lokanady 0001

8
FAHALEOVANTENA SY FIAINAM-PIRENENA LOKANADY Laharana 0001 Tsy azo amidy Alatsinainy 20 Jiona 2016 Tantara mitamberina Mbola mitondra takaitra Mamadika ny rasa Mila filaminana Mila fihatsaram-piainana Izao tontolo izao no tokontany Ny tenintsika, harena

Category:

Documents


4 download

DESCRIPTION

Fahaleovan-tena sy fiainam-pirenena

TRANSCRIPT

Page 1: Lokanady 0001

FAHALEOVANTENASY FIAINAM-PIRENENA

LOKANADYL a h a r a n a

0001Tsy azo amidy

Alatsinainy 20 Jiona 2016

Tantara mitamberina Mbola mitondra takaitra Mamadika ny rasa Mila filaminana Mila fihatsaram-piainana Izao tontolo izao no tokontany Ny tenintsika, harena

Page 2: Lokanady 0001

MATOAN- DAHATSORATRA

Ara-bakiteny dia mazava ny heviny : loka aorian’ny ady. Lokan’ny fahombiazana teo amin’ny ady natrehina. Izany loka izany koa no fanoitra mandrisika eo am-perin’ady satria miorim-paka ao amin’ny faniriana lalina, raha sanatria trà-pahakiviana mandalo.

Ady ny fiainana. Mampiady saina, mampiady hevitra, mampiady karajia, miady varotra. Misy lokanady kendrena daholo izany. Tsy voatery ho famonoana na fifamonoana ny ady. Ny ady hevitra, ohatra, dia mety miafara amin’ny fandresen-dahatra, ary ny faharesen-dahatra dia manamo-ra ny firosoana.” Ny hevitra tsy azo tsy amin’olombelona”, hoy ny fahendren-drazana.

Izay rafi-pisainana izay no antom-pisian’ity gazety LOKANADY ity. Ity laharana manokana ho an’ny 26 jona ity dia miompana eo amin’ny lokanady mifandray amin’ny Fahaleovantena. Tsy ho voaresaka ato daholo akory ny

sehatra rehetra voakasik’izany fa lafiny vitsivitsy izay heve-rina fa mety hampitsimoka na hanatevina ny ady hevitra no nofantenana.

Tsy mitompo teny fantatra ho irery manana ny marina ny mpanoratra ato fa mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny Kolontsain’ny fananganana fa izany no ilain’ny Firenena sy ny Malagasy tsy vaky volo izao mba izorany amin’ny fahombiazana, ny fahamendrehana sy ny fihatsaram-piai-nana. 56 taona taorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena mbola ny fanontaniana no betsaka noho ny valiny. Kanefa ny fanantenana no tsy maintsy mamatsy ny dia raha te handrombaka ny lokanady.

Isika miaraka no mahita ny valiny.

LOKANADYBE KORONTANA LOATRA!

Ny fiainam-pirenenaLatsaka an-katerena lava izao !

Rehefa atao indray mitopy maso ny tanta-ram-pirenentsika taorian’ny fiverenan’ny Fahaleovantena, indrindra fa teo amin’ny fifandi-mbiasam-pahefana dia mazava fa be korontana loatra nandritra izay 56 taona izay.

Latsaka an-katerena lava izao !Rehefa atao indray mitopy maso ny tantaram-pirenentsi-

ka taorian’ny fiverenan’ny Fahaleovantena, indrindra fa teo amin’ny fifandimbiasam-pahefana dia mazava fa be koron-tana loatra nandritra izay 56 taona izay.

Hita tsara izany amin’io fafana tetiandro io. Raha fintinina : tanatin’izay 56 taona izay dia olona 13 no nitondra ny Firenena kanefa ny 6 tamin’izy ireo ihany no voafi-dim-bahoaka araka ny fenitry ny demokrasia. Tsy vitan’izay fa nomban’ny fifandonana mahery vaika namoizana ain’olo-na, nanagadrana olona na nampandeha an-tsesitany ny sasany aza izany fifandimbiasam-pahefana izany.

Iaraha-mahafantatra anefa fa rehefa mikorontana ny any an-tendron’ny Fitondrana dia mikorontana avokoa ny fitantanan-draharaha rehetra manerana ny Nosy. Toa izay koa ny eo amin’ny lafiny toekarena, ary efa voaporofo fa isaky ny mikorontana ny fiainam-pirenena dia mihiba mana-raka izay ny harin-karem-pirenena (jereo ny sary) satria mitohana ny fihariana, miroaroa saina ny mpandraharaha, mihataka ny mpiray antoka avy any ivelany.

Tsy vitan’izay, fa very hevitra ny saramba-bem-bahoaka, lasa sambom-belon’ny kilalao politika. Mitaintain-dava toy ny soabakaka ambodiriana. Ary na mive-rina amin’ny laoniny ara-dalàna aza ny fitondrana avy eo dia mbola sahirana izay mandova ny korontana ka ela vao ahitam-bokatra ny asa fanarenana. Marefo koa ny fifampi-tokisana.

Etsy andaniny anefa, efa nivangongo ny fahasahiran’ny vahoaka, ny enti-manana tsy mbola maharaka ny tinady, ary ny ankolafiny tsy anatin’ny fitondrana,kosa, mandrehitra sy mikopak’afo no tena imasoany. Izany no mbola iainantsika amin’izao fotoana izao. (Mitohy P6)

1972

2009

Sady efa mikitaontaona ny lalam-pihariana no mbola misy antsam-be indray ! Ireny teboka mena ireny no maneho ny fitontonan’ny harin-karem-pirenena rehefa misy kirizy. Tsisy raharaha vanona. Dia gaga ianao raha mikoroso isika ?

