planiny)

II - Manompo aloha .... And. 19-23.

4 – Tonga ilay tanora mpitendry lokanga :

a / - Tsy mpanjaka no tonga eo andapa fa tanora anakiray mpitendry lokanga mba

Page 9: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 9/46

hampitony ny "krizy" manjo ny mpanjaka! , lasa mpiambina azy sy mpitondra ny fiadiany ! (Iza no tanora tsy haniry an'izany hoe lasa naman'ny filoham-pitondrana izany satria ohatra mahay mitendry gitara, )

. Tsy mba ratsy saina davida eto .Miandry izay sitrapon’Andriamanitra fotsiny izy ! Tsy niteny izy hoe « mialà ianao fa nahazo teny tamin’i Jehovah Aho hoe izaho indray no Izy »

b / - Tsy nikonokonona izy ! tsy nanakiana !… lesona lehibe hoan’izay miasa amin’ny orin’asa izany ! any anaty orin’asa na eo anivon’ny fiangonana sy fikambanana mantsy dia mety ho olona « vendrana » noho ianao no mpitarika anao , mety manana hevitra tsara noho izy ianao ,

Vitanao ve ny manatanteraka sy manaja ny baikon’ny olona tahaka izany ? Tsy mora izany ! kanefa izay no ahafantarana fa manana « toe-tsaina sy toe-po » hanompo tokoa ianao .

IZAY MANIRY NY HITONDRA DIA TSY MAINTSY MANAIKY TAR IHINA ALOHA

IZAY TSY MANKATOA DIA TSY MENDRIKA NY HO TOAVINA RA HATRIZAY

(mahatsiaro ny fomba skoto izay mampanao sedra ny zoky na tinaiza ao aminy aho isaky ny misy fiakarana dingana! Raha mandritra ireny sedra ireny no mitokona na mamaly na manohitra ilay skoto dia tsy mendrika ny hitondra izy izany ary tsy mendrika ilay fiakarana dingana !)

c / - Tsy nanakiana na nanaratsy ani Saoly I Davida , mazava mantsy fa mendrika noho i Saoly izy, sady efa nohosoran’Andriamanitra rahateo saingy TSY NANARATSY AN I SAOLY IZY na namoaka ny tsiambaratelony ! Ny tanjon’i Davida aza dia ny hanao izay ahatsara sy ahasalama ny mpanjaka (raha ny manodidina angamba dia niteny an’i davida hoe « aratsio amin’izay ! lazao amin’ny vahoaka ny toetra ratsiny ! tsy izany ve no ataon’ny mpanao politika eto amintsika ? raha izay no fombatsika dia tsy ho lasa mpitondra mihintsy isika !)

e / - Inona ary no tena tetik’Andriamanitra raha nandefa an’i Davida tao an-dapa izy ?. Nalefan’Andriamanitra tao izy mba hianatra ! teo am pijerena an’i Saoly dia fantany ny asa maha mpanjaka, ny tokony hatao sy ny tsy tok ony, hitany koa ireo fahadisoana nahavoa an’i Saoly ! Tsy hamerina izany izy rahatrizay ! … Fa eto aloha dia tsy maintsy manompo ilay hodimbiasany izy, Izany no sitrapon’Andriamanitra : Mampianatra Jehovah fa raha te hitarika sy hitondra olona dia tsy maintsy manaiky sy mankatoa izay mpitondra misy eo aloha. Ny olona mpanakiana lava izany dia mety tsy ho lasa mpitarika , ary raha lasa mpitarika dia tsy aharitra amin’ny toerany !

Page 10: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 10/46

5 – Ny herin’ny mozika :

a / - Ny mozika dia nanampy an’i Saoly :

1. "Mba niaina tsaratsara koakoa izy ka tsy sempotra ."

2. "Tony kokoa izy."

3. "Misinda mihataka azy ny fanahy ratsy."

b / - Ny mozika tsara dia manampy ny olona ara-batana, ara-tsaina, ary ara-panahy !, tahaka izany koa anefa dia misy ny mozika ratsy izay misy fiatraikany amin’ireo sehatra telo ireo koa ny fihainoana azy. Raha tsapanao fa miteraka zavatra hafahafa aminao ny mozika anakiray dia ajanony!

c / - Mozika manala fanahy ratsy ? inona izany ? Ny mozika notendren’i Davida dia voasoratra ao amin’ny Baiboly : Ny salamo (ny atsasany mahery dia noforonon’i Davida) ! fiderana an’Andriamanitra sy ny heriny no notendren’i Davida ary Tsy zakan’ny fanahy ratsy izany !

• Afaka mampanakaiky antsika amin’Andriamanitra ny mozika, ary afaka mitondra antsika any amin’ny “helo” ihany koa izy ! Marina t okoa fa maro ireo tonokira tsy fiderana an’Andriamanitra mivantana ao amin’ny Baib oly, azo henoina sy hiraina avokoa izany ny mozika rehefa tsy manohitra an’Andr iamanitra saingy “Tandremo ihany izay mozika henointsikaa ry zandry !.”

Page 11: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 11/46

Lesona faha 3- DAVIDA MIATRIKA NY NGEZA - 1 Sam. 17

Alaivo antsaina anie …. Mangirandratsy ny andro, mangina ny tanana! Samy mahalala ny rehetra fa ho rafitra ny ady! Tsy maintsy hisy olona ho faty androany, tsy misy antoka eo apelatanan’ny miaramila fa ho velona izy anio hariva …

Samy manomana farany ny fiadiany ny miaramilan’i Israely tsirairay, mijery ny akanjo fiarovana , samy maka antsaina farany ny endriky ny olon-tiany , ny zanany , ny havany ! Ny anti-panahy efa zatra ady amin’io efa mangina tsy miteny fa ny masony sisa no midiridiry mampatahotra, ireo tanora kosa , mangovitra sy mipararetra, tsy toy ny hehy sy herimpo fony vao niainga tao antanana ! tsy misy sahy manao hatsikana fa… migadona ny ora.!

Ery ampitan’ny lohasaha , indreo ny fahavalo …ny Filistina !

Vonona ny hiady ny Israelita.Vonona ny ho faty hoan’ny tanindrazany izy ! Samy mitazona izay heveriny ho fiadiana hiarovany tena izy, Baiko tokana sisa no andrasana dia ho rafitra ny ady !

Saingy zavatra tsy ampoizina no mitranga, tsy miros o ny filistina, tsy misy mihetsika izy ….

I – Fihantsiana an’i Israely

1 –Mifono vy varahina, indro misy zavatra ngezabe m anantona moramora mikisaka tonga eo ampovoan’ny lohasaha :

a / - Torak’ovitra ny zanak’Israely…. Olona ! tena olona ! Olom-be tsy mbola nisy toa izany! (Ny baiboly dia misy andalana maro miresaka ireny olom-be ireny)

b / - Tao anatin’izany fahatairana be izany no niteny i Goliata:" Inona no andaniana andro hanao ady eto , tsy izaho va ilay Filistina ! tsy hianareo va no andevon’I Saoly ? mifidiana olona iray hiady amiko ! raha maharesy ahy izy ka mahafaty ahy , dia hanompo anareo izahay , raha tsy izany kosa anefa ka resiko sy matiko izy dia ho mpanomponay hianareo rehetra !

c / - Ady tokana no takian’i Goliata eto ! fomba fahiny izany ! fomba nentina mba tsy handaniana fotona sy tsy ahafatesan’ny olona be loatra izay maharesy no mandresy ny tafika rehetra, ary ady aman’aina no atao … Combat à mort ! Nefa tsy maintsy manaiky ny andaniny vao mety izany fomba izany !

d/ - Amin’ny maha olona aloha dia « famonoan-tena ny fiadiana amin’i Goliata ! iza no aharesy an’io , (raha nanadihady ny resaka olom-be aho dia nahita tahirin-kevitra sy sary anakiray izay maneho fa ny olona 1m sy 80 dia hatreo amin’ny valahan’ireo olom-be fotsiny raha mijoro izy, ary tena nisy tokoa izany olom-be izany) . Natahotra ny hiady amin’io ny miaramila rehetra ? hatramin’ I saoly mpanjaka aza ! (nihorohoro ny miaramila rehetra)

e / - Na i Saoly aza « nihorohoro » , Efa niala taminy ny fanahin’i Jehovah, izy sy ny sainy irery no tavela : Nanao izay noheveriny fa mety mantsy izy taloha. Akehitriny dia avelan’i Jehovah hiady irery izy! “Tsy manaiky ny teniko ianao ? Mandehana aza !

Page 12: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 12/46

zakao ny anao ! Tsy afaka miady amin’i Goliata i Saoly satria « tsy tao aminy intsony ny fanahin’i Jehovah »

2 – I Goliata no « vedety » ! :

a / - Tsy nisy sahy namaly i Goliata , lasa izy niverina tao an-dainy! ouf! Nisento kely ny olona ! Tsy tapitra hatreo anefa , vakio ny and 16 : Nony maraina dia iny indray i Goliata, tsy nijanona izy nandritra ny 39 andro ! Tsy misy afa-tsy Goliata no nojerena sy nifantohan’ny sain’ny mpiady ! (Loza ity ! ahoana ity ? Toa resy tsy miady sahady ny vahoakan’ Andriamanitra !)

b / - Mety nitady ny hirika rehetra hiatrehana ny toe-draharaha ny miaramilan’Israely isaky ny hariva, namolavola planina izy, Sa handefa mpanao vy very aina na commando hamono an’i Goliata? niady hevitra sy tetik’ady tao izy… Isaky ny hanomboka ny fivoriana dia nivavaka izy hoe « Jehovah ô ! tolory hevitra izahay handresanay ny filistina ! , aoka ny fanahinao no hiasa aminay sns sns » Saingy tsy nisy vaha olana hitany na nomen’Andriamanitra azireo hatreto!

c / - Toa izany tokoa isika, eo anatrehan’ny olana , dia mipararetra sy tsy mahahetsika isika , ny marina dia tsy hoe ngeza tsy akory ny olana, fa mahatonga antsika ahatsiaro tena ho bitika sy tsingetana izy ! (Tsy ny olana no ngeza, fa isika no mahatsiaro tena ho bitika eo anatrehany) , aza hadino ilay hoe « raha misy olana, misy vahaolana ; raha tsy misy vahaolana kosa , mbola tsy olana iny izay fa miandrasa ! »

II – Tonga ny « rôle » ilay ho olo-malaza !

3 – Ny fahatongavan’i Davida, ilay “role », saingy mbol a tsy « role » aloha izy hatreto ! :

a / - Mbola zatovo fanirakiraka izy eto, raha nandeha nitondra ny miaramila niady i Saoly, i Davida kosa naverina nody (fa zaza tsy ampy taona !), niverina nanao raharaha i Davida ; ny zokiny telolahy lasa nandeha niady, izy kosa…niverina niandry ondry indray e !

b / - Nirahin’i Jése rainy izy, hoany amin’ny toerana fiadiana hanangom-baovao, nampitondrainy vatsy hoan’ireo zokiny ihany koa (somary mavesatra ihany satria 1 efaha = 36 litatra, mofo sy fromazy folo avy) .30 Km no mampisaraka an’i Betlehema sy ny « lohasahan’ny terebita » izay misy ny ady. Atao antongotra sy hazakazaka avokoa izany (soa ihany fa nanaiky i davida fa tsy nanao be loha !)

c / - Teo ampahatongavana indrindra i Davida no io i Goliata manao ny « demonstration » fanaony, andro faha efapolo androany ! efa lanin’ny Israely tsianjery ny fanaony: mandroso I Goliata, mampitahotra sy miantsy izy , miteny ratsy sy manompa, manozona ! dia miverina eny amin’ny miaramila namany indray !

d / - Zava-baovao hoan’i Davida no hitany, mahavariana azy kokoa ny ety amin’ny tanin’ady noho ny miandry ondry. Izao izy vao nahare sy mahita an’i Goliata.

e / - And 26 : Nanotany i Davida, inona hono no hatao hoan’izay mahafaty io filistina io ka mahafa-tondro ny zanak’israely ? fa mba mihevi-tena ho inona moa io filistina io no mihaika ny miaramilan’Andriamanitra velona ? Dia namaly ny olona hoe homen’i Saoly

Page 13: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 13/46

ny zanany vavy izay mahafaty an’i Goliata no sady homena toerana sy voninahitra ny fianakaviany.

g / - Jereo ny maha hafa ny fijerin’i Davida, tsy niteny izy hoe « miaramilan’i Saoly, na miaramilan’Israely » fa « Miaramilan’Andriamanitra velona ! »

4 – Hafa fijery i Davida :

a / - Miresaka ny miaramila … : "Hitanao kosa io olom-be io ? ohatry ny tendrombohitra ! , tsy mahatojo 5 segondra amin’io hianao », tsy HITANAO ve io ry Davida ?

• Hitan ‘i Davida tokoa i Goliata, fa misy zavatra h itan’i Davida fa tsy hitan’ireto miaramila ireto : Tsy Israely ihany no hiakan’i Gol iata, fa ny Andriamanit’Israely !

b / - Eto no mivadika ny rasa, fiijery hafa no ahitan’i davida an’i Goliata, ny Israely mahita an’i Goliata , ilay olom-be mifono vy, I Davida koa mahita an’i Goliata, eo anatrehan’Andriamanitra , olombelona kely ! mba mia ntsy an’i Jehovah sy ny miaramilany ! « Esory hiala eo io olona kely io fa mibahana, manakona an’i Jehovah »

d / - Tamin’ny masom-panahy mahiratra no nijeren’i Davida ny zava-misy, Hitany i Goliata, ary hitany koa anefa Jehovah, izay no nahasamihafa azy tamin’ny olona rehetra teo !

III – Davida sy ny olon-dehibe !

