un croyant peut…+++

22
Imprimé en France Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex Mety ho very indray ve ny famonjena efa azon’ny mpino ? “ …ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba ; tany no nidiran’i Jesoa ho mpialoha antsika” Hebreo 6. 18-20 P. Fuzier

Upload: hoangthuy

Post on 31-Dec-2016

229 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Un croyant peut…+++

Imprimé en France

Bibles et Publications Chrétiennes30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex

Mety ho veryindray ve nyfamonjena efaazon’ny mpino ?“ …ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, izayananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsymihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba ; tanyno nidiran’i Jesoa ho mpialoha antsika”

Hebreo 6. 18-20

P. Fuzier

Page 2: Un croyant peut…+++

ISBN : 978-2-87907-390-3

Un croyant, peut-il perdre le salut ?

Couverture, photo : Paul Jacquin

Page 3: Un croyant peut…+++

3

11.. Joba 1. ¬ ; 2. ‡ •• 22.. Apokalypsy 12. Ú† •• 33.. Matio 4, Ì ; Lioka 4. Ú†

Mety ho very indray veny famonjena efa azon’ny mpino ?

Tsy mamela mahazo mihitsy ny Devoly.Kotraniny mandrakariva ireo kristiana. Miasa tsymiato izy 1. Mijoro miampanga an’ireo mpino eoanatrehan’Andriamanitra andro aman’alina izy 2.Ny hamingana sy ny hampikorontana azy irenyno tanjony. Tsy miova ny fomba fiadiny amin’nyfanatanterahana izany asa ratsiny izany, hatranyam-boalohany. Mandraka ankehitriny, mbahanozongozonana ny finoana, dia afafiny ao am-pon’ny olona ny fisalasalana, ary mbola ny hoe« Hanky, efa nataon’Andriamanitra hoe… ? » toyny tao amin’ny Genesisy 3. Ú ihany no ampiasainyamin’izany.

Firifiry tokoa moa ny olona mikorotan-tsainamanoloana ny fanambaràna efa mazava be izaoraketin’ny Soratra Masina ? Ambaran’ny SoratraMasina, ohatra, fa ny finoana no hahazoana nyfanamarinana eo imason’Andriamanitra, kanefambola maro ihany ny miahiahy ny amin’izany !Izany no porofo fa mbola milofo hatrany amin’nyfanafihana ataony ilay fahavalo. Ampiasainy nyTenin’Andriamanitra, toy izay nataony tamin’nyTompo Jesoa tany an’efitra3. Ampiasainy, ohatra,

Page 4: Un croyant peut…+++

ny teny voasoratra ao amin’ny Jakoba 2. ‡∂ manaohoe « Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’nyasa ny olona fa tsy amin’ny finoana ihany ». Arydia ampian’i Satana hoe : « Hitanao fa tsytomombana ny fitondrantenanao ! – Aiza izaoizay mba asa vitanao ? Mino ianao, nefa tsy ampyizany ; ny Tenin’Andriamanitra mihitsy anie nomilaza fa tsy hamarinina amin’ny finoana fotsinyny olona e ! »

Dia mitanisa andinin-tSoratra Masina marohafa eo izy. Aholany ny hevitr’ireny Tenin’Andriamanitra ireny, ary ampidiriny hahazo lakaao amin’io fanahy efa feno fanahiana io nyfisalasalana. Raisiny ny Romana 11. ‡‡ :« … hotapahina koa ianao », na ny Filipiana 2. Ú‡ :« Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitrahahatanteraka ny famonjena anareo ». Raisinykoa ny Hebreo 6. ∂-Ì mba handresen-dahatra nympino fa mbola mety ho very mihitsy tokoa nyfamonjena efa noraisin’ireo olom-boavotr’iKristy.