Korontan-dava toa izao ny fifandimbiasam-pahefana teto amintsika. Dikany : ny Kolontsaina politika mihitsy no efa nilaozan’ny toetr’andro. Mila fihavaozana fa ho sahirana na iza na iza mitondra.

TAMBERINA NY NAHATERAHAN’NYREPOBLIKA

28 septembra 1958, nambaran’ny solontenan’ny Fitondrana mpanjanatany fa foana ny làlàna tamin’ny 6 aogositra 1896 nanao zanatany an’i Madagasikara. Teraka ny Repoblika, ary voafidy ho sainam-pirenena ilay maitso, fotsy mena efa fantatsika.

...SY NY FIVERANAN’NYFAHALEOVANTENA

Vanim-potoana ara tantara niainana tanaty fanjana-han-tany nandritra ny 64 taona no nifarana tamin’ny fomba manetriketrika ny 26 jona 1960. Nahaleotena indray i Mada-gasikara ary teraka tamin’izany koa ny Tafika Malagasy. Natolotry ny Filoham-pirenena Philibert Tsiranana ho azy ny Fanevam-pirenena.

Ny mpianatra ho mpampianatra no niredona voalohany ny Hirampirenena.

Alatsinainy 20 Jiona 20162

Page 3: Lokanady 0001

Fa inona izany hoe :FAHALEOVANTENA ?

Fa inona tokoa moa izany hoe: Fahaleovantena izany ? Tsy vitan’ny, hoe, ambara amin’ny fomba manetriketrika, dia ankalazaina isan-taona ny Fahaleovantena dia efa izay izany. Mamita-tena raha izay. Ady hafa karazana indray ny Fahaleovantena. Ady mamadika ny rasa.

Tsy vitan-dresaka ny FahaleovantenaVao tany amin’ny taona 1895 dia efa tsy neken’ny Malagasy izany fanitsakitsahana an-keriny ny fiandrianam-pireneny

izany. Ny Menalamba no voalohany nitarika ny fanoherana ary nandritra ny am-polon-taonany maro taty aoriana dia niseho tamin’ny endriny samihafa izany fanoherana fanjanahan-tany izany manerana ny Nosy. Namoizana ain’olona aman’hetsiny, nampitondra takaitra olona maro, nanagadrana sy nandefasana olona maro an-tsesitany. Ny farany tamin’izany hetraketraky ny mpanjanan-tany izany dia tamin’ny 29 Marsa 1947, izay tsiahivintsika isan-taona ary manambatra ny fahatsiarovana sy fanomezana hasina ireo rehetra namoy ny ainy noho ny fitiavan-tanindrazana.

Nitondra ny mangidy ny malagasy tany ambanivohitra rehetra tany noho ny fitondran’ny mpanjanaka. Atody niady amam-bato tokoa ka mitanondrika tsy fidiny.

Izy no Rabezavana, mpitari-tolona Menalamba izay tsy nanaiky ny fanjanahantany ka niady nanohitra tamin’izay teo am-pelan-tanany.

Ny toha-dranon’i Bevoay vao vita vao aingana no goavana indrindra eto Madagasikara. Tanimbary an’aliny ekitara no voatondraka ka mitera-bokatra vary mahazendana. Mihatsara ny fiainan’ny olona an’arivony, aman’aliny. Fotodrafitrasa mitodika amin’ny tombontsoam-bahoaka itony.

Ireo ny solontenan’ny akanga sisa nanamborana tamin’ny tolona 1947. Efa nahazo taona daholo kanefa mbola miredareda ao anatiny ny fitiava-Tanindrazana izay nanosika azy iady, anoherana ny fanjanahan-tany. Vato namelan-kafatry ny Menalamba izy ireo. Vato namelan-kafatry ny mpitolona ho an’ny Fahaleovantena rehetra Atoa Hery Rajaonarimampianina, Filohan’ny Repoblika.

Rariny sy hitsiny raha toa ka noraisin’ny vahoaka mala-gasy tanaty hafaliana ny fiverenan’ny Fahaleovantena tamin’ny 26 Jona 1960. 56 taona aty aoriana, mbola ankala-zaina anatin’ny fihobiana ny 26 Jona. 56 taona aty aoriana, tsapa fa tsy mora zakaina izany fahaleovantena izany ary mbola ezaka be no andrasana amintsika rehetra mandritra ny taona maro vao tena hody ventiny ny rano nantsakaina.

Ny fanjanahan-tany izay nialoha ny fiverenan’ny Fahaleovantena tamin’ny 1960 dia rafitra, fotodrafitrasa, firehana sy fitantanana nosainina angejana ny Vahoaka sy ny Firenena, natao hitsentsefana ny hareny mba anateve-

nana ny harin-karen’ny fanjakana mpanjanaka. Azo lazai-na tsy am-pihambahambana fa ny tanjak’ireo firenen-de-hibe ankehitriny any Eropa andrefana dia voavatsy, na dia tamin’ny ampahany ihany aza, tamin’ny harena noraofina an-keriny tany amin’ny tany nozanahany avy.

Nampiasa ny paika politika sy kolontsaina koa ny mpan-janantany mba hanefena malagasy miray antoka aminy, mivantana na an-kolaka, ary nanaranaka izany firehan-ke-vitra izany indraindray. Ny ady hevitra lava be teo amin’ny teny enti-mampianatra koa, ohatra, dia tarazon’izany andro lasa izany. Ny « zarazarao anjakana » eo amin’ny mala-gasy samihafa foko dia mbola tarazon’izany andro lasa izany, ary dia mbola misy ny milalao an’izany ankehitriny.