5 – Alohan’ny handreseny an’i Goliata dia tsy maint sy mandresy lahatra ny olon-dehibe izy :

a / - I Eliab rahalahiny no voalohany : lazain’i Eliaba fa « Dedaka i Davida ! te hijery ady fotsiny ianao » hoy izy, aza miditra amin’izay tsy tokony hidirana, tsy raharahan-jaza no aty ! And 28

b / - Izao no olan’i Eliab : Sady mpanambany olona izy no kanosa ! ,Tsy zakan’ny sainy ny mahita ny zandriny mahavita ny zavatra tsy vitany ! (tsy zava-baovao izany eo amin’ny fiaraha-monina , na eo anivon’ny ankohonan’Andriamanitra aza..) Namaly ohatr’ireny zandrikely rehetra ireny Davida : "zah mba manotany fotsiny kouh, deh maninona ah zao ? »

c / - Tsy mino azy koa ny mpitondra ! Henon’i Saoly fa misy « nanolo-tena » hiady amin’i Saoly ihany ela ny ela, Rehefa nijery azy anefa i Saoly … taitra be izy ! fantany tsara i Davida mpitendry lokanga ! « zazakely io ! ; tsy afaka miady amin’io hianao fa mbola zaza hoy i Saoly , i Goliata efa mpianady efa hatramin’ny fahatanorany ! ,

d / - Lanitsika tsianjery ny valintenin’i Davida (dikanteny malalaka).: " Zah ary efa nanavotra ondry teny ambavan’ny liona , nanenjika liona aho, norasiko tamin’ny tendany , nokapohiko, tsy navelako raha tsy maty » Afaka miady amin’ny liona

Page 14: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 14/46

aho, ohatrizany ihany no hataoko amin’io filistina tsy mifora io, satria nihantsy sy nanompa ny miaramilan’Andriamanitra velona izy ». Tsy hitan’i Saoly izay hatao ; ny olona rehetra matahotra sy mangovitra, ity zaza ity efa « mendy » sy « dodona » hiady amin’i Goliata ! ,

Nampanaoviny ny akanjo fentiny miady i Davida saingy hoy izy hoe « tsy mahazatra ahy ity » (tsy ny fombafomban’ireto olon-dehibe ireto, na ny fiakanjony sy ny fiteniny no tsy mainty alaina tahaka, raha izany no nahomby efa niatrika an’i Goliata izy, fa efa niaraka tamin’i Jehovah i Davida hatrizay ! izay dia efa ampy ho entiny miady ! (tsy ampiana fisainana na fomban’olombelona !)

Izany tokoa;

Raha mandeha miaraka amin’i Jehovah ianao ka tojo sakana, tojo an’i Jehovah ihany koa iny sakana iny ! raha mandeha miaraka amin’i Jehovah ianao ka sendra olana, tsy olanao iny fa olan’i Jehovah ! « tsy miankina amin’ny taona ny fahombiazana » !

IV – « Première tour de vita ! »

6 – Tehina sy pilotra ary vato kolonjy :

a / - Sady nidina ny lohasaha i Davida no nitsipona vato teo amin’ny morondriaka, Vato hatoraka amin’ny « atsamo-tady » no nalainy, fitaovana mahafaty ny atsamo-tady na ny « pilotra » afaka mandefa vato amin’ny hafainganam-pandeha mandrivorivo izy.! Vakio ny Mpitsara 20 : 16

b / - Toy ny adin’olon-droa hatramin’izay dia tsy tonga dia miady fa « mifanao taim-bava aloha» hoy ny fitenintsika tanora, (And 42- 43)

« Alika angaha aho no manantona ahy mitondra hazokely ialahy? sns …sady mihanjonanjona fijery azy izy » (dikanteny malalaka)

Mahavariana tokoa ankehitriny rehefa mijery sarina tanora , na amin’ny haino amanjery na amin’ny fiainana andavan’andro fa lasa lamaody ny fijery « mianjona » toa ireny hoe « izay manao fijery « bi by » na « mampatahotra » na « degany » indrindra no tena « zavatra » dia manao « fijery » toa izany hatramin’ny tanora kristiana indraindray .

Davida kosa namaly hoe (and 44-47) « Hianao manantona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona, ary ny lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Israely , Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tanako, ary hamely aao aho ka hanapaka ny lohanao , dia homeko ny voromanidina sy ny bibi-dia ny fatin’ny miaramilan’ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa MANANA ANDRIAMANITRA TOKOA NY ISRAELY. Ary ho fantatry ny FIANGONANA rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah fa an’i Jehovah ny ady.

c / - Tsy fantan’i Goliata akory izay nanjo azy ! misy loaka ny handriny ! vato no mipetaka eo ! , niakarapoka (niankohoka) izy (And. 50)

Page 15: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 15/46

a / - Ady miaramila no niadohany, ady ara-panahy no niafarany !

d/ - Tsy misy nanampo ny fivadiky ny toe-draharaha, tanora nirahina hanatitra vatsy no tonga teo ny maraina, ny hariva kosa lasa « olo-malaza » no tazan’ny olona (Héros National)., tanora « celibataire » no tonga teo, lehilahy nahazo vady no handeha hody !

Ry tanora zoky sy zandry malala,

Aza mijery ny « tranga » araka ny fisehony, jereo amin’ny lafiny ara-panahy hatrany ny olana, raha vao jerena amin’ny maso maha olona izy ireny dia toa « tsy misy fanafana » saingy aza hadino fa « bitika » eo anatrehan’i Jehovah ny olana rehetra ! Ary raha tsy miatrika sy miady amin’ireny olana lazaina fa goava na ireny isika tanora dia tsy hitombo ho lasa olon-dehibe !, mahereza sy meteza ary miatrika olana ! fa tsy hianao no miatrika izany fa Jehovah !

Page 16: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 16/46

Lesona faha 4- FILANA! FITSIRIRITANA! FIALONANA!

Vakio: 1 Sam. 18 sy 19

Ohab. 14 : 30 - "Ny fo mionona no (aina) fiainana hoan’ny nofo, fa ny fahamaimaizan-tsaina (envie – fitsiriritana ) dia mahalo ny taolana »

Ny ota rehetra sy ny fahotana rehetra dia eken’ny olona avokoa sy ibabohany , kanefa na izaho izay manoratra aza mba tonga saina rehefa mieritreritra hoe « efa mba nihaiky ny fahotana « mitsiriritra » sy « mialona » ve izaho ? » Toa tsy mahatsiaro diso mihintsy isika raha mitsiriritra, lazaina fa ny hafa hatrany no mialona fa isika dia tsy mba mialona mihintsy, marina tokoa ve izany?

Ny fitsiriritana sy ny fialonana dia mitarika ireto manaraka ireto :

• Tsy mahatoky ny hafa isika, lazaintsika fa manana hevitra ambadika hatrany izireo ; lazaintsika fa ratsy saina hatrany ny olona rehefa mialona sy mitsiriritra azy isika, Tsy mety mahatsiaro fifaliana isika rehefa faly izy, toa mahazo aina sy miadana kosa rehefa misy ratsy manjo azy …, matahotra isika sao dia haka ny toerantsika izy sns sns

• Na ny mpivady aza mety hifampialona, ny lehilahy mety hialona ny vadiny ohatra raha ankasitrahan’ny olona kokoa ravehivavy raha oharina aminy, dia toa izany koa ny fialonana ny namana, ny mpiray vodirindrina, ny mpiara-miasa.

• Indraindray io mety miantomboka amin’ny fankan-tahaka, dia mety lazaina fa fifaninana masina, rehefa tsy arakao anefa ny mpifaninana aminao dia mety ho latsaka any anaty fifampialonana sy fifampitsiriritana ianao.

2 – Latsaka anaty fandrika i Saoly :

a / - Vakio 1 Sam. 18 : 5—12.

Izay rehetra nasaina nataon’i Davida dia nahitany f ahombiazana avokoa , natao mpitarika antoko miaramila izy, lasa nalaza be sy tian’ny vahoaka izy, na ny mpanompon’ny saoly aza nankasitra ka azy. (Tahaka ireny olo-malaza mpihira sy mpanao sarimihetsika ireny angamba i Davida!)

Na ny vehivavy aza lasa namoron-kira « saoly nahafaty arivo, fa davida nahafaty aman’alina » ! Mba manahirana ihany ireto vehivavy ireto !

Nahasosotra an’i Saoly izany ! (iza tokoa no tsy ho tezitra amin’izany ? raha manao asa soa ianao ohatra ka misy manonona ny vola narotsakao dia miteny izy hoe « ianao nahafoy 10 ariary i rakoto na rabe kosa 100 ariary ?, tsy ahatezitra ve izany? saingy tsy voatery hialona na hitsiriritra ny olona! Manana safidy tsy hanao izany izy fa tsy terena !), lasa nalaza i Davida, tia azy ny vahoaka, « koa tsy ho azony eto ny fanjakako ? » hoy Saoly anakam-po , dia niova sy ratsy fijery tamin’i Davida i Saoly teto !, na aiza na aiza fikambanana alehanao eto ambonin’ny tany dia zavatra mety mitranga mandrakariva io.

Page 17: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 17/46

e / - Lokanga sa Lefona ?:

Nihetsika indray ny fanahy ratsy tao amin’i Saoly, lasa ohatry ny adala izy ao andapa, i Davida mitendry lokanga miezaka mampitony azy…Ao anatin’izany (hoy ny mpanentana) no torahan’i Saoly ny lefona eny antanany i Davida , I Saoly mitoraka lefona, i davida mampitony azy amin’ny lokanga !

f / - Niteraka aretin-tsaina hoan’i saoly ny fitsiriritan a sy ny fialonana :

• Nialona izy satria ny sasany nahomby sy nahavita ny tsy vitany! (niady t@ Goliata)…

• Nitsiriritra satria mba te ho tahaka an’i Davida, (be mpitia! )

g – Nanomboka teo no nivadika tanteraka ny fifandraisan’i Saoly sy Davida! ..Tsy ho mpinamana intsony izireo! (Tandremo izany ry tanora mpinamana!)

Tao anatin’ny andro vitsy monja dia nivadika be tok oa ny tantaran’i Davida, Mpiandry ondry izy, lasa olo-malaza, ary ankehitrin y kosa « fahavalon’ny mpanjaka ! WANTED »

3 – Mitondra lefona lava izao ?

a / - Misy olona tokoa dia tahaka an’i Saoly, tsy fantatrao mihintsy izay antony fa dia “mitondra lefona” lava izy, masiaka lalandava, raha resahina tsotra dia mamaly teny mandratra, misy zavatra mahatezitra azy foana, aviavy be sy masiaka ao anaty fivoriana kanefa tsy misy naninona azy akory ! ny olona be fialonana sy mpitsiriritra no manao toa izany ka tandremo !

b / - Tsy voatery hoe rehefa mpampianatra na mpitory dia hasiaka foana, na rehefa mpandroaka devoly dia lasa mpitrerona ! Tsia , tsy eny “an-tany fiadiana” i Saoly fa ao an-dapa, koa tsy tokony hitondra lefona mandehandeha toa izany izy ! …

c / - Azon’I Davida natao tsara ny nanary ny lokangany ka naka lefona hiaro tena ,na namelaka sns, saingy tsy nanao izany izy, fantany fa “fanahy ratsy no manjaka ao amin’I Saoly” ka tsy fantany intsony izay ataony

Page 18: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 18/46

Lesona faha 5 - NAMANA TENA NAMANA Vakio : 1 Sam. 18 à 23

Raha izaho no mba manana namana dia mba tahaka ity lazain’ny mpanoratra iray ity no tiako Inona moa izany hoe namana ?

“...Olona tsotra izy, afaka miseho amin’ny « tena maha ianao anao » ianao rehefa miaraka aminy, tsy mahatsiaro menatra na manova fihetsika ianao, Eo anatrehany dia tsy mila miezaka ny ho tsara na ho ratsy ianao , tsy mihafihafy, mahatoky tena tsara, Mahazaka ny toetra ratsy sy tsaranao izy, afaka miteny izay ao amponao ianao eo anatrehany, azonao hitantarana ny hadalanao izy, sady tsy mitsara anao, tsy mitana alahelo izy, tsy mitahiry na manaparitaka ny tsiambaratelonao ihany koa, Raha manao ratsy hianao , fantany izany saingy namany hatrany hianao, misy manjo anao ? miara-mitomany aminao izy, misy mahafaly anao , mifaly koa izy, ekeny ny safidinao , ekeny ny fiteninao, zakany ny fitafinao … namana mantsy izy ! Tsy olona hafakely izy fa olona tsotra tahaka anao ihany , olona izay sahinao anehoana ny tena ianao marina ! ...”

• " Izay tena sakaiza tokoa, dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy mamonjy, amin’ny fahoriana ».Ohab 17 :

17

I—DAVIDA SY JONATANA - FIFANKATIAVANA TONGA OHATRA

Dia tsy mety lanimanja ity tantara ity fa isaky ny miresaka fifankatiavan’ny mpinamana dia tsy maintsy resahina foana. Azo jerena amin’ny fomba efatra ny fifankatiavan’i Davida sy Jonatana :Izy roalahy dia nampianatra antsika ny toetra tsara takian’ny fifankatiavana: (fifankatiavana- fifampitokisana, ary fifanompoana ) (Jereo ny boky lesona “Ny fivavahana sy ny fifandraisana aman’olona”)

1. Vakio I sam 19:11-12. Ahoana tsara ny anjara asan’ny tsirairay eto i Saoly no mpanjaka , Davida kosa ilay « Mpanjaka miandry fotoana » , Mikala no vadin’i Davida sady zanak’i Saoly)

2. Vakio I Sam 20:1. Jonatana dia zanak’i Saoly Mpanjaka, nefa i Jonatana sy Davida dia samy mety handimby an’i Saoly eo amin’ny fitondrana. Inona no tian’i Davida ho fantatra avy tamin’i Jonatana ? (Namotopototra ny tena zava-misy marina izy)

a. Ankoatra ny « vaovao » , inona ihany koa no notakian’i Davida ? (Ny rariny ! , tiany ho fantatra koa hoe inona no hadisoana vitany no mitady hamono azy mihintsy ny mpajaka )

b. Efa niresaka ilay fiteny hoe «ny namana sahirana dia toy ny vay ankatoka » isika teo aloha. Namana sahirana ve I Davida eto?

3. Vakio I sam 20:2. Nahalala ny tena zava-mitranga marina ve i Jonatana ?

Page 19: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 19/46

a. Tsy tokony ho ahalala izany ve izy (normalement) ?