Ampiasainy io teny ao amin’ny Hebreo 6 iohamongorana tanteraka ny fanantenam-panarenana indray an’ireo lavo. Voalaza aoamin’io andininy io mantsy fa « izay efanohazavaina indray mandeha sady efananandrana ny fanomezana avy any an-danitrasy efa nandray ny Fanahy Masina, ary efa

4

Page 5: Un croyant peut…+++

nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy nyherin’ny fiainana ho avy, nefa mihemotra, dia tsyazo havaozina indray ho amin’ny fibebahana,satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indrayamin’ny hazofijaliana ka manao Azy hofahamenarana ». Dia Indro fa voafatotry nyfanahiana ilay olona efa sahiran-tsaina fatratra…Mitambesatra ao an-tsainy ny hoe ‘voavonjy aryve aho sa ahoana ?’ Matahotra izy satria toa tsymahavita asa firy mba hahazoana antoka ahayan’io famonjena io, na mba hihazonana izany tsyho votsotra indray.

Misy fanamarihana roa sosona ity : mampidi-doza ny tsy famelarana ny ampahan-tenynotsongaina avy ao amin’ny Soratra Masinaamin’ny lahatsoratra iray manontolo nakana azy.Etsy an-daniny koa anefa, iray tsy mivaky nyFanambaràna. Voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny hoe « Marina ny fitsipik’iJehovah, eny mahitsy avokoa » 4. Manehoamintsika io teny hoe « avokoa » io fa tsy maintsyampifandraisina amin’izay fahamarinanavoalazan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly iraymanontolo ny hevitry ny andalana anankiray. Ireofomba fijery roa ireo no tsy maintsyampiharintsika mandrakariva rehefa

5

44.. Salamo 19. ∞

Page 6: Un croyant peut…+++

6

55.. Romana 4. ƒ •• 66.. Jakoba 2. ‡∂

manadihady ampahan-teny avy ao amin’nySoratra Masina isika.

Hamarinina eo imason’Andriamanitra amin’nyalalan’ny finoana.

Toy izao no nosoratan’ny apôstôly Paoly ho an’nyRomana, raha niresaka ny amin’ity fanamarinanaity izy : « Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izaymanamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany noisaina ho fahamarinana »5. Ny fampianaran’nyapôstôly Jakoba kosa manao hoe : « Koa diahitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona fatsy amin’ny finoana ihany »6. Toy ny hoemifanipaka ireo andininy anankiroa ireo, raha toaka esorina amin’ny lahatsoratra manontolonakana azy avy, ka hampikorontan-tsaina nymaro.

Tsy maintsy atao mazava tsara fa lohahevitraroa samy hafa mihitsy no vahavahan’ireoampahan-teny anankiroa ireo. Ny fanamarinanaeo imason’Andriamanitra no vaindohan-dresakyny epistily ho an’ny Romana. Ny fanamarinana eoimason’ny olona kosa no resahin’ny epistilin’iJakoba. Andriamanitra no mahay mamaky ny aoam-poko. Ao no itsarany ny tena fananako

Page 7: Un croyant peut…+++

7

77.. Jakoba 2. Úµ

finoana marina tokoa, na tsia ; fantany io na tsyarahina asa aza. Ny olona manodidina ahy kosatsy afaka hamantatra ny fananako finoana, rahatsy hitany amin’ny asa ny vokatr’izany finoakoizany : « Izaho kosa haneho aminao ny finoakoamin’ny asako »7.