Raha tsy tonga saina amin’izany isika ka manara-da-

vahana fotsiny an’izay nolovaina tamin’ny fanjanahan-tany dia tsy tokony ho gaga raha mivarina an-kady no iafarana. Mivoaka fanjanahan-tany dia miditra fanjanahan-tena.

Raha te hamadika ny rasa !Raha hamadika ny rasa dia rafitra miorim-paka sy

mandrindra ny hetahetam-pihatsaram-piainana eo amin’ny Vahoaka miainga amin’ny loharanon-karena manodidina azy aloha no ilaina. Mba isitrahany an’izany sy ihatsaran’ny fiainany. Làlana anankiray amin’izany ny fitsinjaram-pahe-fana voahevitra sy voaara-maso tsara mba tsy hampivaona azy amin’ny fitsijaram-pahefana ho an’ny tompomenakely vaovao indray. Ny fotodrafitrasa fony faha zanatany dia nataony indrindra mba amoahana ny vokatra rehetra naon-drany tany aminy. Azo ampiasaina anatin’ny Fahaleovantena ireny fa tsy maintsy hatevenina amin’ny fotodrafitrasa mitodika kokoa amin’ny fihatsaram-piai-nan’ny Malagasy. Ho an’ny fahasalamany, ny fianaran’ny zanany, ny fanatsarana ny famokarana samihafa, ny famo-ronana ny làlana ivezivezen’ny olona sy ny vokatra, ny famatsiana angovo anamorana sy andrisihina ny mpandra-haraha teratany sy vahiny hampiasa ny renivolany eo amin’ny fiharian-karena, anapariahana tsaratsara kokoa ny torohay sy vaovao mahasoa, mampandroso.

Alatsinainy 20 Jiona 2016 3

Page 4: Lokanady 0001

Fa inona izany hoe :FAHALEOVANTENA ?

FITONDRANA MIRAY ANTOKA AMIN’NY VAHOAKA

Ny Fahaleovantena ara-toekaren’ny Firenena iray dia miorimpaka eo amin’ny tany lonaka sy voajary ary ny harena ao ankibony. Isika mbola manana ny ranomasina fanampiny. Manabe voa ny vinan’ny mpitondra izany lova voajanahary izany. Ilaina ny fahaizana mampitao ny famokarana, ary mampifandray an’izany amin’ny faniriana sy angovon’ny vahoaka

Olon’ny fo ny malagasy ka na mbola anaty fahasahira-

nana azy izy dia ankafiziny ny firaisam-po sy saina

asehon’ny mpitondra ma-nam-panahy. Eny anivon’ny sahirana indrindra no misy

ny fanantenana fihatsa-ram-piainana lalina indrindra

Misy lanjany lehibe eo amin’ny famadihana ny rasa koa ny fomba fitantanana. Jadona, asa an-terivozona, teny midina, teny baiko, fampitahorana, fanambaniana sy fanapempoana, fanararaotana. Izany no voambolana mifanandrify amin’ny fomba fitantanan’ny mpanjanatany fahizay. Raha izany no entina amin’ny fitantanana Firenena sy Vahoaka amin’izao fotoana izao, azo antoka fa tsy hisy raharaha vanona. Ny fitsinjaram-pahefana efa voaresaka teo dia fomba iray hamadihana ny rasa. Eo koa ny fampiainana am-pahendrena sy am-piheverana ny demokrasia mba hampisy vina mahataka-davitra tovozina eo amin’ny hevitry ny maro. Fa tsy afa misaraka amin’izany rehetra izany ny « tamberin’andraikitra » ho an’ny olona manana ny fahefana, na voafidy izy na voatendry. Ohatra : ny harin-karena marim-pototra indrindra dia miorina amin’ny loharanon-karena voajana-harin’ny Firenena, miainga avy amin’ny asan’ny olona. Manan-jo ahafantatra ny olompirenena ny amin’izay fomba fitantanana sy fampiasana izany. Izay ilay tambe-rin’andraikitra ho an’ny manampahefana amin’ny seha-tra isan’isany.

Safidy miteraka adidy

Araka izany, dia safidy miteraka adidy aman’andraikitra ny Fahaleovantena, mitaky fiovana lalina koa ka mila miova lasitra tanteraka ny fomba fisainana. Matoa nitady ny fahaleovantena dia misy karazam-pifandraisana sy fifama-torana tsy neken’ny saina amam-panahy tany aloha. Kanefa! ny Fahaleovantena koa, tsy midika hoe, tsy mifan-dray amin’iza na iza, mitoka-monina. Indrindra anatin’ny fanatontoloana iainana izao. Fahafahana misafidy ny ifandraisana sy ifampiraharahana ho an’ny tombontsoan’ny Vahoaka sy ny Firenena no dikan’ny Fahaleovantena. Na firenena, na fikambanana mpampindram-bola, na mpam-piasa renivola ifandrainsantsika sy ifampiraharahantsika dia ny tombontsoany aloha no jereny sy mby an-dohany. Hitsiny izany. Tokony hazava amintsika,kosa, izany ny tombontsoa tadiavintsika anaty fampiraharahana. Ary mora kokoa amintsika ny mifampiraharaha raha matanjaka ny Firenentsika fa tsy sahiran-dava izao, noho isika samy isika ihany matetika.

Eo amin’ny toerana, asa aman-draharaha, andraikitra misy antsika avy dia afaka mandrefy isika hoe: raha ireo famariparitana vitsy ireo fotsiny no jerena, aiza ho aiza no misy antsika 56 taona aty aorian’ny niverenan’ ny Fahaleovantena ? Tandremo anefa! sao alaim-panahy hanipy ny andraikitra any amin’ny mpitondra irery. Bebe kokoa noho ny an’ny rehetra ny andraikitr’izy ireny, fa samy manana ny tandrify azy koa ny olompirenena tsirairay.