4. Vakio I sam 20:3. Nahoana i davida no manizingizina fa diso hevitra mihintsy i Jonatana fa tsy maharaka ny tetik’i Saoly ?

a. Araka ny fijerintsika , hatraiza ny halehiben’ny fitokisan’i Davida an’i Jonatana ?

b. Raha isika no teo amin’ny toeran’i Jonatana , inona no mety tonga tao andohantsika voalohany ? ( Raha vao maty eo Davida, dia malalaka ny lalako ho eo amin’ny fitondrana ! )

i. Inona anefa no azon’i Jonatana ? (vakio 1 Sam 20 :30-31 , ompa sy ozona no azony , ary teny maharary avy tamin’ny rainy !)

ii. Ahoano ataonao amin’ny namanao raha ny iray aminareo roa ihany no afaka mahazo tombony eo anoloan’ny zavatra iray ? (harena, andraikitra, olon-tiana, toerana ao ampiasana ? sns )

5. Vakio Fil 2:3-4 sy 1 Sam 20:4. Nanao araka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fifankatiavana ve i Jonataan ? ( Tena nanaraka antsakany sy andavany izy.)

a. Marihina fa ny Fil 2:4 dia mandidy antsika mba hitady izay ahasoa ny hafa fa tsy izay ahasoa ny tenantsika ; Nitady izay ahasoa ny tenany ve I Jonatana ?

6. Vakio 1 Sam 20:5-11. Nanolotra tetika i Davida mba ahafantarana raha tena tanindonondoza tokoa izy na tsia ! , Azontsika antsaina ve ny fitokisany an’i Jonatana eo anoloan’izany ?

a. Nahoana i Jonatana no milaza an’i Davida mba hivoaka any antsaha miaraka aminy ? (Tsy tian’i Jonatana ho fantatr’olon-kafa ny zavatra iraisan’izy sy Davida, Ny naman’i Jonatana dia mety ho tia sy mahatoky azy, kanefa tsy voatery homba sy ho tia an’i Davida kosa izy ireo fa mety ho miray tetika amin’i Saoly. Tsy azo atao raikipohy izany ilay hoe « ny naman’ny namako dia namako ihany koa » (les amis de mes amis sont mes amis) .

7. Vakio 1 Sam 20:12-16. Tamin’ny voalohany isika dia nanotany hoe « mitady izay tombotsoany manokana ve i Jonatana ? Tsia ! fa azony tsara fa nifidy an’I Davida ho mpanjaka manaraka ny rainy Andriamanitra , fantany koa anefa fa mety haningotra ny ainy sy ny fianakaviany izany, satria amin’ny maha samy mpifaninana (rivaux) azy ireo ho eo amin’ny seza fiandrianana , dia ho halan’ny naman’i Davida izy sy ny fianakaviany! Nahazo toky fiarovana avy tamin’I Davida anefa izy . Ary dia afaka niaro ny fianakaviany noho izany !

8. Vakio 1 Sam 20:17. Inona no maha tena mpisakaiza tokoa an’i Davida sy Jonatana ? Vakio Mar 12:29-31. Davida sy Jonatana dia nahatanteraka tokoa ilay didy

Page 20: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 20/46

hoe « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Raha tsy nohon’ny fahafantaran’i Jonatana ny sitrapon’Andriamanitra mikasika an’i Davida fotsiny , dia azo lazaina tokoa fa tia an’i Davida mihoatra noho ny tenany tokoa i Jonatana.

9. Raha mamaky ny tohin’ny tantara isika dia hitantsika fa nahavonjy ny ain’i Davida tokoa i Jonatana , ary na dia maty nandritra ny ady niarahany tamin’ny Saoly rainy aza izy, i Davida kosa dia nitazona hatrany ny fifanekeny mi kasika ny fianakavian’i Jonatana .

10. Ry sakaiza ! inona no fitandremana ataonao amin’ny fifidiananao ireo izay mifanerasera na misakaiza aminao ? Tena sakaiza tokoa ve ianao manoloana ireo lazainao fa sakaizanao ireo ? efa nolanjalanjainao araka ny sitrapon’Andriamanitra ve ny fisakaizanareo ?

11. Tena notanterahin’i Davida sy Jonatana tokoa ny fepetran’ny fisakaizana : tsy inona izany fa ny fifankatiavana, ny fifampitokisana, ary ny fifanompoana !

Page 21: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 21/46

Lesona faha 6- I DAVIDA FAHAVALOM-PANJAKANA -WANTED ! 1 Sam. 21-22.

Nandositra an’i Saoly i Davida, tari-dositra tsy misy fiomanana no nataony, nandositra nakany Noba izy

I – Namitaka ny mpisorona i Davida ; resin’ny tahot ra izy ;1 Sam. 21 : 1—9.

1 – Fa naninona i Davida no nakany Noba ?.

a / - Mety tsy nahita handosirana i Davida ka izay lalana tandrifiny no nandosirany, kanefa koa mety te haka hery eo anilan’ny mpisorona (mpitondra fivavahana) sy ny tabernakely izy, Tari-dositra no natao, tsy nisy nitondra vatsy , me ty nieritreritra izy hoe “aiza no misy toerana azo hisakafoanana? Dia niantefa tany a min’ny mpisorona ny safidiny !

b / - Tsy mahalala ny zava-misy marina ilay mpisorona , tsy natoky ilay mpisorona ihany koa i Davida ka tsy nilaza ny marina taminy, hany heriny NANDAINGA ! mba azahoany famonjena

Nolazainy fa nalefan’i Saoly hamita iraka miafina izy (mission secret) kanefa tsy marina izany,

Misy fanazavana hafa koa anefa azo omena nahatonga an’i davida handainga ( And 7) Mety ny fahitana an’i Doega edomita (lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly) no nampandainga an’i Davida , io Doega io dia natahorany hanao tatitra any amin’i Saoly ,

Ao anatin’ny olana dia misafotofoto ny eritreritra, indraindray dia manao ny tsy fanao ny olombelona, indraindray dia heveriny fa tsy misy hafa tsy ny « manota » sisa no hampilamina ny olana (Tsy efa sendra toa izany fa isika ?) Tsy ao anatin’ny sain’i davida mihintsy hoe manao ratsy olona anie izy …

II- NILA “FIADIANA” DAVIDA

e / - Alohan’ny handehanany dia nampitady fitaovam-piadiana ny mpisorona Davida, tsy misy hafa tsy ilay Sabatr’i Goliata anefa tao

Mivadika ny rasa eto : tsy i Davida ihany va no nanome toko sy andininy hoe « Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy lefona, izaho kosa manantona anao amin’ny anaran’Andriamanitra ?” Izao izy indray no mitady ilay sabatra nentin’I Goliata ! (Mora ery ny miteny sy manome toko sy andininy rehefa tsy an’ny tena ny olana e?)

Rehefa tojo olana tokoa dia miova tanteraka ny olona, Davida eto dia nivadika ati-doha mihintsy, karohin’ny mpanjaka izy (Wanted) ; tsy misy namana mihintsy satria i Jonatana dia tafasaraka aminy, aty antany efitra i davida , tsy misy fianakaviana, tsy misy azo hitarainana…Lasa nandray fanapahankevitra tsy ampiheverena izy nohon’ny tahotra.

Zavatra nolazainao fa ratsy taloha lasa ataonao, za vatra izay lazainao fa tsy hataonao mandrakizay no indro ataonao, (Mahatsiaro olona maro nankahala olona mpijangajanga izay aho eto, looza ! )

d / - Inona no nahatonga an’i Davida handainga ?

Page 22: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 22/46

Natahotra izy ! fara heriny naka ny sabatr’i Goliata !

• Olon’Andriamanitra i Davida saingy ankehitriny dia azon-tahotra izy , nandainga ihany koa satria very toky ka nitady fitaovam-piadiana, … tsy vitan’izay anefa fa mbola ho avy ny tena henjana (gravy) ..

III – Fahafaham-baraka tao Gata ! 1 Sam. 21 : 10—15 .

3 – Niverin-dalana mihintsy Davida :

a / - Nohon’ny tahotra an’i Saoly dia NANDAINGA izy, nentiny ny SABATR I GOLIATA, izao indray dia lasa nankany Gata izy ! … ilay tany nahaterahan’I Goliata ! … Lasa any amin’ny tanin’ny Filistina izy! .. any amin’ny tanin’ny fahavalon’ny Israely izy no nitady vonjy !

Amin’ny maha olona dia mety ny nataon’i Davida, anotanio anie ny mpanao politika e ? rehefa tsy eo amin’ny fitondrana dia mikambana amin’ny antoko hafa na dia mpifaninana taloha aza…” c / - Inona anefa no mahatonga an’i davida hanao an’izany ? lasa any amin’ny tanin’ny fahavalo izy, tanin’ireo olona izay tia sy notarihin’I Goliata (ilay novoniny) , sady amin’izay ny sabatr’i Goliata no eny antanany.

• Angamba izy nieritreritra hoe , Tsy hitady ahy aty Gata mihintsy i Saoly, aleoko mifampiraharaha amin’i Akisy Mpanjaka, izy zao handray ahy satria fahavalon’i Saoly izy »

Tena fihemorana ara-panahy no nanjo an’i Davida , olon’Andriamanitra izy, ary ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy tokony hifampiraharaha amin’ny « Filistina » na oviana na oviana !

Izay tokoa angamba no alaolana tsotra indrindra, kanefa ny alaolana tsotra indrindra hono tsy voatery ho tsara indrindra ihany koa… Mbola tsy vita ny tantara…

4 – Fantatry ny fahavalony i Davida , Nivoraka tant eraka izy ! And 12-13-14

a / - Fantatry ny filistina i Davida, mety nanova endrika izy saingy tratra ihany, Natahotra mafy ranamana ary ny sisa nataony dia MODY ADALA …

b / -Ilay olo-malaza fahiny , no indro mody adala fa matahotra ny ho faty !

c / - Noroahina hiala tao Gata i Davida adala ! Tsy nahomby ny tetiny, saika hiombona amin’ny filistina izy, tsy nahomby ny tetika, “Fahafaham-baraka” no azo !

d / - Tamin’ny voalohany tahotra, avy eo lainga, avy eo fahaverezan-toky, fivadihan-kevitra, ary farany fahafaham-baraka ….

IV – Lasa filohan’ny jiolahy ? : 1 Sam. 22 : 1—5.

a / - Rehefa tafaverina tao amin’ny tanin’ny Jiosy i davida , niafina an’i Saoly hatrany izy ary niery tao amin’ny zohy (Caverne d'Adullam.) Tonga namonjy sy niaraka taminy ny rahahiny sy ny fianakaviandrainy! (And 1)

Tsy ireo ihany anefa fa nisy olona maro ihany koa nivondrona niaraka taminy : Ireo tsy

Page 23: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 23/46

mahaloa trosa, ireo izay mpanohitra an’i Saoly, ireo sy tsy tia an’i Saoly, Lasa lehiben’ny dahalo (olon-dratsy) ilay olo-malaza !

c / - Fa miasa sy mahagaga Jehovah, satria ireo olona ton ga nivondrona niaraka tamin’i Davida ireo dia ho lasa « maherifo » aty aoriana, taona maromaro aty aoriana dia tao anatin’ireo andian-jio lahy ireo no nivoaka ireo miaramila mpanao vy very ny aina mpanompon’ny David a.

• Arakaraky ny nampiova an’i Davida no nampiova azireo ihany koa

• Nitodika tsimoramora tamin ‘Andriamanitra i Davida , nentiny nitodika tahaka azy koa “jiolahim-boto” ireo.

Manefy an’i Davida tsikelikely ho mpanjaka mahay sy malaza Andriamanitra , manefy ireo olona 400 lahy ireo ho olom-pirenena modely ihany koa anefa izy …Rehefa vonona ho mpanjaka Davida, ho tonga fatra miaraka aminy ihany koa ireo vahoaka kely ireo .

V – Ny ratsy atao misy vokany avokoa : 1 Sam. 22 : 5—23.

5– Tokony ho tapitra teo ny tantara saingy :

a / - I Doega sy Ahimeleka !

• Alaivo antsaina indray ity mitranga eto ity , Tanana antsoina hoe Noba, ilay tanana fanamasinana , mangina ny tanana, tsy misy feo heno, lalitra manidina no heno, maimbo faty ny tanana, indreo faty olona miampatrapatra eran’ny tanana, mpisorona no maty …85 isa… maty mbamin’ny vadiny, ny zanany… tsy nisy niangana ny iray tanàna, famonoan’olona fahobe no nitranga !.

b / - Hitan’i Doega edomita i Ahimeleka nanome mofo sy sabatra an’i Davida, tonga tatitra any amin’i Saoly izany , tao anatin’ny fahatezerana no nanomezan’i Saoly baiko ka namonoany ny fianakavian’ny mpisorona rehetra , Tsy nanaiky hamono ny mpisorona ny miaramilan’i Saoly tamin’ny voalohany (Najaina hatrany mantsy ny mpisorona) saingy i Doega kosa tsy israelita ka tsy misy hasiny aminy izany, izy no namono ny mpisorona ary ny niafaran’izany dia tanana iray manotolo no ripaka !

c / Mahagaga mihintsy i Saoly ! rehefa nodidian’Andriamanitra handringana ny Amalekita izy tsy nanao , izao indray fialonana fotsiny ,dia efa namonoany vahoakan’Andriamanitra.

d / - Nahatsiaro diso Davida ! Rehefa henon’i Davida ny v aovao, dia nahatsiaro ho tompon’andraikitra izy , satria fantany fa tsy main tsy hampandre an’i Saoly i Doega nefa tsy nisy fepetra noraisiny tamin’izany , kinan jo niafara tamin’ny fandripahana ny mpisoron’i Jehovah..

• Ny lainga toy salaka tokoa ka ny tompony ihany no afatony !

Tsy nampoizin’I Davida mihintsy fa ny lainga izay nataony anie ka manavotra azy eo noho eo , saingy ahafaty sy aharipaka olona aty aoriana ! tsy noeritreretiny velively fa ny lainga toa izany dia tsy maintsy misy akony hatrany aty aoriana, niaiky ny helony izy , saingy tsy

Page 24: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 24/46

hampiverina ny ain’ireo mpisorona sy ny vady amanjanany izany, Maty vokatry ny asa soa sy fitiavana nataon’ny tampitiavana ireo mpisorona, olona hafa no nandainga , olo-marina no ripaka ! raha mba nampoiziko mantsy hoy Davida !

