lesson 5 ho an'ny 31 janoary, 2015. “ ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa...

9
NY FITAHIANA HO AN'NY OLO-MARINA Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary ,

Upload: arturo-lopez-duarte

Post on 22-Dec-2015

222 views

Category:

Documents


5 download

TRANSCRIPT

Page 1: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

NY FITAHIANA HO AN'NY OLO-

MARINA

Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary , 2015

Page 2: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

NY FAHITSIAN'NY OLO-MARINA (Ohabolana 10:1-7)

“Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa

akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.”

(Ohabolana 10:2)

Satria ny tena harena sarobidy dia ny fiainana mandrakizay. Tsy voavidin'ny volamena na vola izany (Mat. 16: 26).

Fahamarinana toy inona no manafaka antsika amin'ny fahafatesana?

Fitsipi-pitondrantena tsara. Fiheverana ny amin'ny fialana amin'ny ota, sy ny amin'ny fifandraisana ara-drariny amin'ny hafa amin'ny fanehoana hatsaram-panahy sy fanampiana amin'izay ilana izany (Mat. 25: 40-46).

Anisan'izany ny fieritreretana, ny fiteny ary ny asa. Koa dia miseho amin'ny lafiny tsirairay amin'ny fiainan'ny olo-marina ny fahitsiana.

Manazava ny fahasamihafana eo amin'ny fiainan'ny olo-marina sy ny fiainan'ny ratsy fanahy; ny hendry sy ny adala ity fizarana amin'ny Ohabolana ity. Ohatra, jereo and.2:

Nahoana ny harena azo tamin'ny tsy marina no tsy mahasoa akory?

Page 3: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

“Ireo izay mandeha amin'ny lalan-tery dia miresaka ny amin'ny fahasambarana izay ho azon'izy ireo amin'ny fiafaran'ny diany... Tsy manao fitafiana toy ny an'ireo izay mandeha amin'ny lalana migodana izy, na miteny toa azy, na manao asa toa azy. Nisy modely nomena azy ireo. Ilay Lehilahy ory sady zatra fijaliana no nanokatra ny lalana ho azy ireo sady efa nandia izany koa. Mahita ny dia-tongony ireo mpanara-dia Azy, sady mahazo fampiononana sy fampaherezana. Nandeha tsy ami-tahotra Izy, toy izany koa izy ireo raha manaraka ny diany.

Eny amin'ny lalana malalaka, dia seriny amin'ny tenany, ny fitafiany, ary ny fahafinaretany eny an-dalana izy rehetra. Manolo-tena ho amin'ny fihomezana sy ny korana izy, ka tsy misaina ny amin'ny fiafaran'ny diany, ny amin'ny fandringanana azo antoka amin'ny faran'ny lalana. Ny andro tsirairay dia manakaiky azy ireo amin'ny faharinganany, nefa dia mbola mirimorimo hatrany hatrany toy ny adala izy …

Ireo izay manaiky ny hanana fandavan-tena amin'ny zavatra rehetra ho an'ny fiainana mandrakizay no hahazo izany. Mendrika ny hitondrana fahoriana, fanomboana ny tena, ary fandaozana ireo sampy rehetra izany.”

E.G.W. (That I may know Him, 24 Oktobra)

Page 4: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

NY VAVAN'NY OLO-MARINA (Ohabolana 10:11-14)

Manao ahoana ny teny ataon'ny olo-marina sy ny adala?

NY OLO-MARINA

Loharanon'aina ny teniny (and. 11)Manarona ny ota rehetra amin'ny fitiavana (and. 12)Fahendrena no hita eo amin'ny molony (and. 13)

NY ADALA

Loza no mandrakotra ny vavany (and. 11)

Manetsika ady izy (and. 12)

Ny vavany dia eo akaikin'ny fandringanana and. 14)

NABALA

ABIGAILA

Tenim-pahendrena, anatra ary fampaherezana no mivoaka amin'ny vavan'ny olo-marina. Toy ny fikorianan'ny loharano velona izy ireo ho an'ireo izay mihaino sy manaiky azy. Mitondra fiainana vaovao sy fitahiana. Mizara ny Tenin'Andriamanitra ny olo-marina, satria Andriamanitra no tena loharanon'ny rano velona. (Salamo. 36: 9; Jer. 2: 13; Jaona 4: 14; 7: 38).