Alatsinainy 20 Jiona 20164

Page 5: Lokanady 0001

FIAMPITANAHO AMIN’NY

FIHATSARAM-PIAINANA

Misy sahy hilaza ve hoe: tsy mila fihatsarana ny fiainany? Samy mitady an’izany daholo fa ny fihatsarana ilaina no tsy mitovy, satria ny toerana iaingana tsy mitovy, ny ho enti-manana tsy mitovy. Izay no mahasarotra ny fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Izay no ilàna vina mampiombona, manambatra ny faniriana fihatsaram-piainana maro an’isa indrindra.

Fahantrana hoe ?Miovaova arakarak’izay mamoaka azy ny ambara fa

taham-pahantrana eto amin’ny Firenentsika. Ny iombonan’ny mpanadihady aloha dia nitombo be izany taha izany nandritra ny krizy. Io koa moa samy manana ny fiheverany ny fahantrana. Ny olona kely vola fa manan-karem-pahasoavana sy mamy hoditra amin’ny mpiara-monina ve mahantra? Ny mpanefoefo tsy ampy torimaso sy be taintaina isan’andro ve tsy mahantra? Mahantra ve ny olona sa sahiran-dava?

Misy famaritana ny fahantrana izay toa dia tsy lavitra ny marina ihany. Izany famaritana izany dia manao hoe: « Ny fahantrana dia ny tsy fahafahana misitraka izay tombontsoa ara-dalàna sy mahazatra ny hafa ao anatin’ny rafi-piaraha-monina, miaina ankilabao. » Ny reny bevohoka tsy mahita toby fampiterahana, ny zaza menavava tsy voaara-maso amin’ny fitomboany, ny ankizy tsy tafiditra an-tsekoly, ny tafiditra an-tsekoly tsy maharaka fa tsy ampy sakafo… Rehefa ampanakaikezina ny mponina ny fotodrafitrasa fitsaboana sy fanabeazana dia efa manala fahasahiranana izany, efa mampiaty ireo izay ankilabao hatrizay izany. Mihemotra ny lazaina hoe: fahantrana. Efa ataon’ny fitondrana izany. Misy ny sekoly fa tsy efan’ny ray aman-dreny ny handefa ny zanany satria aleony ny ankizy manampy any an-tsaha na mikarama kely etsy sy eroa. Sitrany ahay ! Ny ankizy tonga any an-tsekoly indray tsy maharaka, matory am-pitoerana fa noana, niala tany an-trano tsy nisakafo maraina. Ny Vatsin’Ankohonana dia mandrisika ny reny handefa ny zanany any an-tsekoly. Ho an’ny ankohonana tena sahirana dia misy famatsiana sakafo atoandro any an-tsekoly. Velombolo ny ankizy, mandaitra ny fampianarana, mahomby ny mpianatra. Efa ataon’ny fitondrana izany. Mitondra fihatsaram-piainana ho an’ny sahirana indrindra izany. Ohatra vitsy eo amin’ny andavanandron’ny olona izay.

Mbola vao ny ampahafolon’ny tany azo ambolena eto Madagasikara no ahitana fanabeazam-boho amin’izao fotoana. Ny toe-tany sy toetr’andro eto amintsika, anefa,

mety amina vokatra maro ary ny tsena anatiny sy ivelany samy mila avokoa. Ny ankamaroan’ny Malagasy rahateo mbola ny asa tany no manavanana azy. Ny fotodrafitrasa voarindra no tahaka ny hazondamosin’ny vinam-piharian-karena.

Fihatsaram-piainanaNy ohatra mazava indrindra angamba dia izay hita

amin’ny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara amin’izao fotoana. Ny mpamboly no tompon’ny tanimbariny, manaraka fiofanana samihafa eo amin’ny fambolena sy fitantanan-bola izy ireo. Miara-miasa aminy ny tekinisiana isafidianana ny masomboly. Ny lakan-drano manondraka ny tanimbariny mandalo ao an-tanàna. Izany dia fotodrafitrasa nolovaina fa ny tohadrano mamatsy sy mandrindra ny fitsinjarana ny ranon’i Mangoky dia vaovao. Io no tohadrano lehibe indrindra eto Madagasikara. Tsara dia tsara ny vokatra fa hatramin’izay dia sarotra ny fivoahany. Madiva ho vita izao ny làlam-pirenena manavatsava ilay faritra, misy tetezana mirefy 224 metatra izay manala fahasahiranana ny fiara vaventy mpitatitra ny vokatra. Manafaingana ny fifandraisan’ny mpamokatra sy mpividy izany raha fintinina, mampatanjaka ny tambazotran’ny fiharian-karena. Mitondra fihatsaram-piainana ho an’ny faritra manontolo, sy ny Firenena.

Tsy efan’ny ireryTao anatin’izay 56 taona nahaleovantena izay dia tsy

mbola afa miala na nanamaivana ny fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany isika. Ny antony iray lehibe dia voaresaka ao amin’ny lahatsoratra anatin’ity laharana Lokanady ity “Fifandimbiazam-pahefana mikorontan-dava”.

Fa na ihamaivana aza ny fiankinan-doha, ny fiaraha-miasa amin’ny famatsiam-bola hitohy ihany. Mila fahaizana mandrindra paika manoloana ireo iaraha-miasa ny fitondrana, fa indrindra indrindra mila mahafantatra tsara ny tombontosa arovana mba itondra fihatsaram-piainana ny vokatry ny fifampiraharahana.