IRETO MISY LESONA LEHIBE ANAKIROA

7 – Voalohany : Izay afafin’ny olona no jinjainy :

a / - Ny ratsy atao dia tsy maintsy misy vokany any aoriana any, lalan’ny fiainana sy lalàn’ny Soratra Masina izany ,

• Nom. 32 : 23

• Gal. 6 : 7

c / - Tsy misy ho afa-maina amin’izany ny olombelona tsirairay, izany no antony nahafatesan’i Jesosy Kristy, tsy misy hanafaka antsika amin’ny valin’otantsika afa tsy ny ràn’i Jesosy Kristy irery ihany .

8 – Faharoa: rehefa tratra , fahendrena ny miaiky :

a / - I saoly dia milaza hatrany fa tsy izy no diso fa ny hafa ! Davida kosa isaky ny ilazana ny fahotany izy dia miaiky mandrakariva.

Indraindray isika dia mihevitra fa tsy tsara ny miaiky ny hadisoana, lazaina fa ny hafa hatrany no diso,

Indray andro aho dia tafaresaka tamin’ny olona ankiray izay latsaka tao anaty fijangajangana, rehefa miresaka anefa izy dia lazainy fa « be loatra » ny tovovavy mihaodihaody manodidina azy ka « normale » hono raha lavo izy ! (sady izy indray no « mi-zesta ») Tsy aleo miaiky?! Tsy misy fijangajangana mandeha ila izany , (“mpanota” tahaka azy aho no miteny, fa arakaraky ny tsy anekena heloka no hidirana lalina aminy bebe kokoa)

b / - Ohab. 28 : 13 - " Izay manafina ny fahotany tsy ambinina fa izay mitsotra ka mahafoy izany no ahazo famelan-keloka."

Page 25: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 25/46

Lesona faha 7- NY FOMBA FIATREHANA NY FAHAVALO - 1 Sam. 23

Tsara ny manao jery todika kely eto, nanaraka ny ampahany kely tamin’ny fiainan’i Davida isika hatrizay, nanomboka izy niandry ondry ka hatramin’izao izy lasa mpitarika andian’olona izao, Niova tsikelikely ilay zatovo, nanomboka hainy ny mitondra olona, Ny fiainana ihany koa nahitany traik’efa isan-karazany, ary nisy tamin’ireny mangidy dia mangidy.

Raha jerena amin’ny fijerin’olombelona dia toa fifanojoan-javata hatrany ny fiainan’i Davida , kanefa isika rehefa nandinika dia nahatsapa fa « miasa ao ambadik’ireny zavatra miseho ireny hatrany Jehovah » (Izy no miasa ao ambadiky ny « rideau » ), toa tsy tazana mihintsy Jehovah tao anatin’izay tantara farany teo izay , saingy teo hatrany Izy , tsy misy niafina taminy Izay mitranga rehetra , amperin’asa mihintsy Izy, eo ampanefena an’i Davida sy ny mpanompony izy.

1 – Tsy mitady laza fa manaiky ny sitrapon’Andriama nitra.

a / - "Nisy niteny tamin’i Davida fa notafihin’ny Filistina ny tananan’i Keila, Inona no nataon’I Davida ?

• Manotany an’I Jehovah izy, « Handeha hiady amin’ny Filistina va aho ? » ary namaly Jehovah hoe « mandehana, ka vonjeo Keila »

• Aiza ho aiza anefa i Davida izao ? Eo amin’ny tannin-drazany izy (faritanin’ny Joda) miery ao anaty Alan’I Hereta aty amin’ny sisitanin’Israely izy, izay manamorona ny firenena Filistina, eo akaiky eo koa anefa no misy ny tananan’I Keila)

• Namaly anefa ny olon’I Davida: “eto amin’ny tanin’ny Joda aza isika matahotra , maika ka hiady amin’ny filistina?

• Toa azon-tahotra ny olon’I Davida eto, miafina aty anaty ala izireo (miafina an’i Saoly) raha vao manafika ny filistina eo anefa izy dia ho tery tokoa (entre-deux) satria sady efa karohin’i Saoly no hizaka ny valim-panafihan’ny filistina ihany koa…Ary ho fantatr’I Saoly ny toerana hiafenany …

• Tsy hoe kanosa akory ny olon’I Davida , fa kosa mitombina tsara mihintsy ny “analyse” na ny fandinihany ny zava-misy. Nahoana koa moa no izireo no mila manavotra ny tananan’I Keila? Tsy anjaran’ny miaramilan’I saoly ve izany?

Niverina nanotany an’I Jehovah indray Davida: “mandehana fa atolotro eo antananao izy” hoy Jehovah.

Nandeha nanavotra an’I Keila ary Davida sy ny olony, ary nahazo fandresena izireo tamin’izany; tafaverina avokoa ny zavatra rehetra nobaboin’ny Filistina.

Lesona roa no jerentsika eto:

1. Tsy mihevitra ny andeha amin’ny sainy i Davida f a MANOTANY an’I Jehovah izy:

Tsy tao antsainy akory ny hoe “inona re no ataoko mba hampalaza ahy, sy hitiavan’ny olona ahy e? Fa ny fanotaniana tonga tao antsainy dia ny hoe “Inona no tian’Andriamanitra ho ataoko amin’izao zavatra mitranga izao? Lesona lehibe izany: Isaky ny misy zavatra mitranga eo amin’ny fiainantsika andavan’andro dia apetraho avy hatrany ny fanotaniana, “inona no tian’Andriamanitra ho ataoko ?”

Page 26: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 26/46

2. Rehefa fantany “izay” sitrapon’Andriamanitra dia “nanatanteraka” izy :

Tsy asiana adihevitra io , rehefa “fantatrao ny tokony hataonao” dia ataovy! Aza misalasala, aza mijery izay ho fahasarotany fa ataovy !

Raha amin’ny maha olona dia navelan’I Davida ho babo tany ny olona tao Keila , sady Anjaran’i Saoly no miaro ity tanana ity satria izy koa anie no mpanjaka e, Saingy tsy eo aloha I Saoly amin’izao fotoana izao: Ary dia I Davida no vonona ny hanaiky ny baikon’Andriamanitra na dia fantany fa hiatra aman’aina aza izany.

2 – Nitsoaka Davida sy ny namany :

a / - Henon’i Saoly anefa fa tao Keila i Davida, dia nihevitra tao antsainy izy hoe « Efa natolotr’i Jehovah ho eo atanako izy, satria efa tafajanona ao amin’io tanana mifefy sy mihidy io »

Dia niantso ny vahoaka afaka miady rehetra i Saoly mba hanafika ny tananan’i Keila izay misy an’i Davida sy ny olony.

Inona no lesona azo tsoahina eto :

b / - Zavatra efa mahazatra no hita eto (indrindra eo ani von’ny fiangonan’Andriamanitra) : Olona roa mifanohitra sy miady , kanefa samy resy lahatra fa manao ny sitrapon’ Andriamanitra avokoa.

Ny tena marina anefa dia ny anakiray ihany no tena mitady ny sitrapon’Andriamanitra marina…

I Saoly dia manao ny fanaotsika matetika; tsy inona izany fa ny mihevitra ny “filàn-tsika” ho sitrapon’Andriamanitra, Ny faniriany no lazainy fa sitrapon’Andriamanitra. Dia toy izany foana no nataony: fiteny moa ilay hoe “raha tsy sitrapon’Andriamanitra io tsy tanteraka” kanefa aoka tsy ho afangaro mihintsy ny “zavatra avelan’Andriamanitra hitranga” sy ny zavatra tian’Andriamanitra hitranga”

c / - Hoan’i Saoly : Ny fijanonan’i Davida ao amin’ny tananan’i Keila izay mifefy manda sy vavahady vy dia toy ny « famantarana » avy amin’Andriamanitra fa « ho atolony eo antanany» izy.

• Ny tena marina anefa dia Andriamanitra no naniraka an’I Davida hamonjy ny mponina tao Keila ary izay ihany ! fa tsy hoe nataon’Andriamanitra mitranga izany mba hambaboan’i Saoly azy.

• Afaka niala mialoha anefa i Davida satria nampandrenesin’Andriamanitra mivantana ny fihavian’i Saoly izy !

• Alohan’ny handosirany dia nanotany an’I Jehovah izy, hoe “ho avy aty va I Saoly ary hanolotra ahy eo antanan’I Saoly va ny mponina eto Keila? Eny hoy Jehovah!

• Saika ratsy ny fiafaran’ iny !

f / - Mba hafahafa fisainana tokoa ny mponina tao Keila, Olona namonjy azy sy nanavotra azy i Davida , kanefa dia vonona ny hanolotra azy eo antanan’i Saoly izireo, Ny hafa mahafoy tena hanavotra azy, izy kosa matahotra an’i Saoly ka vonona ny hanolotra ny hafa….

Page 27: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 27/46

Azon’I Davida natao ny naka ny tananan’I Keila ho t akalon’aina rehefa tonga I Saoly saingy tsy te hanisy ratsy ny olona tao izy .

3 – Ao anatin’ny fotoana mahaory dia mandefa mpampa hery Jehovah :

a / - I Sam 23 : And 14

Ny tananan’i Zifa dia kilometatra vitsivitsy avy eo Ebrona, Tany efitra sy feno havoana sy haram-bato io toerana io ,ary mety hiafenana tsara saingy tany ngazana sy maina. (Vakio Salamo 52 - 59). Rehefa mamaky io Salamo io isika dia ho tsapantsika fa tena kivy dia kivy i Davida tamin’io vanim-potoana io.

• "Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro ." Ohab. 55 : 5

b / - N’inon’inona nataony dia tsy mampivaha ny olana hatrany izany, Manavotra tanana izy, avy eo indray mandositra an’i Saoly, Ireo olona izay antenainy mba hankasitra azy sy homba azy; no mikendry hanolotra azy amin’I Saoly indray …

c / - Tsy efa sendra izany ve ianao ? Manompo an’Andriamanitra sy manao ny asany, manampy sy mihantra ny hafa ihany koa, indraindray aza maka “risque” be mihintsy, ho valin’izay anefa dia ianao indray no sahirana sy tsy afaka « Problema » hatrany hatrany !

• Ao anatin’izany fotoana mangidy izany no tonga eo a miny i Jonatana, (tonga mangingina sady niafina ny rainy) nampahery azy izy , sady nampatsiahy azy fa momba azy Andriamanitra!, Tsy kisendrasendra fa tena Andriamanitra mihintsy no nandefa an’i Jonatana , satria fantany ny hakiviana nahazo an’i Davida.

4 – Ho tratra Davida, nahetsik’Andriamanitra ny Fil istina ! :

a / -Ny mponina tao Zipa dia fokon’ny Joda, tahaka an’i Davida ihany koa, mpiray foko sy tanindrazana aminy ireo mponina ireo, Mazava ho azy fa nino i Davida fa hiaro azy eo anatrehan’i Saoly ireo mponina tao Zipa ireo : kinanjo ny nanoro an’i Saoly ny misy azy aza no nataony.

b / - I Sam 23 :21-22 Dia mbola niseho ho masina be ihany i Saoly ka niteny tamin’ny mponina tao zipa hoe « Ho tahian’Andriamanitra anie hianareo , satria ianareo mba mamindra fo sy miantra ahy », lasa i Saoly indray no nilaza ho voa mafy eo anatrehan’izao krizy izao, izy mpanenjika indray no milaza fa mijaly. Ny tena marina anefa dia « fankahalàna tanteraka” no ao ampon’i Saoly.

Teto dia azon-toky i Saoly hoe « ho tratra sy tsy ho afa-miala intsony i davida »

Nisy nampilaza tany amin’i Saoly ary fa hoe any ami n’ny taniefitr’i Maona (Desert de Maon) i Davida no miafina…

c / -Raikitra ary ny fifanenjehana sy ny ankiafina, haram-bato anakiray no misy ny fifanenjehan’izy roa tonta, i Saoly sy ny miaramilany ety amin’ny lafiny iray, I Davida sy ny olony kosa mivadika aty ambadika…

Efa hovoahodidina tanteraka (encerclé) Davida sy ny olony, ary minitra sisa no isaina dia ho voasambotra i Davida, And 26

Eo amin’ny minitra farany anefa no nisy hafatra maika tonga hoan’ny mpanjaka: “miverena

Page 28: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 28/46

haingana hianao, fa efa manafika ny Filistina” And 27

Teo no ho eo ihany dia tsy maintsy niverina haingana i Saoly sy ny miaramilany handeha hiady amin’ny Filistina. “Avotra indray Davida! Navotan’Andriamanitra izy” efa tena tsy misy fanantenana intsony izy no Namonjy azy Andriamanitra, ary ny Fahavalony no nahetsiny mba ho famonjena ho azy. Izany Jehovah Andriamanitra: “Manavotra anao amin’ny fotoana mety sy ilanào azy mihintsy Izy”

Lesona lehibe no azontsika raisina eto :

Mety hisy fotoana handalovanao « tanihefitra, tsy fisiana, aretina , olana maro mifanotona, amin’io fotoana io koa anefa no toa tsy misy miraharaha anao ny olona, ny namanao antenainao toa mamadika anao na miala aminao, Misy fiteniko matetika rehefa miresaka amin’ny namana tratran’ny « fahoriana sy adin-tsaina » toa izany aho hoe « tahaka ny mpanao daomy io r’ise a ! rehefa tampina ny daomy , ka tsy misy olona manana halahatra intsony, dia anjaran’Andriamanitra no mandefa ny vatony ! »

Aza hadino ilay tenin’i davida manao hoe « Fa mamelatra latabatra ho ahy eo anatrehan’ny fahavaloko Ianao Ohab 23:5»

Page 29: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 29/46

Lesona faha 8 NY AMIN*IREO « OLOM-BOAHOSOTRA »

1 Sam. 24

Fampidirana: Mety ho diso na azo disoana ve ny mpitondra fivavahana ? na ny mpanjaka, na ireo mpitarika voatendrin’i jehovah, Hiezaka ny hitady fanazavana amin’ny alalan’ny tantaran’I Davida isika , ary tsy homba ny firehana atsy na ny aroa, fa andeha ny Soratra Masina no hojerena.