Page 5: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

NY FANANTENAN'NY OLO-MARINA (Ohabolana 11)

Inona no fanantenan'ny

olo-marina?Inona ireo

fitahiana raisiny ankehitrio sy

amin'ny ho avy?

(and. 3) “Ny fahitsian'ny mahitsy no mitari-dalana azy.”(and. 4) “Ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.”(and. 5) “Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany.”(and. 6) “Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy.”(and. 8) “Ny marina dia vonjena ho afaka amin'ny fahoriana.”(and. 9) “Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.”(and. 10) “Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna.”(and. 17)“Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany.”(and. 18)“Izay mamafy fahamarinana no mahazo karama marina.”(and. 19)“Ny fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana.”(and. 20)“Ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.”(and. 21) “Ny taranaky ny marina no ho afa-doza.”(and. 25)“Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana.”(and. 28)“Ny marina ho tahaka ny ravi-kazo maitso.”(and. 30)“Ny vokatry ny marina dia hazon'aina.”(and. 31)“Ny marina dia valiana etỳ an-tany.”

Ny fanantenan'ny olo-marina dia mandrisika azy hanana fiainana mahitsy, manetry tena, mendrika, ary feno fangorahana.

Page 6: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

NY FAHAMARINAN'NY OLO-MARINA (Ohabolana 12)“Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.” (Ohabolana 12:22)

Ny teny sy ny asa misy lainga dia mampidi-doza ilay fitahina ary manisy ratsy ilay mpamitaka. Fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra izany.Rehefa miharihary ny fahamarinana dia manjary fahavetavetana koa amin'ny olombelona ny lainga. Rava ny fahatokiana ny mpandainga. Hatr'izao dia mampisalasala ny teniny sy ny asany.Fa, ireo izay tsy miteny sy tsy manao asa mendrika dia mihevitra fa ny hafa koa dia manana fomba mamitaka. Miambina mandrakariva izy ireny sady matahotra sao dia ho voafitaka. Tsy mety mahita fiadanana izy.

Page 7: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

“Ny zavatra rehetra ataon'ny Kristiana dia tokony ho mangarahara toy ny tara-pahazavana. Andriamanitra no fahamarinana. Ny fitaka amin'ny endriny maro samihafa dia avy amin'i Satana... Tsy zavatra maivana na mora foana ny miteny ny fahamarinana. Tsy afaka ny hiteny ny marina isika raha tsy mahafantatra ny marina. Ary impiry moa ny hevitra mibahana mialoha, ny tsy fahafenoan'ny fahalalana, ny fahadisoam-piheverana, no manakana ny fahazoana tsara ny toe-javatra izay tokony ho tanterahina! Tsy afaka ny hiresaka ny fahamarinana isika raha tsy Izy izay fahamarinana no mitarika antsika tsy akiato.”

E.G.W. (Reflecting Christ, 26 Febroary )

Page 8: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

NY VALISOA HO AN'NY OLO-MARINA (Ohabolana 13)

Inona ny fahasamihafana

eo amin'ny valisoa ho an'ny olo-marina sy ny

adala?

NY OLO-MARINA

Ihinana zava-tsoa izy.” (and. 2)

“Ny fahazavany dia tsara firehitra.” (and. 9)

“Hahazo valim-pitia izy.” (and. 13)

Homem-boninahitra.” (and. 18)

"Ho valian-tsoa.” (and. 21)

"Mihinana ka voky tsara.” (and. 25)

NY RATSY FANAHY

"Ho ringana.” (and. 3)

“Ny jirony ho faty.” (and. 9)

"Mahavery ny tenany.” (and. 13)

“Fahantrana sy henatra no ho azy.” (and. 18)

“Enjehin'ny loza.” (and. 21)

“Noana ny kibony.” (and. 25)

Page 9: Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015. “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana

“Ny fitenin'ny olombelona dia tsy ampy hamisavisana ny valisoa ho an'ny olo-marina. Ireo izay mahazo izany ihany no hahafantatra azy. Tsy misy saina voafetra hahatakatra

ny voninahitry ny Paradisan'Andriamanitra.”E.G.W. (The Great Controversy, tk. 43, pj. 674)