Ny fihatsaran’ny fitantanan-draharaham-panjakana koa dia antoky ny fihatsaram-piainana ho an’ny vahoaka.

Alatsinainy 20 Jiona 2016 5

Page 6: Lokanady 0001

FIFANDIMBIASAM- PAHEFANA

BE KORONTANA LOATRA

( Tohiny sady farany)

Mila fahamatorana politika sy filaminana

Im-betsaka ny Filoham-pirenena no efa nanambara fa sarobidy, saropady ny fahamarinan-toeran’ny sehatra politika eto amintsika. Sarotra, anefa, ny fikajiana izany satria tsorina fa mbola samy mianatra ny fampiainana ny demokrasia politika avokoa. Indraindray ampifangaroana amin’ny fanjakan’i Baroa sy ny tabataba an-dàlam-be ny demokrasia. Tompon’andraikitra amin’izany ny antoko politika.

Ny tarehimarika faramparany dia manambara fa 130 eo ho eo ny antoko politika eto amintsika amin’izao fotoana. Tany aloha kely aza dia efa nisy 250 izy ireo. Efa misy ny lalàna mifehy ny antoko politika ary mazava ny fepetra takiany. Fanontaniana roa sosona no indray mipetraka :

1) Tena manambara fahamatorana sy vina politika miorim-paka eo amin’ny Firenena ve izany antoko 130 izany ?

2) Tena nahafeno ny fepetra rehetra takiana amin’ny antoko politika ve izy rehetra ireo ?

Endriny roa no tokony ho hita amin’izany,hoe, antoko politika izany. Ny efa fantatry ny maro dia ny fikatsahany ny fahefam-pitondrana. Hitsiny izany satria antom-pisiany. Efa nilaozan’ny toetr’andro ary tsy ahazoany fankatoàvan’ny vahoaka intsony, anefa, raha korontana sy teti-panonganana no heverina ahatongavana amin’izany fahefana izany. Leom-boanana ny olona satria efa fantany izao fa izy ihany no mizaka ny mafy indrindra avy eo; hihemotra ny fari-piainany noho ny antony voatanisa tery aloha. Ny làlana mendrika dia ny làlan’ny fifidianana demokratika ihany. Dia eo no mitsidika ny endrika faharoa maha antoko politika satria mila maneho sy manazava ny vinam-piaraha-monina mampiavaka azy izy, ary mandresy lahatra an-kalalahana ny vahoaka mpifidy. Mpaneho hevitra, mpanabe ny antoko politika, mpanentana sy mpitari-dàlana fa tsy fikambanana mitady fahefana sy tombontsoa ho an’ny mpikambana fotsiny, dia mamorona korontana rehefa tsy eo amin’ny fitondrana.

Ny fisainana demokratika no nanatontosana ny fifidianana Ben’ny Tanàna efa 1600 mahery manerana ny Nosy. Toy izay koa ny fifidianana ny Loholona, ankoatr’ izay notendren’ny Filoham-pirenena araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Misy fe-potoana daholo ny fahefana natolotry ny vahoaka ho an’ny olom-boafidy rehetra ary ny fanajana izany fe-potoana izany dia endrika iray hitsarana ny fahamatorana fara fahakeliny ara-demokrasia eo amin’ny hery sy antoko politika rehetra.

Io ampatsiahivina etsy ankavia io ilay sary mampiseho ny fidonan’ny krizy eo amin’ny harin-karem-pirenena. Tafavoaka krizy ny Firenena dia miainga avy any anaty lavaka indray hanarina. Ny fahasahiranana efa nivangongo. Ny fifampatokisana rava, mifampiandry amin’ny kendri-tohina fotsiny no kilalaon’ny mpanao politika. Na iza na iza mitondra eo, sahirana. Ny vahoaka anefa etsy andaniny efa nizaka ny tsy eran’ny aina, miandrandra fihatsaram-piainana malaky. Rariny sy hitsiny izany.

Efa voalaza ihany fa tsy misy voafidy anao fahagagana izay mitondra ny Firenena. Vina, soatoavina, asa no andrasana aminy anatin’ny fotoana nofaritan’ny làlàna anaovany an’izany. Maneran-tany dia dimy na fito taona ny fe-potoam-pitondrana indray maka. Misy antony izany : tsy misy zavatra vita indray mipi-maso raha fampandrosoana Firenena no resahina. Vao maika fa miainga avy anaty lavaka, toa ny miverina miady fototra indray. Mila fahamarinan-toerana ny sehatra politika raha te handroso isika.

Inona no dikan’izany ?Ny sehatra politika resahina eto dia ny sehatry ny

adim-pahefana izay maha antoko politika ny antoko politika. Raha tsorina dia misy andalana efatra eo : miorina ara-dàlàna ny antoko politika, efa tokony manana ny vinam-piaraha-monina izy matoa mijoro hiady fahefana, mila mandresy lahatra ny vahoaka amin’ny maha loharanom-pahasoavana ny hevitry ny antokony izy. Ary farany, ny safidim-bahoaka ihany no hanambara na mahazo fankatoavana sy fahatokisana na tsia ny hevitra sy paika arosony.

Tombontsoan’ny antoko politika tena te hanao zavatra ho an’ny Firenena izany ny fahamarinan-toeran’ny sehatra ilalaovana, mba ampazava ny heviny idirana amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa. Ny safidim-bahoaka no masontsivana voalohany sady farany fa tsy izao tsangan’olona rehetra izao dia miteny izay any an-dohany dia ny « vahoaka » no atao saron-tavan’ny serasera kanefa

tsy voafidin’iza na iza. Na koa voafidy ihany fa mampiasa izany sata izany anaovana sangy mihoatra ny loha. Rehefa mazava ny safidim-bahoaka dia tokony hajaina an-tsakany sy andavany, anatin’ny fanajàna ny làlàna manan-kery.