Tao anatin’ny toko faha 23 dia saiky tratra sy voasambotra i Davida, vokatry ny zavatra nitranga (nataon’andriamanitra) anefa dia avotra soa amantsara ihany izy tamin’ny fotoana farany,

Tonga ao En Guédi (tandrifin’ny Forteresse de Massada amin’izao fotoana izao) i Davida sy ireo namany 600 lahy, Tao amin’io toerana io no nahitan’izireo Lozoka (na lavabato) lehibe anakiray izay afaka hitobian’ny olona 600 lahy,

Tamin’izay fotoana izay no nisy niteny tany amin’i saoly hoe “any amin’ny “Desert En Guédi” i Davida !

Mahagaga tokoa fa misy foana ny olona izay mitati-bolana (na lainga io na marina) ary na dia ao anaty lava-bato aza hianao no miresaka sns dia tsy maintsy misy hatrany ny mitondra tatitra any ambony any, koa tandremo ny fihetsika sy fiteny fa ny rindrina aza hono mana-tsofina ! Matetika anefa ny tatitra tsara dia tsy mba tongany any firy fa ny ratsy hatrany, Misy tokoa olona tena sarotiny amin’ny fikambanana sy ny fahamarinana, kanefa tsy ilaozan’ny olona izay manaratsy ny hafa mba hisongadinany sy hisehoany ho “olo-mahatoky” eo anatrehan’ny mpitondra.

Teo noho eo hany dia nihetsika i Saoly : Miaramila telo arivo lahy no nangoniny avy tamin’ny tanin’ny israely rehetra, ary dia lasa nam onjy ny vatolampy fiafenan’ny Tarik’I Davida izy And 2.

Teny andalana (satria tsy fantany marina ny tena toerana hiafenan’I Davida) dia poritra I saoly ary sendra nandalo tandrifin’ny fivoahan’ny lavabato anakiray izy , Niditra tao izy mba « hiavela » (tsy matory akory zany re olona, na miala sasatra fa « mikapa » hoy isika tanora izay ! na nanao maloto! )

Tsy azony antsaina mihintsy hoe ireo olona izay karohiny anie ka ao anatin’io lavabato io , miafina sy misitrika ao anaty maizina sy antsefatsefam-bato ao. Elanelana metatra vitsivitsy monja no misy azy sy I Davida sy ireo namany amin’io fotoana io

Izany tokoa ve no valim-bavaka ?

Ela kosa no niaretan’i Davida sy ny olony, Izy enin jato lahy no ao anaty lava-bato, i Saoly kosa anefa izy irery sady tsy manampo na inona na inona fa “miavela” soa amantsara!

Tsy mahazo miteny mafy na mihetsika mahery fandrao dia taitra eo i Saoly, kanefa nientanentana loatra ny fon’ireto naman’i Davida ka indro nisy vitsivitsy nijaikojaiko nanantona an’i Davida : "Deraina ny Tompo, tena valim-bavaka ity, izao ilay hoe hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao » hoy izireo , Ataovy amin’izay tokony hanaovana azy sefo a ! »

Page 30: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 30/46

1 –Inona no tokony hatao rehefa tena eo ampelatanan tsika ny ain’ny fahavalontsika?

a / - Raha olona manodidina anao no anotanianao izany dia hoy izy ireo hoe « Araraoty fa tsy hisy fanindroany izao » Sady misy mahavita manome toko sy Andininy mihintsy hoe « Izao no fotoana andraisanao ny valim-bavaka, hoe ho atolony eo antananao ny fahavalonao” ka inona no andrasanao

b / - Nihevitra izireo fa « sitrapon’Andriamanitra mihintsy ny hamonoan’i Davida an’i Saoly eto » sady Saoly koa anie Mpanjaka ratsy fanahy e ! Be fialonana sy saropiaro amin’ny fahefany sy ny fitondrany , sady i Davida koa anie efa olom-boahosotra e ! raha samy olom-boahosotra ve no hiady sy hifampiapanga , iza moa no ho diso amin’izany? I Davida aza efa voahosotry ny Fanahy Masina ihany koa , I Saoly kosa efa niala taminy ny fanahin’I Jehovah, ary ny zavatra ataony an-davan’andro dia maneho fa « Demoniaka » mihintsy izy ,satria fanahy ratsy no ao aminy (sady mandainga izy no mitady hamono olona izay tian’ny vahoaka, no mamono izay mpitarika ara-panahy mahasahy manohitra azy (ilay nanome mofo an’I Davdia). Tsy efa ampy ve izay fandeferana izay ? Inona re no ho fanapahankevitr’I Davida e? Tsy te ho eo amin’ny toeran’I Davida tamin’izany aho.

c / - Tsy nikasa velively ny hamono an’i Saoly i Davida , Saingy nanao fihetsika « Demonstration » izy mba hanehoana amin’i Saoly fa afaka namono azy izy raha nila izany.

• Jereo ny And . 4 – fa nitsangana Davida ary nanapaka ny sisin’ny kapaotin’i Saoly (“karazana menteau » izany kapaoty izany

d / - Toa mampihomehy ny fitrangan-javatra ity eto, saingy tsy mampihomehy akory ilay izy satria « nanenjika an’i Davida ny eritreriny » And 5 …

e / - Teo no ho eo ihany , vao vita izany zavatra izany dia tonga saina tampoka i Davida , Niverina tao antsainy tampoka fa « tsy tokony hanao izany izy », tsy ny hoe tsy tokony hamono ny mpanjaka ihany izy, fa fantany ihany koa fa na ny fanapahana ny akanjon’i Saoly aza dia tsy tokony nataony akory ! Satria efa manao ratsy ny mpanjaka koa izany.

Tsy mety ny nataony :

• Tsy mety ny nataony satria nanala baraka (ridiculiser) ny mpanjaka teo imason’ny vahoakany izy, (ary tena tsy zakan’ny mpitondra mihintsy aloha izany e !)

• Tsy mety ny nataony satria izany fihetsika izany dia maneho « tsy fanajana » ny mpanjaka.

• Tsy anjaran’i Davida ny Fahamaliana.

• Ny fanapahana ny akanjony dia efa miendrika famonoana sahady !

• Tsy mety ny nataony satria Saoly dia mbola olom-boahosotr’i Jehovah ihany.

• Tsy fanekena ny fahefan’i Saoly ho mpanjaka iny nataony iny.

2 – Nahoana i Davida no tsy nanararaotra ny zava-ni tranga?

Page 31: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 31/46

A / - Eo amin’ny fiainana dia tsy vitantsika ny manakana ny toetran’ny olona, tsy vitantsika ny manakana ny olona tsy hankahala antsika, misy aza olona izay heverintsika hoe masina, kinanjo feno avonavona sy lolom-po amintsika izy, izy ireny no tsy voafehintsika fa isika kosa afaka mifehy ny tenantsika tsara tsy hanao ny ataony .

B/ - Ka inona ary no atao raha misy olona manao ratsy an tsika ? Safidy telo no misy : (1)Na isika mamaly faty (maso solon’ny maso), (2) na isika manao tahaka ny nataon’i Davida eto (maneho fihetsika maneso na manila baraka azy), (3)na isika mitaraina any amin’i Jehovah. (Tadidio ny lesontsika “Ny fitiavana ny fahavalo” Boky: “Ny fivavahana sy ny fifandraisana aman’olona” : Ilay fahatelo no mety indrindra :

Sady tsy aleonao ve Andriamanitra no mikapoka azy toa izay ianao? ahavita firy eo moa ianao? Ny momba azy telo arivo, ny anao enin-jato ?

d / - Ao amin’ny 1 Sam. 24 : 8—15 , dia misy antony telo nahatonga an’i Davida tsy namaly faty avy hatrany :

3 – Antony voalohany: Tsy namono an’i Saoly i David a satria mbola manaiky an’i Saoly ho mpanjakany izy

a / - And 9 , Hoy Davida "Ry mpanjaka tompoko ô ! » , nanaiky marina izy fa mbola I Saoly no mpanjaka , ary manjaka aminy ihany koa.

• Tsy misy adihevitra izany na mety na tsy mety ny ataon’i Saoly azy ! • Raha mbola i Saoly no mpanjaka dia mendrika ny ha jaina sy toavina hatrany izy. • Midika izany fa tsy afaka ny hamaly faty mihintsy i Davida na dia nanao ratsy azy aza i Saoly.

b / - Efa nahita miaramila aho , izay ny lehibeny dia olona fohikely sy mahia kely noho izy, kanefa dia manao « salut » hatrany izy rehefa mandalo ilay lehibeny, fiteny miaramila ny hoe “tsy ilay olona no omena “salut” fa ny “gradiny” na ny fahefany. Na olona tsy mendrika aza no Kapiteny , tsy misy idiran’izany ny fanajana azy , omena salut ihany izy satria manam-boninahitra. Adidin’I Davida ny manaja an’I Saoly satria MPANJAKA izy.

c / - Miady amin’i Jehovah izay miady amin’ny voahosony : fa hoy Davida « Sanatria amiko raha hanao izany « amin’ny tompoko » izay voa hosotr’i Jehovah… fa voahosotr’i Jehovah izy.

Iza moa no nifidy an’i Saoly ? Jehovah . iza no nam etraka azy ho Mpanjakan’Israely ? Jehovah .

Noho izany raha miady na manisy ratsy an’i Saoly dia mijoro ho fahavalon’i Jehovah, Na ratsy toetra izy na tsara toetra, aleo tsy mikitika azy.

4 – Antony faharoa : tsy namaly faty i Davida , nal eony miandry an’i Jehovah hanome rariny azy :

a / - Vakio ny and. 10-11-12 , "Nahoana ianao no mihaino vavan’olona ?... tsy nanota taminao aho , nefa hianao kosa mitady hamono ny aiko!” And 13 « Jehovah hitsara ahy sy ianao !”

• Teto dia nasehon’i Davida marimarina fa Diso i Saoly, tsy niantso vavolombelona

Page 32: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 32/46

anefa izy na niantso vahoaka hitsara ny adinizy mianaka fa Jehovah no nantsoiny ! “Jehovah no hamaly anao nohon’ny amiko » hoy izy

• Na dia tsy azo asiana ratsy aza ny voahosotr’i Jehovah dia azo disoina soa amantsara kosa rehefa tsapa fa diso.

d / - Fa mbola nisy fahendrena anakiray tsy takatry ny ma ro ihany koa tsapan’i Davida eto. Raha resaka valifaty ; Jehovah mbola mahay kokoa noho isika olombelona ! Izy mahalala ny ao am-po Izy mpitsara marina sady mahafantatra tsara ny ten a maharary ny olona anakiray ahafahana manafay azy .

e / - Mahalala tsara i Davida fa tsy maintsy hisy andro , raha sitrak’i Jehovah, i Saoly dia ho akisak’Andriamanitra tsy hoe eo amin’ny seza fiandrianana ary izy no hapetrany handimby azy, Firifiry moa ny zavatra simba sy potika eo amin’ny fiainan’ny olona anakiray nohon’ny tsy fahaizana « miandry », firifiry ny fahotana vita ? ny rà latsaka hoan’ny mpanao politika ohatra?

5 – Antony fahatelo : Tsy namaly faty i Davida satr ia tsy te hitovy toetra amin’i Saoly izy :

a / - And 14 - "Avy amin’ny ratsy no hivoahan’ny ratsy, hoy ny ohabolana jiosy » Ny tian’i Davida tenenina dia ny hoe « raha manao ny ataony aho dia hitovy toetra aminy »

b / -: Aza miady amin’ny kisoa , fa tsy maintsy hioson-dot o miaraka aminy ianao, ny loto anefa tiany”

• Ilaina indraindray ny tsy miady hevitra sy tsy mifamaly aman’olona na manana ny marina aza, misy fotoana aleo tsy miteny fandrao dia miady amin’ny kisoa eo ianao.

6- Fehiny : Aza hadino fa anisan’ny fampianaran-diso izay nialàna tany amin’ny fiangonana katolika ilay katesizy manao hoe « Moa mety diso va ny papa raha mampianatra ?” dia misy valiny manao hoe « tsy mety diso na azo disoina ny papa raha mampianatra ». Koa sanatira raha hisy « papa ray masina hafa koa » aty amin’ny fiangonan’Andriamanitra .

Fantatr’Andriamanitra ny momba azy rehetra (na ny ratsy na ny tsara) saingy mbola « notendreny » ihany izy satria izy (na izireo) aloha no ankasitrahanY ho mpitarika fa tsy isika na olon-kafa . Mety ho diso tokoa ireo mpitondra fivavahana na mpitarika na ny filoha na mpanjaka, ary azo disoina izy, saingy tsy mendrika ny manisy ratsy sy manala baraka eo imason’olona izy ireo,

Ahoana ary no tokony hatao ?: Isika izay mahita fa diso ny olom-boahosotra anakiray na maromaro dia tokony hanantona azireo ary miresaka aminy mangina, na koa mijery izay sehatra mety hanaovana izany (fivoriana ohatra).Tsy tokony hisy koa izany mpitondra na mpitarika hiezaka hanamarin-tena amin’ny alalan’ ny toriteny sns eo imason’olona rehefa diso (Satria Andriamanitra no m anamarina azy fa tsy ny tenany ) , ary tsy tokony halaina baraka kosa izy na disoi na eny imason’olona (ivelan’ny fivoriana ohatra) na asiana ratsy rehefa diso satri a « olom-boahosotr’i Jehovah izireo ».

Page 33: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 33/46

Lesona faha 9 I ABIGAELA , SADY MANJA NO TSARA SAINA

Fampidirana :

Tsy efa nisy fotoana ve isika nahamarika fa tena misy mpivady tsy mitovy mihintsy , na mpifankatia koa aza, misy tovolahy lavabe miaraka amin’ny tovovavy fohikely, misy tovovavy lazaina fa tsaratarehy nefa dia miaraka amin’ny tovolahy toa ratsy tarehy, misy olona manam-pahaizana sy fahalalàna kanefa dia mivady amin’ny olona tsy aninon-tsy aninona… mahagaga mihintsy Andriamanitra e?