Samy nandray ny ohatra mikasika an’iAbrahama na i Paoly na i Jakoba, ao amin’ireoampahan-tSoratra Masina roa ireo. Nindrana nytantara niseho tany amin’ny Genesisy 15 nyRomana 4 : « Jereo ange ny lanitra ka isao nykintana… ho tahaka izany ny taranakao ». Izanyno teny nolazain’Andriamanitra tamin’iAbrahama. « Ary nino an’i Jehovah izy ka dianisaina ho fahamarinany izany » (and. ƒ, Ì). Izanyno manaporofo fa ny finoana fotsiny ihany diaefa ampy hahavonjy. Io andininy io notsiahivin’ny Romana 4. Ò, ‡‡. Mbola io andininy ioihany koa no tanisain’ny Jakoba 2. ‡Ò, saingyialohavan’ny teny hoe : « Ary tanteraka ny SoratraMasina manao hoe… » Oviana moa no tanterakaio tenin’ny Soratra Masina io ? Rehefa nanatitraan’i Isaka ho fanatitra i Abrahama (and. ‡Ú). Efatany aloha elabe ny tantara tantaraina aoamin’ny Genesisy 15, izay fotoana nilazana an’ilayteny tanteraka soa aman-tsara tao amin’ny

Page 8: Un croyant peut…+++

8

88.. Romana 4. ƒ

Genesisy 22. Mbola tsy teraka akory i Isakatamin’io fotoana io : ny finoana izany no nialohany asa – tsy inona moa ny asa fa voa entin’nyfinoana sy natao ho vavolombelona eo imason’nyolona. Nisy ny vavolombelona tao amin’nyGenesisy 22 – « ireo zatovolahy anankiroa » – enyfa na tsy nandeha hatreny amin’ny toeranananaterana ny fanatitra aza izy ireo.

Inona avy no vokatr’ireo toe-javatra anankiroaireo, ny tao amin’ny Genesisy 15 sy ny tao amin’nyGenesisy 22 ?

Genesisy 15 : nino an’Andriamanitra iAbrahama, ary « nisaina ho fahamarinany » izany.Ny finoany no nanamarinana azy teo imason’Andriamanitra. Tsy nisy nidiran’ny asa tamin’izany : « Ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino… »8.

Genesisy 22 : maneho ny finoany ireo asanataony. Tsy voalaza eto mihitsy hoe nisaina hofahamarinany ny asa nataony.

Hafatra roa samy hafa no nampitondraina hoan’i Abrahama, rehefa izany. Indroa miantaonamantsy no voalaza fa niantsoan’Ilay Anjelin’iJehovah azy : « Fa niantso azy Ilay Anjelin’iJehovah tany an-danitra… » (and. ÚÚ) ; « Dianiantso an’i Abrahama fanindroany avy any an-danitra Ilay Anjelin’i Jehovah ka nanao hoe… »

Page 9: Un croyant peut…+++

9

99.. Genesisy 22. Ú‡ •• 1100.. Genesisy 22. ÚÌ, ‡‡ •• 1111.. Romana 8. Ò†, Ò∂

(and. Úƒ). Inona avy ireo hafatra anankiroa ireo ?Ny voalohany dia hoe : « Hitako izao fa matahotraan’Andriamanitra ianao » (and. Ú‡). Ny faharoa :« Satria nanao izany zavatra izany ianao… diahitahy anao tokoa Aho » (and. ÚÌ-Úµ).

Mazava izany fa ny finoana no hanamarinanaantsika eo imason’Andriamanitra. Tsy manampyna inona na inona amin’ilay famonjena, izay efalavorary rahateo ary tsy azo raha tsy amin’nyalalan’ny finoana tokana ihany, ny asa izayniantsoana antsika. Natao hanehoana nyfananantsika an’izany finoana izany amin’ireomanodidina antsika ny asa. Nataohanaporofoana izy ireny fa miaina ao anatin’nyfahatahorana an’Andriamanitra tokoa isika9. Tsyny asa mihitsy akory no mahavonjy antsika.Manolotra ho antsika ny fitahiana kosa izy 10.Azonao vakina ho fanamafisana izany izayvoalaza ao amin’ireto andininy ireto : Efesiana 2.µ-Ú† ; Titosy 3. ƒ-µ ; Galatiana 2. ÚÌ.