Voalohany, hajaina ny fe-potoana ara-dàlàna natao itondran’izay mitondra. Tsy fivohizana ny fametraham-pialàna an-gazety sy fitaomana ny olona hilahatra an-dalambe no atao dridran’ingilo efa mamono sofina ka iomehezan’ny olona ny farany. Tsy milaza koa anefa izany fa afaka manao izay danin’ny kibony ny mpitondra voafidy. Ao anatin’ny Lalam-panorenana sy ny làlàna mifehy ny karazam-pikambanana samihafa dia efa voalaza ny tranga rehetra mety hiafara amin’ny fampitsaharana ny asan’ny olomboafidy, sy ny fombafomba ara-dàlàna anatanterahana izany.

Inona no tombontsoam-pirenena

amin’izany ?

Manam-potoana malalaka andrafetana ny hazon-damosin’ny vina narosony izay mitondra. Anatin’izany ohatra ny fametrahana fotodrafitrasa mamelona ny fiharian-karena sy ny fifanarahana amin’ny mpiombon’antoka amin’ny fanatanterahana an’izany ; ohatra hafa : ny mpandrahara, na madinika na vaventy, na vahiny na teratany, afaka mametraka paikam-pihariana ampiasany vola ary tsy manana ahiahy hoe afaka herintaona na roa taona dia raikitra indray ny korontana. Dia tahaka ny vanja may tsy harena ny renivola nampiasainy, na voaroba indray ny fananany. Isaky ny krizy dia izany no iainan’ny mpandraharaha ka mba vizana sy marisarisa ihany izy ny farany.

Endrika iray amin’ny sehatra politika marin-toerana koa ny fisian’ny ady hevitra politika malalaka amin’ny maha fanehoan-kevitra iantohan’ny Lalam-panorenana azy. Manatevina ny kolontsain’ny olompirenena izany ka hihamatotra kokoa hatrany izy ireo, ahay mandanjalanja sy

mandinika mba ampisy lanjany ny safidy izay ho raisiny amin’ny fotoana ilàna izany. Tsy ihinana amam-bolony intsony.

Azo antenaina ve ny isian’izany ?

Taratry ny demokrasia tiana izorana ankehitriny izany, fa raha ny marina dia efa anaty kolontsaina malagasy izany, ary ny voambolana tahaka ny hoe loabary an-dasy, teny ierana, velirano na ohabolana tahaka ny hoe : Ny hevitra tsy azo tsy amin’olombelona, Ny tanety lava misy isainana, sns. dia manambara fa efa ela isika malagasy no nanana soatoavina mandrindra sy mandamina ny fiainan’ny mpiaramonina, mpiarabelona.

Noho izany dia tena azo antenaina ary tokony ilofosana mihitsy ny ampivoarana ny sehatra politika takian’ny andro ankehitriny kanefa miorim-paka eo amin’ny kolontsaina sy fahendrena malagasy. Angaha moa izany hoe mpanao politika izany dia tsy maintsy hoe mizahozaho, mandainga sy mamitaka, tsy te halala ny hevitry ny hafa, entanin’ny fititavan-tena sy fitiavam-bola fotsiny ? Ekena fa ny krizy dimy taona dia nampikoroso ny fisainana sy fiainana ny politika teto amintsika. Efa tany alohan’ny krizy ny vola no nanomboka nikoriana teo amin’ny fanaovana politika. Ary tamin’ny andron’ny krizy dia nihombo ny aretina. Tsy milaza izany fa tsy afa miaraka ny vola sy ny politika fa ny fomba fiarahany no mety iadian-kevitra amaritana ny fepetra ara-dàlàna.

Tena ilaintsika ny fahamarinan-toeran’ny sehatra politika. Na rahoviana na rahoviana satria Tantaram-pirenena no resahina. Nosoavin-janahary manokana ny tanintsika fa isika rehetra mila mamelombolo indray ny soatoavina maha malagasy antsika mba ho fanilon’ny fizorantsika mankamin’ny vina iombonana. Firenena miroborobo, Malagasy manana ny ampy, Mijoro amin’ny maha izy azy satria tsara fototra.

FAHAMARINAN-TOERANA NY SEHATRA POLITIKA

VAOVAO

Alatsinainy 20 Jiona 20166

Page 7: Lokanady 0001

FIFANDRAISANA

Namitrana fifandraisana ravaNitoka-monina tanteraka i Madagasikara nandritra ny

dimy taona nisian’ny fitondrana tsy nankatoàvin’izao tontolo izao teto amintsika. Ny dikan’izany dia tapaka daholo ny fifandraisam-piaraha-miasa rehetra . Tahaka ny tsy nisy intsony i Madagasikara ho an’ireo firenena sy fikambanana nanapaka ny fifandraisana. Araka ny efa fantatra anefa, dia mbola miankin-doha be amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ny firenentsika amin’ny lafiny ara-bola. Na dia niezaka mafy aza ny fitondrana tetezamita ny tsy hampitotongana be loatra ny farim-piainan’ ny Malagasy dia fantatra fa tsy ho ampy hitondrana fampandrosoana ny tetibola an-tànana.