Vakio : 1 Sam. 25

Hitantsika tamin’ny toko faha 24 fa Namindra fo tamin’i Saoly i Davida , ary dia nisaraka tsy nisy naratra izy mianaka teo, I Davida sy ny olony kosa dia lasa nakany amin’ny taniefitr’i Maona, ary dia nitoby teo akaikin’ny tanin’olona anakiray antsoina hoe Nabala.

And 1-4 Nandritra ny fitobian’I Davida tao dia nisy fotoana izay niarovan’ireo “miaramilan’I Davida ny fananan’io Nabala io satria misy ireo « dahalo » izay manafika matetika.

Ny baiboly dia milaza fa « mpanjato be » ralehilahy, ny teny hebreo milaza hoe « mpanjato be » dia midika hoe « manan-danja na avoir du poids», raha amin’izao fotoana izao dia antsointsika izy hoe « ny ngeza » na “ny olom-baventy na ny deba”. Nanana ondry 3000 kosa izy sy osy 1000. (raha 70 000 ar ny iray dia manana vola 280 000 000Ar izy na 1 milliard 400 millions fmg)

Raha amin’ny teny hebreo , ny anarany hoe Nabala dia midika hoe Adala, tsy fantatra na anaram-bosotra vokatry ny toetrany io fa dia izay no anarany voarakitra ao amin’ny baiboly; Sady ambaran’ny soratra masina fa tena masiaka sy saro-po tokoa nedala !

1 –fotoana fanetezana ny volon’ondry tamin’izay :

a / - Nanana vady antsoina hoe Abigaela i Nabala, (ny teny hoe Abigaela dia midika hoe « loharanom-pifaliana » ) ary tsy adinon’ny baiboly ny manamarika fa tsara saina sy tsara bika tokoa ravehivavy.

Eto izany dia lehilahy adala manambady vehivavy tsara tarehy sy tsara fanahy no hitantsika, ahoana re no nampivady an’izy roa ireto e? tsy fantatro ! mety ho vady namboarina koa angamba kanefa isika efa niresaka teny amboalohany fa fomban’ny zanak’olombelona mihintsy ity miaraka tsy mifanentana ity.

b / - Vanim-potoana fanetezana ny volon’ondry tamin ’izay, vanim-potoana mafana, ary vanim-potoana azahoana ny tombom-barotra vokatr y ny fisasarana hatrizay, vanim-potoanan’ny fety izany teo amin’ny jiosy mpio mpy ondry aman’osy, fomba tamin’izany ny manome fanomezana amin’ireo mpiandry ondry sy mifanasa amin’ireo fianakaviana manodidina.

c / - Raha nandefa ny mpanompony hoany amin’i Nabala i Davida dia nangataka ihany koa ny mba hanomezan’i Nabala izay mba azony atao , sady nanao teny manaja an’i Nabala izy no nampatsiahy azy ny soa nataony azy nandritra ny fotoana nitobiany teo akaikiny. (manaporofo izany ny tenin’ireo mpiandry ondrin’i Nabala eo amin’ny andininy 15 sy 16

Page 34: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 34/46

d / - Teo ampiandrasana ireo mpanompony dia efa nanantena ery i Davida ihinana « côtelettes n’ondry” anio hariva sady hanao fety … saingy tsy hisy fety anio.

e / - Tsy araka izay nandrasana anefa ny valin-kafatr’i Nabala : "iza koa izay Davida, inona koa izay zanak’i Jesé, Olona mpivenjivenjy ireny ve no homeko ny fananako ? “ tahaka izany no navalin’I Nabala! (And 10)

f / - Tena Tsy anaram-poana ilay hoe Nabala, Aza hadino ity ohabolana ity ry zareo « Izay mampahatezitra ny mpanjaka dia mitady loza hoan’ny tenany” dikanteny malalaka Ohab 20:2 ” aza hadino fa tao amin’ny toko 24 and 21 ; na I Saoly mpanjaka aza dia niaiky fa tsy maintsy ho lasa mpanjaka I Davida , ka iza no olona misaina handà tsy hanao soa azy? Tena adala marina ity Nabala ity , ka tsy fantany akory ny maha izy an’I Davida , tena tsy mahay politika nedala !

g / - Nanao diso roa lehibe i Nabala :

1. Tsy nety hanao soa an’i Davida sy ny mpanompony izy.

2. Niteny ratsy an’I Davida sy I Jesé rain’I Davida izy ! Tsy ho zakan’I Davida izany!

2 – Ahoana moa izany hoe “Davida tezitra” ? :

a / - Izao no fihetsik’i Davida vokatry ny hadalan’i Nabala And 13 : Nasainy naka ny sabany avy ireo zatovony, izy koa naka ny sabany ho teo ambalahany , efa-jato lahy no niainga, roanjato kosa no nijanona hiandry tanana,

Romotra mafy Davida ary dia tena nivonona ny hamely mafy an’I Nabala izy, tsy hoe hananatra na hanitsy azy akory fa tena ny handringana mihintsy, efa-jato lahy no hanafika tananan’olona anakiray (tahaka an’I Saoly izay nitondra teloarivo hanafika an’I Davida eninjato, eto anefa dia tsy ampahadiminy akory I Nabala fa tena ampahazatony mihintsy! ), Tsy hisy hiangana ao androany !

b / - Andao dinihina kely ny zava-mitranga :

• Rariny tokoa raha tezitra mafy i Davida , tsy tsara anefa ny mamaly ratsy, ary efa fantany hatrizay izany, azony natao ny niteny hoe « tena adala marina ilay Nabala fa aza omena tsiny izy, mandehana mankany an-kafa » saingy tsy izay no nataony…

c / - Tsaroanareo ve i Davida izay afaka namono an’i Saoly kanefa tsy nataony izany , izao anefa i Nabala no mihetsika hadalàna ary dia vonona ny hamono azy i Davida ! (tsy olom-boahosotra marina angamba moa ny sasany kou! )

d / - Inona moa izay Nabala raha ampitahaina amin’i Saoly, I Saoly mikasa hamono azy , tsy nasiany ratsy, eto i Nabala tsy mety manome zavatra azy , d’efa maharomotra azy izany !

Ilay Davida mpamindra fo no mivadika ho Davida mpam aly faty ! Soa ihany fa teo i Abigaela

Ny mahazendana amin’ity tantara ity dia tsy ny hada lan’I Nabala akory fa ny fihodinan’ny hatezeran’i Davida sy ny nivadihany ho « mpamono olona » tao anatin’ny andro iray monja.

Page 35: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 35/46

3 – Abigaela no nihetsika :

b / - Henon’i Abigaela ny tantara, fantany tsara ny zavatra ho avy sy hitranga, fantany koa fa olona romotra sy reraka ary noana no ho avy eo ka dia nanomana sakafo hoan’olona 400 izy.

•Sakafo be no nomaniny , jereo ny andininy 18 (mofo roanjato, divay 2 kitapo be, ondry dimy voavoatra tsara, « karazana voanjo indimy famarana » , voaloboka maina zato toko… tena hotely be mandehandeha,

c / - Ny tanjony dia tsotra : hotsenaina eny andalana ny miaramilan’i Davida, ary homeny sakafo be, no sady handresy lahatra an’i davida izy mba tsy hamono ny vadiny ! tena ilay voalazan’ny ohabolana 16:14

d / - Ny fanomezana fanatitra na fanomezana « offrande » hoy ny teny vahiny dia fomba anakiray hampitoniana ny hatezerana sy azahoana sitraka , « Aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra hoy Jehovah » izany no nahatonga an’i Jesosy nanolotra ny ainy ho fanatitra tamin’ny atsasaky ny herin’andro, Azo atao tsara koa izany amin’ny fiainana an-davanandro, (na dia miendrika kolikoly aza izany raha ampiasaina amin’ny ratsy) satria mahomby hatrany io ( 99%)

4 – Ny fihetsik’i Abigaela :

a / - 1 Sam. 25 : 20 , no mitantara ny tohiny :

• Nitaingina apondra izy, nandeha namonjy ny lalana hifanena amin’i Davida,Teny andalana no nifanena ny roa tonta, i Davida anefa efa tena ao anatin’ny hatezerany tanteraka ; « zava-poana fotsiny izany ny soa nataoko an’iny rangahy iny ? Ho hitany kely fa haripako ao anatin’ny indray alina monja izy sy ny fananay rehetra” (Dikateny malalaka)

b / - Ao antin’izany hatezerana mameno ny fo sy ny sain’i Davida izany , raha mbola mieritreritra ny valifaty hataony izy no ..., indro tonga manatona azy I Abigaela., Zavatra tsy nampoizina no nataon’I Abigaela: Nidina ny apondra nitaingenany izy ary tonga niankohoka teo anoloan’I Davida (tena niankohoka fa tsy hoe niondrika kely tsy akory) And 23

“Iza no lehilahy tsy resim-bavy ?”hoy ny mpanao hatsikana Tsy misy azon’I Davida

atao amin’ ity vehivavy ity na dia tao anatin’ny hatezerany aza izy:

• Vehivavy manam-panahy no eo anoloany • Malala-tanana (jereo ireo fanomezana nomaniny) • Manana tenim-pahendrena ( hojerentsika rehefa avy eo) • Mitsinjo ny ankohonany izy ary tsy mieritreritra ny voninahiny. • Sady vehivavy tsara tarehy koa e !

Ireo antony telo (arguments) naroson’I Abigaïla

Ireto dingana roa ireto no nentin’i Abigaela nisedra olona tezitra sy misafoaka tahaka an’i Davida:

Page 36: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 36/46

Dingana voalohany: Niaiky izy !

/- Nilaza izy fa, "Izaho no diso, izaho no tokony helohina » kanefa tsy izy akory no diso And 24

Faharoa- Niaky izy fa « adaladala » ny vadiny ! And 25

Tsy hoe mamadika ny vadiny akory i Abigaela ! milaza ny marina izy mba hiarovany azy. eto dia ahitantsika ireo fomba telo izay namahany ny olana

Dingana faharoa: Nampisaina an’i Davida izy

5 –Voalohany : « Nalefan’Andriamanitra aho hanakan a anao tsy hanao fahotana mahafaty » , satria ny faharatsiam-panahy dia avy a min’ny ratsy fanahy, ianao anie tsy ratsy fanahy e !

6 – Faharoa : Andriamanitra no mamaly ny ratsy fan ahy:

• Nampahatsiahiviny an’i Davida fa fony izy nohenjehin’i Saoly dia narovan’Andriamanitra hatrany, ka raha te hamaly ratsy hianao dia aoka ny A-trao no hamaly fa tsy hianao” amin’izay dia mazava fa handresy hatrany hianao

7 – Sady tsy hanenenanao izany, sady ianao anie ho lasa mpanjaka e!, fa raha manao ratsy eo ianao dia ho feno rà ny tananao (And 30) :

c / - Tena mila finoana matanjaka tokoa vao mahasahy miteny fa « ho mpanjaka i Davida ». Fa amin’izao fotoana izao aloha dia mpitarika andian-jatovo izy, ary mandositra an’i Saoly.

8 – Ary dia niasa nisolo ani Davida tokoa Jehovah :

a / - Ny alina izay namonjen’i Abigaela an’i Nabala , ity farany dia variana nifaly sy nimamo, ny maraina izy vao naheno ny zavatra nitranga sy ny loza saiky nahafaty azy, Torana nohon’ny fahatairana izy, ary tsy nahatsiaro tena , folo andro taty aoriana dia maty i Nabala.. And. 39

b / - Taty aoriana , satria efa maty vady i Abigaela, ary hitan’i Davida fa vehivavy hendry sy manam-panahy izy , dia nampakatra azy ho vady i Davida.

Toa izany no namahan’i Jehovah ny olana nisy , Vehivavy nanam-pinoana anakiray no nandresy lahatra « olona tezitra » mba hamela ny valifaty ho an’Andriamanitra, Niasa Jehovah, ary dia lasa mpivady izy roa.

Tsara fihafaràna iny tantara iny ! LESONA LEHIBE ROA NO AZO ETO

1 – Tsy ny fandresena azonao fahiny akory no mianto ka ny androany :

a / - Teo aloha dia nandresy i Davida, nandresy ny ratsy tamin’ny alalan’ny fandeferana izy, teto anefa dia saiky lavo ny lehilahy

Zatra nahazo rariny tamin’I Jehovah loatra izy ka saika nanaotao foana (hamono olona)

Page 37: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 37/46

b / - Mandritra ny androm-piainantsika dia toa feno fahendrena hatrany isika, indray andro monja anefa dia mety ho lasa adala isika. Aorian’ny fotoam-pandresena dia mivaha ka eo indrindra no manararaotra Satana

c / - Misy kristiana izay mahavita miaritra sy miady mafy ary mijoro amin’ny finoana sy ny toetra mendrika eo anoloan’ny olana lehibe sy mankadiry, kanefa dia mety hilofika eo anoloan’ny olana kely tsy misy dikany ihany koa anefa izy ireny. Ireny olana kely maromaro ireny dia mety ahalavo antsika raha tsy mitandrina isika.

"Izay manao azy ho mijoro tsara, aoka izy hitandrina fandrao lavo!" 1 Kor. 10 : 12

2 – Izay “manao an’Andriamanitra ho tsy misy” no ma maly faty :

a / - Sarotra ihany vao nahay lesona mikasika ny « valifaty » Davida , teo aloha tsinona dia noheveriny fa ny olom-boahosotra ihany no tsy « kasihina » , teto dia nahay izy fa hay ny « olona adala » ihany koa dia tsy tokony ho kitihina.

b / - Tsy ho fantatra akory ny ho akon’ny valifaty izay hataontsika.na ho malefaka loatra ka mahatonga antsika hamerina hanisy ratsy indray izany, na mafy loatra ka hitondra fanenenana.

c / - Ary raha mitady ny hamaly faty isika dia « misandoka » ny « fahefan’Andriamanitra. Ary mety ho lasa fahavalon’Andriamanitra mihintsy aza isika amin’izany. "mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony."