Ndeha hanampintsika izany ny voalazan’iPaoly ao amin’ny Romana, raha miresaka nyamin’io fanamarinana io ihany izy :Andriamanitra no manamarina11, hoy izy,Andriamanitra fa tsy ny olona. Nahoana moa Izyno manamarina ? Satria Andriamanitry ny

Page 10: Un croyant peut…+++

10

1122.. Romana 3. ‡∂ •• 1133.. Romana 5. ∞ •• 1144.. Romana 5. Ú

fahasoavana Izy : « Hamarinina maimaimpoanaamin’ny fahasoavany izy »12. Ka ahoana noahafahany manamarina ny tsy marina, kanefaAndriamanitra marina sy masina Izy ? Amin’nyalalan’ilay asa notanterahina teo amin’nyhazofijaliana : nalatsaka ny ran’i Kristy ka tonga« nohamarinina tamin’ny rany isika »13. Nyfinoana dia efa ampy hamitranana ny fihavananaamin’Andriamanitra : « efa nohamarininatamin’ny finoana isika »14.

Tafaray mandrakizay amin’i Kristy.

Tsy sehatry ny famonjena ny fanahy akory noresahina ao amin’ny Romana 11. Ho diso fandrayan’izay fonosin’io toko io isika raha mihevitra toyizany.

Mampianatra antsika ny andininy maro hafaao amin’ny Baiboly (ny epistily ho an’ny Efesiana,ohatra) fa miara-belona sy niara-natsanganatamin’i Kristy ireo olom-boavonjy, ary miara-mipetraka aminy any an-danitra – Vatana, na‘Tena, iray’ amin’i Kristy ny Fiangonana. Koaahoana àry no mbola hisainana indray ny metyhanilihana ny efa ‘Tena iray’amin’i Kristy any an-danitra ?

Page 11: Un croyant peut…+++

11

1155.. Asa 15. µ, ∞

Ny tany no resahina ao amin’ny Romana 11 fatsy ny lanitra. Manamafy izany ny sarynosafidin’ny apôstôly horaisina – sarin’ny hazo.Tsy ny Fiangonana akory no asehon’io hazo olivaio fa ny firenena jiosy, ny ‘oliva dia’ kosaanambaràna ny Jentilisa. Hoy ny apôstôly : « Faianareo Jentilisa no itenenako… satriaapôstôlin’ny Jentilisa aho » (and. ÚÒ). Nambaratamin’ny Jentilisa ny Filazantsara, kanefa‘hotapahina’ izy raha toa ka tsy maharitraamin’ny fandehanana amin’ny fahatahoranaan’Andriamanitra (and. ‡‡). Toy izany ihany koaho an’ny rantsan’ny hazo oliva tsara, izany hoe nyIsiraely.

Moa hisy hongotana ve amin’ireo anisan’nyrantsan’i Kristy ka hamela toerana malalaka hoan’ny hafa ? Moa misy fiavahana ve ny Jiosy sy nyJentilisa ao amin’io Tena io ? Moa tsy efa nilaza veny apôstôly Petera, raha niresaka ny amin’ny Jiosysy ireo Jentilisa niova fo izy, nanao hoe : « fa tsynataony misy hafa isika sy izy » ?15. Ary moa tsyefa nanoratra tamin’ireo Efesiana ve ny apôstôlyPaoly nanao hoe : « fa Izy no fihavanantsika izaymaha iray antsika roa tonta… mbahanakambanany antsika roa tonta ao amin’nytenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany

Page 12: Un croyant peut…+++

12

1166.. Efesiana 2. Ú∂-ÚÌ

fihavanana, ary hampihavanany antsika roatonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho nyhazofijaliana » ?16

Tsy isalasalana mihitsy izany fa tsy nyFiangonan’i Kristy akory no resahin’ny toko faha-11 amin’ny taratasy nosoratana ho an’ny Romanafa ny Jiosy sy ny Jentilisa, izay samy tompon’andraikitry ny fijoroana ho vavolombelon’Andriamanitra ety an-tany. Hanohitra an’ireofampianarana sisa rehetra ambaran’ny Baiboly,mikasika ny fahazoana antoka ny famonjena, nyfandraisana ampahany avy ao amin’ny SoratraMasina, hanaporofoana fa mety ho very indray nyfamonjena efa azon’ireo mpino tsy mitandrina famikivilavila famindra !