Rehefa niverina tamin’ny laoniny ny fitondrana ka voafidy ara-dalàna ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia isan’ny vain-dohan-draharahany ny namitrana indray izany fifandraisana efa tapaka rehetra izany. Tsy vita mora na indray mipi-maso izany famitranana izany. Amin’izao fotoana izao dia azo lazaina fa tontosan’ny Filoham-pirenena tanteraka ny famitrànam-pihavanana amin’izao tontolo izao.

Fifandraisana ho fampandrosoana ny Firenena

Tsy fitia te hifandray fotsiny no nivezivezen’ny

Filoham-pirenena tamin’ny vazan-tany efatra. Anatin’ny fanatontoloana isika izao. Miova rahateo koa ny fifandanjan’ny hery ara-toe-karena maneran-tany. Mandroso haingana be lavitra noho ny tandrefana izay noheverina ho filamatra tany aloha ny firenena tatsinanana ankehitriny.

Ao anatin’izany tontolo niova be izany no tsy maintsy mitady ny làlany i Madagasikara mba ahitany izay endri-piaraha-miasa mifanitsy indrindra amin’ny tombontsoany. Ny sori-dàlan’ny Filoham-pirenena efa mazava: fametrahana fotodrafitrasa hanome hazon-damosina ny fiharian-karena, fikatsahana ny endri-piaraha-miasa sy renivola ho enti-manatanteraka izany, fanatsarana ny fitantànan-draharaha anatiny mba itomboan’ny enti-manana avy ato anatiny. Sehatra maro no indray sainina amin’izany : ny làlana sy tetezana mamakivaky ny toerana mamokatra mba hiteraka asa sy vokatra hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy, famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rian-drano, fanabeazam-boho ny tontolo voajanahary, sns.

Samy manana ny manavanana azy ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny firenen-tsamihafa fa antsika Malagasy no misafidy izay mety indrindra amintsika. Izay ilay hoe: ny Fahaleovantena dia fahafahana misafidy an-kalalahana izay iaraha-miasa anaty fitsipika mazava, mitandro ny tombontsoan’ny andaniny sy ankilany. (Vakio : Ny mitondra fihatsaram-piainana)

FIFANDRAISANA AMIN’IZAO TONTOLO IZAO

Fiaraha-miasa amin’ny Firenena Mikambana

Fikambanan’ny Firenena mampiasa ny teny frantsay Fiaraha-miasa Sina sy Afrika

Fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eropeana

Fiaraha-miasa amin’i Frantsa Fiaraha-miasa Madagasikara sy India

Fiaraha-miasa amin’ny COMESA

Fiaraha-miasa amin’ny Japana

Fiaraha-miasa amin’i Indonezia

Fiaraha-miasa amin’i Singapour

Ohatra notsongaina ihany ireo. Tsy fitia itsangatsangana, araka ny resaka an-tsisiny fa asa be. Tsy misy vokany eo no eo koa ireny fihaonana ireny fa tafiditra anaty tetiandro manome aina ny vina.

Manomboka amin’ny volana Jolay dia ifanesy ny fivoriana fara-tampony iraisam-pirenena eto amintsika. Iarahana amin’ny firenena maneran-tany izay mampiasa ny teny frantsay, OIF ; ny Comesa fikambanana ara-barotra anivon’ny kontinenta afrikana. Izao tontolo izao mitodika aty amintsika satria mahatazana ho avy mamiratra ho an’i Madagasikara. Isika Malagasy mila manatevina ny fahatokisan-tena sy ny fifampitokisana, dia miray hina.

Alatsinainy 20 Jiona 2016 7

Page 8: Lokanady 0001

Fahaleovantena hoe

Rado Andriamanantena

RADO 1991

KOLOTSAINA

Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsyhoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy.

Fa Fahaleovantena tsy manam-piangaranahampigoka mamy ny isam-baravarana

Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miatoiandrandrana vola avy any Dilambato

Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanakatsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasyny tenin’ny vahiny hasolo Teny Gasy

Fa Fahaleovantena derain’ilay mitazanahanandratra ambony ilay Fitenin-drazana

Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javonaka iambonian-tena rakofana avonavonaFa fanetrena tena hitovy amin’ny hafa

Miaraka misaina, miaraka mitafa

Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokan’ny fiheverantena ho mahavita tokanaFa hevitry ny maro mitapatapak’ahitrany hoavim-pirenena hitera-boninahitra

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahanany hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana

Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratanahanaja ny an’ny tena ho any avara-patana

Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehakana horaka mandainga mba hampidehadehaka

Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tenafa fantatra eny ihany izay tia ny firenena

Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako,fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako

Fa Fahaleovantena ahitana tokyka ny maroanisa no sambatra sy voky.

Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katranahividianan’olona ho sandam-pisandratanaFa Fahaleovantena mitana fahamarinana

hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana

Ny Fahaleovantena : tsy laza vady baingaam-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga

Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranonytsy misy laingalainga na mila ranondranony

Izany ka izany no Fahaleovantenaniadian’ny razantsika sy namonoany tena,

nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany,namoizany ny hareny, namoizany ny rany

Anefa raha tsy izany no Fahaleovantenaiainantsika etoana, fa toa fitiavan-tenasahia ka mijoroa hiady ho an’ny marina

mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.

Teny velona, miainaRehefa miteny hoe: Harembe ny teny malagasy dia misy ihany no mamaly hoe: harem-be ahoana ? Teny tsy misy mampiasa ivelan’ny eto akory! Izay aloha dia efa diso satria be mpiteny ny tenintsika maneran-tany. Eo aloha ny Malagasy am-pielezana rehetra izay sady mitazona ny teniny no mikolokolo ny endriky ny vakoka samihafa. Tsy vitsy koa ny foibe mampianatra ny teny malagasy any ivelany any ary ny tanora amerikana na japoney mpilatsaka an-tsitrapo tonga miasa eto amintsika, ohatra, dia miteny malagasy ary hitahiry izany ho azy.