Page 38: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 38/46

Lesona faha 10- TRATRY NY FIHEMORANA DAVIDA 1 Sam. 30

1 Sam. 27 : 1 Ary Davida nanao anakampo hoe « Mbola ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any , tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ny tanin’ny Filistina, dia hamoy ahy saoly ka tsy hitady ahy eran’ny tanin’ny Isiraely intsony dia ho afaka amin’ny tanany aho ».

Nanomboka eto dia tsapa fa tsy tahaka ny teo aloha intsony ny finoan’i Davida, ary izany dia nahatonga azy handray fanapahan-kevitra izay niteraka vokany « gravy » tokoa.

• Tsy niantehitra tamin’Andriamanitra intsony izy amin’ny famonjeny ny ainy. • Niala tanteraka ny fireneny izy, (i Saoly anefa efa niantso azy hiverina. (1 Sam. 26 : 21) • Niray loha sy petsapetsa tamin’nyfahavalon’Israely (Filistina) izy. • Nopotehiiny ny Gezorita,sy Gizrita ary ny Amalekita izay tsy namaky ady taminy akory. • Nopotehiny koa ny olona tao Gata, ary dia novonoiny avokoa mba tsy hisy vavolombelona hitantara izany habibiany izany. • Nivadika mihintsy izy satria lasa nijoro ho fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. Ihany koa (1 Sam. 28 : 1) • Lasa mpikaraman’ady i Davida, lasa resin’nyfitiavam-bola sy voninahitra ny fony.

Tena vanim-potoana ratsy tokoa ity nolalovan’I Davida ity, ary ahitana taratra ny fiainantsika olom-boafidin’Andriamanitra rehetra; Aorian’ny fahamasinana sy fombàn’Andriamanitra antsika dia matetika no mihevitra isika fa izay hevintsika sy ataontsika dia “mety” avokoa, ary dia tafalatsaka amin’ny fireharehana isika amin’izany, Atao avokoa izay ratsy rehetra tsy natao taloha (satria “efa nohamarinin’Andriamitra aho” hoy isika anakam-po). Kanefa ao anatin’ireny fanaovana ratsy ireny koa ny “fahotana maro sy famonoana olona” hanafenana ny ratsy vita, ary izay olona mba mamerina antsika amin’ny fahamarinana dia raisintsika ho fahavalo avokoa , satria isika tsy te ho afa-baraka…

Ny fanafihana nataon’i Davida tamin’ny Amalekita di a nahatonga ny valifatin’ny Amalekika izay nanafika an’i Ziklaga (Toby nitoeran ’ny fianakavian’i Davida sy ireo mpiara dia aminy )

Naharitra sy niseho tao anatin’ny herin-taona sy efa-bolana izany rehetra izany : 1 Sam. 27 : 7 - " nandritra ny nitoerany tany Filistina »

Indray andro raha nandeha hiady amin’ny Israely ny Filistina, Davida sy ny olony dia nanaraka azy ireo. 1 Sam 29:1

• Tsy nahatoky an’i Davida sy ny olony anefa ireo Jeneraly mpitari-tafika avy amin’ny Filistina ,

Toy izany no nanakanan’Andriamanitra an’i Davida tsy hanisy ratsy ny mpiray firenena aminy, Misy fotoana tokoa dia tena mivadika ati-doha tanteraka ny isika zanak’Andriamanitra ary ny fahavalontsika sisa no entin’Andriamanitra mampiverina « zero » ny saintsika.

Rehefa voaroaka tamin’ny miaramilan’i Filistina ireo “mpikaraman’ady” , dia nentin’i Davida nitodi-doha any amin’ny tobiny any Ziklaga ireo olony.

Page 39: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 39/46

Fintinina kely aloha ny toe-draharaha: Ao anatin’ny vanim-potoana iray no mitranga izao vivoaran’ny toe-draharaha izao:

1. Ny filistina nandeha hiady amin’Israely 2. I Davida sy ny olona niala tao Ziklaga ka nilahatra nanaraka ny filistina 3. Ny Amalekita tonga nanafika an’I Ziklaga ho valifaty ny nataon’I Davida 4. Ny filistina tsy nahatoky an’I Davida ka nandroaka azy hiverina any amin’ny

Tobiny… 5. Rafitra ny adin’ny Filistina sy Israely, Davida kosa hiditra ny tananany ao Ziklaga…

Milamin-damina ery i Davida sy ny mpanaradia azy , hody fa tsy niady, na dia voaroaka aza , tsy ampoiziny velively ny zavatra mi andry azy…

Ny mpandinika sasany dia nanamarika fa nandritra ny herintaona sy efa-bolana nijanonan’i Davida tany amin’ny Filistina dia tsy nisy vavaka na salamo voasorany. Nandritra io fotoana nifanarahany tamin’ny Filistina io dia tsy zava-dehibe taminy mihintsy Andriamanitra sy ny ara-panahy fa dia ny ara-nofo no nibahana ny sainy sy ny fony ary notereny ankolaka hanaraka izany fironany izany ireo mpomba azy.

AHOANA NO FIVERENANA AMIN’ANDRIAMANITRA? Ity toko faha 30 ity dia azo hakana lesona hoan’ireo izay nahatsapa fa nanalavitra an’Andriamanitra ka te hiverina aminy, Dingana Enina no atao , (enina isa tsy fahafenoana , fa an’Andriamanitra ny faha fito)

1 Dingana voalohany : miatrika sy manaiky ny zava-m isy

a / - "Nigadona teo antanana i Davida sy ny olony, indro may tanteraka ny tanana, ary ny zaza amam-behivavy (ankohonan’izy rehetra) dia tsy eo fa lasan-ko babo. …Tsy nisy adihevitra sy resabe fa ranomaso sy dradradradra no nataon’i Davida sy reo miaramilany, nitomany mafy izireo ,mandra-paha tsy misy feo sy hery hitomaniana intsony…!(Dikan-teny malalaka) " 1 Sam. 30 : 3

Loza tokoa fa ela ny ela ka mivaly amin’ny tena sy ny ankohonan’ny tena ny ratsy natao hatrizay…!

b / - Teo vao tsapan’I Davida ny fahadisoana nataony: Nandeha nisolelaka tamin’ny fahavalon’Israely, Nandainga tamin’i Akisy Mpanjaka ary namono ireo vavolombelona rehetra tamin’izany… (Mariho fa matahotra an’I Jehovah I Akisy mpanjakan’ny Filistina ( I sam 29:6 ), Sady izy no namela ny tanana ho tsy nisy mpiaro. .. satria nentiny hanaraka ny hadalany avokoa ny miaramilany fa tsy nisy navelany nijanona hiandry ny toby

c / - Tsy mahagaga raha tezitra sy lotika aminy ny mpanaradia azy, mihatra amin’ny ankohonan’izireo mantsy ny fahadisoan’I Davida ! Latsaka ambany dia ambany Davida eto, Nailiky ny Filistina izy, Norobain’ny Amalekita, ary hifototra aminy sy vonona ny hamono azy ireo miaramila mahatoky mpomba azy (Fa angaha moa Davida no Andriamanitra ka dia hamoizana ny vady aman-janaka toa izao? ).

d / - 16 volana no nifampitakosenany tamin’ny fahavalo. 16 volana niaraha niosina

Page 40: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 40/46

tamin’ny Filistina, 16 volana tsy nihainoana ny feon’ny fieritreretana,16 volana nanaovana be loha , 16 volana lavitra an’An’Andriamanitra…

• Tsy maintsy ho avy ny andro, tsy ho azonao hikimp iana intsony ny zava-misy , fa Diso ianao , Izay dingana voalohany izany no sarotr a indrindra dia ny fiekena ny marina sy ny zava-misy.

e / - Tonga ny fotoana hanapahan-kevitra hoan’i Davida.Hiverina amin’Andriamanitra ve izy? Indraindray mety misy zavatra tsy mandeha eo anivon’ny ankohonan’Andriamanitra, tsy misy anefa olona sahy miteny na koa tsy henoina izireny, indraindray aza dia « tsy azo tenenina ny marina » kanefa…

• "Ny marina hanafaka anareo ” hoy ny soratra masina , saingy maharary sy manala baraka ny fahamarinana !

• Mikapoka sy mandrava izay heverinao fa antoky ny fiainanao Andriamanitra, rehefa tsy handairan’ny anatra intsony hianao , izay kapok a izay no namerenan’Andriamanitra an’I Davida hiverina amin’n y laoniny.

2 – Dingana faharoa : Tsy manadino fa tia antsika I lay Andriamanitra :

a / - Fotoana mangidy indrindra hoan’i Davida ity lalovany ity KANEFA ….

b / - Tsy misy hirika intsony hamahana ny olana, Aty amin’ny tanin’ny fahavalo izy, mifototra aminy ireo miaramilany, I Jonatana tsy hita hoe aiza na aiza mba hitantarana ny zava-misy

• "Davida kosa nampahery ny tenany tamin’I Jehovah An driamaniny." And 30 : 6

c / . Ahoana no atao raha te hampahery tena amin’i Jehovah tahaka an’i Davida eto ?

• Tsarovy ny fahasoavan’Andriamanitra hatrizay!

• Tsarovy ireo teny fikasana sy toky ary tso-drano nataony anao.

• Tadidio ny fahasoavany sy ny fomba namahany ny ol anao hatrizay.

d / - Nampahery ny tenany tamin’i JEHOVAH ANDRIAMANINY davida, Tsy resaka toko sy andininy na fahazarana na sosokevitry ny olona no narahin’i Davida eto , fa tena heviny samirery mihintsy, satria “ANDRIAMANINY” hoy ny soratra masina …

• Azon’ny Amalekita nalaina taminy ny fananany rehetra, fa Jehovah tsy azony noesorina taminy

• Mety ho very avokoa ny fananantsika, saingy manan-karena isika manana ny Tompo • Mety hanana ny zavatra rehetra koa isika saingy ho mahantra ihany raha tsy manana ny Tompo

f / - Ao anatin’ny sedra mangidy sy na koa kapoka no ahitantsika raha tena mino marina isika na tsia,

Page 41: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 41/46

3 – Dingana fahatelo : Mitady vonjy amin’Andriamani tra :

a / - Raha arahina tsara ny tantara dia 16 volana izay no lasa, izao indray i Davida vao mitodika amin’Andriamanitra,

b / - Tsy nanaraka izay saim-pantany intsony i Davida , raha vao nitodika tamin’Andriamanitra izy dia efa niresaka sy nanotany azy sahady, ary dia namaly azy tahaka ny taloha indray Jehovah (I Sam 30 : 7-8) .

c / - Marina tokoa fa sarotra amin’ny ankabeazan’ny olona ny manetry tena sy miaky ny fahadisoana eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olona, kanefa raha tena mino an’Andriamanitra isika dia ho vitantsika izany, ary hiverina sy hitodika amintsika tsy misy hatak’andro Izy.

4 – Dingana faha efatra : Miady ny ady tsara indray :

a / - Indreny indray ry zareo manenjiika ny Amalekita hanavotra ireo ankohonany lasan-ko babo, niara-niainga ireo 600 lahy, vizaka sy reraka teny andalana anefa ny sasany Satria avy nandeha 100 kilometatra mantsy izy ireo raha niverina saika hiady tamin’ny Israely , 200 lahy no raraka teny andalana ka navela hiandry entana , 400 lahy sisa no nanohy ny fanenjehana ny Amalekita,

Saingy tsy zava-dehibe amin’I Jehovah ny isa na betsaka na vitsy, fa Izy efa nanome ny fandresena.

Mariho fa nahita olona reraka sy noana teny andalana I Davida ary mbola namonjy sy nanome sakafo io olona io , fa tsy hoe “maika ny hanavotra ny vady amanjanaka akory ka tsy manana fotoana hanaovana asa soa”, io olona novonjeny io no nanoro azy ny toerana hitobian’ny Amalekita,

Saino anie raha navelan’I Davida ho faty io Egyptiana io e? mety ho sarotra aminy ny nitady ny Amalekita; toa ny nozahan’Andriamanitra toetra tamin’io Egyptiana io I Davida raha tena niova fo tokoa na tsia , izay vao nomeny ny fandresena.

b / - " Dia azon’ny Davida sy ny mpanaradia azy avokoa ny fananany teo aloha , ary nentiny ho babo ihany koa ny etan’ny Amalekita." And 18

c / - Tena fahasoavan’Andriamanitra marindrano izany, ireo izay very nohon’ny fahadisoan’I Davida dia naverin’I Jehovah taminy.

5 – Dingana faha dimy, mahay mizara amin’ny hafa :

a / - Nisy ampahany tamin’ireo 400 lahy no tsy nazoto hizara babo amin’ireo 200 lahy izay tsy niady fa niandry entana,. « And 22 »

b / - Tsy azon’ireo olona ireo antsaina mihintsy hoe avy amin’i Jehovah anie ny fandresena fa tsy avy amin’ny herintsaina na fahaizana miady sns!

Saingy tsy toa izany Davida : "Tsy hanaiky izany torohevitra ratsy izany aho, hoy izy ,samy nanao ny asany na ny mpiandry entana na ny mp iady, fa zaraina avokoa ny babo, fa an’ny rehetra ny fandresena nomen’i Jehova h » (Dikateny malalaka) ary lasa fombandrazana tsy misy maha ratsy azy hatramin’izany ny mizara babo na dia amin’ireo mpisorona tsy mpandeha miady aza.

Page 42: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 42/46

c / - Tena hendry Davida, alaim-panahy tokoa mantsy ny olona matetika , tahaka ny mpanao politika ohatra, fa izay olona nijanona farany teo aminy, na dia vao tonga omaly aza no mahazo seza sy fankasitrahana rehefa azo ny fandresena, fa tena ilaina tokoa ny mahatsiaro ny olona rehetra niady tany amboalohany, eny na dia raraka teny andalana aza (ka nitondra ambavaka sisa…)

Ekipa iray ny kristiana , ary samy manana ny fomba fiasa sy ny manavanana azy, ka rehefa tonga sy azo ny fandresena sy ny fahombiazana dia natao hoan’ny rehetra izany fa tsy ho an’olom-bitsy

Torak’izany koa ny eo anivon’ny fiangonana, ny fandrosoana sy ny fahombiazan’ny fiangonana dia tsy vokatry ny nataon’ireo « mpiseho sehatra » ihany fa vokatry ny firaisankinan’ny fiangonana manotolo hatramin’ireo madinika indrindra aza.