Efa voavonjy tanteraka ny fanahy.

Re ombieny ombieny ny fanazavana ny tenyvoarakitra ao amin’ny Filipiana 2. Ú‡. Tsy nyamin’ny fanamarinana akory no asian’nyapôstôly resaka raha nanoratra izy nanao hoe :« Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitrahahatanteraka ny famonjena anareo ». Asehonyho toy ny tanjona tratrarina ny famonjena, aoamin’ity epistily ho an’ny Filipiana ity, ary ho toy

Page 13: Un croyant peut…+++

13

1177.. Asa 16. Ò†-Ò‡ •• 1188.. Romana 8. ‡Ò

ny fanafahana rehefa mifarana ny hazakazaka.Ny finoana no hany hahazoana ny famonjena –moa tsy izany mihitsy koa ve no navalin’i Peterany fanontanian’ilay mpiambina ny fonja tanyFilipy ? « Minoa an’i Jesoa Tompo, hoy izy, diahovonjena ianao sy ny ankohonanao »17.

Rehefa mahazo ny famonjena amin’nyalalan’ny finoana isika vao antsoina mba hiasafatratra, ho fanatrarana an’ilay fanafahanaantsika farany. Asa tsy misy fitsaharana io, adyataontsika amin’ilay mitady ny handavo antsikaeny am-pandehanana. Nefa, iza amintsika moano hahatratra an’io tanjona io raha mihevitra fany herin’ny tenany sy izay momba azy ihany diaampy hiatrehana an’io ady io ? « Andriamanitrano miasa ao anatintsika na amin’ny fikasana naamin’ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony »(and. ÚÒ). Afaka ny hiandry amim-patokianatanteraka ny « fananganana anaka dia nyfanavotana ny tenantsika » isika, noho izany 18.Efa voavonjy tanteraka ny fanahintsika. Nyfamonjena ny vatantsika no hany sisaandrasana !

Page 14: Un croyant peut…+++

14

1199.. Asa 3. Ú¬ •• 2200.. Asa 4. Ú‡

Finoana velona fa tsy an-tendro-molotra.

Maneho mazava ny andininy voalohany amin’nyepistily nosoratana ho an’ny Hebreo, fa ireompino jiosy no nanoratana azy ity. Tamin’nyalalan’ny mpaminany no nitenenan’Andriamanitra tamin’ireo razana tany aloha.Rehefa niteny tamin’ny alalan’ny « ZanakaLahitokana » kosa Izy dia nandà sy nanombo an’ioZanany io tamin’ny hazofijaliana ireo vahoakany.Noho ny tsy fahalalana no nanaovan’izy ireoizany 19. Nambara tamin’ireo Jiosy ireo nyFilazantsara, notorina taminy ny amin’nyfibebahana ; kanefa, rehefa nandre izy, rehefananaiky ny hitsofoka ho anisan’ny kristiana, dianandà indray an’i Kristy ka niverina ho amin’nyjodaisma – fivavahana mandala ny fomban-drazana jiosy. Tsy manana fomba hafahamonjena azy ireo indray Andriamanitra : izanyno nolazain’ny apôstôly Petera rehefa avy nitoryan’io Jesoa voahombo teo amin’ny hazofijalianaio izy ! 20

Ireo Jiosy izay nanaiky an-tendro-molotra ihanyizany, fa tsy tena nanana ny fiainan’Andriamanitra tao anatiny, no tondroina eoamin’io Hebreo 6 io. Efa norenesin’izy ireo ny« teny tsaran’Andriamanitra », efa nandramanyary efa nanazava azy, kanefa nialany indray.