Isan’izay mamelona sy mampitombo laza sy hasina ny teny malagasy koa ireo mpanoratra, ny pôeta, ny mpanakanto an-kira am-polony maro izay mitety izao tontolo izao maneho ny talentany. Rehefa tratry ny figandon’ny hira mampiaina ny teny ireo mpijery any rehetra any dia te ahafantatra ny votoatin’ny tononkira, te ahafantatra bebe kokoa momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Mety voasarika hianatra ny teny koa dia hihira tahaka ny tovovavy alemà iray izay miaraka amin’ny mpihira malagasy malaza, monina any ivelany. Teny velona ary mieli-patrana araka izay tratrany ny teny malagasy.

Harem-pirenena ny tenySatria isika manana teny iray iombonana manerana ny nosy na dia eo aza ny fahasamihafana voajanahary, toy ny amin’ny tany hafa mitovy fahasoavana amintsika dia sarotra amintsika ny mahazo an-tsaina izay miseho amin’ny tany hafa. Raha maka ohatra ny tany tahaka an’i Cameroun fotsiny dia hevero fa teny mihoatra ny roanjato no misy any. Teny tena samihafa tsy afaka mampiserasera ny olona akory. Tsy mahagaga noho izany, raha mila teny hafa ifaneraserany ny Kamerone. Dia ny tantaram-panjanahana nolalovany no namaritra fa ny teny frantsay sy anglisy no teny ofisialy any. Manomboka any amin’ny fanabeazana izany ka hatrany amin’ny raharaham-pitondrana. Fa ny teny ifandraisan’ny sarambabem-bahoaka any ifotony dia ireo teny samy manana ny azy.Eto Madagasikara dia tokana ny teny tera-tany ifandraisantsika, ary isan’ny teny ofisialy ny tenin-drazana. Teny ofisialy koa ny teny frantsay saingy ny tarehimarika mahazo ny marimaritra iraisana dia milaza fa eo amin’ny 2% eo ihany ny Malagasy tena mafehy tanteraka ny fampiasana teny frantsay. Ny 98% ny Malagasy izany dia tsy mila teny vahiny ifandraisany amin’ny mpiray tanindrazana aminy.

HAREMBE NY TENY MALAGASY

Miteraka tombontsoa eo amin’ny lafiny maro izany. Ohatra: efa voaporofon’ny manam –pahaizana maro eran-tany fa ny fiandohan’ny fampianarana amin’ny tenin-drazana dia manampy be dia be ny ankizy handrafitra malakilaky kokoa ny rafi-pisainany sy ny fahafahany mandranto fahalalana vaovao. Voaporofon’ireo manampahaizana koa fa rehefa tsara fototra amin’ny tenin-dreniny ny ankizy dia havanana kokoa eo amin’ny fifehezana ny teny vahiny. Ohatra hafa: anaty orinasa iray, na tsy dia mahay teny vahiny loatra aza ny mpiasa sasany dia eo ny teny malagasy azony ifampiraharahana amin’ny mpiara-miasa manodidina azy. Tamin’ireny fotoan-tsarotra nilàna mpanelanelana ireny dia nisy nanao vazivazy mampieritreritra hoe: samy tsy nila mpanelanelana vahiny tsy miteny ny teniny ny mpanao

politika malagasy na dia mifandona aza ny heviny. Raha tena nitombina izany dia mety misy fanazavana ihany hoe: ny teny sy ny firafiny, ny vaombolana ampiasaina dia maneho kolontsaina daholo ka izay tsy mifandrindra amin’ny kolontsaina dia tsy maharesy lahatra daholo. Isika Malagasy rahateo mahay an’izay « mody fanina » izay rehefa te hanao mafy sofina.Ny iray volan’nyTeny Malagasy, volana jona, dia natao indrindra ampahatsiahivana izany lokanady manodidina ny teny izany. Henjana, manko, ny ady ara-kolontsaina anatin’izao fanatontoloana izao ka ny teny dia fitaovana mahery vaika anatin’zany ady izany. Tsy natao ampihiboka antsika koa anefa, ny teny malagasy fa natao ho famaharana , ifanandrinana anatin’ilay fanatontoloana. “ANDRIANIKO NY TENIKO, NY AN’NY HAFA KOA FEHEZIKO”, hoy ny hafatra napetrak’i Henri Raingoson izay.

Amin’ny maha Mpiaro Ambony indrindra ny Akademia Malagasy azy dia nanatrika ny fotoam-pisantarana ny iray volan’ny Teny Malagasy , tamin’ny 1 jona ny Filoham-pirenana.Natolotry ny Filohan’ny Akademia azy tamin’izany fotoana izany ny drafitry ny volavolan-dàlàna manoritra ny Politikam-pirenena momba ny teny malagasy.Ao amin’ny Tahala Rarihasina, Antananarivo, dia mbola mitohy hatramin’ny faran’ny volana Jona ny fampirantiana.

Notontosain’ny fiandraiketana seraseraao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika

http://www.presidence.gov.mg/https://www.facebook.com/compresidencemadagascar/

Talen’ny famoahana : Johary RakotonirinaTrano printy : X-PRINT, Zone Forello Tanjombato

Isan’ny natonta : 20 000

Ity sarintany ity dia mampiseho tsara fa isan’ireo Firenena manana tombony lehibe i Madagasikara sy ny malagasy. Teny iombonana mampita torohay, fihetsem-po, fanehoan-kevitra, fahalalana.

Alatsinainy 20 Jiona 20168