6 – Dingana faha enina : Mamitram-pihavanana amin’i reo namana fahiny :

a / - Rehefa misaraka na manalavitra an’Andriamanitra isika dia tsimainty misy olona maratra sy malahelo vokatr’izany ataotsika izany. Nandefa fanomezana hoan’ireo « mpisorona » sy ireo olona hafa i Davida ; tahaka ny milaza izy hoe hoe « Efa niova aho, izaho ilay Davida namanareo fahiny ; ndao ihavana indray tahaka ny taloha»

Tsy nitahiry alahelo izy ,na nanao hoe « hitanareo fa tian’i Jehovah foana aho na dia noharatsianareo aza ! » fa dia namitram-pihavanana tamin’ireo tafasaraka taminy indray izy.

Ry tanora malala ;

Izay zavatra miseho eo amin’ny fiainana na tsara na ratsy dia hevero fa misy « hevitr’Andriamanitra » hatrany, mahaiza mihaino sy manaraka ny hafatr’Andriamanitra ao anatin’ireny tranga miseho ireny, amin’ny endrika ivelany dia toa olom-belona no fahavalo sy mpanao ratsy ,kanefa diniho fa sao dia Andriamanitra mihintsy no miasa.

Fanamarihana kely:

Niniana tsy noresahintsika firy ny fiainan’I Saoly teto, satria ny fiainan’I Davida no nataontsika lesona amin’ity boky ity, azo akana lesona ihany anefa ny 1 Sam 28 izay mitantara ny nanotanian’I Saoly ny fanahin’ny maty, Zavabetaveta teo amin’ny tanin’Israely ny manotany ny fanahin’ny maty sy ny manotany an’I Balazeboba (2 Mpanj 1: 2-4), saingy latsaka tamin’izany I Saoly satria tery loatra izy, sady Andriamanitra tsy nety niteny sy nahafoy azy, Tsy fantatra marina na I Samoela tokoa ilay niteny na tsia, fa dia vaovao ratsy tokoa na dia marina aza no nambaran’ilay fanahin’ny maty taminy, ka ketraka tokoa ny fony.

Page 43: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 43/46

Lesona faha 12 LASA MPANJAKA ILAY MPIANDRY ONDRY

Vakiteny : 1 Sam. 31 2 Sam. 1

Tonga amin’ny hafatra farany amin’ny lesona mikasika an’i Davida ity isika : Tsy hoe mifarana eto akory ny tantarany, saingy tonga eto amin’ny famaranana ny fiandohany isika , Lasa mpanjaka ihany Davida nony farany .

• Mbola ankizilahy mpiandry ondry tao Betlehema i Davida raha nanomboka ny tantara isika , • Lasa mpanjaka kosa izy amin’izao faran’ny lesona izao.

Nandritra izay lesona lavabe izany dia nahitantsika ny « fomba fisainana » na ( principe) izay nasehon’Andriamanitra an’i Davida ho entiny miaina, sy ireo anatra izay mila narahin’i Davida.

Ity misy famitinana fohy ireo « hevitra na principe » ireo

1. Ny fahasoavan’Andriamanitra : Andriamanitra dia mifidy ireo olona izay atao tsinontsinona mba ahatanteraka ny sitrapony

2. Ny fitahian’Andriamanitra : Hitan’Andriamanitra isika na aiza na aiza ary apetrany amin’ny toerana mety amintsika

3. Finoana no miasa : Resy ny « olom-be » izay olana tsy nahitana valiny, nohon’ny finoana an’Andriamanitra

4. Ny fanekena ny sitrapon’Atra : Ny fomba mahomby indrindra rehefa , raha mahatsiaro irery isika dia ny fanaovana izay mendrika ary mamela an’Andriamanitra hiasa malalaka

5. Ny tena fifankatiavana : Ampiasain’Atra ireo tena namana mba hiaro antsika sy hanavotra antsika amin’ny fotoana sarotra

6. Midera-doza ny lainga sy fitaka : Isaky ny mandainga isika mba hialana olana, dia misy olona hafa tsy manantsiny iharan’ny vokatr’iny.

7. Miasa tsy hita maso Jehovah : Na dia any antany efitra aza dia miaraka amintsika Jehovah, miasa amin’ny alalan’ireo « tranga » isan-karazany izy mba hananatsika toky aminy.

8. Aza manenji-dresy : Manome voninahitra ny Tompo isika ka tsy mandringana izay manisy ratsy antsika.

9. Aza mamaly faty : Avelao hoan’Andriamanitra io sehatra io, izy mahay kokoa noho isika raha valifaty no resahina.

10. Tiavo ny fahavalo : Ny fitiavana dia mampitady hevitra sy mampandray « risque » na dia hoan’ireo tsy mahalala tiana aza.

11. Misy valiny ny firaisana amin’ny ratsy : Raha manorina « marimaritra iraisana » amin’ny ratsy isika dia hijinja korontana tokoa. »

Ny fitiavana no lehibe indrindra : Izay rehetra miverina amin’Andriamanitra dia raisiny avokoa

Fa ity manaraka ity no lesona tsapako fa lehibe ind rindra : Ny fiatrehana ny fahavoazan’ny fahavalo.

Page 44: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 44/46

1 –Namono tena i Saoly : 1 Sam. 31

a / - And 2 Ao anatin’ny ady mangotraka ny Israely sy ny Filistina, Miharesy tosika ny miaramilan’Israely, mianjera tsikelikely ireo mpanaradia manodidina an’i Saoly, HItany maty tsikelikely ireo zanany, tao anatin’ny fotoana fohy avokoa izany rehetra izany, izy irery sisa no mbola tafajoro. Tena mpiady mahery tokoa i Saoly, satria tsy misy fahavalo afaka nanakaiky azy, Ireo mpandefa zanatsipika no afaka nahatifitra lavi tra azy, Natahotra mafy i Saoly !

b / - Fantatr’i Saoly fa liandrà sy mpampijaly ny Filistina, ka raha babo velona eo izy dia hijaly tokoa, Niteny tamin’ny mpitondra fiadiany ary izy ny mba hamonoana azy, saingy tsy nanaiky ireo, Hany herin’i Saoly , namono tena tamin’ny sabany., rehefa nahita izany ireo miaramila sisa tsy maty rehetra dia namono tena tahaka an’i Saoly avokoa satria tsy te ho azo sambo-belona ! And 2

Mampahatsiahy tantara mampalahelo ity tantara ity, maty sy ringana ireo noheverina fa « role », ary niady hatramin’ny farany, Maty hoan’ny firenena! Tena mahery fo tokoa ireto miaramilan’Israely ireto!

d / - In- efatra (4) farafahakeliny no nampiasa ny dikan-teny hoe « maherifo » i Davida rehefa milaza ny amin’ieo maty tao amin’ny havoanan’i Gilboa,

2 – Ny marina?, Namono tena i Saoly :

a / - tsy afaka ny hamilivily resaka anefa aho , fa na inona na inona « zava-nisy” tamin’io fotoana io, dia ratsy ny zavatra nataon’i Saoly satria : Namono tena izy ! Fahotana ve ny mamono tena? Eny no valiny!

b / - Tranga 4 na 5 eo ho eo ny famonoan-tena ao amin’ny Baiboly, ny olona malaza indrindra ao amin’ny testamenta taloha dia i Saoly, ary ny namono tena malaza indrindra ao amin’ny testamenta vaovao dia i Jodasy.

Raha manotany tena hianao hoe « nahoana no ratsy ny famonoantena » ? dia satria “fanomezan’Andriamanitra sy an’Andriamanitra ny aina, ka tsy azon’iza na iza (olombelona na koa Devoly) atao ny mamono ny aina. Tsy misy tokoa didy manao hoe « Aza mamono tena », satria tsy ilaina akory izany didy izany satria efa misy ilay didy hoe « Aza mamono olona » Eks 20 :13

d / - Raha dinihina dia toa « lojika » ihany ny fiafaran’ i Saoly, nihapotika tsikelikely mantsy ny fiainany ary tsy nahagaga raha izao no fiafarany. Vitsy ihany ny olona ao amin’ny Baiboly no nanana tombony voajanahary hatrany amboalohany toa azy (bika, tarehy, hery, herim-po, sady manana talenta mitarika , olo-malaza), fa taty aoriana dia tsy dia nifidy olona nanana tombony tahaka ireny intsony Andriamanitra.

3 – Ny alahelon’i Davida : 2 Sam. 1

a / - Tao Ziklag i David raha nandre ny vaovo, telo andro taty aoriana , olona anakiray no indro mihazakazaka, rovitra akanjo sy mihosom-bovoka, Ny vaovao nentiny dia ratsy tokoa : Resy ny Israely, ary maty ny mpanjaka sy ny ankohonany rehetra, i Jonatana tsara fanahy koa isan’izany !

Saingy niova kely ny tatitra teto ; Vakio ny And 6 • Nolazain’ity lehilahy ity fa izy no namono an’i Saoly.

Page 45: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 45/46

b / - Mpandainga ity olona ity, « mpanisy sira » hoy isika, tsy izy no namono an’i Saoly , satria efa voalaza ery ambony ny fomba nahafatesan’i Saoly, Nahoana ary izy no “nanisy sira” toa izao ?

Satria nihevitra izy fa ho faly amin’ny fahafatesan’I Saoly I Davida, tahaka ny olona rehetra raha mandre ny fahavoazan’ny fahavalony, Amin’ny maha olombelona aloha dia tokony izany no ho fihetseham-pon’I Davida. Mety nahatazana lavitra ny fizotry ny ady ity amalekita ity, ary raha nitsahatra ny ady dia tonga nitsimpona sy nandroba ireo vatamangatsiakan’ireo maty , ka izany no nazahoany ny satroboninahitry ny mpanjaka. d / - Efa niova fo sy niverina amin’Andriamanitra anefa i Davida . Ny Olon’Andriamanitra dia manaja sy mankatoa ireo « mpitondra fanjakana » napetrak’Andriamanitra hitondra ny vahoaka. Izany no nahatonga azy imbetsaka no tsy nety nikasi-tanana an’i Saoly ; Tena nijabaka tanteraka ity ranamana ity raha nanatena zavatra hafa tamin’i Davida.

Notriarin’i Davida ny fitafiany, ary nanao toa izany avokoa ireo mpanaraka azy rehetra, nalahelo ny rehetra.

e / - Raha te ahafantatra ny haben’ny fihetseham-pon’i Da vida isika dia vakio ny and 19,25,27, miverina intelo ny hevitra hoe « lavo ny mahery ! »

f / - Tsy nanisy marika sy teny ny amin’ireo ratsy nataon’i Saoly azy i Davida, tahaka ny tsy nisy ireny taminy !.

Raha nanoratra ny filazana ny amin’ireo maty i Davi da , toetra telo no manamarika an’i Saoly no nambarany.

1. Ny herim-pony manoloana ny ady : "Ny sabatr’i Saoly tsy mba miverina foana »And 22

2. Ny fifandraisany ampo tamin’i Jonatana : " Saoly sy Jonatana izay tia sady tiana fony fahavelony »And 23

3. Ny fiadanana sy fandrosoana netin’i Saoly tamin’ny firenena : " Ry zanakavavin’Israely, mitomania an’i Saoly, fa nahafinaritra ny nampitafiany jaky anareo,sady nasiany firaba-bolamena ny fitafianareo”

4 – Fa ny tena zava-dehibe dia izay tsy nolazainy

a / - Tsy nambaran’i Davida izay antony nahafaty sy nahapotika ny fiainan’i Saoly, Nampianatra ny Isarely tsy hanala baraka ny mpitarika azy izy.Tahaka ny ilay zanak’i Noa izay tsy nanala baraka ny rainy raha nahita azy nanao ny tsy mety (mamo sy nitanjaka)…

b / - Raha tsorina dia tahaka ny vato diamondra tsy misy endriny i Davida tany amboalohany, i Saoly no fitaovana nentin’Andriamanitra nanefy azy, ka nampihiratra ny toetra tsara tao anatin’i Davida.

Saoly no fitaovana nentin’i Jehovah nanomana an’i D avida ho eo amin’ny fitondrana.

d / - Izao no azo hamintinana ity tantara ity :

Page 46: RANTSANA FANANTENANA –FAM 2008tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/davida-ilay... · 2013-01-07 · Averimbereno matetika ny famakiana ny boky , fa natao miendrika Roman na tantara

[LESONA SST- MPIANDRY ONDRY TONGA MPANJAKA APOKALYPSY -RANTSANA FANANTENANA 2009

Zoky Andry 2008 Pejy 46/46

•Rehefa manomana antsika amin’ny fanjakana rahatriz ay (Fiainana mandrakizay) Jehovah, ny fomba tsara indrindra enti ny manomana antsika dia ny « olana » sy ny ady isank’arazany. (na Adver sité)

•Ny olana sy ny fitomboana ara-panahy dia tsy misar aka na oviana na oviana

•Misy satro-boninahitra sy toerana homanina hoan’iz ay maharitra sy maharesy .

e / - Ny tohin’ny tantara dia ao amin’ny 2 Sam. 2 : 4 ; sy 2 Sam. 5 : 3

Ry tanora malala :

Fiandohan’ny tantaran’i Davida ihany iny narahina t eo iny, hitantsika fa tsy moramora ny fahatongavana amin’ny tanjona iray, koa mahereza, tandremo sao mihebohebo na koa miala amin’i Jehovah, manàna fo h antra sy mendrika hatrany, aza manangana olona ho fahavalo fa fitaovan’i Jehov ah fotsiny ireny olona ireny hanefy anao sy hanampiany anao ho tonga fatra sy ho mendrika amin’ny tanjona lavitr’ezaka nomaniny ho anao.

Ry zoky mpampianatra:

Lesona “madio sy mahitsy” no ampianaro, aoka tsy ho “influencé n’ny zava-misy” na tranga manodidina ny lesontsika (raharaha politi ka), ny hanoroana sy hanampiana ny tanora ahatratrarany ny tanjony eo am in’ny fiainana, izay no fototr’ity lesona ity.

Hoan’Andriamanitra irery ny voninahitra!

Zoky Andry - Oktobra 2008

[email protected] 033 14 764 43