Page 15: Un croyant peut…+++

15

2211.. Efesiana 2. ‡‡ •• 2222.. Efesiana 1. ‡Ò ; 4. ∂ •• 2233.. Levitikosy 21. ‡Ú-‡Ò

Izany koa no toerana mbola misy an’ireo olonamarobe manaiky an-tendro-molotra ihany nyfinoana kristiana. Tonga « nandray ny FanahyMasina » izy ireny. Mariho tsara fa tsy mba toyizany no filazana ampiasain’ny Efesiana 1. ÚÒ ! Hoyindrindra ny filazany azy : « …rehefa nino nonasiana tombokase tamin’ny Fanahy Masina ».Tsy mba fanombohan-kase tamin’ny FanahyMasina, izay ataon’Andriamanitra amin’ireozanany ho mariky ny maha fananany azy, nonatao tamin’ireo olona ireo. Olona modymisalotra ny fiainana maha kristiana ireo, toaanisan’ilay tranon’Andriamanitra ety an-tany,« fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy » 21,kanefa tsy mba anisan’ny « tenan’i Kristy »22.

Tsy misy mihitsy izany amin’ireo andininynotanisaintsika rehetra ireo, manambara fambola mety ho very indray ny famonjena efaazon’ny zanak’Andriamanitra. Tsy misy amin’ireoteny ireo milaza fa tsy azo havaozina indray hoamin’ny fibebahana ny mpino lavo. Tsy very akoryny famonjena efa azon’ny mpino iray raha sendralavo izy. Ny hafaliana tovoziny ao amin’ilayfiombonana feno amin’ny Tompo kosa no hovoantohintohina. Zava-droa loha tena samy hafamihitsy izany ! 23

Page 16: Un croyant peut…+++

16

2244.. Romana 13. ÚÚ-Ú∂ •• 2255.. Apokalypsy 2. ƒ •• 2266.. Fitomaniana 3.∂† •• 2277.. Jaona 14. ‡Ú-‡Ò

FAMARANANA

Ao anatin’ny vanim-potoana mahaketraka tokoano misy antsika ankehitriny. Ilaina nyhifantohantsika amin’izay adidy aman’andrai -kitra ankinina amintsika : « Fa ankehitriny izao diaora tokony hifohazana »24. Natao ho antsikamihitsy koa izany antso izany. « Koa tsarovy izaytoeranao fony tsy mbola lavo dia mibebaha, kamanaova ny asa voalohany »25. Mila mitandrinatsara ny amin’izay ho fandehantsika isika, na nyantsika manokana izany, na ny miaraka amin’nybesinimaro. Aoka hifanaraka tsara amin’ny antsoiantsoana antsika ny fandehantsika 26.

Mety mbola hampisalasala tokoa ny tenamaha voavonjy marina, na tsia, ny olona iraymilaza hoe : « voavonjy aho, tsy ahoako intsonyna ho tsara ny famindrako amin’ny fiainako sisarehetra, na tsia ! » Andriamanitra irery ihany nomahay mamaky ny tena ao am-pon’ny olona. Izaymino, hoy ny ambaran’ny Soratra Masina diatonga tia koa, satria narotsaka tao am-pony nyfitiavan’Andriamanitra, ary miseho indrindraamin’ny fitandremana ny Teniny izany fitiavanaizany 27. Izany indrindra no antony anehoantsikaamin’ny asa ny finoantsika.

Page 17: Un croyant peut…+++

17

2288.. Jaona 14. Ú∞ •• 2299.. Jaona 10. ‡µ-‡∞

Raha izay fandehantsika indray anefa noiankinan’ny famonjena antsika, iza no sahy hilazafa voavonjy ? Mainka hampikorontan-tsainaan’ireo mpino mbola rendremana, fa tsy hamohaazy mihitsy, ny fitadiavana hanaitra azy amin’nyalalan’ny filazana aminy fa tsy azo antoka nyfananany famonjena satria mivaralila be ihany,tsy araka ny tokony ho izy, izato famindrany.

Mifamatotra amin’ny an’Ilay Mpamonjymalalantsika ny fiainantsika : « Satria velona Ahodia ho velona koa ianareo »28. Hoy indrindra Izyraha nilaza ny amin’ireo ondriny, izay nomeny nyfiainana mandrakizay : « Tsy ho very izymandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azyamin’ny tanako. Ny Raiko izay manome Ahy dialehibe noho izy rehetra, ary tsy misy mahaymandrombaka amin’ny tanan’ny Ray »29. Tsyhiala amintsika intsony io famonjena miorina eoamin’ny asa lavorary notanterahin’i Kristy teoamin’ny hazofijaliana io, ka noraisintsikatamin’ny alalan’ny finoana. Izany fahazoanaantoka izany no antom-pifaliantsika sy fiadananaho antsika.

Aoka tsy hisy mihitsy amin’ireo efa zanak’Andriamanitra hiahiahy ny amin’ny famonjenaazy : miorina eo ambonin’izay nataon’i Kristy

Page 18: Un croyant peut…+++

izany famonjena izany, fa tsy eo ambonin’izaynataontsika akory. Aoka anefa samy haneho nyfinoany amin’ny asany avy ireo zanak’Andriamanitra, mba handre an’ilay feo manaohoe : « fantatro ankehitriny fa matahotraan’Andria manitra tokoa ianao… ka hitahy anaotokoa Aho ». Hiravoravo amin’ilay fiombonanaaina tanteraka amin’ny Ray sy ny Zanaka izy,amin’izay fotoana izay : « Hankao aminy izahay kahonina ao aminy »30. Ho tsapany ny fikorian’nyhafaliam-be ateraky ny fankatoavana : « Rahamitandrina ny didiko ianareo dia hitoetraamin’ny fitiavako, tahaka ny itandremako nydidin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izanyzavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba hoao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka nyfifalianareo »31.

18

3300.. Jaona 14. ‡Ò •• 3311.. Jaona 15. Ú†-ÚÚ

Page 19: Un croyant peut…+++

Asasoratra hafa mamahavaha ny lohahevitramitovy amin’ny hitanao tato :

Ny fahazoana antoka ny famonjena sy nyfifaliana azo avy amin’izany, G. Cutting

Voavidy ho amin’ny mandrakizay,J. G Fijunvandraat

Ireo fahamarinana fototra mikasika nyfamonjena, E. Dennett

19

Page 20: Un croyant peut…+++

MMEETTYY HHOO VVEERRYY IINNDDRRAAYY VVEENNYY FFAAMMOONNJJEENNAA

EEFFAA AAZZOONN’’NNYY MMPPIINNOO ??

Amboaram-boky 10x15ahitanao fanazavana tsotra

avy amin’ny Baiboly

NNaahhooaannaa nnoo nnaavvooaakkaaiizzaaoo aammbbooaarraamm--bbookkyy 1100xx1155 iizzaaoo??

Natonta tamin’ny taratasy manify ireo boky, arynatao mitovy habe amin’ny valopy. Nataoindrindra ho fampitomboana an’ireo mpamakyliana amin’ny Tenin’Andriamanitra, ireo bokikelyrehetra ho hitanao ato amin’ity amboaram-bokyity. Amidy amin’ny vidiny mirary tokoa izy ireny,ary mamaly an’ireo fanontaniana fametraky nyolona matetika, araka ny amalian’ny Tenin’Andriamanitra azy.

Page 21: Un croyant peut…+++
Page 22: Un croyant peut…+++

Imprimé en France par IMÉAF – 26160 La Bégude de MazencDépôt légal : 4e trimestre 2007 - N° d’impression 70731